Avia, hanaraka Ahy
Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
fianakaviana mifanakalo hevitra momba ny soratra masina

Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviana dia fomba iray mahery vaika hanampiana ny fianakavianao hianatra ny filazantsara. Ny habetsaky ny fandalinana na ny halavan’ny fandalinana ataonao miaraka amin’ny fianakavianao dia tsy manan-danja noho ny ezaka tsy tapaka ataonao amin’izany. Rehefa manao ny fandalinana ny soratra masina ho zavatra manan-danja eo amin’ny fiainam-pianakavianao ianao dia hanampy ny olona ao amin’ny fianakavianao ho lasa akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy hanorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany ho eo ambonin’ny fanorenan’ireo teniny. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo olona ao amin’ny fianakavianao handalina manokana ny soratra masina?

  • Inona no azonao atao mba hamporisihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny zavatra izay ianarany?

  • Ahoana no ahafahanao manamafy ireo fitsipika ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ireo fotoana ampianaranao isan’andro?

Tadidio fa ny tokantrano no toerana tena tsara hianarana ny filazantsara. Afaka mianatra sy mampianatra ny filazantsara amin’ny fomba izay tsy ho azo tanterahina any amin’ny kilasy any am-piangonana ianao ao an-tokantrano. Mahaiza mamorona zavatra rehefa mieritreritra fomba hanampiana ny fianakavianao hianatra avy amin’ny soratra masina. Ampiasao ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto hanatsarana ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina:

Mizara soratra masina manan-danja

Omeo fotoana hizarana andinin-tsoratra masina izay hitany manan-danja nandritra ny fandalinany manokana ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mampiasa ny teninao manokana

Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hamintina amin’ny tenin’izy ireo manokana ny zavatra ianarany avy amin’ny soratra masina izay halalininareo.

Mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanareo

Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ireo fomba fiantefan’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny fiainany.

Mametraka fanontaniana

Asao ny fianakavianao hametraka fanontaniana momba ny filazantsara ary avy eo hanokana fotoana hitadiavana ireo andininy izay afaka manampy amin’ny famaliana ilay fanontaniana.

Maneho soratra masina

Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary arantio amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita azy matetika izany. Asao ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina mba haranty.

Manao lisitry ny soratra masina

Iaraho safidiana amin’ny fianakaviana ireo andinin-tsoratra masina maromaro izay tianareo horesahina mandritra ny herinandro ho avy.

Manao tsianjery soratra masina

Misafidiana soratra masina iray izay manan-danja amin’ny fianakavianao, dia asao ny olona ao amin’ny fianakavianao hanao tsianjery izany amin’ny alalan’ny famerenana izany isan’andro na ny fanaovana kilalao fitadidiana.

Mizara lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana

Mitadiava zavatra izay mifandray amin’ireo toko sy andininy izay vakinao miaraka amin’ny fianakavianao. Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ny zavatra tsirairay amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Misafidy lohahevitra

Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra izay hohalalinin’ny fianakaviana miaraka. Ampiasao ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina hitadiavana andinin-tsoratra masina momba ilay lohahevitra.

Manao sary

Mamakia andinin-tsoratra masina vitsivitsy miaraka amin’ny fianakaviana ary avy eo dia omeo fotoana ny olona ao amin’ny fianakaviana hanao sarin-javatra izay mifandray amin’ny zavatra izay novakinareo. Manokàna fotoana hiresahana ny sary nataon’ny tsirairay.

Milalao an-tsehatra tantara iray

Rehefa avy mamaky tantara iray dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hilalao an-tsehatra izany. Aorian’izany dia mifanakaloza hevitra momba ny fomba ifandraisan’ilay tantara amin’ireo zavatra iainan’ny tsirairay sy ny fianakaviana.

Sary
mpivady zokinjokiny mamaky soratra masina

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny vavaky ny mpianakavy tsirairay, ny fotoam-pandalinana ny soratra masina tsirairay ataon’ny fianakaviana ary ny takarivan’ny mpianakavy tsirairay dia diam-borosy indray mandehan’ilay sary hosodokon’ny fanahintsika. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra ireo no hoe manaitra be na miavaka be. Saingy rehefa mifameno ireo diam-borosy indray mandehan’ilay borosindoko miloko mavo sy volom-bolamena ary volontany ireo dia mamokatra asa tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny vokatry ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 19–20).