Avia, hanaraka Ahy
Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy


“Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Toriteny teo an-tendrombohitra

Ianao dia mpampianatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy

Nantsoin’ Andriamanitra ianao mba hampianatra ireo zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Natokana ho amin’ io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra efa za-draharaha aza ianao, rehefa miaina am-pahamendrehana sy mivavaka isan’andro ary mandalina ny soratra masina ianao, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Ireo izay napetraka ho karakarainao dia zanak’ Andriamanitra, ary fantany ny zavatra ilain’ izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hikasihana ny fon’ izy ireo. Hotarihina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fampianaranao. Hanambara aminao izay tokony holazainao sy tokony hataonao Izy.

Ny tanjona fototry ny fianarana ny filazantsara dia ny hanova fiainana. Ny tanjonao amin’ny maha mpampianatra anao dia ny hanampy ireo izay ampianarinao hanao izay rehetra azony hatao mba hahatonga azy hiova fo amin’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, izany dia tanjona tratrarina hatrany ivelan’ny fotoam-pianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba handray anjara mavitrika amin’ny fianarany manokana ny fitsipika sy ny fotopampianaran’ i Jesoa Kristy ary hanao araka izay zavatra nianarany. Amporisiho izy ireo mba hanaovany ho laharam-pahamehana hifantohana amin’ny fianarany ny filazantsara ny fandalinana atao manokana sy atao miaraka amin’ny fianakaviana ivelan’ny kilasy. Rehefa manao asa am-pinoana izy ireo amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, dia hanasa ny Fanahy ho eo amin’ny fiainany sy ho voatahy bebe kokoa noho ny hoe avy amin’ izay zavatra mety hataon’ny mpampianatra.

Ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny andro farany ihany no ampianaro. Ny fotopampianarana madio, izay mandrakizay, sy fahamarinana tsy miova izay ampianarin’ Andriamanitra sy ireo mpanompony, dia manasa ny Fanahy ary manana ny hery hanova fiainana.

Ny antso mba hampianatra dia fametraham-pitokisana masina, ary tsy mahagaga raha mahatsapa ho tototra be indraindray. Kanefa tsarovy fa Andriamanitra no niantso anao ary Izy dia tsy handao anao. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjaka” ianao (FF 4:2), dia hampitombo ny fahafaha-manaonao sy ny fanomezam-pahasoavana azonao ary ny talentanao Izy ary ny fanompoanao dia hitahy ny fiainan’ ireo izay ampianarinao.