Avia, hanaraka Ahy
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny ankamaroan’ireo loharanom-pitaovana ireo dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny LDS.org.

Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina mba ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady misy anao ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa nampiasa ireto asa ampanaovina ireto nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina na ataony miaraka amin’ny fianakaviany ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hizara ny traikefany na ny hevi-baovaony.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ireo gazetiboky New Era, Ensign, sy Liahona dia ahitana lahatsoratra sy fitaovana hafa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady.

Ny Cantiques sy ny Chants pour les enfants

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny Cantiques sy ny Chants pour les enfants, amin’ny endrika vita printy dia afaka mahita ny raki-peon’ny hira sy hira ho an’ny ankizy maro ao amin’ny music.lds.org sy ao amin’ny application LDS Music ianao.

Tahirim-pampahalalana amin’ny endriny maro

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haka sary ao an-tsaina ilay fotopampianarana sy ireo tantara izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsidiho ny medialibrary.lds.org mba hahitana ireo andiana loharanom-pitaovana amin’ny endriny haino aman-jery, anisan’izany ireo andiana horonan-tsary momba ny Baiboly, izay mampiseho ireo zava-nitranga tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ireo boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manome ny zava-nitranga ara-tantara sy fanamarihana ara-potopampianarana ho an’ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Izy ireo koa dia ahitana hevitra hoenti-mampianatra izay azo ampifanarahana amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady.

Ireo Lohahevitra mikasika ny filazantsara

(Sujets de l’évangile).

Miorim-paka ao amin’ny Finoana

Ity loharanom-pitaovana ity dia manome fanazavana tsotra ny amin’ ireo lohahevitra momba ny filazantsara, izay milahatra araka ny abidia.

Torio ny Filazantsarako

Ity boky torolalana ho an’ny misiônera ity dia manome topimaso momba ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

Ry Tanora, Mahereza

Ity loharanom-pitaovana ity dia mandravona ireo fenitry ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hijanona ho mendrika ireo fitahian’ny Tompo. Azonao atao ny mijery azy io matetika indrindra raha mampianatra tanora ianao.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Sary
zazalahy mampiasa tablette