Avia, hanaraka Ahy
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Miomana hampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Ny tokantrano no tokony ho ivontoerana hianarana ny filazantsara. Marina izany ho anao sy ireo izay ampianarinao. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fananana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isambatan’ olona sy ny fianakaviana ihany koa dia ampahany manan-danja amin’ny fiomananao. Izy io dia hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina. Ho afaka koa ianao ny hitaona sy hanasa ireo mpianatra mba hampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hanatsarana ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ataon’ny mpianakavy (ho fanampiana amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana” ao amin’ ity fitaovana ity). Eo am-panaovana izany, dia tadidio ny mitandrina tsara ny amin’ireo mpianatra izay anaty fianakaviana tsy afaka miara-mandalina ny soratra masina matetika noho ny toe-javatra misy azy.

Mandritra ny fiomananao, dia hisy hevitra sy eritreritra tonga ao aminao momba ny olona ampianarinao, sy ny fomba hitahian’ny fitsipika ao amin’ny soratra masina azy ireo ary ny fomba ahafahanao mankahery azy ireo mba hahita ireo fitsipika ireo rehefa mandalina ny soratra masina samirery izy ireo.

Hevitra hoenti-mampianatra

Rehefa manao ny drafitra enti-mampianatra ianao, dia mety hahazo fitaomam-panahy fanampiny amin’ny fizahana ireo rindran-damina ao amin’ ity loharanom-pitaovana ity. Aza heverina ho toy ny torolalana arahana amin’ny antsipiriany ireo tolo-kevitra ireo fa hevero kosa ho toy sosokevitra hahazoanao fanentanam-panahy mora foana ho anao manokana. Mahafantatra ireo mpianatrao ianao, ary ny Tompo koa dia mahafantatra azy ireo. Hanome fitaomam-panahy anao Izy amin’ny fomba tsara indrindra mba hanampiana ireo mpianatra hiorina eo amin’ny fianarana ny filazantsara izay hataon’ izy ireo any an-tokantranony.

Manana loharanom-pitaovana maro hafa ianao izay azonao ampiasaina eo am-piomanana, anisan’ izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana sy ao amin’ ireo gazety bokin’ny Fiangonana. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika ireo loharanom-pitaovana ireo sy ny loharanom-pitaovana hafa, dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Zavatra tsara tadidiana

  • Ny tokantrano no toerana tsara indrindra hianarana ny filazantsara. Amin’ny maha mpampianatra anao, dia manana andraikitra lehibe ianao ny hanohana sy hamporisika ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano ary ny hifototra eo amin’izany.

  • Ny fiovam-pon’ ireo mpianatra ho amin’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia hihalalina kokoa rehefa takatr’ izy ireo sy ampihariny ny fotopampianarana marina. Amporisiho izy ireo mba hirakitra an-tsoratra sy hanaraka ireo bitsika azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Ny mampianatra dia tsy vitan’ny hoe manome lesona fotsiny, kanefa izany koa dia tsy vitan’ny hoe mitarika fifanakalozan-kevitra fotsiny. Anisan’ny anjara asanao ny mamporisika ny fandraisana anjara izay mankahery sy mifototra amin’ny soratra masina.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao hahomby, anisan’ izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifanolotra hevitra miaraka amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay mety atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Tena mianatra zavatra ny olona rehefa manana fahafahana hampianatra. Azonao atao indraindray ny mamela mpianatra iray, anisan’ izany ireo tanora, mba hampianatra ampahany iray amin’ny lesona. Ataovy arakarak’ ireo zavatra ilaina sy fahaiza-manaon’ny mpianatrao ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Raha manasa mpianatra iray ianao hampianatra, dia makà fotoana hanampiana azy hiomana mialoha amin’ny fampiasana ireo hevitra hita ao amin’ ity loharanom-pitaovana ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana. Tsarovy fa amin’ny maha mpampianatra voantso anao, dia ianao no tompon’ andraikitra amin’ izay zavatra ampianarina ao an-dakilasy.

  • Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona ankoatra ireo alahady anankiroa hanaovana fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amin’ny alahady izay tsy misy Sekoly Alahady noho ny fihaonamben’ny tsatòka na noho ny antony hafa, dia azon’ny fianakaviana atao ny manohy mamaky ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano arakaraka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Mba hanarahan’ny kilasin’ny Sekoly Alahadinao hatrany ny fandaharam-potoana, dia azonao atao ny mandingana lesona iray na manambatra lesona anankiroa. Mba hisorohana ny fisafotofotoana, dia azon’ ireo filohan’ny Sekoly Alahady atao ny manoro hevitra mialoha an’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady, momba ireo fanamboarana ireo.