Avia, hanaraka Ahy
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondra ny fampianarana,” ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Lamina hitondra ny fampianarana,” ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ianao dia hahita ity lamina manaraka ity miverimberina ao amin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-tokantrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, rehefa iny mampianatra iny ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa ao amin’io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampiananarana ny fotopampianarana dia tokony ahitana fanasana mba hizara hevitra. Toy izany ihany, ny famporisihana hianatra any an-tokantrano dia afaka mitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra. Avelao handeha ho azy izany fifanindriana izany, amin’ny alalan’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana izay ilain’ireo olona ampianarinao.

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mandritra ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny mpianatra hizara hevi-baovao sy zavatra niainan’izy ireo tao anatin’ny herinandro lasa rehefa nandalina samirery ny soratra masina sy niaraka tamin’ny fianakaviana izy ireo, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Ampio ny mpianatra hahita fa manan-danja ny fianaran’izy ireo manokana ivelan’ny fotoam-pianarana. Tsy ho amin’ny alalan’ny fianarana isaky ny alahady ihany no hitrangan’ny fiovam-pon’izy ireo manokana fa amin’ny alalan’ny zavatra iainan’izy ireo isan’andro ihany koa. Rehefa mahare ny zavatra niainan’ny tsirairay ny mpianatra, dia moramora kokoa ny hahazoan’izy ireo fitaomam-panahy hikatsaka ny hahazo mivantana ny traikefa mitovy amin’izany.

Tsy voatery ho namaky ireo toko ho an’ny lesona tsirairay daholo ny rehetra, ary na ireo vitsivitsy izay namaky aza dia mety hahatsapa ho tsy mahazo aina rehefa asaina mizara hevitra. Ataovy izay hahatsapan’ny mpianatra rehetra fa ampahany manan-danja ao anatin’ilay kilasy izy, na manana zavatra hozaraina izy ireo na tsia.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Na ianao na ny mpianatrao dia tokony hifantoka amin’ny fotopampianarana, dia ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara, izay hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina asaina vakina. Eo am-pifanakalozanareo hevitra momba ireo fotopampianarana avy amin’ny soratra masina ianareo, dia inona avy ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, ary loharanom-pitaovana fanampiny mety hozarainao? Ahoana no mety hampiasanao an’ireo loharanom-pitaovana ireo mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra sy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara? Inona no azonao atao mba hamporisihana ny mpianatra handray an-tsoratra sy hamadika ho asa ireo eritreriny sy ireo fitaomam-panahy voarainy?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Rehefa mifarana ny lesona dia makà fotoana hanaovana topimaso kely ny fifanakalozan-kevitra hatao amin’ny herinandro manaraka. Eritrereto ny fomba hanampiana ny mpianatra hahazo fitaomam-panahy mba hanohy hianatra ny Testamenta Vaovao any an-trano, na fandalinana manokana izany na miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo.