Avia, hanaraka Ahy
31 desambra–06 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika


“31 desambra–06 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“31 desambra–06 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
fianakaviana mijery rakitsary

31 desambra–06 janoary

Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika

Rehefa mamaky sy misaintsaina ireo andalan-tsoratra masina ato amin’ity rindran-damina ity ianao dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny fanomananao izany. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana sy ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitaona ireo olona ao amin’ny kilasinao mba handalina ny Testamenta Vaovao amin’ ity taona ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny iray amin’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny mamporisika ireo mpianatra hianatra manokana avy amin’ny soratra masina sy miaraka amin’ny fianakaviany. Ny fihainoan’izy ireo ny traikefan’ny hafa dia afaka manentana azy ireo hikatsaka ny traikefany manokana. Koa, isak’izay hanomboka fotoam-pampianarana iray, dia angataho ny mpianatra hizara soratra masina avy amin’ny fandalinany izay nanentana ny fanahiny na nanaitra azy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Mba tena hianarana marina tokoa avy amin’ny Mpamonjy dia tsy maintsy manaiky ny fanasany hoe: “Avia, hanaraka Ahy” isika.

  • Ny fandalinana ny Testamenta Vaovao dia tsy vitan’ny hoe fahafahana hianatra momba ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany fotsiny ihany fa fahafahana hahafantatra ihany koa ny fomba hanarahana Azy tanteraka kokoa. Ny tantara ao amin’ny Matio 19:16–22 dia fomba iray tena tsara hampahafantarana izany lohahevitra izany. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hikaroka ao amin’io tantara io ny zavatra iray izay nianarany momba ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy sy hizara izay hitany. Ny asa hafa azo atao mifandray amin’ity fitsipika ity dia hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’nyAvia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana.

Mitaky fanaovana asa amim-pinoana ny fianarana.

  • Ahoana no ahafahanao manentana ireo mpianatrao handray anjara mavitribitrika kokoa amin’ny fianarany, fa tsy mametraka ny andraikitra manontolo eo amin’ny mpampianatra fotsiny? Indro misy hevitra anankiray. Asao ny mpianatra iray hanipy zavatra malemilemy iray eny aminao, kanefa tsy manao ezaka mihitsy ianao handray izany. Ampiasao ity asa ampanaovina ity mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny anjara asan’ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny fianarana ny filazantsara. Ny zavatra nolazain’ny Loholona David A. Bednar momba ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana, izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny,” dia afaka manampy mandritra io fifanakalozan-kevitra io.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa mitaky finoana hanao asa ny fianarana ny filazantsara dia azonao zaraina ho vondrona izy ireo, dia asao ny vondrona tsirairay hamaky ny iray amin’ireto tantara manaraka ireto: Marka 5:25–34; Lioka 5:17–26; ary ny Jaona 9:1–7. Inona no nataon’ny olona tao amin’ny tantara tsirairay mba hanehoana ny finoany ny Mpamonjy? Inona no asa azontsika atao mba hianarana ny filazantsara sy hanehoana ny finoantsika fa hanampy antsika hianatra fahamarinana ny Tompo?

  • Ny mpianatra rehetra dia manana andraikitra hanasa ny Fanahy ao an-dakilasy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany dia asao izy ireo hamaky ny Almà 1:26 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22; 88:122–23 ary hizara ny zavatra azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra atao mba hanasana ny Fanahy. Mety hanampy ny fanoratana ny valintenin’izy ireo eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny lohateny toy ireto: Ny azon’ny mpampianatra atao sy Ny azon’ny mpianatra atao. Mety hanampy ve ny famoronana petadrindrina iray ahitana ny valintenin’ny mpianatra izay azo haseho mandritra ny herinandro vitsivitsy manaraka?

Mila mahafantatra mivantana ny fahamarinana isika.

  • Andalan-tsoratra masina maro ao amin’ny Testamenta Vaovao no mampianatra fitsipika afaka mitarika antsika amin’ny fikatsahantsika fahamarinana. Tafiditra ao anatin’ izany ny Lioka 11:9–13; Jaona 5:39; 7:14–17; ary ny 1 Korintiana 2:9–11. Afaka manasa ny mpianatra izay namaky ireo andalan-tsoratra masina ireo nandritra ny fandalinany manokana ianao mba hizara izay zavatra nianarany. Na azonao atao ny mamaky ireo andalan-tsoratra masina ireo miaraka amin’ny mpianatra ary manasa ny mpianatra hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona.

    Sary
    zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny lakilasy iray

    Ny fikatsahana fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia hanampy antsika handray fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana.

  • Na hatramin’ny oviana na hatramin’ny oviana no naha-tato amin’ny Fiangonana antsika dia mila mampatanjaka tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika rehetra. Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fahamarinana ilain’izy ireo fantarina manokana, dia azonao atao ny manoratra amin’ny tapa-taratasy ny soratra masina sasany izay mampianatra fahamarinana manan-danja, toy ny Jaona 3:16–17; 1 Korintiana 15:22; Môsià 3:13; Almà 7:11–13; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Asaivo mamaky ireo soratra masina ireo ny mpianatra, hamintina ireo fahamarinana mandrakizay hitany, ary hiresadresaka ny zavatra azony atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ireo. Mba hampazoto kokoa ny tanora hanao ity asa ampanaovina ity dia afeno manerana ny efitrano fianarana ireo tapa-taratasy ary asao ny zatovo “hikatsaka fahamarinana.”

  • Ny Asan’ny Apostoly 17:10–12 dia milazalaza momba ireo Olomasina izay nanadihady ny soratra masina ary nahazo fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana momba ny fahamarinana. Mba hamporisihana ny mpianatra hanaraka ny ohatr’izy ireo dia miaraha-mamaky ireo andininy ireo, ary asao ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara.

Inona no azontsika atao mba hampisy lanjany bebe kokoa ny fandalinantsika ny soratra masina?

  • Ny fikolokoloana ny fahazarana mandalina soratra masina dia mety hanano-sarotra ho an’ny mpianatra izay mahatsapa fa tsy ampy fotoana, na fahatakarana, na fahaiza-manao. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo hahita fahombiazana? Azonao atao ny manomboka amin’ny firesadresahana ilay tantara momba ireo mpanapaka hazo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mba hanampiana ny mpianatra hahazo ny fahatokian-tena handalinana ny soratra masina dia azonao zaraina ny fampahalalana avy amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angamba afaka mifampizara traikefa amin’ny fampiasana ny sasany amin’ireo hevitra ireo na traikefa manan-danja hafa momba ny fandalinana soratra masina ianao sy ireo mpianatra hafa. Afaka mifidy toko iray ao amin’ny Testamenta Vaovao ihany koa ianao dia manandrana miara-mandalina izany ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasany amin’ireo hevitra ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra handalina ny Matio 1 sy ny Lioka 1 any an-tranony ho fiomanana amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny herinandro ambony dia azonao hapetraka izao fanontaniana izao: “Efa nangatahana hanao zavatra iray izay toa tsy ho vita mihitsy ve ianao?” Ireo toko ireo dia mampiseho ilay fahamarinana fa “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37).

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mitaky fahalalana ara-panahy ho an’ny tenantsika manokana.

Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Nahatsikaritra toetra itovizan’ireo mpampianatra izay nitondra ny fitaomana tsara indrindra teo amin’ny fiainako aho. Nanampy ahy hikatsaka fianarana tamim-pinoana izy ireo. Tsy nanaiky nanome valinteny mora ho ahy ho an’ireo fanontaniana sarotra izy ireo. Raha ny marina dia tsy nanome valinteny ho ahy mihitsy izy ireo. Naleon’izy ireo kosa nanazava ny fomba sy nanampy ahy hanao ireo dingana hahitako ireo valin’ny fanontaniako. … Mazàna ny valinteny omen’ny olona iray dia tsy tsaroana ela loatra, na tsy tadidy mihitsy. Fa ny valinteny hitantsika na azontsika amin’ny alalan’ny fampiharana finoana, araka ny mahazatra, dia tadidy mandritra ny androm-piainana. … Amin’ny alalan’io fomba io ihany no hahafahan’ny olona iray manao zavatra mihoatra ny fiankinana amin’ny fahalalana sy traikefa ara-panahin’ny hafa ary mitaky ireo fitahiana ireo ho an’ny tenany manokana” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 67).

Maka fotoana handalinana soratra masina.

Nampianatra ny Rahalahy Tad R. Callister hoe:

“[Ny lehilahy mpanapaka hazo roa dia] … nifaninana ny hamantatra hoe iza no afaka manapaka hazo betsaka kokoa ao anatin’ny iray andro. Nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ilay fifaninanana. Isaky ny adiny iray dia nandeha niditra tany anaty ala tany nandritra ny 10 minitra teo ho eo ilay lehilahy kelikely kokoa. Isaky ny nanao izany izy dia nitsiky ilay mpifaninana taminy sady nahatsapa ho natoky tena fa izy no handresy amin’ilay fifaninanana. Tsy niala teo amin’ny toerany mihitsy ilay lehilahy ranjanana kokoa, tsy nitsahatra nanapaka, tsy naka aina mihitsy.

“Rehefa hariva ny andro dia tohina ilay lehilahy ranjanana kokoa rehefa nahafantatra fa ilay mpifaninana taminy, izay toa nandanindany fotoana be tokoa, dia nahatapaka hazo betsaka kokoa noho izy. -Ahoana no nahavitanao izany kanefa ianao niato imbetsaka?- hoy izy nanontany.

Namaly ilay mpandresy hoe: -Hay! nandranitra ny famakiko aho.-

“Isaky ny mandalina ny soratra masina isika dia mandranitra ny famakintsika ara-panahy” (“The Joy of Learning,” Ensign, ôkt. 2016, 14).

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha hatrany amin’ny fotopampianarana. Alaivo antoka fa mifototra hatrany amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy. Azonao atao izany amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ny hoe: “Inona no fahamarinana ao amin’ny filazantsara azontsika ianarana avy amin’ny fanehoan-kevitra vao henontsika teo?” na “Misy afaka mizara soratra masina iray mifandray amin’ny zavatra vao noresadresahantsika ve?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21.)