Avia, hanaraka Ahy
14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga mba hitsaoka Azy izahay


“14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga mba hitsaoka Azy izahay,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
Magy mitaingina rameva

Avia hitsaoka Azy, nataon’i Dana Mario Wood

14–20 janoary

Lioka 2; Matio 2

Tonga mba hitsaoka Azy izahay

Mialoha ny hamakianao ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity, dia halalino ny Lioka 2 sy ny Matio 2, dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hanampy anao handray fanambarana ny amin’ny fomba tsara indrindra hahafantarana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny mpianatra hizara ireo hevi-baovao sy ireo traikefa nananany rehefa nandalina ireo soratra masina ireo samirery sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo? Na dia mety tsy hizoviana amin’izy ireo aza ny tantaran’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia afaka mahazo hevi-baovao ara-panahy foana izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara hafatra iray izay hitany ao amin’ny Lioka 2 na ao amin’ny Matio 2 ka nanaitra azy ireo amin’ny fomba vaovao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 2:1–38; Matio 2:1–12

Maro ny vavolombelon’ny fahaterahan’i Kristy.

  • Ny fitantaran’ireo mpitsaoka nanatri-maso voalohany ao amin’ny Lioka 2 sy ao amin’ny Matio 2 dia afaka manampy ny mpianatrao hisaintsaina ireo fomba nanehoany ny fitiavany ny Mpamonjy. Avereno jerena ilay tabilao ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ny olona sasany ao amin’ny kilasinao dia mety hanana hevi-baovao izay tiany hozaraina avy amin’ity asa ampanaovina ity, na azonareo atao miaraka ao an-dakilasy ilay asa ampanaovina. Nahoana no manan-danja ny maha-avy amin’ny sarangam-piainana sy sehatra samy hafa an’ireo vavolombelon’i Kristy ireo? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

  • Talohan’ny nitsaohan’ireo vavolombelona ireo an’i Kristy zazakely dia nitady mafy Azy izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra avy amin’ny ohatr’izy ireo dia afaka manoratra izao lohateny manaraka izao eo amin’ny solaitrabe ianao: Mpiandry ondry, Ana, Simeona, ary Magy. Dia asao ny mpianatra hanadihady ny Lioka 2 sy ny Matio 2, dia hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny zavatra nataon’ireo olona ireo mba hikatsahana ny Mpamonjy. Inona avy ireo fomba sasantsasany hahafahantsika mikatsaka an’i Kristy izay aroson’ireo tantara ireo?

    Sary
    mpiandry ondry miaraka amin’ny ondriny

    Lasa anisan’ireo vavolombelona voalohany sasany tamin’ny fahaterahan’i Kristy ireo magy.

  • Mety hanentana ny mpianatrao hanome toerana ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany ve ny lesona maneho ohatra mivaingana iray? Eritrereto izao hevitra manaraka izao: mitondrà bocal iray ao an-dakilasy ary, rehefa avy miara-mijery ny ny Lioka 2:7, dia asao mpianatra hameno ilay bocal amin’ny zavatra isan-karazany izay maneho ny fomba andaniantsika ny fotoantsika. Rehefa feno ilay bocal dia asao ny olona iray hampiditra sarin’ny Mpamonjy ao amin’ilay izy. Milaza inona amintsika momba ny fanomezana toerana ny Mpamonjy eo amin’ny fiainatsika io fifanahafana io? Inona no azontsika ovaina mba hanomezana toerana Azy? Ilay teny nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’ny famaliana ity fanontaniana ity.

Matio 2:13–23

Afaka mahazo fanambarana hiarovana ny fianakaviany ny ray aman-dreny.

  • Ny lesona anankiray azo tsoahina avy amin’ny fandosiran’i Josefa sy i Maria hiala an’i Egypta dia ny hoe afaka manome fanambarana mba hanampiana ireo ray amn-dreny hiaro ny fianakaviany amin’ny loza ny Tompo. Mba hanentanana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba io hevitra io, dia asao ny mpianatra hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny loza sasantsasany hatrehan’ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Matio 2:13–23 momba ny fiarovana ny fianakaviantsika sy ny tenantsika amin’ireo loza ireo? Ahoana no nanampian’ny fanambarana ho an’ny tena manokana antsika hiaro ny fianakaviantsika na ireo olon-tiana hafa tamin’ny loza? Inona no torohevitra nomen’ireo mpaminany sy ny apôstôly mba hanampiana antsika hiaro ny fianakaviantsika?

  • Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao asaina hiara-hihira ny “Notre foyer ici-bas,” Cantique, lah. 188, na hira hafa momba ny fianakaviana ny mpianatra. Inona no ampianarin’ilay hira momba ny zavatra azon’ny ray aman-dreny atao mba hiaina ho mendrika ny hahazo fanambarana hitarihana ny fianakaviany?

Lioka 2:40–52

Na dia fony Izy zatovo aza dia nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa.

  • Ilay tantaran’i Jesoa nampianatra tao amin’ny tempoly raha mbola 12 taona monja dia afaka ho fitaovana mahery vaika mihitsy ho an’ny zatovo izay manontany tena momba ny anjara biriky azony entina ho an’ny asan’ Andriamanitra. Azonao zaraina ho tsiroadroa mba hiara-hamaky ny Lioka 2:40–52 ny mpianatra (jereo ilay hevi-baovao avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Lioka 2:46, izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ). Ny mpiara-mamaky tsirairay avy dia afaka maka minitra vitsivitsy mba hifampizara ny zavatra nanentana ny fanahin’izy ireo momba io tantara io. Inona avy ireo fahafahana ananantsika mba hizarana ny zavatra fantatsika momba ny filazantsara? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina?

  • Raha toa ianao mampianatra olon-dehibe dia mety ho azo araraotina hiresadresahana ny fomba hanampiana ny zatovo hivelatra tanteraka ity tantara ity. Afaka mamintina ny Lioka 2:40–52 ny olona iray ary ny rehetra hafa dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fiantraikan’ireo zava-nitranga ireo eo amin’ny fomba fijerin’izy ireo ny tanoran’ny Fiangonana. Inona ireo fahafahana azontsika omena ny tanora mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanaovana “[ny raharahan’ny] Ray” tahaka ny nataon’i Jesoa? (Lioka 2:49). Oviana isika no nitolagaga ny amin’ny fanehoan-kevitra ara-panahy nozarain’ny tanora na zaza iray? Ireto teny avy amin’ny Filoha Henry B. Eyring ireto dia azo ampidirina ao amin’io fifanakalozan-kevitra io: “Rehefa misy mpihazona ny Fisoronana Aharôna mandray fitenenana, … dia miandrandra foana aho hoe handre ny tenin’ Andriamanitra. An-kavitsiana aho no diso fanantenana ary matetika no talanjona” (“Mba hahatonga azy ho matanjaka ihany koa,” Ensign na Liahona, nôv. 2016, 77).

  • Inona no ampianarin’ny Lioka 2:40–52 antsika momba ny toetran’i Jesoa fony Izy zatovo? Ny lamin’ny fitomboan’ny tena manokana aroso ao amin’ny Lioka 2:52 dia afaka mitaona hanao fifanakalozan-kevitra iray momba ny zavatra ataontsika mba ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hisaintsaina hoe toy ny ahoana ny fitomboany fahendrena (ara-tsaina), tena (ara-batana), fitia amin’ Andriamanitra (ara-panahy), ary fitia amin’ny hafa (ara-piarahamonina). Azony atao mihitsy aza ny mametraka tanjona eo amin’ny iray na maromaro amin’ireo sehatra ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny mpianatra hiomana hiresadresaka momba ny Jaona 1 amin’ny herinandro ambony, dia angataho izy ireo handray naoty ny toerana rehetra ao amin’io toko io izay ahitana olona mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lioka 2; Matio 2

Ny raiki-pohy hikatsahana an’i Kristy.

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Ny raiki-pohy hahitana an’i Kristy dia ilay efa nisy hatrizay ary ho toy izay hatrany, dia ny vavaka marina sy tena avy amin’ny fo hataon’ny fo manetry tena sy madio. …

“Mialoha ny ahafahantsika mikatsaka manokana an’i Kristy amim-pahombiazana dia tsy maintsy manokana fotoana ho Azy eo amin’ny fiainantsika sy toerana ao am-pontsika aloha isika. Amin’izao fotoana mahasarina lava antsika izao dia betsaka no mahita fotoana hanaovana golf, hiantsenana, hilalaovana. Saingy tsy manam-potoana ho an’i Kristy anefa.

“Trano tsara tarehy no haorina eny rehetra eny izay ahitana toerana hisakafoana, toerana hatoriana, hilalaovana, natokana hanjairana, toerana natokana ho an’ny fahitalavitra, saingy tsy misy toerana ho an’i Kristy.

“Mba manenjika antsika ihany ve ny eritreritsika rehefa mahatsiaro ny zavatra nolazain’ Izy tenany mihitsy isika hoe: -Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.- (Mat. 8:20.) Sa mahatsapa ho sadaikatra kely isika rehefa mahatsiaro hoe: -Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy toerana tao an-tranom-bahiny.- (Lioka 2:7.) Tsy misy toerana. Tsy misy toerana. Tsy misy toerana. Toy izany foana hatramin’izay.

“Eo am-pikatsahantsika manokana an’i Jesoa, miaraka amin’ny fanampiana sy ny fitarihan’ny fitsipiky ny vavaka, dia tena manan-danja ny hahafantarantsika mazava tsara hoe iza moa ilay katsahintsika. Ireo mpiandry ondry fahizay dia nikatsaka an’i Jesoa zazakely. Saingy isika kosa dia mikatsaka an’i Jesoa ilay Kristy, ilay Zokilahintsika, ilay Mpanelanelana antsika amin’ny Ray, ilay Mpanavotra antsika, ilay Mpahefa ny famonjentsika; Izy izay niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana; Izy izay nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao ary nanaiky an-tsitrapo ny ho faty mba hahafahantsika ho velona mandrakizay. Izany no ilay Jesoa katsahintsika” (“The Search for Jesus,” Ensign, des. 1990, 4–5).

Sarin’ny fahaterahan’i Kristy.

Eritrereto ny mety hanatsaran’ny fampiasana sary ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny fahaterahan’i Kristy. (Ohatra, jereo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na history.lds.org/exhibit/birth-of-christ.)

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo mpianatra izay tsy nandalina soratra masina tany an-tranony. Na dia tsy afaka namaky ny Lioka 2 sy ny Matio 2 talohan’ny fotoam-pianarana aza ny mpianatra sasany dia mbola afaka mizara hevi-baovao manan-danja hatrany izy ireo rehefa miara-mandalina ao an-dakilasy ianareo. Alaivo antoka fa manana fahafahana handray anjara sy hitondra anjara biriky amin’ny fifanakalozan-kevitra ny mpianatra rehetra.