Avia, hanaraka Ahy
14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay


“14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Magy mitaingina rameva

Andeha hitsaoka Azy, nataon’i Dana Mario Wood

14–20 janoary

Lioka 2; Matio 2

Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay

Atombohy amin’ny famakiana ny Lioka 2 sy ny Matio 2, dia henoy tsara izay hevitra ara-panahy voarainao. Ireo hevitra hoenti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahita ny sasany amin’ireo fitsipika tena manan-danja sy misongadina ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nanomboka tamin’ny andro nahaterahany dia mazava fa tsy zaza toy ny rehetra i Jesoa. Tsy ilay kintana vaovao teny amin’ny lanitra na ilay fanambarana mahafaly nataon’ny anjely ihany no nahatonga ny fahazazan’i Jesoa ho miavaka. Fa noho ny olona maro isan-karazany, avy amin’ny firenena sy anton’asa ary fiaviana samihafa, izay nahatsapa ho voasarika hanatona Azy ihany koa. Na dia talohan’ny nilazany ilay fanasany hoe “Avia, manaraha Ahy” aza dia tonga izy ireo (Lioka 18:22). Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no tonga tany Aminy. Maro ireo izay tsy niraharaha Azy, ary nisy mpitondra nialona iray mihitsy aza nifofo ny ainy. Saingy ireo mpikatsaka fahamarinana feno fanetrentena sy madio ary be fanoloran-tena dia nahita ny zavatra nokatsahiny taminy. Ny fanolorantenan’izy ireo dia mitaona antsika hanana izany koa, satria ilay “teny soa mahafaly” nentina tamin’ireo mpiandry ondry dia ho an’ny “olona rehetra,” ary ilay “Mpamonjy …, dia Kristy Tompo,” dia teraka ho antsika rehetra tamin’izany andro izany (jereo ny Lioka 2:10–11).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Lioka 2:1–7

Teraka tao anatin’ny toe-piainana tsotra i Jesoa Kristy.

Na dia nanam-boninahitra niaraka tamin’ Andriamanitra Ray aza i Jesoa “fony tsy mbola ary izao tontolo izao” (Jaona 17:5), dia vonona ny ho teraka tao anatin’ny toe-javatra tsotra Izy sy hiaina eo anivontsika ety ambonin’ny tany. Rehefa mamaky ny Lioka 2:1–7 ianao, dia inona no tsikaritrao mikasika ny fahatsoran’ny toetoetry ny fahaterahany? Miezaha mitady antsipirian-javatra na hevi-baovao izay mbola tsy tsikaritrao taloha ao anatin’io tantara io. Inona no ianaranao mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny toetoetry ny fahaterahany? Inona no fiantraikan’ireo hevi-baovao ireo amin’ny

fandraisanao Azy?

Lioka 2:8–38; Matio 2:1–12

Misy vavolombelona maro nahita ny fahaterahan’i Kristy.

Ny fahaterahana sy ny fahazazan’i Kristy dia voamarik’ireo vavolombelona sy mpivavaka avy amin’ny toe-piainana samihafa: ireo mpiandry ondry tso-piainana nitsidika ilay tranon’omby, ireo Magy mpanankarena nitondra fanomezana tany an-tranony, mpitondratena iray izay nanompo tao amin’ny tempoly, ary mpianatra mahatoky iray izay niandry mafy ny fiavian’ny Mesia. Rehefa mamakafaka ny tantaran’izy ireo ianao dia inona no ianaranao momba ny fomba fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona an’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona?

Vavolombelon’i Kristy

Mpiandry ondry (Lioka 2:8–20)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona?

Vavolombelon’i Kristy

Simeona (Lioka 2:25–35)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona?

Vavolombelon’i Kristy

Ana (Lioka 2:36–38)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona?

Vavolombelon’i Kristy

Magy (Matio 2:1–12)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelona?

Jereo koa ny 1 Nefia 11:13–23; 3 Nefia 1:5–21.

Matio 2:13–23

Afaka mandray fanambarana ny ray aman-dreny hiarovana ny fianakaviany.

Tsy ho afaka nahavita velively ny zavatra nasaina nataony i Josefa, dia ny hiaro an’i Jesoa tamin’ny fahazazany, raha tsy nisy ny fanampiana avy any an-danitra. Tahaka ireo Magy dia nandray fanambarana izay nampitandrina azy tamin’ny loza izy. Rehefa mamaky ny zavatra niainan’i Josefa ianao dia eritrereto ireo loza ara-batana sy ara-panahy izay manambana ireo fianakaviana ankehitriny. Saintsaino ireo zavatra niainana izay nahatsapanao ny fitarihan’ Andriamanitra tamin’ny fiarovana anao sy ny fianakavianao na ireo olon-tianao. Eritrereto ny hizara ireo zavatra niainana ireo amin’ny hafa. Inona no azonao atao mba handraisana fitarihana toy izany amin’ny

ho avy?

Lioka 2:40–52

Na dia tamin’ny fahatanorany aza i Jesoa dia nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy.

Fony zatovolahy ny Mpamonjy dia nampianatra ny filazantsara tamin’ny fomba mahery vaika ka nahatalanjona ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly mihitsy ny “fahalalany sy ny famaliany” (Lioka 2:47). Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny Mpamonjy fony Izy zatovolahy? Ahoana no fomba fiezahan’ireo tanora fantatrao hanao ny asan’ny Rainy? (Lioka 2:49). Tamin’ny fomba ahoana no efa nanampian’ny tanora sy ny ankizy anao hahazo fahatakarana lalina kokoa ny filazantsara? Inona koa no ianaranao avy amin’ny ohatry ny fahazazan’i Jesoa ao amin’ny Lioka 2:40–52 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24–26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)?

Sary
I Jesoa zazalahy miaraka amin’ireo mpampianatra ao amin’ny tempoly

“Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49).

Inona no Dikantenin’i Joseph Smith?

Satria fahamarinana maro “tsotra sy sarobidy” no very tao amin’ny Baiboly nandritra ireo taonjato nifanesy (1 Nefia 13:28; jereo ihany koa ny Mosesy 1:41) dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanao fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly, izay fantatra amin’ny hoe Dikantenin’i Joseph Smith. Ahitana fanitsiana maro nataon’ny Mpaminany ao amin’ny tovan’ny edisiônan’ny soratra masina an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Baiboly King James izay edisiônan’ny OAF ihany koa dia ahitana fanamarihana eny ambanin’ny pejy misy ireo fanitsiana nataon’ny Mpaminany. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 24, izay fantatra amin’ny hoe Joseph Smith—Matio, dia hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Raha mila fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith”.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Lioka 2

Asao ny ao amin’ny fianakavianao hisafidy olona iray voalaza ao amin’ny Lioka 2, dia mamakia andininy vitsivitsy momba ny nifaneraseran’izany olona izany tamin’ny Mpamonjy, ary mizarà zavatra izay nianarany ka nampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy .

Lioka 2:49

Inona no asan’ny Ray izay atao ao amin’ny tranony? (Jereo ny Mosesy 1:39). Inona no ianarantsika mikasika izany raharaha izany avy amin’io tantara io sy avy amin’ny zavatra hafa nataon’i Jesoa sy nampianariny nandritra ny fiainany? Manorata fomba vitsivitsy ahafahan’ny fianakavianao mandray anjara amin’ny asan’ny Ray ary ataovy anaty fitoeran-javatra iray izany. Mandritra ny herinandro ho avy, rehefa mitady fomba hanaovana ny asan’ny Ray any An-danitra ny fianakavianao, dia afaka maka hevitra avy ao amin’ilay fitoeran-javatra izy ireo. Manomàna fotoana iray hizaranareo ny zavatra niainanareo.

Lioka 2:52

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Lioka 2:52 momba ny fitomboan’i Jesoa teo amin’ny fiainany? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianakaviana hitombo “saina sy tena sady [h]androso fitia [amin]’ Andriamanitra sy ny olona”?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny rehefa mandalina ny soratra masina dia mampiasà fitaovana toy ny fanamarihana ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, sy ireo fanampiana hafa hoenti-mandalina toy ny LDS.org ary ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014).

Sary
I Maria sy i Josefa ary i Jesoa zazakely

Tonga teto an-tany tao anatin’ny toe-javatra tsotra ny Mpamonjy izao tontolo izao.