Avia, hanaraka Ahy
21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 janoary. Jaona 1,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
vehivavy mizara ny filazantsara ao anaty gara

21–27 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Jaona 1 ianao, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao. Inona ireo hafatra hitanao fa tena hanan-danja aminao sy ny fianakavianao? Inona no zavatra azonao zaraina any amin’ireo kilasinao any am-piangonana?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe mety ho nandray an’i Jesoa avy any Nazareta ho ilay Zanak’ Andriamanitra ve ianao raha toa ka niaina nandritra ny fanompoany tety an-tany? Nandritra ny taona maro ireo Isiraelita nahatoky, anisan’izany i Andrea, i Petera, i Filipo ary i Natanaela, dia niandry ny fiavian’ilay Mesia nampanantenaina sy nivavaka momba izany. Rehefa nihaona taminy izy ireo, ahoana no nahafantaran’izy ireo fa Izy no Ilay efa nokatsahin’izy ireo? Amin’izany fomba izany koa no ahafantarantsika ny Mpamonjy, dia amin’ny fanekena ilay fanasana ho antsika manokana hoe “avia, fa ho hitanareo” (Jaona 1:39). Mamaky ny momba Azy isika ao amin’ny soratra masina. Mahare ny fotopampianarany isika. Mandinika ny fomba fiainany isika. Mahatsapa ny Fanahiny isika. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika dia hahita, tahaka an’i Natanaela, fa ny Mpamonjy dia mahafantatra antsika sy tia antsika ary te hanomana antsika handray “zavatra lehibe” kokoa (Jaona 1:50).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Ny Filazantsaran’i Jaona

Iza moa i Jaona?

I Jaona dia mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa ary lasa iray tamin’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesoa Kristy sy iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifololahiny taty aoriana. Nanoratra ny Filazantsaran’i Jaona sy epistily maromaro ary ny Apokalypsy izy. Ao amin’ny Filazantsarany izy dia milaza ny tenany ho ilay mpianatra “tian’i [Jesoa]” sy ilay “mpianatra anankiray” (Jaona 13:23; 20:3). Ny fahazotoan’i Jaona hitory ny filazantsara dia tena mafy tokoa ka nangataka ny hijanona eto an-tany izy mandra-pahatonga ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany mba hahafahany mitondra fanahy mankany amin’i Kristy (jereo ny FF 7:1–6).

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jaona, Zanakalahin’i Zebedio.”

Jaona 1:1–5

I Jesoa Kristy dia “tao amin’ Andriamanitra tamin’ny voalohany.”

Natombok’i Jaona tamin’ny fanoritsoritana ny asa izay notanterahin’i Kristy talohan’ny nahaterahany ny Filazantsarany: “Tamin’ny voalohany … ny Teny [i Jesoa Kristy] tao amin’ Andriamanitra.” Inona no ianaranao ao amin’ny andininy 1–5 momba ny Mpamonjy sy ny asany? Afaka mahita fanazavana izay manampy ianao ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Rehefa manomboka mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy ianao, dia nahoana no maha-zava-dehibe ny mahafantatra momba ny asa nataony nandritra ny fiainana

talohan’ny nahaterahany?

Jaona 1:1–18

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpianany.

Nentanim-panahy hikatsaka ny Mpamonjy i Jaona noho ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Jaona Mpanao Batisa, izay nanambara fa izy dia “tonga ho vavolombelona hanambara ny … tena Mazava” (Jaona 1:8–9, 15–18). I Jaona tenany ihany koa dia nijoro ho vavolombelona matanjaka ny amin’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy.

Mety ho tsara ny manao lisitr’ireo fahamarinana izay nampidirin’i Jaona tao amin’ny teny fampidirany hijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy (andininy 1–18; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–19 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Nahoana araka ny eritreritrao i Jaona no nanomboka ny Filazantsarany tamin’ireo fahamarinana ireo? Azonao soratana ny tenivavolombelonao momba an’i Jesoa Kristy, inona no tianao hozaraina? Inona no traikefa nanampy anao hahafantatra sy hanaraka ny Mpamonjy? Iza no mety ho voatahy rehefa mihaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

Jaona 1:12

Inona no dikan’ny hoe “tonga zanak’ Andriamanitra”?

Na dia zanakalahy sy zanakavavy ara-panahin’ Andriamanitra avokoa aza isika rehetra, rehefa manota isika dia tafasaraka aminy. I Jesoa Kristy dia nanolotra antsika lalana hiverenana. Amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony sy ny fankatoavantsika ireo fanekempihavanan’ny filazantsara, dia “[omeny] hery ho tonga zanak’ Andriamanitra” indray isika. Ateraka indray isika ary lasa mihavana indray amin’ny Raintsika, mendrika ny lovany mandrakizay sy mpandova izay rehetra ananany (jereo ny Romana 8:14–18; Jakôba 4:11).

Jaona 1:18

Efa nisy nahita an’ Andriamanitra ve?

Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ohatra momba ireo olona izay nahita an’ Andriamanitra (jereo ny Genesisy 32:30; Eksodosy 33:11; Isaia 6:5). Koa nahoana ary i Jaona Mpanao Batisa no nilaza fa “tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana”? Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’io andininy io dia manazava fa Andriamanitra Ray dia miseho amin’olona, ary rehefa manao izany Izy, dia manambara ny Zanany. Ohatra, rehefa niseho tamin’i Joseph Smith Izy tao amin’ilay Ala Masina dia nilaza tamin’i Joseph hoe: “Itỳ no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17; jereo koa ny FF 76:23). Misy ohatra voarakitra maro hafa izay ahitana olona nahita an’ Andriamanitra Ray tao amin’ny fahitana (jereo ny Asan’ny Apostoly 7:55–56; Apokalypsy 4:2; 1 Nefia 1:8; FF 137:1–3) na nandre ny feony nanambara ny Zanany (jereo ny Matio 3:17; 17:5; 3 Nefia 11:6–7).

Jaona 1:19–23

Iza i Elia, ary iza “ilay mpaminany”?

Nanontany tena ireo mpitarika Jiosy raha toa ka i Jaona no nahatanteraka ny faminaniana fahiny momba ireo mpaminany izay ho tonga eo anivon’ny vahoaka indray andro. Nanontanian’izy ireo izy raha toa ka izy no Elia, ilay mpaminany nolazain’ny mpaminany fa hamerina amin’ny laoniny ny zava-drehetra (jereo ny Malakia 3:23–24). Nanontanian’izy ireo ihany koa raha toa ka izy “ilay mpaminany,” izay mety hilaza ilay “Mpaminany” voaresaka ao amin’ny Deoteronomia 18:15. Nanazava i Jaona fa tsy izy izany saingy izy ilay mpaminany izay nolazain’i Isaia fa hanomana ny lalana ho an’ny fiavian’ny Tompo (jereo ny Isaia 40:3).

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Elià.”

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Sary
zatovovavy mamaky soratra masina

Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia hahazo fitaomam-panahy ho an’ny fiainantsika.

Jaona 1:4–10

Ahoana no mety hanampianao ny fianakavianao haka sary an-tsaina ny zavatra vakin’izy ireo momba ny fahazavana ao amin’ireo andininy ireo? Azonao avela mifandimby mandrehitra jiro ao anatin’ny efitra maizina ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary hizara ny fomba maha-Fahazavan’ny fiainany an’ny Mpamonjy. Avy eo rehefa mamaky ny Jaona 1:4–10 ianao dia mety hahazo hevi-baovao fanampiny amin’ny tenivavolombelon’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Fahazavan’izao tontolo izao, ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Jaona 1:35–46

Diniho ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny andininy 36. Inona no vokatry ny fijoroana ho vavolombelona nataony? (jereo ny andininy 35–46). Inona no zavatra ianaran’ny fianakavianao mikasika ny fomba fizarana ny filazantsara avy amin’ireo vahoaka voafaritra ao amin’ireo andininy ireo?

Jaona 1:45–51

Inona no zavatra nataon’i Natanaela izay nanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy? Ahoana ny nahazoantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Asao ireo olona ao amin’ny fianakavianao hitady zavatra azon’izy ireo ampiasaina mba hanampy azy ireo hahatakatra ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina izay iarahanareo fianakaviana vakina. Ohatra, afaka mampiasa labozia izy ireo hanehoana ny Fahazavan’i Kristy (jereo ny Jaona 1:4).

Sary
I Jesoa Kristy manatanteraka ny fahariana ny tany

Manatanteraka ny fahariana ny tany i Jehovah, nataon’i Walter Rane