Avia, hanaraka Ahy
7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-


“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“7–13 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Maria sy i Elizabeta

7–13 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Matio 1 sy ny Lioka 1 ianao, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Inona ireo fahamarinana ara-potopampianarana hitanao? Inona ireo hafatra izay tena hanan-danja aminao sy ny fianakavianao? Mety hanampy anao hahita hevi-baovao fanampiny ireo hevitra hoenti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Raha ny fijerin’olombelona dia tsy nitombina izany. Tsy afaka ho nitoe-jaza ny virijiny. Tahaka ny tsy fahafahan’ny vehivavy momba iray hitoe-jaza aorian’ny taona tokony hiterahany. Saingy nanana drafitra Andriamanitra ho an’ny fahaterahan’ny Zanany sy i Jaona Mpanao Batisa, izay nahafahan’i Maria sy i Elizabeta ho lasa reny, na dia teo aza ireo sakana izay mety tsy hahatanteraka izany. Mety hanampy ny mahatsiaro ny zavatra mahagaga niainan’izy ireo isaky ny miatrika zavatra toa tsy ho vita isika. Afaka mandresy ny fahalementsika ve isika? Mety hahakasika ny fon’ny havana iray izay tsy liana amin’ny filazantsara ve isika? Afaka ho niresaka tamintsika tsara i Gabriela rehefa nampahatsiahy an’i Maria hoe: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Ary afaka ny ho valintenintsika ihany koa ny valintenin’i Maria rehefa manambara ny sitrapony Andriamanitra: “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao” (Lioka 1:38).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Ny Filazantsaran’i Matio sy Lioka

Iza moa i Matio sy i Lioka?

I Matio dia Jiosy mpamory hetra izay nantsoin’i Jesoa ho iray amin’ireo Apôstôliny (jereo ny Matio 10:3; jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpamory hetra”). I Matio dia nanoratra ny Filazantsarany ho an’ireo Jiosy voalohany indrindra, noho izany dia nisafidy ny hanamafy ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Mesia izy izay tanteraka tamin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jesoa.

I Lioka dia mpitsabo jentilisa (tsy Jiosy) izay niara-nandeha tamin’i Paoly Apôstôly. Nanoratra ny Filazantsarany izy taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy, voalohany indrindra ho an’ireo tsy Jiosy. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpamonjy ny Jentilisa sy ny Jiosy an’i Jesoa Kristy izy. Nanoratra ny fijoroany ho vavolombelona nanatri-maso ireo zavatra nitranga tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy izy, ary nampiditra tantara maro kokoa mikasika ny vehivavy raha oharina amin’ireo Filazantsara hafa.

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara,” “Matio,” “Lioka.”

Matio 1:18–25; Lioka 1:28–35

Nahoana ny Mpamonjy no nila nateraky ny reny mety maty sy Ray tsy mety maty?

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia “nitaky ny sorona manokana ataon’ny olona iray tsy mety maty. Kanefa tsy maintsy maty Izy ary mamerina indray ny vatany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka nanatanteraka izany. Nandova ny hery mba ho faty avy amin’ny reniny Izy. Nahazo hery handresena ny fahafatesana avy amin’ny Rainy Izy” (“Constancy amid Change,” Ensign, nôv. 1993, 34).

Lioka 1:5–25, 57–80

Ny fitahian’ Andriamanitra dia tonga amin’ny fotoany.

Noho ny antony tsy fantatra, ny fotoan’ Andriamanitra dia nahatonga ilay fitahiana nirin’i Elizabeta sy i Zakaria, ny hanan-janaka, ho tonga taoriana lavitra ny fotoana nanantenan’izy ireo izany. Raha tsapanao fa mila miandry fitahiana ianao, na toa tsy mihaino ny vavaka ataonao Andriamanitra, ny tantaran’i Elizabeta sy i Zakaria dia afaka ny ho fampahatsiahivana fa tsy nanadino anao Izy. Manana drafitra ho anao Izy, ary mitazona foana ny fampanantenany ho an’ireo Olomasina marina Izy. Nampanantena ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fitahiana sasany dia vetivety dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo” (“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, nôv. 1999, 38). Tamin’ny fomba ahoana no nijanonan’i Elizabeta sy i Zakaria ho mahatoky? (jereo ny Lioka 1:5–25, 57–80). Mahatsapa ho miandry fitahiana ve ianao? Inona no tsapanao fa andrasan’ny Tompo aminao mandritra ny fiandrasanao?

Inona no hafatra hafa mety atolotry ny Tompo ho anao ao anatin’io tantara io?

Sary
I Elizabeta sy i Zakaria miaraka amin’i Jaona zazakely

Taorian’ny fiandrasana tamim-pahatokiana dia nahazo zanaka lahy i Elizabeta sy i Zakaria.

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38

Ny mahatoky dia manaiky an-tsitrapo ny sitrapon’ Andriamanitra.

Tahaka an’i Maria, isika indraindray dia mahita fa ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fiainantsika dia tena hafa amin’izay nokasaintsika. Inona no zavatra ianaranao avy amin’i Maria mikasika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra? Soraty ao anatin’ity tabilao manaraka ity ireo zavatra nolazain’ilay anjely sy i Maria (jereo ny Lioka 1:26–38), sy ny hafatra hitanao ao amin’ireo zavatra nolazainy ireo:

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

“Ny Tompo momba anao” (andininy 28).

Hafatra ho ahy

Fantatry ny Tompo ny toe-piainako sy ireo olako.

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valintenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valintenin’i Maria

“Hanao ahoana re no hahatanteraka izany?” (andininy 34).

Hafatra ho ahy

Tsy manInona no mametraka fanontaniana rehefa tsy mahazo aho.

Ny valintenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valintenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Rehefa mamaky ny ohatry ny fahamarinana nasehon’i Josefa ianao ao amin’ny Matio 1:18–25, inona no zavatra ianaranao mikasika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra? Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Zakaria sy i Elizabeta? (jereo ny Lioka 1).

Jereo koa ny Môsià 3:19; Lioka 22:42; Helamàna 10:4–5; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Gabriela.”

Lioka 1:46–55

Mijoro ho vavolombelona momba ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy i Maria.

Ireo tenin’i Maria ao amin’ny Lioka 1:46–55 dia milaza mialoha ny toetoetry ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy. Inona no zavatra ianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra nolazain’i Maria? Inona no hevi-baovao azonao momba ireo fitahiana izay omen’ny Mpamonjy raha mampitaha ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny tenin’i Hana ao amin’ny 1 Samoela 2:1–10 sy ireo Fahasambarana lazain’i Jesoa ao amin’ny Matio 5:4–12 ianao? Inona no zavatra ampianarin’ny Fanahy anao rehefa misaintsaina ireo hevi-baovao ireo?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio1:1–17

Rehefa mamaky ny tetiaran’i Jesoa ny fianakavianao dia azonao hazavaina fa izany dia manoritra ny maha-taranaka mpanjaka azy avy amin’i Josefa miverina mankany amin’i Davida Mpanjaka. Zava-dehibe io tetiarana io satria nolazaina tamin’ny alalan’ny faminaniana fa ho avy ny Mesia amin’ny alalan’ny taranak’i Davida (jereo ny Jeremia 23:5–6). Afaka ny ho fotoana tsara hiresahana momba ny tantaram-pianakavianao izany sy hizarana tantara vitsivitsy mikasika ny razambenao. Inona no fitahiana azon’ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny fahafantarana ny tantaran’ny fianakavianao?

Matio 1:20; Lioka 1:13, 30

Inona no mety nahatonga ny olona ao amin’ireo andininy ireo hatahotra? Inona no mahatonga antsika hatahotra? Nahoana Andriamanita no mangataka antsika mba “tsy hatahotra”?

Lioka 1:37

Mba hanampiana ny fianakavianao hanana finoana “fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra,” dia azonareo atao ny mamaky miaraka ny Lioka 1 ka hitady ireo zavatra nataon’ Andriamanitra izay azo raisina ho tsy afaka ny ho tanteraka mihitsy. Inona no tantara hafa izay azon’izy ireo zaraina, na avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainan’izy ireo izany, izay nanaovan’ Andriamanitra zavatra neritreretina fa toa tsy ho vita? Ny famadibadihana ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara dia mety hanampy azy ireo hieritreritra zavatra.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampihatra ny soratra masina amin’ny fiainantsika. Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana hampihatra izany eo amin’ny fiainany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21). Ohatra, ahoana no ahafahantsika mampihatra ny zavatra ianarantsika momba ny famaliana ny antson’ny Tompo avy amin’ny fihetsika nasehon’ireo olona ao amin’ny Matio 1 sy Lioka 1?

Sary
I Gabriela niseho tamin’i Maria

Voatahy samy vehivavy hianao, nataon’i Walter Rane