Avia, hanaraka Ahy
21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 janoary. Jaona 1,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
vehivavy mizara ny filazantsara ao anaty gara

21–27 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Rehefa mamaky ny Jaona 1 ianao dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy azonao. Ity rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ity toko ity. Ireto sosokevitra amin’ny asa atao manaraka ireto dia afaka manome hevitra ho anao momba ny fomba hanampiana ny ankizy hianatra ireo fitsipika ao amin’ny Jaona 1. Azo ampifanarahana amin’ny zavatra mety amin’ny ankizy kely ireo asa atao ho an’ny ankizy lehibe, raha ilaina izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba an’i Jesoa, dia azonao aseho ireo sariny nanatanteraka ny sasany amin’ireo anjara asany izay voafariparitra ao amin’ny Jaona 1. Avy eo angataho izy ireo mba hamariparitra ny zavatra nitranga (toy ny famoronana ny tany na fampianarana ny filazantsara).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jaona 1:1–2

Niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa talohan’ny nahaterahany.

Nampianatra i Jaona fa niaina niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy talohan’ny niainany teto an-tany. Niaina niaraka tamin’ Andriamanitra ihany koa isika talohan’ny nahaterahantsika (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, nôv. 2010, 129). Ahoana no fomba hampianaranao an’io fahamarinana io amin’ny ankizy?

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa “ny Teny” ao amin’ny Jaona 1:1 dia entina milaza an’i Jesoa. Vakio mafy ilay andian-teny, ary asaivo miteny hoe “Jesoa” ny ankizy isaky ny mamaky ny hoe “ny Teny” ianao. Asehoy ilay sarina tsipika hoe Ny fiainana talohan’ny nahaterahana (LDS.org). Hazavao fa i Jesoa Kristy dia niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany.

  • Ampianaro ny ankizy ihany koa fa niaina niaraka tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Azonao atao ny mampiasa ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 1–5; na ny Torolalana ho an’ny soratra masina , “Fiainana talohan’ny nahaterahana,” scriptures.lds.org.

  • Asao ny ray na reny iray mba hitondra zazakely ao an-dakilasy, ary ampiasao izany ho toy ny fahafahana iray hampianarana fa zanaka niendrika fanahy niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Ray any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika.

Jaona 1:3

Nahary ny zava-drehetra i Jesoa.

Ankizy maro no mankamamy ho azy ny hoe anisan’ireo faharian’ny Tompo izy ireo. Afaka mampitombo ny fanajana lalina ananan’izy ireo ho Azy ny fahafantarany momba ny anjara asan’i Kristy amin’ny maha-Mpahary Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Jaona 1:3 ary ampisehoy ilay sary avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny andian-teny hoe “noharian’i [Jesoa Kristy] ny zavatra rehetra.”

  • Ento mandehandeha any ivelany ny ankizy. Avelao ny ankizy hifandimby hamariparitra zavaboary iray izay hitany izy ireo, ary angataho ny iray kilasy mba hamantatra ny zavatra izay fariparitan’izy ireo.

  • Angataho ny ankizy mba hieritreritra ireo fomba izay ahafahan’izy ireo mikolokolo ireo zavaboary manodidina azy ireo (ohatra hoe: tsara fanahy amin’ireo biby).

Sary
fiposahan’ny masoandro any anaty ala iray

Nahary izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao anatiny i Jesoa Kristy.

Jaona 1:35–51

Afaka manasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hianatra momba Azy aho.

Ny Jaona 1 dia ahitana ny tantaran’ireo mpianatra izay nanasa olona “[handeha] hizaha” fa i Jesoa no Zanakalahin’ Andriamanitra. Na ny ankizy madinika aza dia afaka manaraka izany ohatra izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazalazao ny fomba nampianaran’i Jaona an’i Andrea, ary lazao ny fomba nampianaran’i Andrea indray an’i Petera (jereo ny Jaona 1:35–42). Zarao ny fomba nahafantaranao momba ny Fiangonana, na asao ny mpikambana vaovao iray mba hizara ny fomba nahafantarany momba ny Fiangonana.

  • Zarao ny tantaran’i Filipo nanasa an’i Natanaela mba “[handeha] hizaha” (Jaona 1:43–51). Afeno ao anaty boaty iray ny sarin’i Jesoa, ary asao ny ankizy iray mba “[handeha] hizaha” izany ary hilaza amin’ny ankizy hafa momba izay hitany.

  • Avelao ny ankizy handoko ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity, ary amporisiho izy ireo mba hampiasa izany hanasana olona iray hianatra momba an’i Jesoa.

  • Angataho ny ankizy iray mba hiresaka momba ny fotoana iray nizarany zavatra iray, toy ny kilalao na fanomezana iray, tamin’ny olona iray. Ahoana no ahafahantsika mizara ny filazantsara? Tantarao ny tantaran’ny ankizy iray izay nizara ny filazantsara tamin’ny namana iray, tahaka ny tantara nataon’ny Loholona M. Russell Ballard momba an’i Joshua (“Following Up,” Ensign na Liahona, mey 2014, 78–81).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jaona 1:1–5

Niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa talohan’ny nahaterahany.

Na talohan’ny nahaterahany aza dia efa nanana anjara asa manan-danja teo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky ny Jaona 1:1–5 ianao dia inona no manaitra anao momba ny asa nataon’i Jesoa talohan’ny nahaterahany?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ireo ankizy raha toa ka mahafantatra na inona na inona momba ny zavatra nataon’i Jesoa talohan’ny nahaterahany. Asao izy ireo mba hitady valiny ao anatin’ny Jaona 1:1–5 .

  • Zarao amin’ny ankizy ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 1–5). Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Asao ny ankizy vitsivitsy mba ho tonga ao an-dakilasy efa niomana hampiseho na hamariparitra ny zavatra noforonin’izy ireo. Asehoy ireo sarin’ny sasany amin’ireo zavaboarin’ny Tompo, ary ampiasao ny Jaona 1:3 mba hanazavana fa nahary ny zava-drehetra i Jesoa.

Jaona 1:4–9

I Jesoa Kristy no fahazavako.

Ny fanaovana ny fahazavana ho toy ny sariohatra dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ahoana no fomba ahafahanao mandrisika ny ankizy hikatsaka ny fahazavan’ny Mpamonjy rehefa toa maizina izao tontolo izao?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Salamo 27:1; Jaona 1:4–9; Mosia 16:9; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–2, ary hitady ireo andian-teny izay hitovian’ireo soratra masina ireo. Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy?

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy iray sy ireo zavatra vitsivitsy izay manome hazavana toy ny fanilo elektrika fanao am-paosy. Ahoana no itovian’i Jesoa Kristy amin’ireo zavatra ireo? Ahoana no ahafahantsika mizara ny hazavany amin’ny hafa? Miaraha mihira ny “Christ est ma lumière,” Cantiques, no.  50, na ny hira iray hafa momba ny fahazavan’ny filazantsara.

  • Anontanio ny ankizy izay ataon’izy ireo rehefa ao anatin’ny haizina izy ireo ka mahatsapa ho matahotra. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mitodika mandrakariva any amin’ny Mpamonjy izy ireo rehefa raiki-tahotra.

Jaona 1:35–51

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ahy dia manasa ny hafa hanaraka Azy aho.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ireo ohatra ao amin’ny Jaona 1:35–51 mba hamporisihana ny ankizy hanasa ny hafa hianatra momba ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hizaha ny Jaona 1:35–51 mba hahitana ireo zavatra izay nolazain’ny olona mba hanasana ny hafa hianatra momba ny Mpamonjy. Avelao izy ireo hamerina izay mety holazainy mba hanasana ny namana iray hianatra momba an’i Jesoa.

  • Asaivo mampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ny ankizy mba hanamboarana fanasana azon’izy ireo ampiasaina hanasana ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Omeo fahafahana ny ankizy mba hilaza amin’ny iray kilasy momba ny zavatra iray izay tian’izy ireo. Ampio ny ankizy hahita ny fomba itovian’ny fizarana ny filazantsara amin’ny fizarana zavatra hafa izay tiantsika .

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hanasa olona iray izay tian’izy ireo mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy haka sary an-tsaina ny tantara. Mitadiava fomba hamoronana sary momba ilay tantara, ka tafiditra ao amin’izany ny sary momba ny filazantsara, sary, horonan-tsary, saribakoly ampitenenina sy ahetsiketsika, na tantara an-tsehatra fohy.

Sary
pejin’ny asa atao: mianàra mikasika an’i Jesoa Kristy