Avia, hanaraka Ahy
28 janoary–3 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Omano ny lalan’ny Tompo-


“28 janoary–3 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Omano ny lalan’ny Tompo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“28 janoary–3 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Varavarankely vita takela-pitaratra misy sary ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nataon’i Tom Holdman

28 janoary– 3 febroary.

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

“Omano ny lalan’ny Tompo”

Rehefa mamaky mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa sy ny batisan’i Jesoa Kristy ianao dia raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy azonao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo soratra masina ireo, ary hanampy anao hanohana ny fianarana izay ataon’ireo olona ao amin’ny kilasinao samirery izany.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny ankizy mba hizara izay efa nianaran’izy ireo dia ampisehoy ny sarin’i Jesoa natao batisa, ary angataho izy ireo mba hilaza aminao ny zavatra nitranga eo amin’ilay sary sy ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika ny hoe atao batisa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 3:13–17

Azo atao batisa tahaka an’i Jesoa aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’ny batisan’i Jesoa mba hanampiana ny ankizy hiomana atao batisa?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 3:13–17; jereo ihany koa ny “Toko 10: Natao batisa i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 26–29). Avereno imbetsaka ilay tantara ary asao ny ankizy mba hizara ireo antsipirian-javatra tadidin’izy ireo. Hazavao fa i Jesoa dia natao batisa asitrika izay notanterahin’ny olona iray izay nanana ny fahefan’ny fisoronana.

  • Ampisehoy ny sarin’i Jesoa natao batisa sy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Avelao ny ankizy hilaza ireo zavatra itovian’ireo sary roa ireo.

  • Azonao atao ny manao famerenana ireo fampanantenana izay hataon’ny ankizy rehefa atao batisa izy ireo (jereo ny Môsià 18:8–10; F&F 20:37; Miorim-paka ao amin’ny finoana, 23). Anontanio azy ireo izay efa ataon’izy ireo amin’ireo zavatra ireo.

  • Asao ny olona iray ao amin’ny episkôpà mba hilaza amin’ny ankizy momba ny dinidinika momba batisa izay hataon’izy ireo mialoha ny hanaovana batisa azy ireo.

  • Hirao miaraka amin’ireo ankizy ny “Baptême,” Chants pour les enfants, 54-55. Asaivo tarihin’ny ankizy iray izay efa mahay tsara ilay hira ny ankizy hafa rehefa mihira izy ireo.

Sary
zazavavy iray atao batisa

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanaovana batisa.

Matio 3:11, 16

Manampy ahy ny Fanahy Masina.

Ankoatra ny fiomanana amin’ny batisa dia miomana mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa ny ankizy. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny Matio 3:11, 16 mba hampianarana ny ankizy fa nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina rehefa natao batisa Izy (nisy voromailala niseho ho famantarana mba hampisehoana fa nitranga izany). Ampisehoy ilay sary hoe Ny fanomezana ny Fanahy Masina (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 105), ary hazavao fa mahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina isika rehefa raisina ho mpikambana.

  • Mitondrà baoritra iray misy sarin’i Jesoa, bodofotsy malefaka iray, ary boussole iray. Asao ny ankizy hisafidy zavatra iray ary hizara ny fomba anehoan’ilay zavatra ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa izy, mankahery antsika (jereo ny Jaona 15:26), ary mampiseho antsika ny lalana marina (jereo ny 2 Nefia 32:5).

  • Zarao ny zavatra niainanao manokana ka nahazoanao fanampiana avy tamin’ny Fanahy Masina.

  • Asao ny ankizy hihaino ireo fomba hanampian’ny Fanahy Masina antsika eo am-pihirana ny “Le Saint Esprit,” Chants pour les enfants,  56.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 3

Voatahy aho noho ireo ôrdônansy ao amin’ny Fisoronana Aharôna.

Nihazona ny Fisoronana Aharôna i Jaona, noho izany dia manome fahafahana tsara izany mba hampianarana ny ankizy momba ny Fisoronana Aharôna sy hanampiana azy ireo hamantatra ireo fitahiana sy hery izay sady tonga amin’ny lehilahy no tonga amin’ny vehivavy amin’ny alalan’io fisoronana io.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao ny lisitr’ireo adidy ao amin’ny Fisoronana Aharôna sady hampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46, 58–60; 84:111. Hazavao fa ireo mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia afaka “manao batisa; mikarakara, manamasina ary mizara ny fanasan’ny Tompo.” Ny mpisorona sy mpampianatra ary diakona dia natao “hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (F&F 20:46, 59). Angataho ny ankizy mba hijery ny Matio 3 mba hahitana ireo ohatra mampiseho ny fanatanterahan’i Jaona ireo adidy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika rehetra manasa ny hafa hanatona an’i Kristy, tahaka ny nataon’i Jaona?

  • Ampisehoy ny sarin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay manatanteraka ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara lah. 103, 108). Ifampiresaho ny fomba hanomanan’ireo ôrdônansy ireo antsika mba handray an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1, ary hazavao fa namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna tamin’i Joseph Smith i Jaona Mpanao Batisa. Anontanio ny ankizy ny fomba nitahiana azy ireo satria naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

Matio 3:13–17; Lioka 3:2–18

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanana natao tamin’ny batisa aho.

Ny tantaran’ny batisan’i Jesoa dia manome fahafahana tsara hanampiana ny ankizy hamerina ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa sy hanolorana tena indray hitandremana azy ireny.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy roa mba hamaky ny Lioka 3:7–9, 15–17, ny iray hamaky ireo tenin’i Jaona Mpanao Batisa ary ny iray hafa hamaky ireo teny sisa ao. Aorian’ny andininy tsirairay dia miatoa kely ary ampio ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ilay andininy.

  • Avereno jerena ireo fanekempihavanana nataon’ny ankizy tamin’ny batisa, izay hita ao amin’ny Môsià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. (Jereo ihany koa ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 23–26.) Asao ny ankizy mba hanoratra ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

  • Manomana karatra mandeha tsiroaroa ahitana andian-teny na sary mifanaraka izay maneho ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa. Ataovy mihohoka ireo karatra. Asao ny ankizy mba hifandimby hamadika karatra roa isaky ny mandeha, ka hitady izay mifanaraka. Isaky ny mahavita mampifanaraka zavatra dia asao ny ankizy mba hizara ireo fomba hitandreman’izy ireo izany fanekempihavanana izany.

  • Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana natao tamin’ny batisa.

Matio 3:11, 16

Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina.

Ny ankizy dia mianatra ny fomba hamantarana sy hanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampianatra azy ireo fa ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa dia hanampy azy ireo ho mendrika ny handray ny fitarihany?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hisafidy iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto mba hovakina ary hanazava ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina amintsika: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23; 8:2–3.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Matio 3:11. Ahoana no mampitovy ny Fanahy Masina amin’ny afo? Ohatra, ny afo dia mankahery, ary manome hazavana mba hitarihana antsika (jereo ny Jaona 15:26; 2 Nefia 32:5).

  • Asao ny ankizy mba hanakimpy ny masony ary hanangana ny tanany. Dia akasohy mora amin’ny vohon-tanany ny volom-borona iray na kofehy iray. Asao izy ireo mba hilaza aminao izay tsapany. Inona no ampianarin’izany momba ny famantarana ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina?

  • Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo niaraka tamin’ny Fanahy Masina. Nahoana no manampy antsika hanana ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hanontany ny ray aman-dreniny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviany momba ny batisan’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao rehefa mampianatra ianao ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa itony mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Sary
pejin’ny asa atao: Azo atao batisa tahaka an’i Jesoa aho.