Avia, hanaraka Ahy
18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-


“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Toriteny teo an-tendrombohitra

Toriteny teo an-tendrombohitra, nataon’i Jorge Cocco

18–24 febroary

Matio 5; Lioka 6

“Sambatra hianareo”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 5 sy ny Lioka 6. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ireo zavatra izay nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity mba hizarana ny fahazavan’ny Tompo amin’ny olona.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 5:9

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka ny ho hery mitarika mahery vaika any an-trano rehefa entiny amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Matio 5:9, dia hazavao fa ny mpampihavana dia manao izay hahatonga ny toerana rehetra ho toerana misy fiadanana na aiza na aiza misy azy ireo. Mizarà tantara noforonina vitsivitsy dia ampio ny ankizy hamantatra raha toa ka mpampihavana ny olona ao anatin’izany na tsia.

  • Asao ny ray aman-drenin’ny ankizy vitsivitsy mba hitsidika ny kilasinao ary hizara karazana fotoana izay nahatonga an’ireo zanany ho lasa mpampihavana tao an-tokantrano.

  • Soraty eo amin’ny taratasy lavalava ireo toe-javatra sarotra mety atrehan’ny ankizy (ohatra, miady kilalao iray ny mpiray tampo). Asao ny ankizy tsirairay mba haka taratasy lavalava iray. Rehefa mamaky ireo rafi-tantara ianao dia angataho izy ireo mba hizara ny fomba ahafahany ho mpampihavana ao anatin’ilay toe-javatra.

Matio 5:14–16

Tian’i Jesoa ho fahazavana ho an’ny hafa aho.

Afaka ny ho hery mahery vaika mitarika amin’ny tsara ho an’ny hafa ny ankizy kely. Ahoana no ahafahanao mamporisika azy ireo hamela ny fahazavany hamiratra?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra maro amin’ny ankizy izay manome hazavana, dia mampisehoa koa sarina ankizy. Vakio ny Matio 5:14–16, dia teneno ny ankizy fa manana fahazavana daholo isika rehetra ao anatintsika ao. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fahazavantsika mba hitondrana ny hafa eo amin’ Andriamanitra?

  • Areheto hanazava ny efitrano ny fanilo elektrika fanao am-paosy iray. Inona no fanampiana entin’ny hazavana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao? Takony ilay fanilo elektrika fanao am-paosy. Inona no mitranga rehefa tsy zaraintsika ny fahazavantsika na rehefa afenintsika izany?

  • Manafena fanilo elektrika fanao am-paosy iray ao anatin’ny efitrano dia vonoy ny jiro. Avelao hanandrana hitady izany ny ankizy. Avereno vakina ny Matio 5:15, dia resaho ny antony tsy tokony hanafenantsika ny fahazavantsika.

  • Tarafo amin’ny alalan’ilay fanilo elektrika fanao am-paosy ny rindrina iray dia asao ny ankizy mba hanaraka ilay hazavana amin’ny alalan’ny mason’izy ireo. Ampiasao ilay hazavana mba hitarihana ny mason’izy ireo hankany amin’ny sary anankirain’ny Mpamonjy. Angataho ny ankizy mba hizara ny fomba ahafahan’izy ireo ho fahazavana izay mitarika ny hafa mankany amin’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny ankizy mba hitady sy handoko ireo labozia nafenina ao anatin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity.

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy ny “Brillant pour lui,” “Petite est la lumière en moi,” na ny “Vois l’étoile au ciel,” Chants pour les enfants, 38–39, 96, 84.

Matio 5:44–45

Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho.

Afaka manomboka manao fampiharana eo amin’ny fanehoana fitiavana amin’izay ny ankizy kely, na dia ampijalian’ny namany na ny mpiray tampo aminy aza. Rehefa mamaky ny Matio 5:44–45 ianao, dia diniho hoe nahoana no miantefa amin’ny ankizy ampianarinao ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno lazaina ny Matio 5:44 amin’ny alalan’ny fampiasana teny sy toe-javatra izay ho takatry ny ankizy. Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nampisehoan’izy ireo fitiavana tamin’olona na dia sarotra aza izany. Inona no zavatra tsapan’izy ireo teo anatrehan’ireo zavatra niainana ireo?

  • Miaraha mihira ny “Je viens vers toi,” Chants pour les enfants, 78–79. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io hira io mikasika ny fitiavana ny hafa?

  • Omeo taratasy miendrika fo izay misy soratra hoe “Haneho ny fitiavako ny olona rehetra aho” ny ankizy. Angataho izy ireo mba hanaingo ilay fo dia hanantona izany any an-tranon’izy ireo mba ho toy ny mpampahatsiahy azy ireo mba hitia ny hafa.

  • Ampio ny ankizy hianatra ny fihetsika tokony hatao miaraka amin’ny hira “Aimez vos frères,” Chants pour les enfants, 74, araka ny sosokevitra hita ao amin’ny Chants pour les enfants.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 5:3–12

Afaka ny ho faly aho rehefa miaina araka ny fomba nampianarin’i Jesoa.

Rehefa mamaky ny Matio 5:3–12 ianao dia inona avy ireo teny sy andian-teny izay miavaka ho anao? Nahoana no hitahy ny fiainan’ny ankizy izay ampianarinao ireo fampianarana ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova tabilao eny amin’ny solaitrabe izay mizara roa ka ahitana ny lohateny hoe, Sambatra ny … sy Fitahiana. Asao ny ankizy mba hikaroka ao amin’ny Matio 5:3–12 izay olona lazain’i Jesoa sambatra sy ireo fitahiana ampanantenainy azy ireo.

  • Soraty eo amin’ny karatra tsirairay ireo toetra tsara tsirairay sy ireo fitahiana tsirairay mifanaraka amin’izany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia avelao ny ankizy hampifandray ireo toetra tsara sy ireo fitahiana ireo. Angataho ny ankizy mba hisafidy iray amin’ireo toetra tsara ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tian’izy ireo hampivelarina.

Matio 5:9, 21–24, 38–47

Afaka ny ho mpampihavana aho.

Nampianatra i Jesoa fa ny mpampihavana no hatao hoe zanak’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahanao mamporisika ny ankizy mba ho mpampihavana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Matio 5:9. Dia anontanio avy eo ny dikan’ny hoe mpampihavana. Ahoana no fomba ahafahantsika ho mpampihavana eo amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika? (Mba hahitana hevitra dia jereo ny andininy 21–24, 38–47.)

  • Angataho ny ankizy mba hieritreritra toe-javatra iray izay ilana ny fanampian’ny mpampihavana iray. Inona no hataon’ilay mpampihavana ao anatin’izany toe-javatra izany?

  • Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana izay nampisehoan’izy ireo fitiavana tamin’olona na dia tsy mitovy amin’izy ireo aza izany olona izany na sarotra tiavina.

Matio 5:14–16

Ny ohatra asehoko dia afaka manazava ny lalana ho an’ny olona hafa mba hanaraka ny Mpamonjy.

Mieritrereta an’ireo ankizy ampianarinao rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Inona no hafatra mety tian’ny Tompo hampitaina amin’ny ankizy ao anatin’ireo andininy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny Matio 5:16. Soraty eny amin’ny solaitrabe ilay andinin-tsoratra masina: Iaraho mamaky imbetsaka izany, dia mamafà teny vitsivitsy isaky ny mandeha. Rehefa avy nianatra tsianjery ilay andinin-tsoratra masina ny ankizy dia azonao atao koa ny mihira ny “Petite est la lumière en moi,” Chants pour les enfants, 96.

  • Angataho ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra izay manome hazavana antsika. Vakio ny Matio 5:14–16. Anontanio azy ireo hoe, nahoana no tian’i Jesoa ho fahazavan’izao tontolo izao isika?

  • Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho fahazavana ho an’ny hafa. Asao mba hifanatrika ny ankizy anankiroa, dia angataho ny anankiray mba hanao izay hampitsiky ilay iray hafa fa tsy mikasika azy anefa. Resaho ny momba ilay hery ananan’ny ankizy mba hitondrana fifaliana ho an’ny hafa.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hitady olona izay mpampihavana amin’ity herinandro ity. Any am-piandohan’ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro dia asao izy ireo mba hiresaka mikasika ny olona hitany sy ny zavatra hitany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba havitrika. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe asa atao mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo—tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Sary
pejin’ny asa atao: Tian’i Jesoa ho fahazavana ho an’ny hafa aho.