Avia, hanaraka Ahy
11–17 febroary. Jaona 2–4: “Tsy maintsy ateraka indray ianareo”


“11–17 febroary. Jaona 2-4: -Tsy maintsy hateraka indray hianareo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 febroary. Jaona 2–4,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
I Jesoa niresaka tamin’i Nikodemosy

11–17 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy hateraka indray hianareo”

Ny fiomananao mba hampianatra dia manomboka amin’ny famakianao ny Jaona 2–4. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo ny zavatra nataony vao haingana mba ho “mpanjono olona” (Matio 4:19). Azonao atao ny manao famerenana miaraka amin’izy ireo ny lesona tamin’ny herinandro lasa.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Jaona 3:1–10

Ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana aho mba hiarahana miaina indray amin’ny Ray any An-danitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia miomana mba hanao dingana manan-danja mba hiaina indray miaraka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanaovana batisa (ateraky ny rano) ary fandraisana ho mpikambana (ateraky ny Fanahy). Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny maha-manan-danja an’ireo ôrdônansy roa ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny tantaran’i Jesoa nampianatra an’i Nikodemosy. Ampanantenao ny ankizy fa rehefa atao batisa izy ireo dia hanome azy ireo ny fanomezana ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra.

  • Ampiasao ny Jaona 3:5 sy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hampianarana fa ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana isika mba hiaina indray miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

  • Asaivo lazain’ny ankizy ny mikasika ny zavatra ataon’izy ireo mba hanasany ny tanany. Ampisehoy ilay sary Ankizivavy iray atao batisa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104), ary ampio ny ankizy mba hampitaha ny fanasana ny tanantsika amin’ny rano amin’ny hoe lasa madio ara-panahy amin’ny alalan’ny batisa.

Jaona 3:16

Tia ahy ny Ray any An-danitra ka nomeny Mpamonjy iray aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra izany fahamarinana sarobidy izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mameno fehezan-teny tahaka ity anankiray ity ny ankizy: “Noho ny fitiavan’ny ray aman-dreniko ahy, dia. … izy ireo.” Vakio ny Jaona 3:16. Dia ampio ny ankizy tsirairay hamerina ny Jaona 3:16, ka hanolo ireo teny hoe “izao tontolo izao” amin’ny anarany, ary asaivo henoin’ny ankizy izay nataon’ny Ray any An-danitra satria tia antsika Izy. Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo (toy ny fianakaviana, ny natiora, ny soratra masina, sy ny sisa). Asao izy ireo hifampizara ny sary nataony.

  • Asaivo ampiakarin’ny ankizy ambony ny sarin’i Jesoa isaky ny hirain’izy ireo ny hoe “fils (zanakalahy)” ao amin’ny “Il envoya son Fils aimé,” Chants pour les enfants, 20-21.

Jaona 4:5–15

I Jesoa Kristy no “rano velona” ho ahy.

Ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia mahalala tsara daholo ny atao hoe mangetaheta. Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa izany mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa tena ilaintsika tokoa ny rano velona izay atolotr’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hitantarana ny tantaran’i Jesoa sy ilay vehivavy teo am-pantsakana. Asao ny ankizy mba hamerina hitantara ilay tantara.

  • Mampisehoa vera fisotroana rano iray, dia anontanio ny ankizy ny zavatra hitranga raha toa ka tena mangetaheta isika kanefa foana ilay vera. Fintino fohifohy ny Jaona 4:5–15, ary mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia manome aina ny fanahintsika, tahaka ny hanomezan’ny rano aina ho an’ny vatantsika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Jaona 2:1–11

Afaka manaja ny reniko tahaka ny nataon’i Jesoa aho.

Nolazain’i Maria tamin’i Jesoa fa lany ny divay tao amin’ilay fampakaram-bady tao Kana. Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith dia namaly ny reniny tamin’ny alalan’ny fanontaniana toy izao i Jesoa: “Ravehivavy? inona no tianao hataoko ho anao? fa hataoko izany.” Ohatra iray ny amin’ny fomba tokony hitondran’ny ankizy ny renin’izy ireo i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jaona 2:1–11 ary hifandimby hitantara ampahany amin’izany amin’ny tenin’izy ireo manokana.

  • Angataho ny ankizy hanao ny lisitr’ireo zavatra izay mety azo hanampiana ny renin’izy ireo. Asao izy ireo mba hamerina izay azon’izy ireo lazaina aminy amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasany amin’ireo tenin’i Jesoa: “Inona no tianao hataoko ho anao?”

  • Asao ny reny sasany mba hitsidika ny kilasinao ary hizara ny zavatra tokony hataon’ny zanak’izy ireo mba hampisehoana fanajana azy ireo.

Sary
I Jesoa niresaka tamin’i Maria tao amin’ilay fety fampakaram-bady

Nilaza tamin’ny reniny i Jesoa hoe: “Inona no tianao hataoko ho anao?”

Jaona 3:1–8

Tahaka ny ateraka indray ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana.

Rehefa atao batisa isika, izay nantsoin’i Jesoa hoe “ateraky ny rano,” dia afaka mandray famelana ny fahotantsika isika ary afaka “miditra ny fanjakan’ Andriamanitra” (Jaona 3:5). Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny dikan’ny hoe ateraka indray?

Asa atao azo tanterahina

  • Aparitaho ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 3:3 ary asaivo alahatry ny ankizy izy ireo. Ahoana no mitovy amin’ny hoe ateraka indray ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana?

  • Mampisehoa sarina zazakely vao teraka iray sy olona iray atao batisa sy raisina ho mpikambana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104 sy 105). Nahoana no mitovy amin’ny zazakely vao teraka isika rehefa vita batisa sy raisina ho mpikambana? (jereo ny Jaona 3:3–5).

  • Asao ireo ankizy hizara ireo zavatra tsaroany tamin’ny batisany. Vakio ny Môsià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 mba hanaovana famerenana ny momba ny fanekempihavanana tamin’ny batisa. Ampianaro ny ankizy fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pieritreretana lalina isan-kerinandro dia fomba iray hanohizana ny dingana amin’ny fahaterahana indray.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny Fanekem-pinoana 1:4.

Jaona 3:16–17

Tia ahy ny Ray any An-danitra ka nirahiny ny Zanakalahiny.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa nalefa teto ambonin’ny tany i Jesoa Kristy ho fanehoana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo ataon’ny ankizy ny sarin’ny fanomezana tsara indrindra azon’izy ireo sy ilay olona nanome izany fanomezana izany. Dia any ankizy iray hamaky ny Jaona 3:16. Inona no fanomezana nomen’ny Ray any An-danitra antsika? Nahoana no maneho ny fitiavany io fanomezana io?

  • Asaivo henoin’ny ankizy ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Nahoana ny Ray any An-danitra no nandefa an’i Jesoa Kristy tamintsika?” rehefa hiran’izy ireo na henoiny ny “Il envoya son Fils aimé,” Chants pour les enfants, 34–35.

Jaona 4:6–23

Manolotra “rano velona” ho ahy i Jesoa Kristy.

Tahaka an’i Jesoa nampiasa ny rano mba hampianarana ilay vehivavy avy any Samaria, dia afaka mampiasa rano ianao mba hampianarana ny ankizy ny antony ilantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo rano hosotroina ny ankizy, dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra iainana rehefa mangetaheta izy ireo. Miresaha momba ny zavatra tsapa rehefa mahazo rano hosotroina ihany nony farany.

  • Manorata fehezan-teny famintinana avy amin’ny tantaran’ilay vehivavy teo am-pantsakana ary asaivo mijery ny Jaona 4:6–23 ny ankizy mba hampilaharana tsara ireo fehezan-teny. Inona no nezahin’i Jesoa nampianarina ilay vehivavy?

  • Manaova sarina kaopy iray misy rano sy loharano iray na renirano iray eny amin’ny solaitrabe. Asao ny ankizy mba hilaza ireo zavatra izay mahafa-po antsika amin’iny fotoana iny ihany, tahaka ny kaopy iray misy rano. Inona ireo zavatra toy ny “rano velona” izay afaka manome fahafaham-po antsika mandrakizay?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe: Ahoana no itovian’ny filazantsara amin’ny rano? Asaivo eritreretin’ny ankizy ny fomba hamalian’izy ireo io fanontaniana io eo am-pamakian’izy ireo ny Jaona 4:6–23.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo manome rano hosotroina an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny ankizy rehefa tonga any an-trano. Rehefa manao izany izy ireo dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny rano velona.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejin’ny asa atao. Eo am-panatontosan’ny ankizy ireo pejin’ny asa atao dia ampiasao izany fotoana izany mba hamerenana ireo fitsipika avy tao amin’ny lesona.