Avia, hanaraka Ahy
11–17 febroary. Jaona 2–4: -Tsy maintsy hateraka indray hianareo-


“11–17 febroary. Jaona 2–4: -Tsy maintsy hateraka indray hianareo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 febroary. Jaona 2–4,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy

11–17 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy hateraka indray hianareo”

Eo am-pamakianao ny Jaona 2–4 dia hampianatra anao zavatra momba ny fiovam-ponao ny Fanahy. Raiso an-tsoratra ny bitsika avy Aminy. Mety hahita hevi-baovao ara-panahy fanampiny ianao avy amin’ireo hevitra hoenti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny fampakaram-bady iray tany Kana i Kristy dia nanova ny rano ho divay, tranga iray izay nantsoin’i Jaona hoe “voaloham-pamantarana” (Jaona 2:11). Marina izany amin’ny heviny mihoatra ny iray: raha toa ka izany no fahagagana voalohany nataon’i Jesoa ampahibemaso, dia mety haneho fiantombohana iray mahagaga hafa koa izany, dia ny dingan’ny fiovan’ny fontsika rehefa tonga ho tahaka ny Mpamonjy kokoa isika. Io fahagagana mandritra ny fiainana io dia manomboka amin’ny fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesoa Kristy, hiova ary hiaina fiainana tsara kokoa amin’ny alalany. Amin’ny farany io fiovana io dia mety ho lasa feno tanteraka ka ny hoe “[ateraka] indray” no iray amin’ireo fomba tsara indrindra azo hamaritana azy (Jaona 3:7). Saingy ny fahaterahana indray dia fiantombohan’ilay lalan’ny maha-mpianatra fotsiny. Ny tenin’i Kristy tamin’ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny fantsakana dia mampahatsiahy antsika fa rehefa manohy ny diantsika eo amin’ilay lalana isika dia ho lasa “loharano miboiboika ao [anatintsika] ho fiainana mandrakizay” ny filazantsara (Jaona 4:14).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Jaona 2:1–11

Ny herin’i Jesoa Kristy dia afaka manova ahy.

Eo am-pamakianao ny tantaran’ny nanovan’ny Mpamonjy ny rano ho divay ao amin’ny Jaona 2:1–11 ianao dia Inona no hevi-baovao voarainao momba ny herin’i Kristy hanova ny fiainanao?

Afaka maharay hevi-baovao fanampiny ianao rehefa mandinika ny fomba fijerin’ireo olona samihafa teo, tahaka an’i Maria, ireo mpianatra, sy ny hafa. Ahoana no mety niainan’ireo olona ireo ilay fahagagana? Azonao ampitahaina amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy an’i Nikodemosy (jereo ny Jaona 3:1–8) sy ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana (jereo ny Jaona 4:3–26) ny zavatra ianaranao momba ny fahagagana ao amin’ireo andininy ireo.

Jaona 3:1–21

Tsy maintsy hateraka indray aho mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Tamin’ny fotoana nanatonan’i Nikodemosy an’i Jesoa dia mpandinika mailo fotsiny izy. Taty aoriana anefa dia niaro an’i Jesoa teo imasom-bahoaka izy (jereo ny Jaona 7:45–52) ary niaraka tamin’ireo mpino tamin’ny fandevenana ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 19:38–40). Inona no fampianarana hitanao ao amin’ny Jaona 3:1–21 izay mety nitaona an’i Nikodemosy hanaraka an’i Jesoa ka hateraka indray?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny hoe ateraka indray dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 95). Inona no anjara asan’ny batisanao (“ateraky ny rano” [Jaona 3:5]) sy ny fandraisana anao ho mpikambana (ateraky ny “fanahy” [Jaona 3:5]) eo amin’ny fahaterahana indray? Inona no zavatra ataonao hanohizana izany dingan’ny fiovana izany? (jereo ny Almà 5:11–14).

Jereo koa ny Môsià 5:7; 27:25–26  .

Jaona 3:16–17

Maneho ny fitiavany ahy ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra” (“Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo” Liahona, mey 2016, 127). Oviana no efa nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanomezany ny Zanany?

Ny fanasan’ny Tompo dia manome fotoana hisaintsainana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana ny Zanany. Fihirana inona no manampy anao hahatsapa io fitiavana io? Azonareo atao nymiara-mihira ny hira “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44). Inona no azonao atao mba hampisy lanjany kokoa ny fanasan’ny Tompo?

Jaona 4:24

Fanahy ve Andriamanitra?

Mety hampisafotofoto ny sain’ny sasany ny nilazan’i Jesoa hoe Andriamanitra dia fanahy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’io andininy io dia manome fanazavana manan-danja: “Fa ho an’ny toy izany no efa nampanantenain’ Andriamanitra ny Fanahiny” (ao amin’ny DJS, Jaona 4:26). Ny fanambarana maoderina koa dia mampianatra fa Andriamanitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny FF 130:22–23; jereo ihany koa ny Genesisy 5:1–3; Hebreo 1:1–3).

Jaona 4:7–26

Manome ahy ny rano velony i Kristy.

Inona no mety ho tian’i Jesoa nolazaina rehefa nilaza tamin’ilay vehivavy Samaritana Izy fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeny dia tsy hangetaheta mandrakizay? Inona no mampitovy ny filazantsara amin’ny rano velona?

Sary
rano mikoriana

Ny filazantsara no rano velona izay mamelona ny fanahintsika.

Iray amin’ireo hafatra nomen’ny Mpamonjy an’ilay vehivavy Samaritana ny hoe ny fomba fitsaohantsika no manan-danja kokoa toy izay ny toerana itsaohantsika (jereo ny Jaona 4:21–24). Inona no ataonao mba hivavahana amin’ Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”? (Jaona 4:23).

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsaohana”; Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 93–95.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Jaona 2–4

Rehefa mamaky ireo toko ireo ny fianakavianao mandritra ity herinandro ity, dia jereo manokana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ireo zavatra fahita andavanandro (fahaterahana, rivotra, rano, ary sakafo) mba hampianarana fahamarinana ara-panahy. Zavatra inona ao an-tranonao no azonao ampiasaina mba hampianarana fahamarinana ara-panahy?

Jaona 2:13–17

Rehefa manalavitra ireo zavatra izay mety hahatonga ny tokantranonao tsy hadio ara-batana sy ara-panahy ianao dia afaka ny ho lasa toerana masina izany, tahaka ny tempoly. Inona no zavatra tokony hoesorin’ny fianakavianao ao an-tranonao mba hahatonga izany ho toerana masina? Inona no zavatra hataonareo mba hihazonana ireo zavatra ireo any ivelany?

Jaona 3:1–6

Angataho ny ao amin’ny fianakavianao handinika ny fahagagan’ny fitondrana vohoka sy ny fahaterahana, ny dingan’ny famoronana olona velona sy mihetsika ary manan-tsaina. Nampianatra i Kristy fa tsy maintsy ateraka indray isika mialoha ny hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nahoana ny fahaterahana indray no fanoharana tsara momba ny fiovana ilaina amintsika mialoha ny hahafahantsika miditra ny fanjakan’ Andriamanitra? Ahoana no niainantsika ny dingan’ny fahaterahana indray ara-panahy?

Jaona 3:16

Asao ny ao amin’ny fianakavianao hilaza io andininy io amin’ny tenin’izy ireo manokana toy ny hoe manazava izany amin’ny namana iray izy ireo. Ahoana no nanampian’i Kristy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ao amin’ny fiainantsika?

Jaona 4:5–15

Inona no nampianarin’ny Mpamonjy antsika rehefa nampitaha ny filazantsarany tamin’ny rano velona Izy? Mitazòna vera misy rano ary asao ny fianakavianao mba hamariparitra ny toetry ny rano. Nahoana isika no mila misotro rano isan’andro? Nahoana i Jesoa Kristy no nampitaha ny filazantsarany tamin’ny loharano “miboiboika ao [anaty] ho fiainana mandrakizay”? (Jaona 4:14).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava tandindona. Ny soratra masina dia matetika mampiasa zavatra, na trangan-javatra, na zavatra natao, na fampianarana mba hanehoana fahamarinana ara-panahy. Afaka mampitombo ny fahatakaranao ny fotopampianarana ampianarina anao ireny tandindona ireny. Ohatra, ny Mpamonjy dia nampifandray ny fiovam-po tamin’ny fahaterahana indray.

Sary
I Jesoa sy ilay vehivavy Samaritana teo amin’ny lavadrano

Rano velona, nataon’i Simon Dewey