Avia, hanaraka Ahy
4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny Fanahin’i Jehovah no ato Amiko-


“4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny Fanahin’i Jehovah no ato Amiko-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Nandresy an’i Satana i Kristy

Nandresy an’i Satana i Kristy, nataon’i Robert T. Barrett

4–10 febroary

Matio 4; Lioka 4–5

“Ny Fanahin’i Jehovah no ato Amiko”

Atombohy amin’ny famakiana ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5, ary henoy tsara izay hevitra voarainao. Ireo hevitra enti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahita ireo fitsipika tena manan-danja ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Hatramin’ny fahatanorany i Jesoa dia toa nahafantatra fa nisy iraka miavaka sy masina nampanaovina Azy. Saingy rehefa hanomboka ny asa fanompoany teto an-tany Izy dia nikasa hanisy fisalasalana tao an-tsain’ny Mpamonjy ny fahavalo. “Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao,” hoy i Satana (Lioka 4:3, nampiana soramandry). Saingy niaraka tamin’ny Rainy any An-danitra ny Mpamonjy. Fantany ny soratra masina, ary fantany hoe iza Izy. Aminy, ny zavatra natolotr’i Satana hoe “Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao” (Lioka 4:6) dia tsy nisy dikany, satria ny fiomanana nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany dia nanome fahafahana Azy handray “ny herin’ny Fanahy” (Lioka 4:14). Koa na dia teo aza ny fakam-panahy sy ny fitsapana ary ny fandavana, dia tsy voahozongozona velively tamin’ny asa nampanaovina Azy Izy: “Tsy maintsy mitory … ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra … Aho, satria izany no nanirahana Ahy” (Lioka 4:43).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 4:1–2

Ny fiarahana amin’ Andriamanitra dia manomana ahy hanompo Azy.

Mba hiomanana amin’ny iraka nampanaovina Azy dia nandeha tany amin’ny tany efitra i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1. Eritrereto ny zavatra ataonao mba hahatsapana ho akaiky an’ Andriamanitra. Ahoana no hanomanan’izany anao ho amin’ny asa tiany hataonao?

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Naneho ohatra ho ahy i Jesoa Kristy tamin’ny fanoherany ny fakam-panahy.

Indraindray ny olona rehefa alaim-panahy hanota dia mahatsapa tena ho meloka. Kanefa na dia ny Mpamonjy izay “tsy nanana ota” (Hebreo 4:15) aza dia nalaina fanahy. Mety hankahery ny mahafanatra fa satria i Kristy koa dia niatrika sy nandresy ny fakam-panahy dia mahafantatra ireo fakam-panahy atrehantsika Izy ary afaka manampy antsika handresy azy ireny (jereo ny Hebreo 2:18; Almà 7:11–12).

Rehefa mamaky ny Matio 4:1–11 sy ny Lioka 4:1–13 ianao, inona no ianaranao izay afaka manampy anao rehefa miatrika fakam-panahy? Azonao alamina ao anatin’ny tabilao iray tahaka ity iray ity ny eritreritrao:

Jesoa Kristy

Izaho

Jesoa Kristy

Nalain’i Satana fanahy mba hanao inona i Jesoa?

Hampiasa ny heriny hanalana ny hanoanany.

Izaho

Alain’i Satana fanahy mba hanao inona aho?

Jesoa Kristy

Inona no nahatonga ny Mpamonjy ho vonona hanohitra ny fakam-panahy?

Nifady hanina Izy, niaraka tamin’ Andriamanitra Izy, nahafantatra ny soratra masina Izy.

Izaho

Ahoana no fomba hivononako hanohitra ny fakam-panahy?

Jesoa Kristy

Izaho

Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 4?

Jereo koa ny 1 Korintiana 10:13; Almà 13:28; Mosesy 1:10–22.

Lioka 4:16–32

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

Raha anontaniana ianao mba hanoritsoritra ny zavatra nanirahana an’i Jesoa Kristy mba hataony ety an-tany, inona no holazainao? Ao amin’ny Lioka 4:18–19 ny Mpamonjy dia namariparitra ny endriky ny iraka nampanaovina Azy tamin’ny fanononana ny iray amin’ireo faminanian’i Isaia mikasika ny Mesia (jereo ny Isaia 61:1–2). Inona no ianaranao momba ny iraka nampanaovina Azy rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao?

Sary
I Jesoa mampianatra ao amin’ny syinagôga

Mijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa Izy ilay Mesia.

Na dia efa niandry ny hahatanteraka ny faminanian’i Isaia nandritra ny taonjato maro aza ireo Jiosy dia maro no tsy nanaiky hoe i Jesoa no ilay Mesia rehefa nilaza Izy hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” (Lioka 4:21). Eo am-pamakianao ny Lioka 4:20–30 (jereo koa ny Marka 6:1–6) dia ezaho ny maka ny toeran’ireo olona tao Nazareta. Misy zavatra ve izay mety manakana anao tsy hanaiky tanteraka an’i Kristy ho Mpamonjy anao manokana?

Jereo koa ny Môsià 3:5–12.

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Rehefa matoky ny Tompo aho, dia afaka manampy ahy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra Izy.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny lehilahy sy vehivavy mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia mbola afaka manao zavatra betsaka amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra noho izay vitan’izy ireo” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 42). Izaho no nitranga tamin’i Petera sy ireo mpanarato namany. I Jesoa dia nanampy azy ireo hahita fa afaka nanao zavatra mihoatra ny fanjonoana trondro izy ireo, afaka ny ho lasa “mpanarato olona” izy ireo (Matio 4:19; jereo ihany koa ny Lioka 5:10). Mba hanampiana azy ireo hahita izany, dia nampiasa traikefa izay tsy vaovao tamin’izy ireo i Jesoa.

Oviana ianao no efa nahare ny Mpamonjy niantso anao mba hanaraka Azy? Amin’ny fomba ahoana no anehoanao amin’ny Tompo fa vonona ny “[hamoy] ny zavatra rehetra” (Lioka 5:11) ianao mba hanarahana Azy? Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky ny Matio 4:18–22 sy ny Lioka 5:1–11

ianao  .

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 4:1–2; Lioka 4:1–2

Nifady hanina i Jesoa talohan’ny nakan’ny fahavalo fanahy Azy. Inona no hevi-baovao azontsika avy amin’io tantara io mikasika ny herin’ny fifadian-kanina? Afaka manasa ny ao amin’ny fianakavianao ianao mba hizara ny traikefa azony tamin’ny fifadian-kanina. Angamba afaka manao drafitra ombam-bavaka ny fianakavianao mba hiaraka hifady hanina ho an’ny tanjona iray manokana.

Matio 4:3–4; Lioka 4:3–4

Rehefa naka fanahy an’i Kristy i Satana mba hanova vato iray ho mofo, dia nampisafotofotoany ny amin’ny fananan’i Kristy toetra maha-andriamanitra tamin’ny filazany hoe: “Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao” (Matio 4:3, nampiana soramandry). Nahoana i Satana no manao izay hampisalasala antsika ny amin’ny fananantsika toetra maha-andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no hanaovany izany? (Jereo koa ny Mosesy 1:10–23.)

Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:11

Rehefa avy nalaina fanahy ara-batana sy ara-panahy i Jesoa dia nieritreritra ireo zavatra ilain’i Jaona Mpanao Batisa, izay tany am-pigadrana, izy: “Ary ankehitriny dia nahalala i Jesoa fa efa naiditra an-tranomaizina i Jaona, ka nirahiny ireo anjely, ary indro, tonga ireo ka nanompo azy [i Jaona]” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:11. Inona no fitahiana azontsika rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Kristy amin’ny fieritreretana ny hafa alohan’ny tenantsika isika? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Lioka 4:16–21

Mahafantatra olona izay malahelo na mila fanafahana ve isika? (Lioka 4:18). Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa handray ny fanasitranana sy ny fanafahan’ny Mpamonjy? Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly hitondra “fandefasana amin’ny mpifatotra” (Lioka 4:18).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. “Ny zavatra tena manan-danja indrindra azonao atao angamba dia ny manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny fankatoavana sy miaina ny filazantsara amin’ny fonao manontolo. … Io no fomba voalohany indrindra ahafahanao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Tsy ilaina hoe tonga lafatra ianao fa miezaka amim-pahavitrihana fotsiny—ary mangataka famelana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isaky ny solafaka.” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).

Sary
I Jesoa miantso ireo Apôstôly ho mpanarato olona

Ny Fiantsoana, nataon’i Jorge Cocco