Avia, hanaraka Ahy
18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-


“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6: -Sambatra hianareo-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Toriteny teo an-tendrombohitra

Toriteny teo an-tendrombohitra, nataon’i Jorge Cocco

18–24 febroary

Matio 5; Lioka 6

“Sambatra hianareo”

Henoy tsara ireo fahatsapana voarainao rehefa mamaky ny Matio 5 sy ny Lioka 6 ianao, ary raketo ao anaty diary fandalinana izany. Ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahita ny sasany amin’ireo fitsipika tena manan-danja sy misongadina ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Hatreto teo amin’ny asa fanompoany dia mazava fa tsy hitovy amin’izay zavatra fandren’ny olona ireo fampianaran’i Jesoa. Hahazo ny fanjakan’ Andriamanitra ny mahantra? Ny malemy fanahy no handova ny tany? Hotahiana izay enjehina? Tsy nampianatra zavatra toy izany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo. Kanefa ho an’ireo izay nahatakatra marina ny lalàn’ Andriamanitra dia toa marina ireo fotopampianarana ireo. Ny hoe “maso solon’ny maso” sy ny hoe “mankahalà ny fahavalonao” dia lalàna ambany kokoa (Matio 5:38, 43), izay nomena ireo olona tsy vonona ny hiaina ny lalàna ambony. Saingy i Jesoa Kristy dia tonga hanatanteraka ny lalàna ambany sy hampianatra ny lalàna ambony (jereo ny 3 Nefia 15:2–10) izay natao mba hanampiana antsika ho lasa “tanteraka … toy ny fahatanterahan’ ny [Raintsika] Izay any an-danitra” indray andro any (Matio 5:48).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 5:1–12; Lioka 6:20–26

Ny fahasambarana maharitra dia avy amin’ny fiainana amin’ny fomba nampianarin’i Jesoa Kristy.

Samy te ho sambatra ny olona rehetra, saingy tsy ny rehetra no mitady fahasambarana amin’ny toerana iray. Ny sasany dia mitady izany ao amin’ny fananana lanja sy ny fananana toerana ambony amin’izao tontolo izao, ny hafa mitady izany ao amin’ny harena na ao amin’ny fanatanterahana ny filàn’ny nofo. I Jesoa Kristy dia tonga mba hampianatra ny lalana mankany amin’ny fahasambarana maharitra, mba hampianatra ny tena dikan’ny hoe voatahy. Inona no zavatra ianaranao mikasika ny fahazoana fahasambarana maharitra ao amin’ny Matio 5:1–12 sy Lioka 6:20–26? Inona no tsy mampitovy izany amin’ny fahitan’izao tontolo izao ny fahasambarana?

Inona no fanontaniana na fahatsapana tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ny andininy tsirairay ianao? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hananana ireo toetra voafaritra ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny Jaona 13:17; 3 Nefia 12:3–12

Matio 5:13

Nahoana ny Mpamonjy no nampitaha ireo mpianany tamin’ny sira?

Ny sira dia efa ela no nampiasaina mba hitehirizan-javatra, hanomezan-tsiro ary hanadiovana. Nanana dikany ara-pivavahana ihany koa ny sira ho an’ireo Isiraelita. Nisy ifandraisany tamin’ny fombafomba fanaovana sorona biby fahiny teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy izany (jereo ny Levitikosy 2:13; Nomery 18:19). Raha ny sira no lasa matsatso, dia lasa tsy misy asany izy, na “tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony” (Matio 5:13). Mitranga izany rehefa mifangaro na ifindran’ny singa hafa izany. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia mihazona ny tsirontsika isika amin’ny fandosirana ny fifindran’ny loton’izao tontolo izao. Manome fahafahana antsika hanatanteraka ilay asa fitehirizana sy fanadiovana toy ny siran’ny tany izany, ohatra: amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara sy amin’ny fisehoana ho ohatra mitaona amin’ny tsara eo amin’izao tontolo izao (jereo ny FF 103:9–10).

Sary
sira

“Hianareo no fanasin’ ny tany” (Matio 5:13).

Matio 5:17–48; Lioka 6:27–35

Ny lalàn’i kristy dia manolo ny lalàn’i Mosesy.

Mety gaga ireo mpianatra raha nandre an’i Jesoa nilaza fa nila nihoatra ny an’ireo mpanora-dalàna sy ny an’ireo Fariseo, izay nanambony ny tenany tamin’ny fahatsaran’ny fitandremany ny lalàn’i Mosesy, ny fahamarinan’izy ireo (jereo ny Matio 5:20). Saingy i Jesoa dia nampianatra lalàna ambony kokoa izay tsy hoe mampisondrotra ny asantsika fotsiny ihany fa ireo eritreritra sy fahatsapana izay mitaona antsika hanao izany ihany koa. Nitaky zavatra misimisy kokoa io lalàna ambony io: ny fo, ny fanahy, ary ny saina (jereo ny Matio 22:37).

Eo am-pamakianao ny Matio 5:21–48 sy ny Lioka 6:27–35 dia asio marika ireo toetra takina ao amin’ny lalàn’i Mosesy (“Efa renareo fa …”) sy ny zavatra nampianarin’i Jesoa hanondrotana azy.

Ohatra, inona no nampianarin’i Jesoa ao amin’ny Matio 5:27–28 momba ny andraikitsika manoloana ny eritreritsika? Ahoana no ahafahanao mifehy kokoa ireo eritreritra izay tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao? (jereo ny FF 121:45).

Matio 5:48

Tena miandry ahy ho tanteraka tokoa ve ny Ray any An-danitra?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Ny teny hoe tanteraka dia nadika avy tamin’ny teny Grika hoe teleios, izay midika hoe –feno.– … Ny endrika tsy mamaritra an’ilay matoanteny dia teleiono, izay midika hoe –manaka-davitra, mivoatra tanteraka, mahatanteraka na mahatontosa.– Jereo tsara fa ilay teny dia tsy milaza fotsiny hoe –fahafahana amin’ny fahadisoana–; fa milaza ny –fanatanterahana ny tanjona izay lavitra.– …

“… Nampianatra ny Tompo hoe –Tsy hainareo zakaina ankehitriny ny fanatrehana an’ Andriamanitra … ; koa mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka– [FF 67:13].

“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka dia toy ny hoe sarotra sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Izany no hitranga amin’ireo rehetra izay tia azy sy mitandrina ireo didiny” (“Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 86, 88).

Jereo koa ny Filipiana 3:13–15; 2 Petera 1:3–11; Apokalypsy 3:21–22; 3 Nefia 27:27; Môrônia 10:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa miaraka mamaky ny soratra masina ny fianakavianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ny fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana ny zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 5:1–9

Inona no fitsipika ampianarina ao amin’ny Matio 5:1–9 izay afaka manampy ny tokantranonao ho toerana misy hafaliana kokoa? Afaka mifantoka amin’ny iray na roa amin’izany ianareo rehefa mandalina ny Toriteny teo an-tendrombohitra ao anatin’ireo herinandro vitsivitsy manaraka. Ohatra, inona ireo fampianarana hitan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao izay afaka manampy azy ireo ho mpampihavana? (jereo ny Matio 5:21–25, 38–44). Inona ireo tanjona azonao apetraka? Ahoana no hanarahanao maso izany?

Matio 5:14–16

Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny hoe “fahazavan’izao tontolo izao” dia azonao karohina ireo loharanom-pahazavana ao an-tokantranonao, eo amin’ny manodidina anao, ary eo amin’izao tontolo izao. Afaka manampy ny maneho ny zavatra mitranga rehefa takonana ny fahazavana Inona no tian’i Jesoa holazaina rehefa niteny izy hoe: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”? (Matio 5:14). Iza no toy ny fahazavana ho an’ny fianakaviantsika? Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana amin’ny hafa? (jereo ny FF 103:9–10).

Matio 5:43–44

Nahoana no tian’ny Tompo hivavaka ho an’ireo izay ratsy fanahy tamintsika isika? Ahoana no ahafahantsika miaina io fitsipika io ao amin’ny fianakaviantsika?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahaiza mandinika. Rehefa mandinika tsara ny zavatra miseho eo amin’ny fiainan’ireo zanakao ianao dia hahita fahafahana tena tsara hampianarana. Ny fanehoan-kevitra sy fanontanian’ireo zanakao mandritra ny andro ihany koa dia afaka miteraka fotoana hampianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
labozia

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Matio 5:14).