Avia, hanaraka Ahy
4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko-


“4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5:-Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“4–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Nandresy an’i Satana i Kristy

Nandresy an’i Satana i Kristy, nataon’i Robert T. Barrett

4–10 febroary

Matio 4; Lioka 4–5

“Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5 ny fanomananao an’ity lesona ity. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hampandehandeha ny sarin’i Jesoa anankiray, eny amin’ny ankizy iray dia mankeny amin’ny anankiray manaraka. Isaky ny mandray ilay sary ny ankizy iray dia asao izy hizara zavatra izay nataon’i Jesoa fony Izy tety an-tany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Afaka mifidy ny tsara toy ny nataon’i Jesoa aho.

“Tsy afaka manota” ny ankizy kely (F&F 29:47). Kanefa ny tantaran’i Jesoa nanohitra ireo fakam-panahin’i Satana dia afaka mamporisika ny ankizy mba hanomboka hisafidy ny tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny tantaran’ny fakana fanahy an’i Jesoa avy ao amin’ny Matio 4:1–11. (Jereo koa ny “Toko 11: Nalaina fanahy i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 30-31.) Amin’ny fotoana mahamety azy ao anatin’ilay tantara dia anontanio hoe: “Inona no tokony hataon’i Jesoa araka ny eritreritrao?”

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy anankiray dia manomeza famariparitana ireo safidy izay mety hataon’ny ankizy kely iray. Isaky ny misy safidy tsara iray voalaza dia angataho ny ankizy mba handroso indray mandeha mankany amin’ilay sary. Isaky ny misy safidy ratsy iray voalaza dia angataho ny ankizy mba hihemotra any aoriana manalavitra ilay sary.

  • Ampio ny ankizy hianatra ny tonon’ny “Choisir le bien,” Chants pour les enfants, 82, amin’ny alalan’ny fampiasana sary, na zavatra azo tsapain-tanana, na fitaovana hafa jeren’ny maso izay mifandray amin’ilay tonony.

Lioka 4:18–19

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Ny Lioka 4:18–19 dia mitanisa ny endriky asa nanirahana an’i Jesoa. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka ny zavatra nataony ho azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Lioka 4:18–19 ary hazavao ny zavatra nasaina nataon’i Jesoa Kristy tety an-tany (hampianatra, hampahery, ary hanasitrana ny olona). Zarao ny fomba nanaovany an’izany taminao.

  • Manasà ankizy vitsivitsy mody hanao hoe mikorontan-tsaina na malahelo na marary. Angataho ireo ankizy ambiny mba hilalao an-tsehatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa tonga mba hampianatra sy hampahery ary hanasitrana antsika i Jesoa Kristy ary tokony hanaraka ny ohatra nasehony isika.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy manatanteraka ny endriky ny asa nanirahana Azy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara), ary angataho ny ankizy mba hamariparitra ny zavatra ataon’i Jesoa. Mampisehoa koa sarin’olona miezaka ny ho tahaka an’i Jesoa (afaka mahita an’izany ao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonana).

  • Manorata andian-teny eo amin’ny taratasy lavalava izay manomboka amin’ny hoe “Noho i Jesoa Kristy” (to ny hoe “Noho i Jesoa Kristy, dia afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviako”). Asao ny ankizy tsirairay mba haka iray amin’ireo taratasy lavalava, dia ampio izy hamaky ilay andian-teny.

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Manasa antsika i Jesoa Kristy mba ho “mpanarato olona” isika.

Ilay antsoin’ny Mpamonjy hoe “Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19), dia miantefa amin’ny olona rehetra ka anisan’izany ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy anankiroa mba hody hanao Simona Petera sy Andrea rehefa mamaky ny Matio 4:18–22 ianao. Ampio ny ankizy hamantatra ireo zavatra nafoin’ireo lehilahy ireo mba hanarahana an’i Jesoa.

  • Avelao ny ankizy mba hifandimby hitantara ny tantara avy amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

  • Miaraha mihira ny “Je veux suivre le plan de Dieu,” Chants pour les enfants, 86. Inona no azontsika ianarana avy amin’io hira io momba an’i Jesoa Kristy?

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny ankizy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa “mpanarato olona” amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa. Afaka manao kilalao fampiarahana izay zavatra miaraka koa ianao: maneteza tahadika roan’ny hazandrano tsirairay, dia ahohofy izany, dia asao ny ankizy hamadika azy ireo, fa iray isaky ny mandeha ihany, mba hampiarahana izay zavatra miaraka.

Sary
I Jesoa niantso ireo mpianatra

I Kristy niantso mpianatra roa, nataon’i Gary Ernest Smith

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Nampiseho ohatra ho ahy i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanoherana fakam-panahy.

Na i Jesoa Kristy aza nalain’i Satana fanahy, kanefa tsy nilefitra velively Izy. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanaraka ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova tabilao eny amin’ny solaitrabe izay misy lohateny hoe Fakam-panahin’i Satana sy Valintenin’i Jesoa. Ampio ny ankizy hameno ilay tabilao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Matio 4:1–11 sy Lioka 4:1–13. Anontanio ny ankizy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa.

  • Manorata tantara noforonina iray izay ahitana ankizy iray mety ho tratran’ny fakam-panahy hanao safidy ratsy. Asaivo misafidy anankiray mba hovakiny ny ankizy iray dia asaivo mifanakalo hevitra ny iray kilasy mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manohitra ny fakam-panahy ao anatin’izany toe-javatra izany.

Matio 4:1–2

Afaka manampy ahy hahatsapa ho akaikin’ny Ray any an-danitra ny fifadian-kanina.

Nialoha ny fiantombohan’ny asa fanompoany dia nifady hanina i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:2 []). Ampio ny ankizy hahita ny fahafahan’ny fifadian-kanina manome tanjaka ara-panahy azy ireo sy manampy azy ireo hahatsapa ho akaikin’ny Ray any an-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky mafy ny Matio 4:1–2. Hazavao fa ao anatin’ny fanitsiana momba ireo andininy ireo ao amin’ny dikantenin’i Joseph Smith, dia mianatra isika fa nandeha tany an-tany foana i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1). Inona no zavatra nataon’i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra”? Zarao ny fomba nanampian’ny fifadian-kanina anao mba hahatsapa ho akaikin’ny Ray any an-danitra bebe kokoa.

  • Asao ireo izay efa nifady hanina teo aloha mba hizara ny zavatra niainany. Ahoana no fomba hanazavan’izy ireo ny atao hoe mifady hanina amin’ny olona izay tsy mbola nifady hanina velively?

  • Manorata fanontaniana momba ny fifadian-kanina (toy ny hoe nahoana no mifady hanina, rahoviana no mifady hanina, na ahoana no fomba fifadian-kanina) eo amin’ny taratasy kely dia ataovy ao anaty vilia lalina aty izy ireo. Asao ny ankizy mba haka fanontaniana anankiray dia hiezaka ny hamaly izany. Inona no zavatra niainana azonao na azon’ny ankizy zaraina mikasika ny fifadian-kanina?

Lioka 4:16–22, 28–30

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Saintsaino ny fomba nitahian’ny Mpamonjy ny fiainanao. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka bebe kokoa ny fitarihany eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba ho tonga any an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hamintina ny Lioka 4:16–30. Mety hanampy ny fampiasana ny “Toko 17: Olona tezitra tao Nazareta,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 42–43 .

  • Vakio mafy ny Lioka 4:18 ary ny ankizy mihaino izany. Angataho izy ireo mba hitanisa ireo zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa hataony tao anatin’izany fahatongavany izany. Asao ny ankizy hizara karazana fotoana izay nanaovan’i Kristy ireo zavatra ireo, na ao amin’ny soratra masina izany na teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Manasa antsika i Jesoa Kristy mba hanaraka azy sy mba ho “mpanarato olona.”

Misy fomba maro mba hahafahan’ny ankizy manaraka ny Mpamonjy sy ho lasa “mpanarato olona” (Matio 4:19). Ahoana no hanampianao azy ireo hahita ny fitarihana tsara azon’izy ireo entina eo amin’ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny Matio 4:18–22 sy ny Lioka 5:1–11. Inona no fihetsika nasehon’ireo mpianatr’i Jesoa teo anatrehan’ilay antsony mba hanaraka Azy? Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra nasehony?

  • Mampisehoa fitaovana fanjonoana vitsivitsy amin’ny ankizy na sarin’ny mpanjono anankiray. Inona no dikan’ny hoe “mpanarato olona”? Inona avy ireo fitaovana ananantsika mba hanampiana antsika ho lasa mpanarato olona?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny maha-mpanarato olona.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa avy amin’ny Fanahy Masina ny fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana izay azon’izy ireo rehefa miresaka na mihira hira mikasika an’i Jesoa sy ny filazantsarany izy ireo. Afaka manorina ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo fahatsapana ireo.

Sary
pejin’ny asa atao: Manasa antsika i Jesoa Kristy mba ho mpanarato olona.