Avia, hanaraka Ahy
14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay


“14-20 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“14–20 janoary. Lioka 2; Matio 2,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Magy mitaingina rameva

Ndeha isika hitsaoka Azy, nataon’i Dana Mario Wood

14–20 janoary

Lioka 2; Matio 2

Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay

Atombohy amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 2 sy Lioka 2. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity izay avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy antsika hahatakatra ireo toko ireo ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra enti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zavatra tadidiny momba ny fahaterahan’i Kristy. Inona avy ireo ampahany ao amin’ilay tantara izay tena tian’izy ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Lioka 2:1–14

Teraka i Jesoa Kristy.

Nandao ilay fonenany niaraka tamin’ny Ray any an-danitra i Jesoa mba hateraka ety an-tany mba hahafahany ho lasa Mpamonjy antsika. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatadidy ny tantaran’ny fahaterahan’i Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky ny tantaran’ny fahaterahan’i Kristy ianao dia asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ilay tantara na hampiasa ity pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Jereo koa ny “Toko 5: Teraka i Jesoa Kristy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 13–15 .

  • Raha manana andiana sarimivongana maneho ny Fahaterahan’i Kristy ianao dia ento izany ary asao ny ankizy mba hametraka ireo sarimivongana eo amin’ny toerana tokony hisy azy rehefa mitantara azy ireo ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ianao. Azonao atao koa ny mampiseho ny sarin’ny Fahaterahan’i Kristy (jereo mba hahitana ohatra ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Tondroy ireo karazana olona ao anatin’ny Fahaterahan’i Kristy dia asao ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ny olona tsirairay.

  • Iaraho mihira ireo hira tena tian’ny ankizy mikasika ny fahaterahan’i Jesoa. Rehefa manao izany ianao dia mitadiava fotoana ahafahana mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy ary asao ny ankizy mba hizara ny antony hitiavan’izy ireo an’i Jesoa.

Matio 2:1–12

Afaka manolotra fanomezana tsara ho an’i Jesoa aho.

Ireo Magy dia nanome fanomezana toy ny volamena, zavamanitra ary miora ho an’i Jesoa. Ahoana no ahafahanao mampiasa ity tantara ity mba hampianarana ny ankizy fa afaka manome fanomezana tsara ho an’i Jesoa koa izy ireo, toy ny fitiavana, ny asa fanompoana ary ny fankatoavana?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary irain’ireo Magy rehefa mamerina mamaky miaraka amin’ny ankizy ny tantaran’izy ireo izay hita ao amin’ny Matio 2:1–12 ianao .

  • Fonosy hiendrika fanomezana ireo sary na zavatra izay maneho ireo fanomezana azonao omena an’i Jesoa. Asao ny ankizy hanampy anao hanokatra ireo fanomezana ireo ary hifanakalo hevitra momba ny fomba hanomezantsika ny Mpamonjy ireo fanomezana ireo.

  • Ampio ny ankizy tsirairay mba hanao sary na hanoratra ny lisitr’ireo zavatra azon’izy ireo atolotra an’i Jesoa, toy ny hoe “minamana tsara amin’ny hafa” na “mivavaka.” Asao ny ankizy mba hizara ny lisitra nataon’izy ireo amin’ny mpianatra ary hifidy anankiray izay hotanterahiny amin’ity herinandro ity.

Lioka 2:40–52

Efa ankizy toa ahy i Jesoa.

Ny fianarana mikasika ny fahazazan’ny Mpamonjy dia mety hanampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra ny momba Azy. Anontanio ny ankizy ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo hitovy amin’i Jesoa amin’izao fotoana izao.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà zatovo iray ao amin’ny paroasy mba hitsidika ny kilasy ary hizara ny tantaran’i Jesoa nampianatra tao amin’ny tempoly fony Izy zatovolahy.

  • Angataho mialoha ny ankizy maromaro mba hitondra ny sarin’izy ireo fony mbola zazakely mba haseho. Anontanio azy ireo izay zavatra niseho teny am-pitomboan’izy ireo teny. Zarao ireo zavatra sasantsasany niseho teny am-pitomboan’i Jesoa teny (jereo ny Lioka 2:40, 52). Iaraho mihira miaraka amin’ny ankizy ny “Jésus enfant,” Chants pour les enfants, 34, na hira iray hafa mikasika ny Mpamonjy.

  • Vakio ny Lioka 2:52 ary hazavao ny dikan’ny hoe “saina” sy “tena.” Azonao atao ny manontany ny ankizy mba hanao fihetsika izay mampiseho ny dikan’ny hoe mitombo saina ary mandroso fitia amin’ Andriamanitra sy ny olona hafa. Ohatra, afaka manao fihetsika mampiseho hoe mamaky boky na manampy olona iray sahirana izy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Lioka 2:1–21; Matio 2:1–2

Nanambara mialoha ny fahaterahan’ny Mpamonjy ireo mpaminany fahiny.

Efa nandritra ny taonjato maro ireo mpaminany sy mpino no niandrandra ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Ny fahatakarana izany fahamarinana izany dia afaka manampy ny ankizy hanana fankasitrahana lalina kokoa ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hiresaka mikasika ireo zavatra izay andrandrainy, toy ny fitsingerenan’ny taona nahaterahana na fotoam-pialan-tsasatra. Asaivo vakin’ny ankizy ny Helamàna 14:2–5 mba hahitana ny zavatra nandrandrain’ireo mpaminany.

  • Miaraha-mamaky ny sasany tamin’ireo faminaniana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Isaia 7:14; 9:6; 1 Nefia 11:18; Helamàna 14:5). Ampio ny ankizy hitanisa ireo antsipiriany hita ao anatin’ireo faminaniana ireo ary hitady ny fahatanterahan’izany ao amin’ny Lioka 2:1–21 sy Matio 2:1–2.

  • Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ny Fahaterahana ary hizara ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo noho ny fahaterahan’i Jesoa.

Sary
I Maria sy i Josefa ary i Simeona niaraka tamin’i Jesoa zazakely.

I Simeona naneho fitsaohana an’ilay Kristy Zazakely, nataon’i Greg K. Olsen

Lioka 2:40, 52

Efa ankizy toa ahy i Jesoa.

Tahaka an’i Jesoa dia manana asa manan-danja tokony hiomanany ny ankizy ampianarinao. Inona no azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa?

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky ny Lioka 2:40, 52 ianao dia asaivo mihaino ireo zavatra nataon’i Jesoa ny ankizy. Asao ny ankizy mba hizara ireo zavatra niseho teny am-pitomboany nanomboka tamin’izy ireo mbola kely. Zarao ny zavatra niainanao mikasika ny fianarana tsikelikely ny filazantsara, dia zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  • Vitao ireo asa atao izay maneho ireo andian-teny hita ao amin’ny Lioka 2:40, 52. Ohatra, azonao refesina ny halavan’ny ankizy tsirairay (“Ary [Jesoa] nitombo … tena”) na asaivo mizara izay soratra masina tena tiany izy ireo (“nihanahery”). Ampio ny ankizy hirakitra ireo zavatra miseho ao anatin’ny fitomboan’izy ireo ary hizara izany amin’ny fianakaviany.

  • Rehefa avy namerina namaky ny Lioka 2:40, 52, dia asao ny ankizy mba hizara hoe toy ny ahoana i Jesoa tamin’ny taonan’izy ireo raha ny eritreritr’izy ireo. Ahoana no fomba nitondrany ny reniny? Ny rahalahiny sy ny anabaviny?

Lioka 2:41–52

Afaka manaraka ny ohatr’i Jesoa aho.

Na dia zatovolahy aza i Jesoa dia nampianatra ireo loholona tao amin’ny tempoly. Torak’izany koa, ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia manana zavatra maro ampianarina an’ireo olona manodidina azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba ho tonga any an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hamintina ny tantara ao amin’ny Lioka 2:41–52. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ilay tantara dia ampianaro ny dikan’ny hoe “raharahan’ny Raiko.” Ohatra, azonao lazaina amin’ny ankizy ny asanao na ny asan’ny ray aman-dreninao. Inona no asan’i Josefa ilay rain’i Jesoa tety an-tany na ny “fivelomany”? (jereo ny Matio 13:55). Inona no raharahan’ny Rainy any an-danitra? (jereo ny Lioka 2:46–49; jereo koa ny Mosesy 1:39).

  • Iaraho vakina amin’ny ankizy ny Lioka 2:46–49 ary anontanio hoe: “Manao ahoana ny fanaovan’i Jesoa ny—raharahan’ny Rainy—?” Ampio ny ankizy hitanisa na hanao sary eny amin’ny solaitrabe ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy eo amin’ny fanaovana ny raharahan’ny Ray any an-danitra koa.

  • Mba hanampiana ny ankizy hanorina fahatokian-tena hoe afaka mampianatra ny filazantsara tahaka an’i Jesoa ankizilahy kely izy ireo, dia ampio izy ireo hanao fampiharana ka hifampianatra fitsipika iray avy ao amin’ny Jeunes soyez forts.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampianatra ny fianakaviany ny zavatra nianarany momba ny fahaterahan’i Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Liam-pahalalana ny ankizy ary mianatra amin’ny fomba maro. Tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay manampy azy ireo hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Sary
pejin’ny asa atao: I Jesoa tao an-tranon’omby