Avia, hanaraka Ahy
21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“21–27 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“21–27 janoary. Jaona 1,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
vehivavy mizara ny filazantsara ao amin’ny toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby

21–27 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Mialoha ny hamakianao izay mety ho loharanom-pitaovana fanampiny dia vakio sy saintsaino aloha ny Jaona 1, dia raketo an-tsoratra ny fahatsapana voarainao. Hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny fanomananao izany. Ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitaona ny saina amam-panahin’ny olona ao amin’ny kilasinao mba hahatakatra sy hampihatra ny fotopampianarana ao amin’ity toko ity.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra ianarany dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanoratra amin’ny taratasy kely ireo fanontaniana, fanehoan-kevitra, na hevi-baovao avy amin’ny zavatra novakiany ary hametraka izany ao anatin’ny boaty iray. Sintony avy ao amin’ilay boaty ireo taratasy kely ireo mba hiarahan’ny rehetra ao an-dakilasy mifanakalo hevitra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 1:1–5

I Jesoa Kristy dia niaraka “tamin’ Andriamanitra tany am-piandohana.”

  • Nanomboka ny tenivavolombelony momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny anjara asan’ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahana i Jaona. Inona no nampianarin’i Jaona momba an’ilay Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo anjara asan’i Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Mety hanampy ny manoratra ireo fanontaniana ireo eo amin’ny solaitrabe ary ny mangataka ny mpianatra hitady valiny ao amin’ny Jaona 1:1–5 (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–5 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]) ary ny teny nambaran’ny Loholona James E. Talmage ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona ireo soratra masina hafa azon’ny mpianatra zaraina izay mampianatra misimisy kokoa momba an’ilay Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? (Ohatra, jereo ny “Jesoa Kristy, Fisian’i Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.) Azonareo atao koa ny miara-mijery ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (Ensign na ny Liahona, apr. 2000, 2).

  • Raha tianao ny hampiasa ireo andininy ireo mba hiresahana momba an’ireo zavatra noharian’ny Tompo dia afaka mamaky ny Jaona 1:3 sy mampiseho sary izay maneho ny hakanton’ny tany ianao. Asao ny mpianatra hizara ny fomba hanampian’ireo zavatra noharian’ny Mpamonjy azy ireo hahatsapa ny fitiavany.

Jaona 1:1–14

I Jesoa Kristy no Fahazavana.

  • Ny fahazavana hita maso dia afaka manampy antsika hahatakatra ny zavatra hasehon’ny fahazavana ara-panahy. Ahoana no hahafahanao manazava an’io fanehoana an’ohatra io amin’ny mpianatrao? Afaka mamono ny jiro ao amin’ny efitrano ianao dia mampirehitra lampe de poche mba hampitahana ny fahazavana sy ny haizina. Dia asao avy eo ny mpianatra hitady ny teny hoe mazava ao amin’ny Jaona 1:1–14 isak’izay miseho izany, ary asao izy ireo hizara ny fomba hanomezan’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany fahazavana ara-panahy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ahoana no nahatsapan’ny mpianatra ny fahazavany? Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mampamaky ny mpianatra misimisy kokoa momba ny Fahazavan’i Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46; 88:11–13, na azonao ampamakiana ny “Fahazavan’i Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina izy ireo. Ahoana no ahafahantsika ho fahazavana ho an’izao tontolo izao?

    Sary
    tara-masoandro mivoaka avy eo amin’ny vatolampy eny amoron-dranomasina

    Ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia mitondra fahazavana ara-panahy.

  • Koa satria nosoratana ara-tsarinteny ny Jaona 1:1–14 dia mety ho sarotsarotra ny mahatakatra azy. Fomba iray azo hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona ny manasa azy ireo hanao lisitra ireo teny sy andian-teny miverimberina ao amin’ireo andininy ireo sy ny mizara ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’izany antsika momba ny Mpamonjy.

  • Izao no fomba anankiray hampazotoana ny mpianatra handalina ireo andininy ireo: Mampisehoa sary vitsivitsy (tafiditra ao anatin’izany ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) izay maneho ireo lafim-piainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka masina nampanaovina Azy. Asao ny mpianatra hanadihady Jaona 1:1–14, dia hitady ireo teny na andian-teny izay mety ho azo atao lohatenin’ireo sary.

Jaona 1:35–51

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba ny Mpamonjy isika ary avy eo dia manasa ny hafa “[ho avy dia hahita].”

  • Ilay fanasana “[ho avy dia hahita]” ao amin’ny Jaona 1 dia mipoitra in-droa (jereo ny andininy 39, 46). Mety tsy hanana fahafahana hahita ny Mpamonjy mivantana tahaka ny nahitan’i Andrea sy i Natanaela Azy isika, saingy afaka mamaly io fanasana io koa. Azonao atao ny manontany ny mpianatra izay heveriny fa dikan’ny hoe “[ho avy dia hahita]” amin’izao vaninandro izao ary mizara ny traikefany manokana mikasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo dia azonao atao ny mangataka ireo mpianatra hizara tantara mikasika ny fomba nampahafantarany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa. Iza no nasain’izy ireo mba “[ho avy dia hahita]”? Inona no ianarantsika avy amin’i Andrea sy i Filipo momba ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Kristy?

  • Indraindray ny olona dia tsy mizara ny filazantsara satria mihevitra izy ireo fa ny fanaovana izany dia tena mampatahotra na sarotra be. Ireo tantara ao amin’ny Jaona 1:35–51 dia mampiseho fa ny fizarana ny filazantsara dia afaka ny ho tsotra sy mandeha ho azy. Afaka mangataka ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo ianao dia hiresadresaka momba ny fomba azony ampiasana azy ireo mba hanampiana ny olona iray izay matahotahotra hizara ny filazantsara. Afaka mampiasa ilay teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izy ireo mba hahazoana hevitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra handalina ny Matio 3, Marka 1, ary ny Lioka 3, dia afaka mangataka azy ireo ianao mba hieritreritra olona iray izay azony ampiana hanatona an’i Kristy. Lazao azy ireo fa ao amin’ireo toko ireo izy ireo dia hamaky momba ny mpaminany iray izay nahazo iraka hanomana ny olona handray ny Mpamonjy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Jaona 1

Niaraka tamin’ny Ray i Jesoa Kristy tany am-piandohana.

Nampianatra ny Loholona James E. Talmage hoe: “Fa ny Teny dia i Jesoa Kristy, izay niaraka tamin’ny Ray tany am-piandohana ary nanana ihany koa ireo hery sy toeran’ny Andriamanitra, ary voalaza ihany koa fa tonga teto amin’izao tontolo izao sy nitoetra teo anivon’ny olombelona, ary izany rehetra izany dia ambara fa marina tanteraka. Ireo zavatra nolazaina ireo dia hamafisina amin’ny alalan’ny fanambarana iray nomena an’i Mosesy, izay nanomezana lalana azy hahita ny maro amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra ary hahare ny feon’ny Ray mahakasika ireo zavatra noforonina: -Ary tamin’ny tenin’ny heriko no efa nahariako azy ireo, izay ny Zanaka Lahitokako, izay feno fahasoavana sy fahamarinana- [Mosesy 1:32, 33]” (Jésus Le Christ, ed. fahatelo [1916], 10).

Azontsika atao ny manasa ny hafa mba “[ho avy dia hahita].”

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe:

“Nampianatra antsika hizara ny filazantsara ny Mpamonjy. Tiako ny tantaran’i Andrea, izay nanontany hoe: -Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?- [Jaona 1:38]. Afaka namaly ny amin’ny toerana nipetrahany i Jesoa. Kanefa hoy Izy tamin’i Andrea: -Avia, fa ho hitanareo- [Jaona 1:39]. Tiako ny mieritreritra hoe niteny izao ny Mpamonjy, -Avia fa ho hitanareo, tsy ny fitoerako fotsiny ihany fa ny fomba fiainako ihany koa. Avia fa ho hitanareo hoe iza Aho. Avia dia ho tsapanareo ny Fanahy.- Tsy fantatsika avokoa ny momba izany andro izany, kanefa fantatsika fa izao no nanambaran’ i Simona rehefa hita ny rahalahiny Andrea: -Nahita … ny Mesia izahay- [Jaona 1:41].

“Ho an’ireo izay liana amin’ny resatsika, afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny fanasana azy ireo ho avy dia hahita. Misy ireo hanaiky ny fanasantsika, ary tsy hanaiky ny sasany. Samy mahalala olona iray nasaina imbetsaka talohan’ny nanekeny ny fanasantsika ho avy dia hahita isika rehetra. Ndeha ihany koa hieritreritra ireo niaraka tamintsika taloha kanefa tsy dia hitantsika intsony ankehitriny, hanasa azy ireny hiverina dia hahita indray. …

Ho an’ireo mpampiasa ny Internet, sy ireo finday, dia misy ireo fomba vaovao hafa hanasana ny hafa -ho avy dia hahita.- Ndeha hataontsika hizarana ny finoantsika bebe kokoa izany isan’andro” (“Fahagagana izany,” Ensign na Liahona, mey 2013, 79).

Ny hira dia afaka mampianatra antsika momba an’i Kristy.

Ampiasao ilay hira hoe “Pour la terre et sa beauté,” Cantiques, lah. 43, rehefa mifanakalo hevitra momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpahary Azy ianareo (jereo ny Jaona 1:3).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra mba hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Ilay fanasana nomen’ny Tompo ny mpianany, mba ho avy dia hahita, dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haniry ny hanaraka ny Mpamonjy. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainany ary hanasa ny hafa mba hanao torak’izany koa. (Jereo ny 1 Nefia 19:23; Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)