Avia, hanaraka Ahy
28 janoary–03 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Omaninareo ny lalan’ny Tompo-


“28 janoary–03 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Omaninareo ny lalan’ny Tompo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“28 janoary–03 febroary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Takela-pitaratra misy sary ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nataon’i Tom Holdman

28 janoary–03 febroary

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

“Omaninareo ny lalan’ny Tompo”

Rehefa mandalina sy misaintsaina ny Matio 3; Marka 1; ary ny Lioka 3 ianao dia raketo ireo zavatra tsapanao. Hanasa ny Fanahy izany rehefa miomana ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao hahazo fitaomam-panahy mba hahatakatra sy hampihatra ny fotopampianarana ao amin’ireo soratra masina ireo.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny fomba hitahian’ny fianarana ny Testamenta Vaovao ny fiainan’izy ireo, dia afaka manoratra ity fanontaniana ity eny amin’ny solaitrabe ianao: Inona no zavatra nataonao noho ny zavatra novakinao tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ity herinandro ity?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 3:1–12; Lioka 3:2–18

Manomana ny tenany sy ny hafa handray an’i Jesoa Kristy ny mpianatry ny Tompo.

  • Ahoana no hiomanantsika amin’ny fitsidihan’ny vahiny manan-kaja iray? Ny fanontaniana tahaka an’io dia afaka manampy anao hampiditra fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba nanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny olona handray an’i Jesoa Kristy. Aorian’izay dia azonao zaraina ho vondrona telo ny kilasy mba hamaky ny Matio 3:1–6; Matio 3:7–12; ary ny Lioka 3:10–15, ary hitady ny fomba nanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny olona handray an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainan’izy ireo. Avelao ny vondrona tsirairay hifandimby hizara ny zavatra hitany.

  • Manampy antsika, tahaka izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa, ireo mpaminany velona mba hiomana handray ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny mpaminany amin’izao andro maoderina izao amin’i Jaona Mpanao Batisa dia azonao jerena ny fampianaran’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Matio 3:1–12 sy ny Lioka 3:2–18 ary ny torohevitra sasantsasany avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana manera-tany farany indrindra. Ahoana no hanampian’ny fankatoavana io torohevitra avy amin’ny mpaminany io antsika hiomana handray ny Mpamonjy?

  • Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 3:4–11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) dia manome hevi-baovao mikasika ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy ankoatra izay hita ao amin’ny Lioka 3:4–6. Inona no azon’ny mpianatra ianarana mikasika ny Mpamonjy sy ny filantsika mibebaka avy amin’ireo andininy ireo?

    Sary
    I Jaona Mpanao Batisa mitory ny filazantsara

    I Jaona Mpanao Batisa mitory ny filazantsara any an’efitra, nataon’i Robert T. Barrett

Lioka 3:3–14

Mila mamoa “voa mendrika ny fibebahana” isika.

  • I Jaona Mpanao Batisa, ao amin’ny Lioka 3:8, dia nampianatra ny olona fa mila maneho “voa” na ny porofon’ny fibebahany ny olona mialoha ny hahafahana manao batisa azy ireo. Ahoana no hahafahanao manampy ny mpianatra hahafantatra ny porofon’ny fibebahan’izy ireo? Azonao atao ny mangataka azy ireo handalina ny Lioka 3:8–14 ary hitady ny zavatra izay raisin’i Jaona ho “voa” avy amin’ny fibebahana. Azon’izy ireo atao koa ny mijery ny Môrônia 6:1–3 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Azonao atao ny manao sarina hazo fihinam-boa eo amin’ny solaitrabe dia mamela ny mpianatra hanisy anarana ny voankazo eo amin’ny hazony amin’ny alalan’ny voa avy amin’ny fibebahana izay hitan’izy ireo. Mety ho fotoana tsara ihany koa io mba hiresahana momba ny dikan’ny hoe mibebaka marina. Hazavao fa ny fomba iray azontsika “[hanaovana] mahitsy ny lalan-kalehany” (Lioka 3:4) dia amin’ny alalan’ny fibebahana amin’izay mety ho sakantsakana rehetra mety hanakana ny Fanahy tsy hanatona antsika.

  • Ny fihirana ny fihirana “Ah, donne moi, Père,” Cantiques, lah. 70, dia afaka mamporisika ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba hahafahan’ny fibebahana manampy antsika mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa.

Matio 3:13–17

Manaraka an’i Jesoa Kristy isika rehefa vita batisa sy mandray ny Fanahy Masina.

  • Mba hamerenana ny tantaran’ny batisan’i Jesoa Kristy, dia andramo ity hevitra ity: Anontanio an’ny mpianatra ny fomba azon’izy ireo ampiasana ny Matio 3:13–17 mba hampianarana olona iray, toy ny ankizy na olona avy amin’ny antokom-pinoana hafa, momba ny batisa. (Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Inona avy ireo singa manan-danja amin’ny batisa izay hohamafisin’izy ireo? Azon’izy ireo atao ny mizatra mizara ny heviny amin’ny alalan’ny fifampianarana.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatsiaro ny batisan’izy ireo manokana sy hisaintsaina ny maha-zava-dehibe ny fiainana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny batisa, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Matio 3:13–17 sy ny teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mety hankafy ny fizarana ny zavatra tsapany momba ny batisany sy ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa ny mpianatra. Afaka mihira ny “Viens et suis-Moi,” Cantiques, lah. 61 ihany koa izy ireo.

  • I Jaona Mpanao Batisa dia nampianatra fa hanao batisa “amin’ny Fanahy Masina, sy ny afo” ny Mpamonjy (Matio 3:11). Mitranga ny batisa amin’ny afo rehefa raisina ho mpikambana isika ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nahoana isika no tsy maintsy manana ny fanomezana ny Fanahy Masina mba handrosoana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ny batisa sy ny Fanahy Masina eo amintsika? (Jereo ny Almà 5:14) .

  • Indro misy asa atao izay hanampy ny mpianatra hiresaka bebe kokoa ny fotopampianaran’ny batisa. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary soraty amin’ny taratasy kely lavalava ireo andinin-tsoratra masina. Asao ny mpianatra hifidy taratasy kely ary avy eo dia hiara-hamaky ny soratra masina tsirairay ny rehetra. Resaho hoe inona no fanontaniana voavalin’ny soratra masina tsirairay tsara. Misy soratra masina na hevi-baovao hafa ve afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo?

    • Inona no ampianarin’ny soratra masina momba ny antony ilana ny batisa? (3 Nefia 11:38)

    • Tandindon’ny inona no batisa asitrika? (Romana 6:3–5)

    • Ahoana no tokony hanovan’ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa ny fomba iainako? (Môsià 18:8–10)

    • Nahoana isika no tsy manao batisa ny zaza? (Môrônia 8:8–12)

    • Nahoana no zava-dehibe ny hanatanterahan’ny olona iray manana fahefana ny batisa, fa tsy vitan’ny hoe manana fikasana tsara fotsiny? (Hebreo 5:4)

    • Raha efa vita batisa tany amin’ny fiangonana hafa aho, dia nahoana no mbola mila atao batisa indray? (F&F 22:1–4)

    • Nahoana ny batisa no tsy maintsy arahan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina? (Jaona 3:5)

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra handalina ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5 any an-trano, dia asao izy ireo hieritreritra fakam-panahy iray izay sendra azy ireo, ary lazao azy ireo fa ireo toko ireo dia hampianatra azy ireo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy rehefa niatrika fakam-panahy Izy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

Ny dikan’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa.

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Rehefa takatsika ny fanekempihavanan’ny batisantsika sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia hanova ny fiainantsika sy hanorina ny fanoloran-tenantsika tanteraka ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra izany. … Ny fidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tena manan-danja tokoa ka izany no nanaovana batisa an’i Jesoa batisa mba hanehoany antsika ny maha-‘ety ny lalana’ [2 Nefia 31:9]. …

“Rehefa manaraka ny ohatr’i Jesoa isika dia mampiseho ihany koa isika fa hibebaka sy ho mpankatò eo amin’ny fitandremana ireo didin’ny Raintsika any An-danitra. Manetry ny tenantsika amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina isika rehefa miaiky ny fahotantsika sy mikatsaka famelankeloka noho ireo fahotantsika [jereo ny 3 Nefia 9:20]. Manao fanekempihavanana isika fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy hahatsiaro Azy mandrakariva. …

“Amin’ny fisafidianana ny ho ao amin’ny fanjakan’ [Andriamanitra, dia manasaraka ny tenantsika—fa tsy hoe hitoka-monina—amin’ny fomban’izao tontolo izao isika. Ho maotina ny fiakanjontsika, ho madio ny eritreritsika ary ho mendrika ny fitenintsika. Ireo horonantsary sy fahitalavitra izay jerentsika, ny mozika izay henointsika, ny boky, ny gazetiboky, ary ny gazety izay vakiantsika dia tokony ho mitondra soa. Hifidy ny namantsika izay mandrisika antsika amin’ny tanjona mandrakizay isika ary hitondra ny hafa amin’ny hatsaram-panahy. Tsy ho tiantsika ireo fahazaran-dratsin’ny fahalotoam-pitondrantena, filokana, sigara, toaka ary ireo zava-maha-domelina tsy ara-dalàna. Ireo hetsika fanaontsika Alahady dia ho taratry ny didin’ Andriamanitra mba hahatsiarovana ny andro Sabata sy hitandremana izany ho masina. Hanaraka ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy isika amin’ny fomba fifandraisantsika amin’ny hafa. Hiaina mba ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo isika” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 7–8).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara fotopampianarana fototra. Nampianatra i Hyrum Smith hoe: “Torio ireo fitsipika voalohany ao amin’ny Filazantsara—torio foana izy ireny. Ho hitanareo fa hisy hevitra vaovao sy fahatakarana bebe kokoa momba azy ireny hambara aminareo isan’andro. Afaka mampitombo ny fahalalanareo mikasika izany ianareo mba hahatakaranareo izany bebe kokoa. Aorian’izay ianareo dia ho afaka ny hanampy ireo izay ampianarinareo hahatakatra izany mazava kokoa” (Manuscript History of the Church, boky. E-1, p. 1994, josephsmithpapers.org).