Avia, hanaraka Ahy
04–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko-


“04–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“04–10 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Kristy mandresy an’i Satana

I Kristy mandresy an’i Satana, nataon’i Robert T. Barrett

04–10 febroary

Matio 4; Lioka 4–5

“Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko”

Rehefa mandalina ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5 ianao dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hanasa ny fitaomam-panahy hahalalana ny fomba tsara indrindra hanomezana izay ilain’ny mpianatrao. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity hevitra rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny vakiteny atao amin’ity herinandro ity dia ahitana ity tena nambara ity: “Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny” (Lioka 4:32; jereo koa ny Marka 1:22). Inona avy ireo andinin-tsoratra masina azon’ny mpianatra zaraina avy amin’ireo toko ireo izay nanampy azy ireo hahatsapa mivantana izany herin’ny fotopampianarana izany?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Ny Ray any An-danitra dia nanome antsika ny hery sy ny fomba hanoherana ny fakam-panahy.

  • Ny tantaran’ny Mpamonjy nanohitra an’i Satana dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ireo fomba hiezahan’i Satana haka fanahy antsika. Afaka mifidy ny iray amin’ireo fakam-panahy ao amin’ny Matio 4:1–11 na ny Lioka 4:1–13 ny mpianatra ary hieritreritra fakam-panahy mifandray amin’izany amin’izao vanin’andro izao (mety hanampy ireo zavatra voalaza ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Nahoana no manampy ny mahafantatra fa niatrika fakam-panahy mitovy amin’ireo izay atrehantsika amin’izao fotoana izao ny Mpamonjy? Nahoana i Kristy no afaka nanohitra ny fakam-panahy? Mba hahitana ohatra momba ny olona nanohitra an’i Satana ao amin’ny soratra masina, dia jereo ny Genesisy 39:7–20; 2 Nefia 4:16–35; sy ny Mosesy 1:10–22.

  • Mety ho fomba iray hamporisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 4:1–11 sy ny Lioka 4:1–13 ny fanoratana fanontaniana roa eny amin’ny solaitrabe hoe: Inona no ianarantsika momba an’i Kristy avy amin’io tantara io? Sy ny hoe Inona no ianarantsika momba an’i Satana? Dia asao avy eo ny mpianatra hanadihady ireo andinin-tsoratra masina mba hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ary soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

  • Inona no mety afaka manampy ny mpianatrao hanohitra ny fakam-panahy? Afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hijery ireo toe-javatra ao amin’ny Matio 4:1–11 na ny Lioka 4:1–13 izay nanampian’ny fahalalana nananan’ny Mpamonjy momba ny soratra masina Azy hamaly an’i Satana (tamin’ny fitenenana hoe: “Fa voasoratra hoe”). Omeo fotoana ny mpianatra hitadiavana sy hizarana ny soratra masina izay mety afaka mampahery sy mampatanjaka azy ireo rehefa mahatsapa ho alaim-panahy izy ireo. (Mba hahitana hevitra dia afaka mijery ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina eo amin’ny teny iditra hoe “Fakam-panahy” izy ireo.)

Lioka 4:16–30

I Jesoa Kristy no ilay Mesia voalazan’ny faminaniana.

  • Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra tsaratsara kokoa io tantara io, dia azonao hazavaina fa ny anarana fiantsoana hoe Mesia sy Kristy dia samy midika hoe “ilay voahosotra.” Eo am-pamakiany ny Lioka 4:18–21, dia asao izy ireo hieritreritra ny dikan’ny filazana fa i Jesoa no Kristy, ilay Mesia, na Ilay Voahosotra. Mety hanampy azy ireo koa ny mamaky ny “Ilay Voahosotra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Ahoana no fomba hanambaran’i Jesoa amin’izao fotoana izao fa Izy no Mesia? Asao ny mpianatra hizara ny fomba nahafantarany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy.

  • Mety misy lesona tena manampy azo ianarana amin’ny alalan’ny famantarana ny antony tsy naneken’ny mponina tao Nazareta an’i Jesoa ho ilay Mesia voalazan’ny faminaniana. Mety ho fomba iray hanaovana izany ny mampitaha ny fihetsik’izy ireo amin’ny an’ilay mpitondratena tao Zarefata sy i Namana ao amin’ny Testamenta Taloha. Azonao atao ny mifandray mialoha amin’ny mpianatra dia mangataka azy ireo mba ho tonga hianatra amim-pahavononana ny hamintina ny tsirairay amin’ireo tantara ireo (jereo ny 1 Mpanjaka 17:8–24; 2 Mpanjaka 5:1–17; Lioka 4:16–30). Inona no ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny fahagagana sy ny fihetsika hasetry an’ireo mpanompon’ Andriamanitra? Mahita hafatra ho an’ny Mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana ao amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo vahoakan’i Nazareta ve ny mpianatra?

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Ny fanolorantena hanaraka an’i Kristy dia midika hoe manaiky ny sitrapony sy mahafoy ny antsika.

  • Indraindray ny fitarihana omen’ny Tompo antsika dia toa tsy mitombina amin’ny voalohany. Afaka manadihady ny Lioka 5:1–11 ny mpianatra mba hitady ny zavatra nanontanian’ny Mpamonjy an’i Petera sy ny antony mety nahatonga an’i Petera hiahiahy tamin’ny torolalana nomeny. Inona no mety ho fiantraikan’io zavatra niainana io teo amin’ny fomba fijerin’i Petera ny Mpamonjy sy ny tenany? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nanehoan’izy ireo ny finoany ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra, na dia tsy tena nahatakatra feno izany aza izy ireo. Inona no vokatra azo rehefa nampihatra finoana izy ireo?

    Sary
    I Jesoa miantso an’i Petera sy i Andrea eo amoron-dranomasina

    “Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19

  • Tahaka ny nataon’ireo mpanjono izay “nahafoy ny zavatra rehetra” mba hanaraka an’i Jesoa Kristy (Lioka 5:11), dia misy zavatra tokony hafointsika koa mba ho lasa mpianany. Inona no tian’ny Matio 4:18–22 holazaina mikasika ny fihetsika sy ny finoana nasehon’i Petera, Andrea, Jakoba, ary i Jaona? Mety hanampy ny fitondrana harato ao an-dakilasy sy ny fanasana ny mpianatra hanoratra ireo zavatra hananan’izy ireo fahavononana mba ho hafoiny na efa nafoiny mba hanarahany an’i Kristy ary hametraka izany ao anatin’ilay harato. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba niovan’ny fiainan’izy ireo rehefa nifidy ny hahafoy ny zavatra rehetra izy ireo hanarahana ny Mpamonjy.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanampiana ny mpianatra hahazo fitaomam-panahy hamaky ny Jaona 2–4 mandritra ny herinandro ho avy, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina izay heverin’izy ireo fa dikan’ny hoe “ateraka indray.” Lazao azy ireo fa ny vakiteny amin’ny herinandro manaraka dia hanampy azy ireo hamaly io fanontaniana io.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 4; Lioka 4–5

I Jesoa no ilay Mesia.

Ireo karazana fakam-panahy

Rehefa avy niresaka ireo karazana fakam-panahy niainan’ny Mpamonjy tany an’efitra ny Filoha David O. McKay dia nampianatra hoe:

“Ny fakam-panahy rehetra izay tonga eo aminao sy izaho dia mitranga amin’ny iray amin’ireto endrika telo ireto:

“(1) Fakana fanahy ny filàna ara-tsakafo na ny zavatra tena tiana;

“(2) Fironana amin’ny fieboeboana, ny lamaody, na ny zava-poana;

“(3) Faniriana ny harenan’izao tontolo izao na ny fahefana sy ny fanjakazakana amin’ireo tany na fananan’ny olona eto an-tany” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 82).

Rehefa niresaka ny zavatra niainan’i Jesoa ao amin’ny Matio 4 ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra hoe:

“-Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.- …

“Ilay fakam-panahy dia tsy any amin’ilay fihinanana sakafo. … Ilay fakam-panahy, ilay ampahany tiako mba hifantohana farafahakeliny, dia ny manao izany tahaka izao: maka ny mofony izy—ilay fahafaham-po ara-nofony, fanamaivanana ny fanirian’ny nofony amin’ny maha-olombelona azy—amin’ny fomba tena mora, amin’ny alalan’ny fanararaotam-pahefana ary tsy manana fahavononana ny hiandry ny fotoana tena izy sy ny fomba tena tokony hanaovana izany. …

“-Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any- avy eto amin’ny tampon’ity tempoly ity. …

Ilay fakam-panahy eto dia mbola feno hafetsena kokoa noho ilay voalohany. Fakana fanahy izany, fakana fanahy ny hetahetan’ny tena manokana izay azo tsapain-tanana kokoa noho ny filana hanina. Hamonjy Azy ve Andriamanitra? … Fa maninona moa raha maka fanamafisana ara-panahy sy manangona olona mpanaraka marobe mahatoky, ary mamaly an’io demony kely mitabataba io, dia miara-mangataka ny herin’ Andriamanitra daholo izy rehetra? …

“Saingy tsy nanaiky ilay fakana fanahy ny fanahy i Jesoa. Ny fandavana sy ny famerana ihany koa dia anisan’ny fiomanana masina. … Na ny Zanak’ Andriamanitra aza dia tsy maintsy miandry. Ilay Mpanavotra izay tsy hanome fahasoavana ratsy mihitsy ho an’ny hafa dia azo antoka fa tsy hangataka izany ho an’ny tenany. …

“… -Ireo zavatra rehetra ireo dia homeko Anao, raha miankohoka eto anoloako Ianao ary midera ahy.-

“I Satana dia … [nanontany hoe]: -Inona no tambiny ilainao? Toherinao ny mofo mora azo. Toherinao ny filalaovana an-tsehatra toy ny teatira amin’ny fomba marikoriko ny maha-mesia, saingy tsy misy olona afaka manohitra ny harenan’ity izao tontolo izao ity. Lazao izay tambiny tadiavinao.’ Manao asa amin’ny alalan’ny fanekem-pahatokiana voalohany nataony i Satana, dia ilay finoana mafy sy mazava fa afaka mividy ny zavatra rehetra eto amin’ity tontolo ity amin’ny alalan’ny vola ianao.

“Hanapaka eto an-tany i Jesoa indray andro any. Hitantana ny fanjakana sy ny fahefana rehetra ao anatin’izany izy. Ho Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo Izy. Fa tsy amin’izany fomba izany” (“The Inconvenient Messiah,” Ensign, fev. 1984, 68–71).

Manatsara ny fampianarantsika

Isaory ireo mpianatrao. “Aza diso variana loatra amin’ny lesona ka hadino ny misaotra ny mpianatra noho ny fandraisan’izy ireo anjara. Mila mahafantatra izy ireo fa mankasitraka ny fahavononan’izy ireo hizara ny heviny sy ny fijoroany ho vavolombelona ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 33).