Avia, hanaraka Ahy
11–17 febroary. Jaona 2–4: “Tsy maintsy ateraka indray ianareo”


“11–17 febroary. Jaona 2–4: -Tsy maintsy ateraka indray ianareo-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 febroary. Jaona 2–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy

11–17 febroary

Jaona 2–4

“Tsy maintsy ateraka indray ianareo”

Ny famakiana ny Jaona 2–4 dia fomba tsara iray hanombohana ny fiomanana hampianatra. Raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy voarainao, dia ampiasao ity rindran-damina ity mba hahitana hevi-baovao fanampiny.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Manorata lohateny telo toy izao eo amin’ny solaitrabe: Jaona 2, Jaona 3, ary Jaona 4. Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamerina hijery ireo toko ireo, dia asaivo soratan’izy ireo avy eo, eo ambanin’ny toko tsirairay avy, ny andininy izay nanampy azy ireo hahatakatra ilay fotopampianarana sy zava-nitranga tao amin’ilay toko. Manaova fifanakalozan-kevitra momba ireo andinin-tsoratra masina nosoratan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 2:1–11

Miova ny fiainantsika rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika.

  • Indraindray isika dia afaka mahazo hevi-baovao ara-panahy amin’ny alalan’ny fifantohana tsara amin’ireo antsipirian-javatra ao amin’ny tantara ao anatin’ny soratra masina iray. Asao ny mpianatra hamaky ny Jaona 2:1–11 dia hitanisa ireo antsipirian-javatra izay nampitombo bebe kokoa ny fankasitrahany an’ilay fahagagana nandritra ilay lanonana fampakaram-bady. Ahoana no nanehoan’io fahagagana io ny voninahitr’ Andriamanitra? (Jereo ny andininy 11).

  • Mety hanampy ny mpianatra hahatakatra an’io tantara io ny fandraisany an’ilay fahagagana avy amin’ny ny fomba fijery manokan’ireo izay nanatri-maso izany. Inona indraindray no mampitovy ny fihetsitsika amin’ny an’ireo olona tany amin’ilay lanonana fampakaram-bady, ohatra hoe tahaka ny an’i Maria, izay nahafantatra fa misy fahagagana mety hitranga, na ny an’ilay mpanapaka, izay tsy nahalala akory fa nisy fahagagana iray nitranga? Manasà mpianatra vitsivitsy hitantara ilay lanonana fampakaram-bady tahaka ny hoe nanatrika izany mivantana izy ireo.

Jaona 2:13–22

Afaka miaro ireo toerana sy zavatra masina isika.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hianatra avy amin’ilay tantaran’i Jesoa nandroaka ireo mpivarotra hiala ny tempoly? Ahoana no ahafahan’izy ireo miaro ireo toerana sy zavatra masina toy ny tokantrano, fiangonana, tempoly, ary soratra masina? Ity teny nambaran’ny Filoha David O. McKay ity dia mety hanampy: “-Aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.- (Jaona 2:16.) Ny fitadiavana sy ny fandaniam-bola, … ny fitsikerana, ary indrindra indrindra ny fifosafosana ny mpiara-belona ao amin’ny toerana fitsaohana dia tena fandikana an’io didy izay nomena saika ho roa arivo taona lasa io” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1956, 7). Ahoana no hitandrovantsika ny fahamasinan’ny tempoly sy ireo toerana masina hafa?

Jaona 3:1–21

Tsy maintsy ateraka indray isika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanasan’i Jesoa mba hateraka indray (jereo ny Jaona 3:3), dia afaka manasa azy ireo ianao hizara ireo hevi-baovao azony avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy ao amin’ireo andininy ireo. Inona ireo teny sy andian-teny nampiasainy? Inona no soratra masina hafa na teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hampitombo bebe ny fahatakaran’ny mpianatra an’io fanasana io? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Olona, Ateraka indray” mba hahitana ohatra ao amin’ny soratra masina; jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hahitana teny nambaran’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.)

  • Ahoana no mety hanazavan’ny mpianatra iray amin’ny olona avy amin’ny antokom-pinoana hafa ny dikan’ny hoe ateraka indray? Ahoana no hampidirany ny fibebahana, sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana mandritra izany resadresaka izany? Asao ny mpianatra hanao fanazaran-tena miaraka amin’ny olona mipetraka eo akaikiny momba ny fomba hamaliany izany fanontaniana izany. Ny teny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia azo ampidirina ao amin’izany fifanakalozan-kevitra izany.

  • Misy ireo mino fa tsy afaka tena hiova izany ny olona. I Nikodemosy kosa anefa dia ohatra iray amin’ny olona izay niova vokatry ny fanarahany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hahita izany dia afaka manasa azy ireo ianao hanadihady ny Jaona 3:1–2; Jaona 7:40–52; ary ny Jaona 19:39–40. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fihetsik’i Nikodemosy sy finoany? Nanao ahoana ny fiovany rehefa nandeha ny fotoana? Inona no ohatra azontsika zaraina momba ny olona fantatsika izay niova noho ny filazantsara?

  • Ny fijerena zazakely na sarina zazakely iray dia hanome an’ireo mpianatrao fahafahana tena tsara hampitaha ireo toetra tsara ananan’ny zazakely vao teraka iray amin’ireo toetra tsara ananan’ny olona iray nateraka indray ara-panahy.

Jaona 4:6–34

Manolotra ho antsika rano velona sy ny “[hanin’ny]” fanaovana ny asan’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

  • Mila hanina sy rano isan’andro ny vatantsika. Niresaka ireo zavatra ilain’ny olon-drehetra ireo i Jesoa rehefa nampianatra an’ilay vehivavy Samaritana sy ireo mpianany. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy tamin’izay dia azonao atao ny mametaka sarina sakafo sy rano eo amin’ny solaitrabe, dia manasa ny mpianatra hanoratra eo amban’ny sary tsirairay avy ireo fahamarinana ara-panahy nampianarin’i Jesoa. Amin’ny fomba ahoana no hanafahan’ny fitsaohana an’ Andriamanitra amin’ny fanahy sy amin’ny fahamarinana ny hetahetantsika ara-panahy? Amin’ny fomba ahoana hanafahana ny hanoanantsika ara-panahy amin’ny alalan’ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra?

    Sary
    rano mikoriana

    Manolotra rano velona antsika i Jesoa Kristy.

  • Ny fisaintsainana ny fivoaran’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ilay vehivavy Samaritana momba an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy an’ireo mpianatrao hisaintsaina ny fomba nahafahan’izy ireo nahafantatra fa Izy no ilay Mesia. Jereo miaraka ireo teny nampiasan’ilay vehivavy Samaritana mba hiantsoana ny Mpamonjy Jaona 4:6–30. Milaza inona momba ny fahalalany an’i Jesoa ireo teny ireo? Nitombo toy ny ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika fa Izy no Mpamonjy antsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hamaky ny Matio 5 sy ny Lioka 6 dia zarao amin’izy ireo fa ahitana ilay antsoin’ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe “ny [toriteny] mahery vaika indrindra izay notorina, raha ny fantatro” ireo toko ireo (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234).

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Jaona 2–4

Horonan-tsarin’ny asa ny fampianaran’i Jesoa.

“Jésus change l’eau en vin,” “Jésus purifie le temple,” “Jésus enseigne qu’il faut naître de nouveau,” “Jésus instruit une Samaritaine” (LDS.org)

Ny dikan’ny hoe ateraka indray.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Afaka manao batisa kitapo misy fasika eo amin’ny toeran’ny olona iray ihany koa ianao raha toy izany ka tsy atao ho famelana ny fahotana sy mba hahazoana ny Fanahy Masina. Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 95).

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fiovam-po … dia mahery vaika, fa tsy kely—fahaterahana ara-panahy indray ary fiovana fototra amin’ny zavatra tsapa sy iriana, ary amin’izay eritreretintsika sy ataontsika ary ny maha-izy antsika. Marina tokoa fa ny fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy miteraka fiovana manan-danja sy maharitra amin’ny toetrantsika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny -fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina- (2 Nefia 2:8). Rehefa misafidy ny hanaraka ny Mpampianatra isika dia misafidy ny mba hiharam-panovana—hateraka indray ara-panahy” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, mey 2007, 20).

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Mety hanontany ianao hoe, nahoana no tsy mitranga haingana kokoa amiko izany fiovana mahery vaika izany? Tokony hotsaroanao fa ny ohatra niavaka an’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, an’i Almà, sy ny hafa ao amin’ny soratra masina dia izao fotsiny— miavaka fa tsy zava-misy mahazatra. Mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana ho an’ny ankamaroantsika. Ny ateraka indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahantsika ara-batana, dia dingana fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Ary ivon’ny tanjon’ny fiainana an-tany ny firotsahana ao amin’izany dingana izany” (“Ateraka indray,” Ensign na Liahona, mey 2008, 78).

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks hoe:

“Nateraka indray isika tamin’ny fotoana nanaovantsika fanekempihavanana tamin’ny Mpamonjintsika tamin’ny alalan’ny fahaterahantsika tamin’ny rano sy ny Fanahy ary tamin’ny nandraisantsika ho eo amintsika ny anaran’i Kristy. Afaka manavao izany fahaterahana indray izany isika isaky ny Sabata rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

“Manambara ireo Olomasin’ny Andro Farany fa ireo izay nateraka indray tamin’ny alalan’izany fomba izany dia zanakalahy sy zanakavavy ara-panahy naterak’i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 5:7; 15:9–13; 27:25). Saingy, mba hahatongavan’ireo fitahiana kasaina avy amin’izany hoe nateraka indray izany dia tsy maintsy mbola mitandrina ireo fanekempihavanantsika sy maharitra hatramin’ny farany isika. Mandritra izany fotoana izany, ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia nateraka indray mba ho lasa olom-baovao manana ray aman-dreny ara-panahy vaovao sy fikasana hahazo lova feno voninahitra isika” (“Have You Been Saved?” Ensign, mey 1998, 56).

Manatsara ny fampianarantsika

Tsy tsaratsara kokoa noho ny mpianatra ny mpampianatra. Ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao dia manan-danja, saingy tsy ianao irery ihany no loharanom-panentanam-panahy ao an-dakilasy. Ampio ny mpianatra hianatra avy amin’ny Fanahy ary hifampizara ny zavatra ianarany.