Avia, hanaraka Ahy
31 aogôsitra–6 septambra. Helamàna 13–16: “Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”


31 aogôsitra–6 septambra. Helamàna 13–16: -Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

31 aogôsitra–6 septambra. Helamàna 13–16,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Samoela ilay Lamanita mampianatra eo ambonin’ny manda

I Samoela ilay Lamanita eo ambony manda, nataon’i Arnold Friberg

31 aogôsitra–6 septambra

Helamàna 13–16

“Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”

Inona amin’ireo fampianarana sy faminanian’i Samoela ilay Lamanita no tsapanao fa tena hanampy indrindra ireo olona ao amin’ny kilasinao? Eo am-pandalinanao ny Helamàna 13–16 dia saintsaino ny fomba hahafahanao manampy azy ireo hahita ny lanjan’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara amin’ny namana iray zavatra iray izay nianarany, zavatra iray izay takany tsara kokoa, na zavatra iray izay nampihariny, rehefa namaky ny tantaran’i Samoela ilay Lamanita Helamàna 13–16 tamin’ity herinandro ity izy ireo. Dia mamelà ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara amin’ny iray kilasy manontolo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Helamàna 13

Ny mpanompon’ny Tompo dia miresaka sy miasa araka ny fitarihan’ Andriamanitra.

  • Nangataka an’i Samoela ilay Lamanita mba hanao zavatra izay toa sarotra be ny Tompo: dia ny hitory amin’ny vahoaka iray izay nandroaka azy hiala ny tanànan’izy ireo tamin’ny lasa. Ny famakiana ny Helamàna 13:2–5 dia mety hampahatsiahy ireo olona ao amin’ny kilasy ny amin’ny zavatra sarotra izay asain’ny Tompo ataon’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny zavatra niainany. Ahoana no nanampian’ny Tompo azy ireo? Ohatra, azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara zavatra niainana tamin’ny fotoana nametrahan’ny Tompo zavatra tao am-pon’izy ireo izay tiany ho lazain’izy ireo amin’olona iray (jereo ny andininy 4). Inona avy ireo fitahiana hitan’ny olona ao amin’ny kilasy rehefa nanaraka ny fitarihan’ny Tompo izy ireo?

    Sary
    Filoha Russell M. Nelson

    Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

  • Na dia nivantana tamin’ireo Nefita mafy fo aza ny fampitandreman’i Samoela ilay Lamanita, ny Helamàna 13 dia mirakitra lesona ho antsika rehetra ihany koa. Mba hanampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hahita lanjany manokana ho azy ireo ao amin’ny teniny dia azonao asaina mikaroka hafatra ao amin’ny Helamàna 13 izay toa mitombona amin’izao vanimpotoantsika izao izy ireo. (Raha mila fanampiana izy ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto andininy manaraka ireto: 8, 21–22, 26–29, 31, ary 38.) Dia azon’izy ireo ifampizaraina miaraka amin’ny namana iray, ao anaty vondrona kely, na amin’ny kilasy iray manontolo ny zavatra hitan’izy ireo. Inona no hafatra mitovy amin’izany izay omen’ny mpaminany amintsika amin’izao vanin’andro izao?

Helamàna 14; 16:13–23

Afaka mampatanjaka ny finoan’ireo izay tsy manamafy ny fony ny famantarana sy ny zavatra mahatalanjona.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandroso ny fitadiavana ireo famantarana izay nomen’ny Tompo antsika mba “hahazoan[tsika] mino ny anarany.” (Helamàna 14:12). Angamba afaka mizara izay hitany teo am-pisaintsainana momba io hevitra io ny olona ao amin’ny kilasy. Alaivo antoka ny hanamarika fa ireo famantarana eo amin’ny fiainantsika dia mety ho tsy mahatalanjona loatra ary momba ny tenantsika manokana kokoa noho ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita. Inona koa no tanjona hafan’ny famantarana izay aroso ao amin’ny Helamàna 14:28–30? Afaka mizara ireo zavatra hafa nataon’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hampitombo finoana Aminy ny mpianatra.

  • Ny famakiana ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Samoela ilay Lamanita dia mety hampiorina ny finoan’ny mpianatra an’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mampiasa ny Helamàna 14 mba hamoronana tabilao iray mitanisa ny faminanian’i Samoela ny amin’ny fahaterahana sy fahafatesan’i Kristy eo amin’ny lafiny iray ary soratra masina nitrangan’ireo faminaniana ireo eo amin’ilay lafiny iray hafa. Ny soratra masina sasany dia mety ahitana andininy avy amin’ny 3 Nefia 1:15–21 sy 3 Nefia 8:5–25. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra momba ireo faminaniana ireo sy ny fahatanterahan’izy ireo?

  • Mety nahatsikaritra ny mpianatra—ao amin’ny Helamàna 16 sy toerana hafa ao amin’ny soratra masina—fa ny fahitana famantarana sy zavatra mahatalanjona dia tsy voatery hahatonga ny olona iray hino an’i Kristy. Asao izy ireo hizara ohatra vitsivitsy avy amin’ny soratra masina ny amin’olona izay nahita famantarana nefa tsy nino. Araka ny Helamàna 16:13–23, nahoana no tsy nino ireo famantarana sy zavatra mahatalanjona ny olona maro tamin’ny vaninandron’i Samoela ilay Lamanita? Ahoana no handresen’i Satana lahatra ny olona mba “[h]iantehitra amin’ny heriny ihany sy amin’ny fahendreny ihany” amin’izao vanin’andro izao? (Helamàna 16:15). Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io tantara io ka afaka manampy antsika hisoroka ny fanaovana zavatra diso toy izany?

Helamàna 15:3

Manitsy ireo izay tiany ny Tompo.

  • Ny tenin’i Samoela dia mifono famaizana hentitra maro, saingy ny Helamàna 15:3 dia manome fomba fijery miavaka momba ny fanitsiana avy amin’ny Tompo. Fomba iray hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra an’io fomba fijery io ny famakiana an’io andininy io miaraka ary ny manasa azy ireo hizara porofon’ny fitiavana sy famindram-pon’ Andriamanitra izay hitany ao amin’ireo faminaniana sy fampitandreman’i Samoela. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny famaizana avy amin’ny Tompo ho famantarana ny fitiavany?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra tsaratsara kokoa ny hafatra ao amin’ny Helamàna 15:3 dia azonao zaraina ireo tanjona telon’ny fanitsiana avy amin’ Andriamanitra izay nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Zarao ho vondrona telo ny kilasy ary angataho ny vondrona tsirairay hifanakalo hevitra momba ireo tanjona ireo (ny soratra masina aroso ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy). Dia azon’ny vondrona tsirairay atao avy eo ny mizara amin’ny iray kilasy izay mety ho hevi-baovao avy amin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo ka nanampy azy ireo hahatakatra tsaratsara kokoa fa ny Tompo dia manitsy izay tiany.

Helamàna 16

Mampitodika antsika any amin’ny Tompo ny mpaminany.

  • Ao amin’ny Helamàna 16, inona no ianarantsika avy amin’ireo izay nanaiky ny fampianaran’i Samoela? Inona no ianarantsika avy amin’ireo izay nandà azy? Mety hanentam-panahy ny mahare ny olona ao amin’ny kilasy mizara ny fomba nahazony fijoroana ho vavolombelona momba ny lanjan’ny fanarahana ireo mpaminany velona. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny fomba hampiasan’izy ireo ny Helamàna 16 na ny tenin’ny Loholona Andersen ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hanazavana amin’ny olona iray ny antony hisafidianany ny hanaraka ny mpaminany.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 1–7 amin’ny herinandro ambony, dia azonao lazaina izy ireo fa betsaka amin’ireo faminaniana novakian’izy ireo tamin’ity herinandro ity no ho tanteraka ao amin’ireo toko ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tanjon’ny fanitsiana avy amin’ Andriamanitra.

Nampianatra tanjon’ny fanitsiana avy amin’ Andriamanitra anankitelo ny Loholona D. Todd Christofferson (jereo ny “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako,” Liahona, mey 2011, 97–100):

  1. “Handresena lahatra antsika fa mila mibebaka isika.” Jereo ny Etera 2:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:27; 93:41–50; 105:6.

  2. “Hanadiovana sy hanamasinana antsika.” Jereo ny Môzià 23:21–22; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:1–5; 136:31.

  3. “Hamerenana antsika amin’ny lalam-piainana izay fantatr’ Andriamanitra fa tsara kokoa ho antsika.” Jereo ny tantaran’ny Filoha Hugh B. Brown sy ilay hazo fihinam-boa kely ao amin’ny lahatenin’ny Loholona Christofferson.

Mifaly isika amin’ny fananana mpaminany.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe:

“Tsy mijoro manelanelana antsika sy ny Mpamonjy ny mpaminany. Fa kosa, mijoro eo anilanao izy ary manondro ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy. Ny andraikitra lehibe indrindran’ny mpaminany iray sy ny fanomezana sarobidy indrindra omen’ny mpaminany iray antsika dia ny teny vavolombelony sy ny fahalalany azo antoka fa i Jesoa no Kristy. Tahaka an’i Petera fahiny, dia manambara ny mpaminanintsika hoe: -[Izy no] Kristy Zanak’ Andriamanitra velona- [Matio 16:16; jereo koa ny Jaona 6:69].

“Indray andro any, rehefa manao jery todika ny fiainantsika teto an-tany isika dia hiravoravo fa niaina teto an-tany tamin’ny fotoana nisian’ny mpaminany velona. Amin’izany andro izany, dia enga anie isika mba ho afaka hiteny hoe:

“Nihaino azy izahay. Nino azy izahay. Nandalina ny teniny tamim-paharetana sy tamim-pinoana izahay. Nivavaka ho azy izahay. Nijoro teo anilany izahay. Nanana fanetrentena ampy izahay hanarahana azy. Nitia azy izahay” (“Ilay mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 27).

Manatsara ny fampianarantsika

Fantaro ireo izay ampianarinao. Tsy misy olona anankiroa tena mitovy izany. Manana foto-piaviana sy fomba fijery ary andian-talenta miavaka ny olona tsirairay avy. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba azonao hampiasana ireo fahasamihafana ireo hoentina hanampiana ireo olona amin’ny kilasy hianatra. Rehefa takatrao tsara kokoa ny momba ireo olona ampianarinao dia afaka manao izay hisian’ny fotoam-pampianarana manan-danja sy tsy hay hadinoina ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)