Avia, hanaraka Ahy
24–30 aogôsitra. Helamàna 7–12: “Mahatsiaro ny Tompo”


“24–30 aogôsitra: -Mahatsiaro ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24–30 aogôsitra. Helamàna 7–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Nefia mivavaka ao amin’ny tilikambon’ny saha iray

Sarin’i Nefia mivavaka ao amin’ny tilikambon’ny saha iray, nataon’i Jerry Thompson

24–30 aogôsitra

Helamàna 7–12

“Mahatsiaro ny Tompo”

Namporisika ny vahoakany ny Tompo mba hahatsiaro Azy. Afaka manao toy izany koa ianao ho an’ireo izay ampianarinao. Eo am-pamakianao ny Helamàna 7–12 dia raketo ireo fahatsapana momba ny fomba azonao anampiana ireo mpianatra mba hahatsiaro ny Tompo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipiky ny filazantsara sasantsasany izay hitan’izy ireo tao amin’ny Helamàna 7–12, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina izay ahitana ireo fitsipika ireo. Dia azonao faritana miaraka amin’ny mpianatra avy eo hoe inona amin’ireo fitsipika na andininy ireo no hifanakalozanareo hevitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Helamàna 7–11

Ny mpaminany dia manambara ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny vahoaka.

  • Mba hanampiana ny kilasinao hianatra avy amin’ny Helamàna 7–11 momba ny anjara asa sy ny andraikitry ny mpaminany dia azonao atomboka amin’ny fiarahana mamaky ny teny iditra hoe “Mpaminany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Afaka mijery ireo anjara asan’ny mpaminany izay voalaza ireo mpianatra ary hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe. Dia azonao angatahina avy ireo mpianatra mba samy handinika toko iray ao amin’ny Helamàna 7–11. Angataho izy ireo mba hitady ny fomba nanatanterahan’i Nefia ireo anjara asa voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’ireo mpaminanintsika velona ireo anjara asa ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manohana azy ireo amin’ny andraikiny?

  • Nahoana ny mpaminany indraindray no miteny amim-pahasahiana tahaka ny nataon’i Nefia? Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Helamàna 7:11–29 ary hitady ireo fampitandremana nomen’i Nefia sy ireo antony nahatonga azy tsy maintsy naneho fahasahiana be tamin’ny nanomezany izany. Inona ny fampitandremana nataon’ny mpaminany izay nitaona antsika hibebaka sy hanatona ny Tompo? Ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao dia hahita ohatra iray izay nampiasain’ny Loholona Neil L. Andersen mba hanampiana antsika hahatakatra ireo loza avy amin’ny tsy firaharahiana ireo fampitandreman’ny mpaminany.

Helamàna 9:1–20; 10:1, 11–15

Tsy tokony ho amin’ny famantarana sy fahagagana ihany no hanorenana ny finoana.

  • Fomba iray azo ifanakalozana hevitra momba ireo andininy ireo ny fizarana ny kilasy ho vondrona roa ary fanasana ny vondrona tsirairay mba hamaky ny Helamàna 9:1–20 ka haka sary an-tsaina hoe teo amin’ny toeran’ireo lehilahy dimy na ireo lohan’ny mpitsara izy ireo. Inona no mety ho tsapan’ireo olona ireo? Inona no mety nitaona ny vondrona tsirairay haneho fihetsika samy hafa manoloana faminaniana iray feno fahagagana? Ahoana no hakantsika antoka fa ny fahagagana dia manorina ny fijoroana ho vavolombelontika fa tsy lasa ilay hany fototra iorenan’izany fotsiny? Ahoana no ahafahantsika mamaritra fa marina ny tenin’ny mpaminany amin’izao androntsika izao?

Helamàna 10:1–12

Ny Tompo dia manome hery an’ireo izay mikatsaka ny sitrapony sy mitandrina ny didiny.

  • Ny tantaran’ny Tompo mitsodrano an’i Nefia ao amin’ny Helamàna 10 dia afaka mitaona ireo mpianatrao havitrika kokoa amin’ny fikatsahana sy fanaovana ny sitrapon’ny Tompo. Afaka mamaky ny andininy 1–12 ireo mpianatra ary hitady ny zavatra nataon’i Nefia mba hahazoana ny fatokisan’ny Tompo sy ny fomba nitahian’ny Tompo azy. Afaka mizara ohatra hafa momba ny olona izay “tsy sasatra” (Helamàna 10:4) nikatsaka sy nanao ny sitrapon’ny Tompo izy ireo, na izany ao amin’ny soratra masina na amin’ny fiainan’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny Tompo hery ireo vahoaka ireo “handrorona” (Helamàna 10:9) ireo tendrombohitra ara-tsarinteny eo amin’ny fiainany? Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka tsara kokoa ny sitrapon’ny Tompo sy mitandrina ny didiny.

Helamàna 12

Tian’ny Tompo hahatsiaro Azy isika.

  • Maro amin’ireo mpianatrao no efa nanao fanekempihavanana ny hahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy. Mety afaka mifampizara zavatra vitsivitsy izay manampy azy ireo “hahatsiaro azy mandrakariva” angamba izy ireo (Môrônia 4:3; FF 20:77), na amin’ny fotoana mampiroborobo izany na amin’ny fotoan-tsarotra. Afaka mikaroka ao amin’ny Helamàna 12 ireo mpianatra mba hitady ireo antony mahatonga ny olona hirona amin’ny fanadinoana ny Tompo. Ahoana no ahafahantsika mandresy ireo fironana voafaritra ao amin’ireo toko ireo? Tamin’ny fomba ahoana ny fahoriana no nanampy antsika hahatsiaro an’ Andriamanitra? (jereo ny Helamàna 11:4–7).

  • Mba hanehoana ny ezaka ilaina mba hahatsiarovana zavatra dia azonao omena minitra ireo mpianatra mba hijery ny Helamàna 12. Avy eo dia azonao ametrahana fanontaniana momba ilay toko izy ireo mba hijerena ny zavatra tsaroan’izy ireo. Mety afaka mizara ny zavatra ataony mba hahatsiarovana zavatra ho amin’ny fitsapam-pahaizana iray izy ireo. Ahoana no hitovian’izany amin’ny ezaka takina mba “hahatsiaro ny Tompo”? (Helamàna 12:5). Inona no tsy mampitovy azy? Asao ireo mpianatra mba hitady andininy iray na andian-teny iray avy ao amin’ny Helamàna 12 izay azon’izy ireo apetraka ao an-tranony na atao tsianjery mba hampahatsiahy azy ireo ny hahatsiaro ny hatsarana sy ny herin’ Andriamanitra.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ireo mpianatra hamaky ny Helamàna 13–16 dia azonao hazavaina fa ireo faminanian’i Samoela ilay Lamanita momba ireo zavatra hitranga amin’ny fahaterahana sy ny Fanomboana ny Mpamonjy dia azo ampitahaina amin’ireo zavatra mitranga amin’izao androntsika izao izay hialoha ny fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Henoy ny fitarihan’ireo mpaminany.

Nizara izao zavatra niainana manaraka izao ny Loholona Neil L. Andersen:

“Ireo izay misafidy ny hanompo ny Tompo dia hihaino tsara ny mpaminany manokana. …

“… Mamelà ahy haneho izany amin’ny zavatra niainana iray. Nipetraka tany Floride nandritra ny taona maro ny fianakavianay. Noho i Floride be fasika be dia ahitra lehibe antsoina hoe Saint Augustine no fanao bozaka eo an-jaridaina any. Ny tena fahavalon’ny zaridaina any Floride dia karazam-balala mavo antsoina hoe “taupe-grillon.”

“Indray takariva raha nijoro teo anoloan’ny tranonay izaho sy ny mpifanolobodirindrina tamiko dia nahatsikaritra bibikely niampita ny sisin-dalana teo anoloan’ny tranoko izy. -Tokony handrahanao famonoana bibikely ny zaridainao- hoy izy nampitandrina ahy. -Io fa misy taupe-grillon mankeo.- Efa nandrahako famonoana bibikelyy ilay zaridaina tsy dia ela talohan’izay, ary tsy dia nahatsapa ho nanana fotoana na vola hanaovana izany sahady indray aho.

“Ny ampitso marainan’izay dia nodinihiko tsara ny zaridaiko. Naniry tsara sy maitso mavana izany. Nojereko akaiky ny bozaka raha toa ka nisy ireo bibikely ireo. Tsy nahita aho na iray aza. Tsaroako aho nieritreritra hoe: -Angamba nandalo teo fotsiny iny taupe-grillon iny ho any an-tokontanin’ilay mpifanolobodirindrina tamiko.- …

“Nampalahelo anefa ny fiafaran’ilay tantara. Nivoaka ny tokonam-baravarako aho indray maraina, tokony ho 10 andro taorian’ilay resaka nifanaovako tamin’ilay mpifanolobodirindrina tamiko. Akory ny fahatairako fa toa nandrakotra ny zaridaiko ireo bibikely mavo ireo nandritra ny alina. Nihazakazaka nankany amin’ny fivarotana kojakojan-jaridaina aho dia nividy famonoana bibikely ary nandraka izany avy hatrany, saingy efa tara loatra. Potika ilay zaridaina, ary ny famerenana izany amin’ny endriny teo aloha dia nitaky fambolena ahitra indray sy fandaniana ora maro ary fandaniana vola be.

“Tena sarobidy ho an’ilay zaridaiko ny fampitandreman’ilay mpifanolobodirindrina tamiko. Nahita zavatra izay tsy afaka ny ho hitako izy. Nahafantatra zavatra izay tsy fantatro izy. Fantany fa miaina any ambany tany ny taupe-grillon ary amin’ny alina ihany vao manao zavatra, izay tsy nampahomby ny fitiliako nandritra ny andro. Fantany fa ny taupe-grillon dia tsy mihinana ny ravin’ilay bozaka fa any amin’ny fakany no ahitany ny sakafony. Fantany fa ireo bibikely ireo dia afaka mihinana fakany betsaka alohan’ny hahitako ny vokatr’izany eo amin’ny tany. Mafy ny vokatry ny fiankinako tamin’ny fahalalako manokana fotsiny. …

“… Misy ny taupe-grillon ara-panahy izay miafina ao ambanin’ny rindrina miaro antsika ka mandrava ireo fototra tsara iorenantsika. Mety hita ho kely ny maro amin’ireo bibikelin’ny faharatsiana ireo, ary indraindray mila tsy ho hita mihitsy. …

“Aoka isika tsy hanaraka ny fomba nasehoko tamin’ireo taupe-grillon tao Floride. Aoka isika tsy handà velively ireo fampitandremana. Aoka isika tsy hiankina amin’ny fahalalan’ny tenantsika manokana fotsiny. Aoka isika hihaino foana sy hianatra foana amim-panetrentena sy am-pinoana, maniry ny hibebaka foana rehefa ilaina” (“Prophets and Spiritual Mole Crickets,” Ensign, Nov. 1999, 16–18).

Manatsara ny fampianarantsika

Manehoa fitiavana. “Miankina amin’ny toe-javatra iainanao, ny fanehoana fitiavana an’ireo izay ampianarinao dia mety midika ho midera azy ireo amin-kitsimpo, maneho fahalianana momba ny fiainany, mihaino tsara azy ireo, mampandray anjara azy ireo ao amin’ny lesona, manao asa fanompoana ho azy ireo, na miarahaba amim-pitiavana azy ireo tsotra fotsiny rehefa hitanao izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 6).