Avia, hanaraka Ahy
10–16 aogôsitra. Almà 53–63: “Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”


“10–16 aogôsitra. Almà 53–63: -Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“10–16 aogôsitra. Almà 53–63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
miaramila zatovolahy roa arivo

Miaramila zatovolahy roa arivo, nataon’i Arnold Friberg

10–16 aogôsitra

Almà 53–63

“Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”

Eo am-pitrandrahanao ireo hevitra enti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia eritrereto izay mety ho an’ny kilasinao ary ampifanaraho na amboary ireo zavatra atao mba hifanaraka amin’ny filan’ireo mpianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny Almà 53–63 dia azonao angatahina izy ireo mba hikaroka ao amin’ireo toko ireo ary hitady andininy iray izay azon’izy ireo zaraina amin’ny olona iray izay miatrika olana. Asao izy ireo hizara ireo andininy ireo amin’ny olona iray ivelan’ny kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 53:17–21; 56:43–48, 55–56; 57:20–27; 58:39–40

Rehefa mampihatra finoana sy fatokiana an’ Andriamanitra isika dia hankahery antsika Izy.

  • Azonao ampiana lanjany kokoa ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana momba ireo miaramilan’i Helamàna amin’ny fampiasana ny zavatra nianaran’ny mpianatra tany an-trano. Fomba iray azo anaovana izany ny manasa ireo mpianatra mba hizara ny toetran’ireo miaramila zatovolahy izay nanaitra azy ireo (ny sasany amin’izany dia hita ao amin’ny Almà 53:17–21; 56:45–48; 57:20–21, 26–27; 58:40). Tamin’ny fomba ahoana ireo toetra ireo no nanampy ireo miaramila zatovolahy nandritra ny ady nataon’izy ireo? Ahoana no hanampian’izany antsika mandritra ny ady ara-panahy ataontsika? Afaka mizara tantara momba ny “miaramila zatovolahy” amin’ny vanin’andro maoderina ihany koa ireo mpianatra.

  • Ireo ray aman-dreny ao amin’ny kilasinao dia mety hanantena fa hitombo finoana tahaka ireo zatovolahy mpiadin’i Helamàna ny zanany. Mba hanampiana ireo ray aman-dreny sy ireo izay mbola ho ray aman-dreny ao amin’ny kilasinao hianatra momba ny tantaran’izy ireo dia afaka mandrafitra vondron’olona maromaro ianao mba hizara hevitra momba ny fanabeazana ny ankizy mba hanana finoana. Asao ireo vondron’olona ireo hamaky ny Almà 56:47–48 sy 57:20–27 aloha ary hiomana hizara hevitra momba ny zavatra nanampy ireo zatovo mpiady mba hitombo finoana. Omeo fotoana ireo mpianatra hizarany ny heviny rehefa maneho ny heviny ireo olona ao amin’ilay vondrona. Loharano hafa afaka manatevina io fifanakalozan-kevitra io ny tenin-dRahavavy Joy D. Jones ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” sy ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko” (Liahona, nôv. 2015, 95–97). Any amin’ny faran’ilay fifanakalozan-kevitra dia azonao omena minitra vitsivitsy ireo mpianatra mba hisaintsaina mikasika ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto: Iza no mety hiantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Inona no azonao lazaina sy atao mba hankahery azy ireo?

Sary
ankizy Nefita miaraka amin-drenin’izy ireo

Maherifo (Nampianarin-dreniny), nataon’i Liz Lemon Swindle

Almà 58:1–12, 30–3761

Afaka misafidy ny hieritreritra ny tsara any amin’ny hafa isika ary tsy ho tohina.

  • Rehefa mahatsapa ho niharan’ny tsy rariny isika dia afaka ny ho ohatra mahery vaika ho antsika ny fihetsika nasehon’i Helamàna rehefa tsy nahazo fanampiana ireo tafiny. Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ny ohatra nasehony dia afaka manasa mpianatra iray ianao mba ho vonona mialoha hamintina ny toe-javatra niainan’i Helamàna sy ireo antony nahatonga ny fitondram-panjakana tsy namaly ny filany (jereo ny Almà 58:1–9, 30–37; 61:2–8). Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Ny fihetsik’i Helamàna sy Fihetsika hafa azo atao. Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hikaroka ao amin’ny Almà 58:1–12 sy 30–37 ary hanoratra eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny fanazavana ny zavatra neritreretin’i Helamàna sy nolazainy ary nataony ho setrin’ny zavatra niainany ary ny zavatra azony neritreretina na nolazaina na natao. Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatr’i Helamàna rehefa mahatsapa ho niharan’ny tsy rariny na tsy noraharahiana isika?

  • Rehefa nitsikera an’i Pahôràna i Môrônia ao amin’ny Almà 60 dia azon’i Pahôràna natao ny ho tohina. Saingy namaly izy fa “tsy tezitra” ary “[nifaly tamin’ny] fahalehibeazan’ny [fon’i Môrônia]” (Almà 61:9). Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra avy amin’ny ohatr’i Pahôràna dia azonao angatahina izy ireo mba haka sary an-tsaina hoe nangatahina hanoratra lahatsoratra ho an’ny gazetibokin’ny Fiangonana izy ireo izay mampiasa ny ohatr’i Pahôràna ao amin’ny Almà 61 hanazavana momba ny fomba hisorohana ny ho voatohin’ny hafa. Azonao zaraina ho vondrona maromaro avy eo ireo mpianatra ary asao izy ireo hamaky ny Almà 61:3–14 ka hitanisa zavatra vitsivitsy izy mety hampidirin’izy ireo ao amin’ny lahatsorany. Afaka manampy ihany koa ny torohevitry ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Almà 60:7–14

Manana andraikitra ny hampitraka ireo manodidina antsika isika.

  • Nanoratra i Môrônia fa ho raisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra i Pahôrana raha toa ka minia tsy miraharaha ny filàn’ireo tafika Nefita izy. Asaivo miaraka mamaky ny Almà 60:7–14 ireo mpianatra ary asao izy ireo avy eo mba hieritreritra olona iray izay fantatr’izy ireo ka mety mila fanampiana na mahatsapa ho tsy misy miraharaha. Inona no azontsika atao mba hahafantarana ny momba ny hafa ka hanome izay zavatra ilain’izy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny hafa ny zavatra nilaintsika, tafiditra amin’izany ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo?

Almà 62:39–41, 48–51

Tokony hahatsiaro ny Tompo isika mandritra ireo fotoana sarotra sy ireo fotoana mampiroborobo.

  • Ny fihetsika nasetrin’ny Nefita nandritra ireo fotoan-tsarotra sy fotoana nampiroborobo (jereo ny Almà 62:39–41, 48–51) dia maneho fa afaka misafidy ny hanetry tena isika na mandritra ny fotoan-tsarotra izany na mandritra ny fotoana mampiroborobo. Azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky ireo andininy ireo ary hizara ny zavatra manaitra azy ireo. Mety hanasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ny heviny miaraka amin’ny namana iray ianao mialoha ny hanasana ny sasany amin’izy ireo hizara amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hampitodihana ny saina amin’ny Helamàna 1–6 dia azonao hazavaina amin’ny mpianatra fa ao anatin’ireo toko ireo ny Nefita dia lasa ratsy fanahy ary ny Lamanita lasa olo-marina. Io fivadihan-toetra io dia manome lesona manan-danja ho antsika amin’izao andro farany sarotra izao.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manao izay hahatonga ireo zanantsika hahatohitra fahotana.

Rahavavy Joy D. Jones, filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia nizara ireto fanalahidy manan-danja manaraka ireto mba hananganana “taranaka mahatohitra fahotana”:

“Hanombohana izany dia … tsy maintsy ampiantsika [ny zanatsika] hahafantatra tsy am-pihambahambana fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana izy ireo ary miandrandra zava-masina amin’izy ireo Izy.

“Faharoa dia manan-danja eo amin’ny fahatongavana ho mahatohitra fahotana ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny fibebahana. Tsy midika hoe tsy manam-pahotana ny mahatohitra fahotana, fa midika ho mibebaka tsy tapaka, mitandrina sy mahery fo izany. Ny hoe mahatohitra fahotana angamba dia tonga toy ny fitahiana avy amin’ny fanoherana tsy tapaka ny fahotana. …

Koa ny fanalahidy fahatelo hanampiana ny ankizy ho tonga mahatohitra fahotana dia ny manomboka mampiditra ao amin’izy ireo am-pitiavana dieny mbola kely ireo fotopampianarana sy fitsipika fototry ny filazantsara (avy ao amin’ny soratra masina, ireo fanekem-pinoana, ny kiboky Jeunes soyez forts, ireo hiran’ny kilonga, fihirana ary fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana) izay mitarika ny ankizy ho any amin’ny Mpamonjy. …

“… Fanalahidy iray hafa … ny fanampiana ny ankizy hahatakatra sy hanao ary hitandrina fanekempihavanana masina. … Hanome hery azy ireo mba hitandrina fanekempihavanana masina any aoriana eo amin’ny fiainana ny fampianarana ny ankizy hitandrina ireo fampanantenana tsotra dieny mbola kely izy ireo” (“Taranaka mahatohitra fahotana,” Liahona, mey 2017, 88–89).

Ahoana no fomba hisorohana ny fanafintohinana

Ao amin’ny hafany “And Nothing Shall Offend Them” (Ensign na Liahona, nôv. 2006, 89–92), dia nanome izao torohevitra manaraka izao ny Lohoana David A. Bednar:

  • Fantaro fa ny hoe tafintohina dia safidy. “Ny mino fa ny olona iray na ny zavatra iray dia afaka hahatongaantsika hahatsapa ho tafintohina, tezitra, voadona mafy na feno alahelo dia manena ny fahafahantsika misafidy sy manova antsika ho lasa zavatra mba ho hetsehina. Amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika amin’ny tenantsika, izaho sy ianao dia manana ny hery hihetsehana sy hisafidianana ny fomba handraisantsika ny toe-javatra manafintohina na manimba.”

  • Jereo ny Mpamonjy. “Ny Mpamonjy no ohatra lehibe indrindra ny amin’ny fomba tokony hamaliana ireo toe-javatra na trangan-javatra izay mety hitondra fanafintohinana” [jereo ny 1 Nefia 19:9].

  • Aoka hahatakatra ny fahalemen’ny hafa. “Ny iray amin’ireo zavatra lehibe indrindra manambara ny fahamatoran’ny tenantsika ara-panahy dia hita taratra amin’ny fomba fihetsitsika amin’ny fahalemena, ny tsy fananana traikefa ary ny zavatra mety tena mahatezitra ataon’ny hafa.”

  • Miresaha mivantana. “Raha milaza na manao zavatra izay heverintsika fa mahatezitra ny olona iray, ny zavatra tsy maintsy ataontsika voalohany dia ny mandà ny ho tezitra ary avy eo dia mifandray manokana amin-kitsimpo ary mivantana amin’izany olona izany. Manasa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fomba fanaovan-javatra toy izany ary mahatonga ny fahadisoan-kevitra ho azo hazavaina sy ny fikasana marina ho takatra.”

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ireo zavatra niainana tao an-trano. Satria ny tokantrano no ivon’ny fianarana ny filazantsara dia diniho ny hoe ahoana no hahazoana traikefa ao an-dakilasy avy amin’ireo zavatra niainana tany an-tokantrano Ohatra, afaka manova ny maro amin’ireo zavatra atao ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba hampiasaina ao amin’ny kilasinao mba hanamafisana ny fandalinana ataon’ny mpianatrao samirery sy miaraka amin’ny fianakaviany.