Avia, hanaraka Ahy
27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42: “Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”


“27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42: -Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 jolay–2 aogôsitra. Almà 39–42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020

Sary
I Jesoa sy i Maria

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany?nataon’i Mark R. Pugh

27 jolay–2 aogôsitra

Almà 39–42

“Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”

Ireo fampianaran’i Almà ao amin’ny Almà 39–42 dia feno fotopampianarana ary manazava fahamarinana manan-danja maro. Eo am-pandalinanao ireo toko ireo dia saintsaino ireo fahamarinana izay mety ho tena manan-danja indrindra ho an’ny kilasinao sy ny zavatra azonao atao mba hanampiana azy ireo hianatra ireo fahamarinana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ireo mpianatra hizara ny eritreriny sy ny heviny momba ny Almà 39–42 dia azonao asaina izy ireo mba hamerina hijery vetivety ireo toko ireo ka hitady zavatra izay nolazain’i Almà na nataony ka nahavariana azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 39

Fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’ny zavatra niainan’i Kôriantôna mikasika ny fahotana sy ny fibebahana? Angamba afaka mamaky ny Almà 39:1–14 ireo mpianatra ka hikaroka ny zavatra tsy nety nataon’i Kôriantôna ny sasany amin’izy ireo, ny sasany kosa dia hikaroka ny zavatra mety nitarika azy hanota, ary ny hafa dia hikaroka torohevitra izay nomen’i Almà azy. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba azontsika hisorohana ny fahadisoana tahaka izany.

  • Rehefa manota ka mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny olona dia matetika izy ireo no mahatsapa ho kivy na ketraka ary mahatsapa fa tsy dia manana lanjany loatra. Fitsipika inona ao amin’ny Almà 39–42 no mitaona ireo mpianatra hanana fanantenana izay mitarika amin’ny fibebahana? Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny tsy mampitovy ny fahamendrehana sy ny hasarobidintsika eo imason’ Andriamanitra ny fizarana ny teny nambaran-dRahavavy Joy D. Jones ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” (Jereo koa ny Lynn G. Robbins, “Hatramin’ny fitopolo im-pito,” Liahona, mey 2018, 21–23.)

  • Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia mety hanampy ny mpianatra ny mifanakalo hevitra momba ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena. Mety hanampy kokoa ny fifanakalozan-kevitra ataonareo raha toa ka mifototra amin’ireo fitsipika izany fa tsy amina lisitra ahitana ireo zavatra tokony atao sy tsy tokony atao. Ohatra, afaka manasa ireo mpianatra ianao mba hamantatra fitsipika izay nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna ao amin’ny Almà 39. Ankoatra izany dia afaka mijery ny lohahevitra hoe “Pureté sexuelle” ao amin’ny Jeunes soyez forts izy ireo miraka amin’ireto fanontaniana ireto ao an-tsaina: “Raha asaina mamintina ireo torohevitra rehetra ireo ho fitsipika iray ianao dia mety ho inona izany?” na “Inona no fitsipika hitanao eto izay manampy anao hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?” Afaka manao famerenana an’io fizarana io ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny Jeunes soyez forts, mba hitady ireo fitahiana azo amin’ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny vokatry ny tsy fankatoavana io lalàna io. Inona no mampiavaka ireo fitsipika ireo amin’izay ampianarin’izao tontolo izao? Amin’ny fomba ahoana ireo fitsipika ireo no miantraika amin’ny fomba fieritreretantsika ny momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Mety hitondra soa ho an’ny mpianatra ny mamaky ny teny nambaran-dRahavavy Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo izy ireo.

  • Mora indraindray ny mino fa tsy hiantefa amin’ny hafa ny safidy ataontsika, fa antsika manokana ny fahotantsika. Inona no nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna ao amin’ny Almà 39:11–12 momba ny vokatry ny safidiny? Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe iza no mety hiantefan’ireo safidy izay ataony, na amin’ny tsara izany na amin’ny ratsy. Afaka mizara ny fomba nanampian’ny zavatra nataon’ny hafa sy ny ohatra nasehony azy ireo mba hifidy ny tsara ihany koa izy ireo.

Almà 40–42

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no mahatanteraka ny drafitry ny fanavotana.

  • Nampianatra an’i Kôriantôna ireo fahamarinana izay ilaintsika rehetra takarina i Almà, tafiditra amin’izany ireo fahamarinana momba ny tanjon’ny fiainana, ny tontolon’ny fanahy, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsarana. Misafidiana iray amin’ireo fampianaran’i Almà ary omeo roa minitra ireo olona ao amin’ny kilasy mba hikaroka ao amin’ny Almà 40–42 (tsirairay na tsiroroa) sy hanoratra fahamarinana faran’izay betsaka hitany momba io lohahevitra io. Afaka mifampizara ny zavatra hitany ny mpianatra na mizara izany amin’ny iray kilasy. Azonao averina io dingana io amin’ny lohahevitra hafa raha mbola ampy ny fotoana. Nahoana no zava-dehibe amin’i Kôriantôna zanak’i Almà ny nahatakatra ireo fahamarinana manokana ireo?

  • Ny fanoritsoritan’i Almà ny toetry ny fanahy aorian’ity fiainana ity dia mety hisy fiantraikany amin’ny fieritretenan’ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fanatonana ny Mpamonjy sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika amin’ity fiainana ity. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Olo-marina (nibebaka) sy ny hoe Olon-dratsy (tsy nibebaka) dia asao ireo mpianatra mba hikaroka ao amin’ny Almà 40:11–26 ka hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo teny na andian-teny izay nampiasain’i Almà hanoritsoritana ny toetran’ny tsirairay amin’ireo vondron’olona ireo rehefa maty. Amin’ny fomba ahoana ireo fampianarana ireo no mitaona antsika hibebaka? Raha hijery misimisy kokoa momba ny zavatra mitranga ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia jereo ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–37.

  • Inona no tonga ao an-tsain’ireo mpianatrao rehefa maheno ny teny hoe “tafaverina amin’ny laoniny” na “famerenana amin’ny laoniny” izy ireo? Asao izy ireo mba hikaroka ao amin’ny Almà 41 ny fomba nampiasan’i Almà an’ireo teny ireo. Inona no tiany holazaina amin’ny hoe aminy? Inona no haverina amintsika? Nahoana no manampy ny mahita ny drafitry ny Ray any An-danitra ho toy “ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny”? (andininy 2).

  • Mety hizara ilay fanontaniana izay toa neritreretin’i Kôriantôna ireo mpianatra, rariny sy hitsiny ve raha Andriamanitra izay be fitiavana no hanasazy ireo zanany? (jereo ny Almà 42:1). Angamba azonao angatahina ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hamaliana io fanontaniana io ary hitady valiny ao amin’ny Almà 42:7–26.

  • Raha tsapanao fa azo atao dia mety ho tsara ho an’ny mpianatrao ny mitady andininy iray ao amin’ny Almà 42 izay azon’izy ireo aseho amin’ny alalan’ny sary tsotra iray na famantarana izay manazava ny antony ilantsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Azon’ireo mpianatra zaraina ny sary nataony ary ny ambin’ny kilasy kosa miezaka mitady ny andininy izay asehon’izany. Dia afaka mifanakalo hevitra momba izay zavatra nianarany mikasika ny maha-zava-dehibe ny sorona nataon’ny Mpamonjy izy ireo avy eo.

    Sary
    vehivavy iray mivavaka

    Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy isika.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Lehibe ny hasarobidin’ny fanahintsika.

Nampianatra Rahavavy Joy D. Jones hoe:

“Aleo asongadiko ny ilana hanavahana teny roa saro-pady: lanja sy ny fahamendrehana. Tsy mitovy izy roa ireo. Ny lanja ara-panahy dia midika hoe manome lanja ny tenantsika amin’ny fomba fanomezan’ny Ray lanja antsika fa tsy amin’ny fomba fanomezan’izao tontolo izao lanja antsika. Ny lanjantsika dia voafaritra mialoha ny nahatongavantsika tety an-tany. -Tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra ary haharitra mandrakizay izany.-

“Etsy ankilany, ny fahamendrehana dia tratrarina amin’ny alalan’ny fankatoavana. Raha toa isika ka manota dia mihena ny fahamendrehantsika kanefa tsy ho tsy manan-danja na oviana na oviana isika! Manohy mibebaka sy milofo ny ho toa an’i Jesoa isika miaraka amin’ny lanjantsika tsy misy tomíka. Nampianatra ny Filoha Brigham Young hoe: -Ny fanahy kely indrindra eto ambonin’ny tany … dia mitovy lanja amin’ny tontolo maro.- Na inona na inona mitranga dia manan-danja mandrakariva isika eo imason’ny Raintsika any An-danitra” (“Fananana lanja tsy hay refesina,” Liahona, nôv. 2017, 14).

Tsy mifanaraka amin’ny fijerin’ Andriamanitra azy ny fijerin’izao tontolo izao ny fiarahana ara-nofo.

Ny Rahavavy Wendy Nelson dia nampitaha fijerin’izao tontolo izao ny firaisana ara-nofo, “ny firaisana ara-nofo amin’izao tontolo izao”, amin’izay antsoiny hoe “ny fiarahana lalina eo amin’ny mpivady araka ny lamin’ Andriamanitra”:

“Azo ekena daholo ny zavatra rehetra ao anatin’ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao. Ho an’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia misy ny fitandremana tena tsara mba hisorohana ny zavatra rehetra, manomboka any amin’ny fiteny mankany amin’ny mozika hatrany amin’ny sarimihetsika izay manafintohina ny Fanahy, na ny fanahinao na ny an’ny vadinao.

“Raha mifono filana ara-nofo mafy ary mamono ny fitiavana ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia miteraka fitiavana bebe kokoa ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana.

“Manambany ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny vatan’izy ireo ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao fa ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana kosa dia manome haja ny lehilahy sy ny vehivavy ary mankalaza ilay vatana ho toy ny iray amin’ireo valisoa lehibe avy amin’ny fiainana an-tany.

“Ho an’ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia mahatsapa ho toy ny fitaovana sy araraotina ary vao mainka irery amin’ny farany ny olona. Ho an’ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia mahatsapa hoe iray sy tiana bebe kokoa ary voakolokolo sy takatra an-tsaina ny vady.

“Ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia mandratra ary manimba ny fiarahana amin’ny farany. Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia manamafy orina ny fanambadiana. Manohana sy manasitrana ary manamasina ny fiainan’ny mpivady sy ny fanambadian’izy ireo izany. …

“Ny firaisana ara-nofo araka izao tontolo izao dia lasa mibahana ao an-tsaina tanteraka satria tsy mahatanteraka velively ny fampanantenany izany. Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana izay tendrin’ Andriamanitra dia tena lehibe ary hitohy mandrakizay ho an’ireo mpivady mitandrina ny fanekempihavanana” (“Fitiavana sy fanambadiana” [fampaherezam-panahy maneran-tany, 8 jan., 2017], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Manatsara ny fampianarantsika

Miomàna mialoha. “Rehefa misaintsaina ny fitahiana hoentin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao amin’ireo mpianatrao ianao, dia hisy hevitra sy fahatsapana ho tonga eo amin’ny fiainanao andavanandro—eny eo am-pandehanana miasa, eo am-panaovana raharaha ao an-trano, eo am-pifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny fiomanana ara-panahy fa ataovy toy ny zavatra efa ataonao foana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).