Avia, hanaraka Ahy
20–26 jolay. Almà 36–38: “Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona”


“20–26 jolay. Almà 36–38: -Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 jolay. Almà 36–38,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
lehilahy iray mivavaka

Sary nataon’i Joshua Dennis

20–26 jolay

Almà 36–38

“Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona”

Eo am-piomananao hampianatra dia tsarovy fa tena mety nahazo traikefa manan-danja tamin’ny Almà 36–38 ny olona ao amin’ny kilasy. Inona no azonao atao mba hitrandrahana ireo traikefa ireo

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba iray hamporisihana ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny soratra masina dia ny mizara ny kilasy ho vondrona telo ary ny fanomezana andraikitra toko iray avy amin’ny Almà 36–38 ny vondrona tsirairay avy. Asao ny vondrona tsirairay mba hitady sy hizara andininy iray izay manentana ny fanahy avy amin’ny toko nampandraiketina azy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 36

Afaka ny haterak’ Andriamanitra isika rehefa manetry tena sy mibebaka.

  • Ny olona sasany ao amin’ny kilasinao dia mety hanontany tena hoe nahoana izy ireo no tsy mba niaina fiovam-po tena mampitolagaga toy ny an’i Almà. Mety hanampy azy ireo ny hizaranao ny zavatra nampianarin’ny Loholona David A. Bednar: “Ho an’ny maro amintsika, ny fiovam-po dia dingana mitohy fa tsy zava-miseho amin’ny fotoana iray izay vokatry ny zavatra niainana mahery vaika na mampivarahontsana” (“Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 107–8). Na dia tsy miseho mahazatra aza ny zavatra sasantsasany tao amin’ny fiovam-pon’i Almà dia mampianatra fitsipika izay mila ampiharintsika rehetra amin’ny fiovam-pontsika izay mbola mitohy ny zavatra niainany. Azonao asaina ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ny Almà 36 mba hahitana ireo fitsipika ireo ary hitanisa izany eo amin’ny solaitrabe. Inona ihany koa no nanampy antsika ho lasa miova fo bebe kokoa ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Nampiasa ny andian-teny hoe “naterak’ Andriamanitra” i Almà mba hamariparitana ny fiovam-pony. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra io foto-kevitra io dia azonao asaina izy ireo hamaky ireto andininy manaraka ireto miaraka amin’ny namana iray na samy irery, hitadiavana ny dikan’ny hoe naterak’ Andriamanitra: 1 Jaona 4:7; Môzià 5:7; 27:25–26; ary Almà 5:14; 22:15. Asaivo mizara ny zavatra nianarany ny olona ao amin’ny kilasy. Dia azon’izy ireo jerena ao amin’ny Almà 36 avy eo ny valin’ity fanontaniana ity: Inona no tsapa sy ataon’ny olona rehefa naterak’ Andriamanitra izy ireo? Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hisaintsaina ny fomba hahafahantsika ho naterak’ Andriamanitra dia azonao zaraina ilay teny avy amin’ny Filoha Ezra Taft Benson izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Almà 37

Notehirizina “noho ny fikasana hendry” ny soratra masina.

  • Angamba ny fandalinana ny tenin’i Almà teo am-panomezany ireo rakitsoratra masina tamin’i Helamàna zananilahy dia afaka hanampy ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny nahatsapan’izy ireo ny herin’ny soratra masina teo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hanao famerenana ny Almà 37 mba hahitana ireo hafatra izay nomen’i Almà tamin’i Helamàna mikasika ny soratra masina (jereo indrindra indrindra ny andininy 1–19 ary 43–47). Ahoana no hanehoantsika fa masina amintsika ny soratra masina? Tahaka an’i Almà, amin’ny fomba ahoana no hampianarantsika ireo olon-tiantsika mba “hitahiry ireo zavatra rehetra ireo ho masina”? (Almà 37:2). Amin’ny fomba ahoana ny soratra masina no “maneho ny herin[’ Andriamanitra]” amintsika? (Almà 37:14).

  • Fomba iray hianarana momba ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny soratra masina ny fandalinana ny voalazan’i Almà ao amin’ny Almà 37 mikasika ireo rakitsoratra masina ary ireo zavatra hafa nampandraiketiny tamin’i Helamàna. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra masina ireo: ny takelak’i Nefia sy ny takela-barahina (Almà 37:2–20), ireo takelak’i Etera miisa efatra amby roapolo sy ireo fitaovana fandikan-teny (Almà 37:21–37), ary ny Liahônà (Almà 37:38–47). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy vakiana ireo andininy ireo mba hianarana izay nampianarin’i Almà mikasika ny tsirairay amin’ireo zavatra ireo. Afaka manitatra ny fitadidiantsika amin’ny fomba ahoana ny soratra masina? (jereo ny Almà 37:8). Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tenin’i Almà mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika amin’izao fotoana izao?

    Sary
    vehivavy iray mamaky soratra masina

    Mampianatra antsika ny fomba hanarahana an’ Andriamanitra ny soratra masina.

Almà 37:6–7, 41–42

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

  • Mba hampianarana ny lanjan’ny “zava-madinika sy tsotra” ao amin’ny asan’ Andriamanitra dia nanome ohatra anankiroa i Almà: ny soratra masina sy ny Liahônà (jereo ny Almà 37:6–7, 41–42; jereo koa ny 1 Nefia 17:41). Rehefa avy namerina ireo ohatra ireo dia angamba azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara ohatry ny zava-madinika sy tsotra ao amin’ny asan’ Andriamanitra avy amin’ny fiainany manokana. Mila mifandray mialoha amin’ny olona iray na roa ao amin’ny kilasy ianao ary hangataka azy ireo mba hitondra zavatra iray ao an-dakilasy izay madinika nefa nitondra zavatra lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao zaraina ihany koa ilay teny nindramina avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hampihatra io fitsipika io amin’ny fiainany manokana dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Nahoana isika no tsy mahavita ireo zava-madinika sy tsotra indraindray? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika mamporisika ny tenantsika sy ny fianakaviantsika mba handresy izany fironana izany?

Almà 37:38–47

Ny tenin’i Kristy dia afaka mitarika antsika isan’andro isan’andro.

  • Ny fampitahana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny Liahônà dia mety hanentana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hazoto sy ho matotra kokoa amin’ny famakiana ny soratra masina. Mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba izany dia azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny kilasy hamaky tsiroaroa ny Almà 37:38–47 ka hitady ny zavatra itovizan’ny Liahônà amin’ny tenin’ Andriamanitra. Azona omena fanamby izy ireo hahita zavatra itovizana ao amin’ny andininy tsirairay avy. Dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny laharan’andininy ary angatahana ny olona ao amin’ny kilasy hanoratra ireo zavatra itovizana hitany eo akaikin’ireo laharana. Inona no aroson’io fampitahana io mikasika ny fomba tokony hatrehantsika ny fandalinantsika soratra masina?

Almà 38

Afaka mankahery ireo izay tiantsika ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.

  • Ny tenin’i Almà ho an’i Siblôna dia manome ohatra tsara ny amin’ny fomba fankaherezana sy famporisihana ireo olon-tiantsika mba hiaina ny filazantsara. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao angamba ny mamaky io toko io ary hamantatra ny fomba nankaherezan’i Almà an’i Siblôna. Ny Almà 38 dia fohy, mety azonareo vakiana miaraka ao an-dakilasy mihitsy aza ilay izy manontolo. Dia azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao avy eo ny mizara andalan-tsoratra masina izay hitany fa manan-danja na nampitsiry hevitra tao aminy ny amin’ny fankaherezana ny fianakaviany sy ny namany manokana.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Efa nanontany tena ve ny olona ao amin’ny kilasy ny amin’ny fomba hanoroana hevitra ny olon-tiana iray izay nahavita fahadisoana goavana? Hazavao fa hahita hevitra hoenti-manampy izy ireo ao amin’ny Almà 39–42.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Toy ny hoe nateraka indray ny fiovam-po.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Rehefa mandalo izany fiovam-po mahery vaika izany isika, izay tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy amintsika ihany, dia toy ireny lasa olona vaovao ireny isika. Araka izany dia ampitoviana amin’ny fiterahana vaovao ilay fiovana. An’arivony aminareo no efa niaina izany fiovana izany. Nandao fiainam-pahotana ianareo, indraindray fahotana goavana sy mamohetra, ary lasa madio ianareo, tamin’ny alalan’ny fampiharana ny ran’i Kristy teo amin’ny fiainanareo. Tsy manana faniriana intsony hiverina amin’ireo fomba taloha ianareo. Raha ny marina dia olona vaovao ianareo. Izany no dikan’ilay hoe fiovam-po” (“A Mighty Change of Heart,” Ensign, Oct. 1989, 4).

Zava-madinika sy tsotra.

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Izaho dia nahatsiaro ny herin’ireo zava-madinika sy tsotra rehefa mandeha ny fotoana, tamin’ny alalan’ny zavatra iray izay hitako raha nanao dia an-tongotra vao maraina. … Tresaka ilay sisin-dalana béton matevina sy mafy. Moa ve izany vokatry ny zavatra lehibe sy matanjaka izay manosika avy ao ambany? Tsia, io fitresahana io dia vokatry ny iray amin’ireo faka misandrahak’ilay hazo eo akaiky eo izay mitombo moramora sy tsikelikely. …

“Mitovy amin’izany ny vokany mahery vaika entin’ireo zava-madinika sy tsotra rehefa mandeha ny fotoana izay ampianarina antsika ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany velona. Eritrereto ny fandalinana soratra masina izay nampianarina fa tokony hampidirintsika ao anatin’ny fiainantsika isan’andro. Na eritrereto ny vavaka ataon’ny tena manokana na ny vavaka ataon’ny mpianakavy amim-pandohalihana izay fomba fanao mahazatra ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky. … Na dia toa madinika sy tsotra aza ireo fomba fanao tsirairay ireo dia miteraka fivoarana sy fitomboana ara-panahy mahery vaika rehefa mandeha ny fotoana. Miseho izany satria ny tsirairay amin’ireo zava-madinika sy tsotra ireo dia manasa ny Fanahy Masina ho namana, ilay Mpijoro ho vavolombelona izay manazava antsika sy mitarika antsika any amin’ny fahamarinana” (“Zava-madinika sy tsotra,” Liahona, mey 2018, 90).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny mpianatra mba hifampianatra. Rehefa mijoro ho vavolombelona sy mizara ny fahatakarany ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka miantefa sy mankahery ny olona iray hafa ao amin’ny kilasy izy ireo amin’ny fomba izay tsy ho vitanao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)