Avia, hanaraka Ahy
6–12 jolay. Almà 30–31: “Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”


“6–12 jolay. Almà 30–31: -Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 jolay. Almà 30–31,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Almà mampianatra an’i Kôrihôra

Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra (Almà sy i Kôrihôra), nataon’i Walter Rane

6–12 jolay

Almà 30–31

“Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”

Aorian’ny famakiana ny Almà 30–31 sy ny fikatsahana fanentanam-panahy ho an’ny fiainanao manokana dia mihainoa bitsiky ny Fanahy mikasika ny hafatra izay hitahy ireo olona ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Raha mahatsapa ianao fa misalasala ny hizara zavatra ireo olona ao an-dakilasy dia azonao omena minitra vitsivitsy izy ireo hanaovana famerenana ny Almà 30–31 na izay naoty nataony nandritra ny fandalinany tany an-tokantrano tamin’ity herinandro ity. Dia azon’izy ireo atao avy eo ny mizara amin’ny namana iray na amin’ny iray kilasy ny hafatra mahery vaika iray hitany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Almà 30:6–31

Miezaka ny hamitaka antsika amin’ny fotopampianarana diso ny fahavalo.

  • Rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny kilasinao ianao, mety hanampy azy ireo hahatakatra ny tsy itovizan’ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ireo hosoka ataon’i Satana amin’izany ve ny fampiasana lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana? Raha izany no izy dia azonao hampisehoana zavatra hosoka vitsivitsy izy ireo, toy ny vola tsy tena izy na sakafo kilalao, miaraka amin’ny vola tena izy na sakafo tena izy. Ahoana no fomba hahafahantsika milaza fa hosoka ireo zavatra hosoka ireo? Dia azon’ny iray kilasy atao avy eo ny mamantatra ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:6–31. Inona amin’ireo fampianarana ireo no mety hahasarika ny olona iray? Inona no atolotry ny fahamarinan’ny filazantsara izay tsy afaka atolotry ny fampianaran-dison’i Satana? Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nanampy an’i Almà hamantatra ny fotopampianarana marina amin’ny fotopampianaran-diso (jereo ny Almà 30:32–54). Inona ihany koa no fomba hafa afaka manampy hitan’ny olona ao amin’ny kilasy?

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hianatra ny fomba hiarovantsika ny tenanantsika amin’ny vokatry ny fotopampianaran-diso, dia azonareo atao famerenana ny famariparitana ny atao hoe antikristy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Andininy inona ao amin’ny Almà 30:6–31 no mampiseho fa mamaly izany famariparitana izany i Kôrihôra? Inona amin’ny fampianarany no mitovy amin’ny fampianaran-diso misy amin’izao vanim-potoantsika izao? (jereo ny Almà 30:12–18, 23–28). Ahoana no fomba hahafahantsika misoroka ny ho voafitak’ireo fampianarana ireo?

Almà 30:39–46

Ny zava-drehetra dia mijoro ho vavolombelona fa misy Andriamanitra.

  • Noho isika miaina ao amina tontolo mitovy amin’ny an’i Almà, izay hampianaran’ny olona sasany fa tsy misy Andriamanitra, dia mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasinao ny fijoroana ho vavolombelon’i Almà ao amin’ny Almà 30:39–44. Azonao asaina izy ireo hamaky ireo adnininy ireo ary hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe fahamarinana sy porofo nomen’i Almà izay mijoro ho vavolombelona fa misy Andriamanitra. Inona ihany koa no fijoroana ho vavolombelona hafa ananantsika ny amin’ny fisian’ Andriamanitra? Ho ampahan’ity resadresaka ity dia azonao atao ny mizara ilay teny avy amin’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Azonao atao ihany koa ny manasa olona iray hivonona hihira fihirana iray momba ny fahatsaran’ Andriamanitra, toy ny “Seigneur mon Dieu” (Cantiques, no. 44), na azonareo atao ny miara-mihira ilay hira.

  • Teo am-piresahan’i Almà tamin’i Kôrihôra dia nahatsikaritra izy fa i Kôrihôra dia “efa nandà ny fanahin’ Andriamanitra mba tsy hahazoany manana toerana ao amin[y];” (Almà 30:42). Azonao atao ny mangataka ny olona ao amin’ny kilasy hikaroka ny Almà 30:39–46 mba hitadiavana filazana hafa mikasika ny Fanahy Masina. Inona no anjara asan’ny Fanahy Masina amin’ny fijoroana ho vavolombelona amintsika ny amin’ny fisian’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manampy ireo izay misalasala na manana fanontaniana mba hikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

    Sary
    i Kôrihôra miresaka amin’i Almà

    I Kôrihôra nifanehitra tamin’i Almà, nataon’i Robert T. Barrett

Almà 31

Manana hery hitondrana ny olona ho amin’ny fahamarinana ny tenin’ Andriamanitra.

  • Misy olona ao amin’ny kilasinao ve afaka mizara zavatra niainana ka nanampian’ “ny herin’ny tenin’ Andriamanitra” (Almà 31:5) azy na ny olona fantany mba hanisy fanovana eo amin’ny fiainany? Mila mifandray amin’ny olona ao amin’ny kilasy mialoha ianao mba hahafahany miomana hizara ny zavatra niainany. Amporisiho izy ireo hizara andininy avy ao amin’ny Almà 31 izay mifandray amin’ny zavatra niainany. Ny olona hafa ao amin’ny kilasy ihany koa dia afaka mizara ireo fomba “nanan[an’ny tenin’ Andriamanitra] fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain[y]” (Almà 31:5). Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny famakiana soratra masina hafa izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ny olona ao amin’ny kilasy (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” mba hahitana ohatra vitsivitsy).

  • Teo am-pandalinan’ny olona ao amin’ny kilasinao ny Almà 31 tamin’ity herinandro ity dia mety nentanin’ny ohatra nasehon’i Almà amin’ny fivavahana ho an’ny Zôramita izy ireo. Diniho ny hanontany azy ireo ny zavatra nianarany avy amin’io toko io mikasika ny hoe manolo-tanana ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny namana izay nandao ny lalan’ny filazantsara na manana olana eo amin’ny finoany. Azonao angatahana ihany koa izy ireo hiara-hikaroka ny Almà 31 mba hanaovana lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra izay tsikariny momba an’i Almà ka nanampy azy hanavotra ireo Zôramita. Ahoana no fomba hahafahantsika mampiasa bebe kokoa ny tenin’ Andriamanitra amin’ireo ezaka mba hanavotana ny hafa? (Mba hahazoana hevitra fanampiny dia azonao zaraina ilay teny nindramina avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

  • Inona no hitan’ny olona ao amin’ny kilasy ao amin’ny Almà 31:30–38 ka afaka manampy ireo izay malaheo noho ny fahotan’ny hafa tahaka ny nahazo an’i Almà?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Anontanio ny olona ao amin’ny kilasy hoe fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara inona no ho ampianariny mba hanoherana ireo zavatra diso hitan’i Almà teo anivon’ireo Zôramita. Lazao izy ireo fa rehefa hamaky ny Almà 32–35 izy ireo dia hahita ny fomba nampiasan’i Almà ny tenin’ Andriamanitra mba hanampiana ireo Zôramita hahita ny ilana ny fiovana.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Soratra masina mikasika ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.

Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra.

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard fa ireo “porofo mandrakizay” nomen’i Almà ny amin’ny fisian’ Andriamanitra dia “dia mbola mijoro ho vavolombelona amintsika hatrany amin’izao fotoana izao” (jereo ny Almà 30:44):

“Ireo mpanamory sambondanitra izay mahita ny tany avy ana habakabaka dia nilaza fa tena mahavariana be sy velona tokoa izany. Ny senatera Amerikanina Jake Garn dia nanoratra mikasika ny zavatra niainany tany ana habakabaka: -tsy ampy ny teny hamariparitana ny hatsaran’ny tany. Tena zavatra mampientanentana sy mahatalanjona ary ara-panahy ny mijery ny tany avy ana habakabaka eo am-pandehanana in-dimy amby roapolo avo heny ny hafainganan’ny feo. Afaka mijery ihany koa ny hamaintin’ny habakabaka ary kintana sy vahindanitra an’arivony tapitrisa maro any amina année-lumières an-tapitrisany lavitra any aho. Tena midadasika tokoa izao rehetra izao hany ka tsy ho vitantsika ny mahatakatra azy. Saingy nahatakatra ny tanan’ Andriamanitra teo amin’ny zava-drehetra aho. Nahatsapa ny fanatrehany nandritra izay fito andro naha-tao ana habakabaka ahy izay aho. Fantatro fa Andriamanitra no nahary ity tany ity sy izao rehetra izao. … Fantatro fa velona Andriamanitra ary Izy no Mpahary antsika rehetra- (taratasy ho an’i M. Russell Ballard, 3 martsa 1988)” (“God’s Love for His Children,” Ensign, May 1988, 58).

Mamahana ny hafa amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Moa ve isika tena manabe ireo zatovo sy ireo mpikambana vaovao amin’ny fomba izay hanohana azy ireo rehefa tonga ny fitsapan’ny fiainana? Sa ve tolorantsika hevitra mahafinaritra izay tsy misy lanjany ara-panahy fotsiny izy ireo? … Nandritra ny ririnina namaivay iray taona maro lasa izay dia nanamarika ny Filoha Boyd K. Packer fa diera maro no maty vokatry ny hanoanana kanefa feno ahitra ny vavonin’izy ireo. Tao anatin’ny ezaka vokatry ny fo mba hanampy dia namatsy zavatra noheverina fa hanampy ireo sampan-draharaha, nefa ny zavatra tena manampy no nilaina. Nampalahelo fa namahana ireo diera fotsiny izy ireo fa tsy namelona azy ireo. …

“I Satana dia tena tsy saro-takarina raha ny fampianarany no resahina; koa nahoana isika araka izany no tsy mba hivantana kokoa? Na mampianatra ankizy ao an-tokantrano isika na mijoro eo anoloan’ny daholobe ao am-piangonana dia aoka isika tsy hanao na oviana na oviana ny finoantsika ho sarotra takarina. … Manomeza lahateny mifototra avy amin’ny soratra masina. Ampianaro ny fotopampianarana nambara” (“A Teacher Come from God,” Ensign, May 1998, 26–27).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana avy amin’ny tenany manokana Anisan’ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra anao ny mitarika ireo mpianatra hahita fahamarinana ao anatin’ny soratra masina. Hahatakatra sy hanome lanja fitsipika kokoa izy ireo raha toa ka izy ireo ihany no nahita izany fitsipika izany, fa tsy hoe nahare ny mpampianatra niresaka momba izany fotsiny izy ireo.