Avia, hanaraka Ahy
6–12 jolay. Almà 30–31: “Ny herin’ny tenin’Andriamanitra”


“6–12 jolay. Alma 30–31: -Ny herin’ny tenin’Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“6–12 jolay. Almà 30–31,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Almà mampianatra an’i Kôrihôra

Ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra (Almà sy i Kôrihôra), nataon’i Walter Rane

6–12 jolay

Almà 30–31

“Ny herin’ny tenin’ Andriamanitra”

Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny “fiantraikany mahery” ananan’ny tenin’ Andriamanitra i Almà (Almà 31:5). Eo am-pamakianao ny Almà 30–31, dia raketo ny eritreritra tonga ao aminao rehefa mahatsapa ny fiantraikany mahery ananan’ny tenin’Andriamanitra eo aminao ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ireo tantara ao amin’ny Almà 30–31 dia maneho mazava tsara ny herin’ny teny, eo amin’ny ratsy sy ny tsara. Nanambana ny “hitondra fanahy maro hankamin’ny faharavana” ny teny “mandoka be” sy “manasohaso” nataon’ny mpampianatra sandoka iray nantsoina hoe Kôrihôra (Almà 30:31, 47). Nitovy tamin’izany ihany, ireo fampianaran’ny Nefita nihemotra iray, nantsoina hoe Zôrama, dia nitarika andian’olona iray manontolo hanao “fahadisoana lehibe” sy “[hamilivily] ny lalan’ny Tompo” (Almà 31:9, 11).

Tetsy ankilan’izay kosa i Almà dia nanana finoana tsy voahozongozona fa ny tenin’Andriamanitra dia hanana “fiantraikany mahery kokoa [a]min’ny sain’ny olona noho … ny zavatra hafa” (Almà 31:5), ka anisan’izany ny tenin’i Kôrihôra sy i Zôrama. Naneho fahamarinana mandrakizay ireo tenin’i Almà ary niantso ny herin’ny lanitra mba hahamoana an’i Kôrihôra (jereo Almà 30:39–50), ary nanasa ny fitahian’ny lanitra ho amin’ireo izay niara-nandeha taminy mba hamerina ny Zôramita ho amin’ny fahamarinana (jereo ny Almà 31:31–38). Ohatra manan-danja ho an’ireo mpanara-dia an’i Kristy ankehitriny ireny rehefa hisy fiantraikany mahery eo amin’ny sain’ny olona indray ny “teny manodoka be” sy ny “fahadisoana lehibe” (Almà 30:31; 31:9). Kanefa afaka mahita ny fahamarinana isika amin’ny alalan’ny fitokiana amin’ny “herin’ny tenin’Andriamanitra”, tahaka ny nataon’i Almà (Almà 31:5).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 30:6, 12

Inona no atao hoe antikristy?

Nantsoina hoe “Antikristy” i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:6. Ny atao hoe Antikristy dia “olona izay maka ny endrik’i Kristy kanefa manohitra an’i Kristy raha ny tena marina (1 Jaona 2:18–22; 4:3–6; 2 Jaona 1:7). Amin’ny ankapobeny izy io dia izay mety ho olona na zavatra izay misandoka ny filazantsara marina na ny drafitry ny famonjena ary manohitra ankitsirano na mangingina an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Antikristy”).

Inona avy ireo “[fisandohana] ny filazantsara marina” tsikaritrao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? Ny Rahavavy Julie B. Beck, Filoha maneran-tanin’ny Fikambanana Ifanampiana teo aloha, ohatra dia nampianatra fa “Rehefa mety ho fotopampianarana na fitsipika re[ntsika] avy amin’izao tontolo izao ka manohitra ny fianakaviana dia Antikristy ihany koa” (“Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 15).

Sary
i Kôrihôra miresaka amin’i Almà

I Kôrihôra nifanehitra tamin’i Almà, nataon’i Robert T. Barrett

Almà 30:6–60

Afaka manampy ahy hahatohitra ny fitaoman’ireo izay miezaka ny hamitaka ahy ny Bokin’i Môrmôna.

Eo am-pamakinao ny Almà 30:6–31, dia mety ho toy ireny hoe zavatra tsy zoviana aminao ireny ireo fampianaran’i Kôrihora. Izany no izy satria, araka ny nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson, ny Bokin’i Môrmôna dia manambara “ireo lamina sy tetika ratsy ary ireo fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao” sy afaka mampatanjaka antsika hanohitra azy ireny. Mitovy amin’ireo olona nihemotra amin’izao fotoana izao ny olona nihemotra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Andriamanitra, noho ny fahalalany mialoha izay tsy manam-petra, dia namolavola ny Bokin’i Môrmôna araka izany mba hahafahantsika mahita ny fahadisoana sy mahalala ny fomba hiadiana amin’ny hevitra ara-panabeazana, sy ara-pôlitika, sy ara-pinoana ary filôzôfika amin’izao androntsika izao” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson, [2014], 132).

Hevero ny hanao lisitra ireo fotopampianarana diso nampianarin’i Kôrihôra ao amin’ny Almà 30:6–31. Inona ireo vokatra sasantsasany ateraky ny finoana ireny fampianarana ireny? Ohatra hoe inona no vokatra ateraky ny finoana fa “rehefa maty ny olona iray dia izay no vita ny aminy”? (Almà 30:18). Inona avy ireo fotopampianarana diso nampianarin’i Kôrihôra izay mitovitovy amin’ireo fotopampianarana diso izay tsikaritrao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Afaka hanampy anao hiomana amin’ny trangan-javatra izay mety hitady ny hamitaka anao ny famakiana momba ny fifampiresahana teo amin’i Kôrihôra sy i Almà. Mety hanampy anao ny mandalina ny Almà 30:29–60 mba hahatakarana ny fomba nahavoafitaka an’i Kôrihôra (jereo indrindra indrindra ny andininy 52–53). Inona no azonao ianarana avy amin’ny valintenin’i Almà manoloana ireo fampianaran’i Kôrihôra? (jereo Almà 30:31 –35).

Almà 31

Manana hery hitondrana ny olona ho amin’ny fahamarinana ny tenin’Andriamanitra.

Mety hoe ho nila vahaolana ara-pôlitika na ara-tafika no fahitan’ny sasany ny olana teo amin’ny Zôramita tamin’ny nialan’izy ireo tamin’ny Nefita (jereo Almà 31:1–4). Kanefa i Almà kosa dia nianatra ny hatoky “herin’ny tenin’Andriamanitra” (Almà 31:5). Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny Almà 31:5 momba ny herin’ny tenin’Andriamanitra? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fa hoe ny tenin’Andriamanitra dia “[ni]tarika ny olona hanao izay marina”? (Almà 31:5). Saintsaino ny fomba ahafahanao “manandrana” (mampiasa) ny tenin’ Andriamanitra amin’ny olona iray tianao.

Mba hahatakaranao bebe kokoa ny amin’ny fomba nataon’i Almà mba hamonjena ny hafa dia azonao atao ny mampitaha ny fihetsika nasehon’i Almà amin’ny ny an’ireo Zoramita araka ny voasoritsoritra ao amin’ny Almà 31. Mety hanampy ny tabilao tahaka ity iray manaraka ity. Inona no fahasamihafana tsikaritrao? Inona no zavatra tsapanao fa mety hahatonga anao hitovy bebe kokoa amin’i Almà?

Ny Zôramita dia

I Almà dia

Ny Zôramita dia

nino fa ireo tsy mpikambana tao amin’ny vondrona nisy azy dia voaheloka ho any amin’ny helo (Almà 31:17).

I Almà dia

nino fa ireo Zôramita dia “rahalahiny” ary ny fanahin’izy ireo dia “sarobidy” (Almà 31:35).

Ny Zôramita dia

nametraka ny fony tamin’ny harena (Almà 31:24, 28).

I Almà dia

naniry ny hitondra fanahy ho amin’i Jesoa Kristy (Almà 31:34).

Ny Zôramita dia

I Almà dia

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 30:44

Azonareo atao ny miaraka mamaky sy miresadresaka momba ny Almà 30:44 eny am-pandehandehanana mivoaka ny trano na mijery ireo sarin’ireo zava-boarin’Andriamanitra. Afaka mizara ny zavatra izay hitany fa mijoro ho vavolombelona momba an’Andriamanitra ny olona ao amin’ny fianakaviana. Ahoana no hanampian’ireny zavatra ireny—na ny zavatra niainana nolalovantsika—antsika hahafantatra fa tena misy Andriamanitra?

Almà 30:56–60

Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny Almà 30:56–60 ny amin’ny fomba fitondran’ny devoly ireo mpanara-dia azy? Inona no azontsika atao mba hiarovana ny tokantranontsika amin’ny fitaomany?

Almà 31:20–38

Rehefa avy namaky ny Almà 31:20–38 niaraka tamin’ny fianakavianao ianao dia azonareo atao ny miresadresaka momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no naha-samy hafa ny vavak’i Almà tamin’ny vavak’ireo Zôramita? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’i Almà amin’ny vavaky ny tena manokana sy ny vavaky ny mpianakavy ataontsika?

Afaka manisy vato ambanin’ny ondany ireo ankizy kely mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny hivavaka isa-maraina sy isan-kalina. Mety ho tian’izy ireo ihany koa ny manaingo ny vaton’izy ireo.

Almà 31:23

Inona no zavatra ataontsika isan’andro ato an-tokantranontsika mba hianarana momba an’Andriamanitra sy hiresahana momba Azy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Omano ny toerana ianarana. “Hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fahafahantsika mianatra sy mahatsapa ny fahamarinana ny zava-misy ao amin’ny toerana ianarantsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15). Miezaha mitady toerana hianarana ny filazantsara izay hanasa ny herin’ny Fanahy Masina. Ny hira sy ny sary manohina saina amam-panahy dia afaka manasa ihany koa ny Fanahy.

Sary
Zôramita mivavaka eo amin’ny Rameomtôma

Ny Rameomtôma, nataon’i Del Parson