Avia, hanaraka Ahy
20–26 jolay. Almà 36–38: “Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona”


“20–26 jolay. Almà 36–38: -Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 jolay. Almà 36–38,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
lehilahy iray mivavaka

Sary nataon’i Joshua Dennis

20–26 jolay

Almà 36–38

“Hijerenao an’ Andriamanitra ka ho velona”

“Rehefa tsapanao ny fifaliana avy amin’ny fahatakarana ny filazantsara, dia haniry hampihatra izay nianaranao ianao” (Torio ny filazantsarako [2004], 21). Raketo an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao mikasika ny fomba hampiharana ireo fahamarinana izay ianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa hitan’i Almà ny faharatsiana nanodidina azy, dia nitambesaran’ny “alahelo,” “fahoriana be,” ary “fitaintainan’ny fanahy” izy (Almà 8:14). “Ny faharatsiana … eo anivon’ ity vahoaka ity,” hoy izy momba ny Zoramita, “dia mampanaintaina ny fanahiko” (Almà 31:30). Nahatsapa zavatra mitovy amin’izany izy taorian’ny niverenany avy nanao asa fitoriana tany amin’ny Zôramita. Tsikariny fa “ny fon’ ny olona dia nanomboka ho nihamafy, ka nanomboka ho tafintohina izy ireo noho ny mahahenjana ny teny,” ka dia nahatonga ny fony ho “feno alahelo fatratra” izany (Almà 35:15). Inona no nataon’i Almà mahakasika ny zavatra hitany sy tsapany? Tsy hoe lasa kivy na diso fanantenana tamin’ny toetran’izao tontolo izao fotsiny izy. Fa “nataony [kosa] izay hamoriana miaraka ny zanany lahy” ary nampianariny azy ireo “ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Almà 35:16). Nampianariny azy ireo fa “tsy misy lalan-kafa na fomba izay ahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany. … Indro, Izy no tenin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana” (Almà 38:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 36

Afaka ny haterak’ Andriamanitra aho rehefa manetry tena sy mibebaka.

Vitsy ny olona hiaina fiovam-po tsy mampino tahaka ny an’i Almà. Kanefa misy fitsipika ao anatin’ny zavatra niainany izay azontsika rehetra sintonina sy hampiharina, satria tsy maintsy “[h]aterak’ Andriamanitra” ny olona rehetra (Almà 36:23). Eo am-pamakianao ny Almà 36, dia tadiavo ireo fitsipika azonao ampiharina. Ohatra, inona no tsapan’ny olona iray efa nanterak’ Andriamanitra mikasika ny fahotana? Mikasika an’i Jesoa Kristy? Azonao atao koa ny mitady ireo fiovana mety andrandrainao ho hita ao amin’ny zavatra inoana sy ny asan’ny olona iray naterak’ Andriamanitra.

Jereo koa ny Môzià 5:7; 27:25–26; Almà 5:14; 22:15; Helamàna 3:35; “Fiovam-po,” Miorim-paka ao amin’ny finoana, topics.ChurchofJesusChrist.org.

Almà 36

Nanao fanavotana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy

Mety hahatsikaritra fiverimberenan-javatra ianao ao amin’ny fitantaran’i Almà ny fiovam-pony ato amin’ity toko ity. Ny antony dia satria ny Almà 36 dia ohatra lehibe amin’ny endriky ny tononkalo Hebreo izay antsoina hoe kiasima, izay hanehoana ireo teny na hevitra amin’ny filaharana iray, izay mitondra mankamin’ny hevitra fototra iray, ary avy eo dia averina lazaina amin’ny filaharana mivadika. Ao amin’ny Almà 36, ilay hevitra ao amin’ny andininy 3 dia averina ao amin’ny andininy 27, ilay hevitra ao amin’ny andininy 5 dia averina ao amin’ny andininy 26, sy ny sisa. Ilay hevitra fototra no hafatra manan-danja indrindra amin’ilay kiasima. Jereo raha mety ho hitanao ilay hevitra fototra ao amin’ny andininy 17–18. Jereo hoe inona no fiantraikan’ny “[fifantohana] tamin’ izany eritreritra izany” teo amin’i Almà ka nanovan’izany ny fiainany. Inona no fiantraikan’io fahamarinana io teo aminao? Inona koa no hevitra miverimberina hitanao ao amin’io andalana io?

Ahoana no hitaoman’io tantaran’ny fibebahana sy ny famelan-keloka io anao hanaraka ny ohatr’i Almà dia hiverina amin’ny Mpamonjy?

Ho fanazavana fanampiny momba ny kiasima, dia jereo ny Le Livre de Mormon Manuel de l’élève (Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana [2009], 232–33).

Almà 37

Notehirizina “noho ny fikasana hendry” ny soratra masina.

Efa mba neritreretinao ve hoe tena fahagagana sy fitahiana lehibe tokoa izany manana ny soratra masina izany ankehitriny? Andriamanitra dia efa “[nanankina tamintsika] ireo zavatra ireo izay masina” (Almà 37:14). Eo am-pamakianao ny Almà 37, dia tadiavo ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fananana ny soratra masina. Ahoana no niainanao ireo fitahiana ireo? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny soratra masina, mba hahazoana “maneho ny heri[n’ Andriamanitra] amin’ ny taranaka ho avy”? (Almà 37:18).

Ao amin’ny Almà 37:38–47 i Almà dia mampitaha “ny tenin’i Kristy” amin’ny Liahona. Rehefa misaintsaina io fampitahana io ianao dia eritrereto ireo fomba niainanao ny fahagagana sy ny hery avy amin’ny fampianaran’i Kristy “isan’andro isan’andro” (Almà 37:40).

Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Ireo fitahian’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 32–35.

Sary
vehivavy mamaky soratra masina

Mampianatra antsika ny fomba hanarahana an’ Andriamanitra ny soratra masina.

Almà 37:6–7

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

Indraindray isika dia mety hahatsapa fa toa lehibe sy saro-bahana tokoa ireo olantsika ka tokony ho lehibe sy saro-takarina ihany koa ireo vahaolana. Kanefa matetika tokoa ny Tompo no misafidy ny hampiasa “zava-madinika sy tsotra” (Almà 37:6) mba hanatanterahana ny asany sy hitahiana ny fiainan’ireo zanany. Eo am-pamakianao ny Almà 37:6–7, dia saintsaino sy raketo an-tsoratra ireo fomba nahitanao io fitsipika io niasa teo amin’ny fiainanao. Inona avy ireo zava-madinika sy tsotra ampiasain’ny Tompo hitahiana anao mba hanatanterahana ny asany?

Jereo koa ny Almà 37:41–46; Dallin H. Oaks, “Zava-madinika sy tsotra,” Liahona, mey 2018, 89–92.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 36:5–26

Na dia hafa noho ny fahita mahazatra aza ny zavatra niainan’i Almà dia maneho fitsipika maromaro izay mihatra amintsika rehetra ny fiovam-pony. Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hifidy andininy iray avy amin’ny Almà 36:5–26 izay mampianatra momba ny hoe “naterak’ Andriamanitra.” Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao tsara ny mizara ny fomba nampiharany ireo fitsipika nolazalazain’i Almà.

Almà 36:18–21, 24

Ahoana no azontsika ampiasana ireo andininy ireo mba hanampiana olona iray hahatakatra fa zavatra iainana mitondra fifaliana ny fibebahana fa tsy zavatra iainana mampatahotra? Ahoana no hahafahan’ny fibebahana mitaona antsika hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

Almà 37:6–7, 38–46

Inona avy ireo “zava-madinika sy tsotra” (Almà 37:6) izay miteraka zavatra lehibe eo amin’ny fiainantsika? Ahoana avy no maha-toy ny Liahona ny tenin’i Kristy? Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba handalina ny soratra masina amim-pahazotoana bebe kokoa?

Almà 37:35

Nahoana no fahendrena ny mitandrina ny didy amin’ny “fahatanora[ntsika]”?

Almà 38:12

Fantatry ny fianakavianao ve ny atao hoe lamboridy? Azonao atao tsara ny maneho sarina lamboridy iray sy miresaka ny fomba hampiasana izany mba hifehezana biby iray. Inona no dikan’ ny hoe “[mifehy] ny filan[tsika]”? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fifehezana ny filantsika antsika mba ho “feno fitiavana”?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy ianao, dia mampiseho amin’ny Tompo fa manan-danja aminao ny fitarihany, ary dia homeny fanambarana matetitetika ianao. Soraty ny eritreritrao eo am-pandalinanao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 1230.)

Sary
anjely niseho tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià

Anjely miseho amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià, nataon’i Clark Kelley Price