Avia, hanaraka Ahy
27 jolay–2 aogositra Almà 39–42: “Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”


“27 jolay–2 aogositra. Almà 39–42: -Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“27 jolay–2 aogositra. Almà 39–42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
I Jesoa sy i Maria

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? nataon’i Mark R. Pugh

27 jolay–2 aogositra

Almà 39–42

“Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”

Eo am-pandalinanao ny Almà 39–42, ny Fanahy Masina dia afaka manome anao hevi-baovao momba ireo zavatra izay mitranga eo amin’ny fiainanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nanao fahadisoana ny olona iray tiantsika, dia mety ho sarotra ny mahafantatra hoe inona no tokony hasetrintsika izany. Isan’ny mahatonga ny Almà 39–42 ho sarobidy tokoa ny hoe izy io dia manambara ny fomba nentin’i Almà niatrika toe-javatra toy izany; i Almà izay mpianatr’i Kristy nanana fahotana nampalahelo tsy maintsy nibebahany teo aloha. Nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Kôriantôna zanakalahin’i Almà, ary i Almà, tahaka izay nataony matetika, dia natoky ny herin’ny fotopampianarana marina fa mamporisika ny hirosoana ho amin’ny fibebahana (jereo ny Almà 4:19; 31:5). Hitantsika ao amin’ireo toko ireo ny fahasahian’i Almà amin’ny fanamelohana ny fahotana sy ny fahalemem-panahiny tamin’i Kôriantôna ary ny fitiavany azy. Ary amin’ny farany dia tsapantsika ny fatokian’i Almà fa ny Mpamonjy dia “ho avy … hanaisotra ny [fahotana ary] hilaza vaovao mahafaly momba ny famonjena” ho an’ireo izay mibebaka (Almà 39:15). Ny hoe i Kôriantôna taty aoriana dia niverina nanao ny asa fanompoana (jereo ny Almà 49:30) dia afaka manome antsika fanantenana ny hahazo famelan-keloka sy fanavotana rehefa “[m]anahirana” (Almà 42:29) antsika ny fahotantsika na ny an’ireo olon-tiantsika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 39

Fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Mba hanampiana ny zanany hahatakatra ny maha-goavana ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia nampianatra i Almà “fa ireny zavatra ireny dia fahavetavetana eo imason’ny Tompo” (Almà 39:5). Nahoana ny fahadiaovam-pitondrantena no manan-danja aminao? Nahoana izy io no manan-danja amin’ny Tompo? Mety hanampy ity fanazavana manaraka avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity:

“Mazava tokoa fa anisan’ireo zavatra lehibe indrindra mahasarotiny Azy momba ny fiainana an-tany ny fomba hahatongavan’ny olona iray eto amin’ity tany ity sy ny ialan’ny olona iray eto. Nametraka fetra hentitra tokoa mikasika ireo zavatra ireo izy.

“… Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona dia natokana ho an’ny mpivady satria izany no tandindona faratampon’ny fiombonana feno, fahafenoana sy fiombonana voatendry sy narafitr’ Andriamanitra. … Ny fanambadiana dia natao mba hidika hoe fanakambanana tanteraka ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. … Izany dia firaisana tena feno tokoa hany ka mampiasa ny teny hoe mamehy isika mba hampitana ny fampanantenana mandrakizay entin’izany” (“Personal Purity,” Ensign, Nov. 1998, 76).

Saintsaino ny torohevitra nomen’i Almà an’i Kôriantôna ao amin’ny Almà 39:8–15. Ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra misimisy kokoa ny lanjan’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fomba handresena ny fakam-panahy? Ny fampianaran’i Almà koa dia maneho ny fahavononan’ny Tompo hamela heloka antsika rehefa mibebaka isika ary misy fanantenana ho antsika rehetra. Eo am-pamakianao ny Almà 39–42 amin’ity herinandro ity, dia tadiavo ny porofon’ny famindram-pon’ Andriamanitra. Ahoana no nitahian’ny famindram-pon’ Andriamanitra anao?

Jereo ihany koa ny “Pureté sexuelle,” Jeunes, soyez forts, 35–37.

Almà 40–41

Hitsangana amin’ny maty aho ary hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina.

Rehefa tsikaritr’i Almà fa nanana fanontaniana momba ny Fitsanganana amin’ny maty i Kôriantôna, dia nampianariny azy ny zavatra mitranga aorian’ny hahafatesantsika. Inona ny fahamarinana ampianarin’i Almà ao amin’ny toko 40–41 izay mety ho nanampy azy ireo raha takatr’i Kôriantôna sy izay olona mety ho nanota? Azonao atao ny mandamina ny zavatra ianaranao amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo lohahevitra izay noresahan’i Almà (toy ny tontolon’ny fanahy, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny famerenana amin’ny laoniny) ary avy eo dia manoratra ny zavatra ampianarin’i Almà momba ny tsirairay avy amin’izany. Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo manampy anao rehefa mahatsapa ho alaim-panahy ianao na mikatsaka famelan-keloka?

Almà 40

Afaka mikatsaka amim-pinoana ireo valin-teny ho an’ireo fanontaniako momba ny filazantsara aho.

Indraindray isika dia mety hieritreritra fa mahafantatra ny valin’ny fanontaniana rehetra momba ny filazantsara ireo mpaminany. Kanefa jereo fa manerana ny toko 40, i Almà dia nanana fanontaniana maro tsy voavaly momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Inona no nataony mba hahitana valin-teny? Inona no nataony rehefa tsy fantany ireo valin-teny? Eritrereto ny fomba mety hanampian’ny ohatr’i Almà anao amin’ireo fanontaniana momba ny filazantsara izay anananao.

Sary
vehivavy iray mivavaka

Ny vavaka dia fomba iray hahafahantsika mahazo valin-teny ho an’ireo fanontaniana momba ny filazantsara.

Almà 42

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahatonga ny drafitry ny fanavotana ho azo tanterahina.

Nino i Kôriantôna fa tsy rariny ny famaizana noho ny ota (jereo ny Almà 42:1). I Almà anefa dia nampianatra fa misy fomba iray hahafahana miala amin’ny “toetry ny fahoriana” izay hametrahan’ny ota antsika: ny fibebahana sy ny finoana ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, izay sady feno famindram-po no marina (jereo ny Almà 42:15). Eo am-pamakianao ny Almà 42, dia tadiavo ny fomba hanaovan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay handraisanao famindram-po kanefa tsy “mandroba ny fahamarinana” (andininy 25). Inona no fahamarinana hitanao ao amin’io toko io izay manampy anao hahatsapa ny famindram-pony?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 39:1–9

Hitondra tombontsoa ho an’ny fianakavianao ve ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Raha izay no izy dia hevero ny hampiasa ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto araka ny zavatra ilain’ny fianakavianao: Almà 39:1–9; “Pureté sexuelle,” Jeunes, Soyez Forts, 35–37. Saintsaino ny fomba azonao hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ireo fitahiana avy amin’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana .

Almà 39:9–15

Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hialana amin’ny fahotana?

Almà 42:4

Azonareo atao ny manao kilalao izay hanaparitahana manerana ny efitrano taratasy kely ahitana toetra tahaka ny an’i Kristy na fitsipiky ny filazantsara voasoratra ao anatiny. Afaka mijery ianao hoe taratasy kely firy no voangon’ny olona ao amin’ny fianakaviana ao anatin’ny fem-potoana iray, ary avy eo dia mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ireo zavatra voasoratra ao amin’ireo taratasy manampy antsika hitovy bebe kokoa amin’ Andriamanitra. Inona no mampitovy ny “fotoana nomena” antsika eto ambonin’ny tany amin’ny fotoana nomena ao anatin’io kilalao io? Ahoana no hahafahantsika mampiasa ny “fotoana fizahan-toetra” antsika eto an-tany mba hahatonga antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy?

Almà 42:12–15, 22–24

Azonao atao angamba ny maneho ny zavatra mampifandray ny fahamarinana sy ny famindram-po amin’ny alalan’ny fampiasana sarina tohatra tsotra mba hiresadresahana ireo fanontaniana tahaka izao: inona no mitranga amin’ilay tohatra rehefa manota isika? Inona no takin’ny fahamarinana mba hampijoro tsara an’ilay tohatra? Ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ny fitakian’ny fahamarinana ka nahatonga ny famindram-po ho azo notanterahina?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ireo fitsipika izay hitahy ny fianakavianao. Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra ombam-bavaka ianao dia manontania tena hoe: “Inona no hitako ato ka tena hanan-danja manokana amin’ny fianakaviako?” Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy eo am-pisaintsainanao ny fomba hanampiana ny fianakaviana hahafantatra ireo fahamarinana ireo.

Sary
Almà sy Kôriantôna

Indro ny zanako, nataon’i Elspeth Caitlin Young