Avia, hanaraka Ahy
17–23 aogositra. Helamàna 1–6 : “Vatolampin’ny Mpanavotra antsika”


“17–23 aogositra. Helamàna 1–6: -Vatolampin’ny Mpanavotra antsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“17–23 aogositra. Helamàna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
onja midona amin’ny vato

17–23 aogositra

Helamàna 1–6

“Vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Ireo fitsipika ato anatin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny fandalinanao ny Helamàna 1–6, kanefa aza avela hametra ny zavatra azonao atao izany. Ny Fanahy Masina dia hitarika anao ho amin’ireo fahamarinana ilainao hianarana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny bokin’i Helamàna dia sady mirakitra ny fandresena no mirakitra ny zavatra nampivarahontsana teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita. Izy io dia manomboka amin’ny “savorovoro nampanahy teo anivon’ ny vahoakan’ ny Nefita” (Helamàna 1:1), ary mitohy hatrany ny fitrangàn’ireo savorovoro ireo manerana ilay rakitsoratra. Vakintsika ao anatin’izany ny mikasika ireo olana ara-pôlitika, ireo andiana mpangalatra, tsy fandraisana ny mpaminany, ary ny avonavona sy ny tsy fananana finoana manerana ny tany. Kanefa ho hitantsika ao ihany koa ireo ohatra toa an’i Nefia sy i Lehia ary “ny ampahany nanetry tena kokoa tamin’ ny vahoaka,” izay tsy vitan’ny hoe tafavoaka velona fa niroborobo ara-panahy ihany koa (Helamàna 3:34). Ahoana no nanaovan’izy ireo izany? Ahoana no nijoroan’izy ireo ho matanjaka hatrany kanefa nanomboka nihen-danja sy nirodana ny rafi-piainana sy ny fomba amam-panaon’izy ireo? Mitovy amin’izany ihany, na iza na iza amintsika dia afaka mijoro ho matanjaka ao anatin’ny “rivo mahe[ry]” izay alefan’ny devoly mba “hamely [antsika]”—amin’ny alalan’ny fanorenana ny fiainantsika “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, … dia fototra izay tsy ahafahan’ ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Helamàna 1–6

mampisaraka ahy amin’ny Fanahy sy ny herin’ny Tompo ny avonavona.

Eo am-pamakianao ny Helamàna 1–6—sy ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo—dia mety ho tsikaritrao ny lamina iray ao amin’ny fitondrantenan’ireo Nefita: Rehefa marina ny Nefita dia mitahy azy ireo Andriamanitra ary miroborobo izy ireo. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa feno avonavona sy ratsy fanahy izy ireo, ary manao safidy izay mitarika ho amin’ny faharinganana sy ny fahoriana. Dia lasa nanetry tena izy ireo avy eo ary notaomim-panahy hibebaka, dia nitahy azy ireo indray Andriamanitra. Miverimberina matetika tokoa ilay lamina ka dia niantso izany hoe “ny fitamberenan’ny avonavona” ny olona sasany.

Sary
Ny fitamberenan’ny avonavona

Ny “fitamberenan’ny avonavona.”

Mitadiava ohatra amin’ity fitamberimberenana ity eo am-pamakianao ny teny. Mety ho tianao mihitsy aza ny hanisy marika ireo ohatra rehefa hitanao izy ireny. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampiana anao hahatakatra io lamina io sy hahatakatra ny fomba mety hiharan’izany aminao:

  • Inona avy ireo porofon’ny avonavona izay hitanao eo anivon’ny Nefita? (jereo ohatra ny Helamàna 3:33–34; 4:11–13). Mahita ohatry ny avonavona mitovy amin’izany eo amin’ny tenanao ve ianao?

  • Inona avy no vokatry ny avonavona sy ny faharatsiana? (jereo ny Helamàna 4:23–26). Inona avy no vokatry ny fanetrentena sy ny fibebahana? (jereo ny Helamàna 3:27–30, 35; 4:14–16).

  • Inona no tian’i Helamàna hotsarovan’ireo zanany lahy? (jereo ny Helamàna 5:4–12). Ahoana no hahafahan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo manampy anao tsy ho lasa be avonavona?

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Ny fieboeboana sy ny fisoronana,” Liahona, nôv. 2010, 55–58.

Helamàna 3:24–35

Afaka ny ho afa-po aho rehefa manolotra ny foko ho an’ Andriamanitra

I Môrmôna ao amin’ny Helamàna 3 dia nitantara fotoana iray izay nampiroborobo sy nitahiana fatratra ny Fiangonana ka na ireo mpitarika aza dia tsy nanampo izany (jereo ny andininy 24–32). Taty aoriana dia tafasondrotra tao anatin’ny avonavona ny olona sasany, raha toa kosa ny hafa ka lasa “nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ ny fietreny, … na dia hatramin’ ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fony aza” (Helamàna 3:35). Jereo ao amin’ny andininy 34–35 ny zavatra nataon’ireo nanetry tena kokoa mba ho lasa masina. Ahoana no hanampian’ireo zavatra ireo anao ho lasa masina kokoa? Mety hanampy ny mahafantatra fa ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) dia mamaritra ny fanamasinana ho toy ny “dingana hahatongavana amin’ny fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.” Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanarahana ny ohatr’ireo mpianatra ireo? Inona no ataonao mba hanolorana ny fonao ho an’ Andriamanitra?

Helamàna 5:14–52

Ny finoako dia hatanjahan’“ny halehiben’ ny porofo izay efa azo[ko].”

Indray mandeha ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nilaza tamin’ireo olona sahiran-tsaina ny amin’ny finoany hoe: “Manana finoana mihoatra noho izay heverinao ianao, noho ilay antsoin’ny Bokin’i Môrmôna hoe -ny halehiben’ny porofo- [Helamàna 5:50]. … Ny vokatra azo noho ny fiainana ny filazantsara dia hita mazava eo amin’ny fiainan’ireo Olomasin’ny Andro Farany na aiza na aiza” (“Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94). Eo am-pamakianao ireo andininy ireo dia eritrereto ireo porofo izay nomen’ny Tompo anao. Ohatra, mety tsy nahare ara-bakiteny ny feon’ny Tompo ianao, kanefa efa nahatsapa “bitsika” avy amin’ny Fanahy Masina izay “nandoaka na dia hatrany amin’ ny aty fanahy aza” ve ianao? (Helamàna 5:30; jereo koa ny FF 88:66). Mety ho efa tao anaty haizina ianao, dia nivavaka tamin-kitsim-po tamin’ Andriamanitra mba hahazo finoana lehibe kokoa, ka “nofenoina tamin’ izato fifaliana izay tsy hay tenenina” (Helamàna 5:40–47). Inona ireo zavatra niainana hafa izay nampatanjaka ny finoanao an’i Kristy sy ny filazantsarany?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Helamàna 3:27–30

Rehefa namintina ireo rakitsoratra masina ny mpaminany Môrmôna dia nampiasainy indraindray ilay andian-teny hoe “toy izany no ahitantsika” mba hanamafisana fahamarinana manan-danja. Inona no tiany ho hitantsika ao amin’ny Helamàna 3:27–30? Mandritra ny fandalinanao amin’ity herinandro ity, dia mety hiato tsindraindray ianao mba hanontany ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny fomba hamenoan’izy ireo ilay andian-teny hoe “dia toy izany no ahitantsika” mahakasika ny zavatra novakin’izy ireo. Inona avy ireo fahamarinana tian’izy ireo hamafisina?

Helamàna 5:6–7

I George A. Smith raiben’ny Filoha George Albert Smith izay efa nodimandry dia niseho taminy tao anaty nofy ka nanontany hoe: “Tiako ho fantatra ny zavatra efa nataonao tamin’ny anarako.” Namaly ny Filoha Smith hoe: “Tsy mbola nanao na inona na inona tamin’ny anaranao aho ka mety nahamenatra anao” (ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Eglise: George Albert Smith [2011], xxvi). Rehefa avy mamaky ny Helamàna 5:6–7, dia azonao atao tsara ny miresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao mikasika ny fahatsiarovana sy ny fanomezana voninahitra ireo anarana entintsika, anisan’izany ny anaran’ny Mpamonjy.

Helamàna 5:12

Mba hanampiana ny fianakavianao hahazo an-tsaina ny dikan’ny hoe manana “fototra azo antoka”, dia azonareo atao tsara ny miara-manorina zavatra kely iray ary mametraka izany eo amin’ny fototra isan-karazany. Dia azonao atao avy eo ny mamorona “rivo mahe[ry]” amin’ny alalan’ny famafazana rano eo amin’izany sy fampiasana ventilateur na fitaovana fanamainana volo mba hamoronana rivotra. Inona no mitranga amin’ilay zavatra natsangana rehefa nipetraka teo amin’ny fototra samihafa ilay izy? Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny “fototra azo antoka” eo amin’ny fiainantsika?

Helamàna 5:29–33

Inona avy ireo zavatra niainantsika mahakasika ny famantarana ny feon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manàna faharetana amin’ny tenanao. Haorina tsikelikely ny fototra hiorenan’ny finoana. Raha mahita ianao fa sarotra takarina ny fotopampianarana sasany amin’izao, dia manàna faharetana. Matokia fa ho tonga ny fahatakarana rehefa manorina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy ianao amin’ny alalan’ny fampiharana finoana sy ny fandalinana amim-pahazotoana.

Sary
I Nefia sy Lehia tao am-ponja

© Ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny ankizy, I Nefia sy i Lehia voahodidin’ny andry afo, nataon’i Briana Shawcroft; tsy azo adika