Avia, hanaraka Ahy
10–16 aogositra. Almà 53–63: “Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”


“10–16 aogositra. Almà 53–63: -Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“10–16 aogositra. Almà 53–63,” Avia hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
zatovolahy mpiady roa arivo

Zatovolahy mpiady roa arivo, nataon’i Arnold Friberg

10–16 aogositra

Almà 53–63

“Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”

Ireo tantara ao amin’ny Almà 53–63 dia afaka manampy anao hahita ireo vokatry ny fiainana ireo fahamarinan’ny filazantsara na ny fandavana azy ireny. Eo am-pamakinao ny Almà 53–63, dia raketo ireo fitaomam-panahy azonao ary saintsaino ireo fomba ahafahanao miaina ireo fahamarinana ianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha mitaha amin’ny tafika Lamanita dia tsy tokony ho nivoaka ho mpandresy ny “tafika kel[in’i]” Helamàna (Almà 56:33) izay nahitana zatovolahy Nefita 2000. Ankoatra ny maha-tafika kely azy, ireo miaramilan’i Helamàna dia “tena tanora [avokoa],” ary “tsy mbola niady mihitsy” (Almà 56:46–47). Azo lazaina fa ny toe-javatra niainan’izy ireo dia mety ho tsy zoviana amin’ny sasany amintsika izay indraindray mahatsapa tena ho vitsy an’isa sy tototra eo anivon’ny ady ataontsika amin’i Satana amin’ny andro farany sy ny herin’ny ratsy eo amin’izao tontolo izao.

Kanefa dia nanana tombony teo amin’ny Lamanita ny tafik’i Helamàna; izay tsy nisy nifandraisany amin’ny habetsahan’isa na traikefa an’ady. Nisafidy an’i Helamàna, izay mpaminany, izy ireo mba hitarika azy ireo (Almà 53:19); “nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo” (Almà 56:47); ary nanana “finoana fatratra izay efa nampianarina azy ireo.” Vokatr’izany dia narovan’ny “hery mahagagan’Andriamanitra” izy ireo (Almà 57:26). Na dia naratra tamin’ny ady avokoa aza izy rehetra dia “tsy nisy na dia iray aza taminy maty” (Almà 57:25). Afaka mampitraka ny lohantsika isika noho izany rehefa tojo zavatra iainana mampidi-doza izay miteraka ratra na ahiahy ara-panahy—ny hafatr’i Helamàna dia ny hoe “[m]isy Andriamanitra marina, ary na zovy na zovy no tsy [mi]roanahana dia hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona” (Almà 57:26).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Almà 53:10–22; 56:43–48, 55–56; 57:20–27; 58:39–40

Rehefa mampihatra finoana an’ Andriamanitra aho dia hitahy ahy amin’ny heriny mahatalanjona Izy.

Mety ho sarotra ny mampihatra amin’ny tenantsika ireny tantara mahagaga toy ny fandresen’ny zatovolahy mpiadin’i Helamàna ireny noho izy ireny toa tsy mampino. Kanefa antony iray nampidirana ny tantara toy izany ao amin’ny soratra masina ny mba hanehoana amintsika fa rehefa manam-pinoana isika dia afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra. Rehefa mamaky momba ireo zatovolahy mpiady ao amin’ireto andininy manaraka ireto ianao dia tadiavo ireo singa maneho ny fomba nampiharan’izy ireo ny finoany an’Andriamanitra, sy ny zavatra nampatanjaka ny finoany ary ny zavatra nahatonga ireo fahagagana ho tanteraka: Almà 53:10–22; 56:43–48, 55–56; 57:20–27; sy 58:39–40. Ity tabilao manaraka ity dia mandroso fomba iray azonao hiraketana ny zavatra hitanao.

Ny toetoetran’ireo miaramilan’i Helamàna:

Ny zavatra nampianarina azy ireo:

Ny zavatra nataon’izy ireo:

Fitahiana noraisin’izy ireo:

Rehefa avy nandalina ireo andininy ireo ianao dia inona no zavatra nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao hampiharana ny finoanao?

Niresaka momba ny anjara andraikitr’ireo renim-pianakaviana tamin’ny fampatanjahana ny finoan’ireo zatovolahy mpiady i Helamàna (jereo ny Almà 56:47–48; 57:20–27). Ahoana no nanampian’ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo hafa anao hampitombo ny finoanao? Inona no azonao atao mba hampatanjahana ny finoan’ny fianakaviana sy ireo namanao?

Sary
ireo zatovolahy mpiady sy ireo renin’izy ireo

Tsy niroanahàna izy ireo, nataon’i Joseph Brickey

Almà 58:1–12, 31–3761

Afaka misafidy ny hifantoka amin’ny fikasana tsara sy ny hatsarana ananan’ny hafa aho fa tsy ny ho tafintohina.

Samy nanana antony lehibe ny ho tafintohina na i Helamàna na i Pahôrana. Tsy ampy ny fanampiana noraisin’ny tafik’i Helamàna ary nendrikendrehan’i Môrônia ho tsy nety nandefa fanampiana i Pahôrana (jereo ny Almà 58:4–9, 31–3260). Inona no zavatra tianao tamin’ny fihetsik’izy ireo ao amin’ny Almà 58:1–12, 31–37 sy Almà 61? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’izy ireo amina toe-javatra mitovitovy amin’izany?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Hisy fomba ary hisy fotoana izay hanaovan’ny olona iray ato amin’ity Fiangonana ity na hilazany zavatra izay mety heverina hoe manafintohina. Hitranga tokoa amin’ny tsirairay amintsika ny toe-javatra toy izany—ary azo antoka fa hitranga mihoatra ny indray mandeha izany. … Tsy afaka ny hifehy ny fikasana na ny fitondran-tenan’ny hafa izaho sy ianao. Saingy isika no mamaritra ny fihetsika hasetrintsika izany. Miangavy re, tsarovy fa izaho sy ianao dia olona tompon’andraikitra manana safidim-pitondran-tena ka afaka misafidy ny tsy ho tafintohina isika” (“And Nothing Shall Offend Them,” Ensign or Liahona, Nov. 2006, 91).

Jereo koa ny Ohabolana 16:32; Môrônia 7:45; David A. Bednar, “Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 30–33.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Almà 53:10–17

Nanao fanekempihavanana ny tsy handatsa-dra ireo Anti-nefia-lehia. Inona avy ireo fanekempiahavanana nataontsika tamin’Andriamanitra? Inona amin’izay zavatra vakintsika ao amin’ny Almà 53:10–17 no mitaona antsika mba ho mahatoky kokoa amin’ireo fanekempihavanana nataontsika?

Almà 53:20–21

Ahoana no hahafahantsika hitovy bebe kokoa amin’ireo zatovolahin’i Helamàna? Mety hanampy ny miresaka momba ny sasany amin’ireo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo; ohatra hoe inona no dikan’ny hoe “sahy fatratra raha … ny tanjaka sy ny asa”? Inona no dikan’ny hoe “[m]andeha araka ny hitsiny eo anoloan’[Andriamanitra]”?

Almà 58:9–11, 33, 37

Moa ve isika rehefa tojo fotoan-tsarotra mitodika amin’ny Ray any An-danitra tahaka ny nataon’ireo miaramila Nefita? Tamin’ny fomba ahoana no namaliany ireo vavaka nataon’izy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no efa namaliany ireo vavaka nataontsika?

Almà 61:2, 9, 19

Inona no ianarantsika avy amin’i Pahôrana ny amin’ny fomba tokony hamaliantsika rehefa voaendrikendrika isika?

Almà 62:39–41

Indro misy lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay afaka hanampy ny fianakavianao hahatakatra fa isika dia afaka misady ny “[h]ihamafy” na “[hiham]alefaka” noho ny fahoriantsika: Asio ovy iray sy atody manta iray ao anaty vilany misy rano mangotraka. Maneho ireo fitsapana atrehantsika ilay ovy sy ilay atody. Eo am-piketrehan’ilay atody sy ilay ovy dia azonao atao ny miresaka momba ny sasany amin’ireo fitsapana atrehan’ny fianakavianao. Inona avy ireo fomba isan-karazany azo hiatrehana ny fitsapana toy ireny? Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 62:41, dia inona no fiantraikan’ny fihetsika asetrintsika ireo fitsapana eo amintsika? Rehefa masaka tsara ilay ovy sy ilay atody dia tapaho ny ovy ary esory ny akoran’ny atody hanehoana fa rano nangotraka iray ihany no nampalefaka ny ovy sy nanamafy ny atody. Inona no azon’ny fianakaviantsika atao mba hahazoana antoka fa mampanetry tena antsika sy mampanakaiky antsika an’Andriamanitra ireo fitsapana atrehantsika?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Omeo fahafahana haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona ny ankizy. “Rehefa manasa ny ankizy mba hamorona zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ianao dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika ary manome azy ireo mpampahatsiahy azo tsapain-tanana mikasika ny zavatra nianarany. … Omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo,” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Sary
zatovolahy mpiady roa arivo

Marina izany, Andriamatoa, ao ny rehetra ary tsy nanabangana nataon’i Clark Kelley Price