Avia, hanaraka Ahy
10–16 aogôsitra. Almà 53–63: “Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”


“10–16 aogôsitra. “Almà 53–63: -Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“10–16 aogôsitra. Almà 53–63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
miaramila zatovolahy roa arivo

miaramila zatovolahy roa arivo, nataon’i Arnold Friberg

10–16 aogôsitra

Almà 53–63

“Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”

Rehefa mamaky ny Almà 53–63 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mitondra ireo tantara ao amin’ireo toko ireo ho eo amin’ny fiainan’ny ankizy, ary ampio izy ireo hianatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay ampianarin’ireo tantara ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomana ny ankizy hianatra avy ao amin’ny Almà 53–63 dia asao izy ireo mba hizara izay tsaroany momba ny Anti-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 23–24). Entina manampy azy ireo dia mampisehoa sary izay nampiasainao mba hampianarana ilay tantara, na ampahatsiahivo azy ireo ny asa nataon’izy ireo tao an-dakilasy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 53:20–21; 56:27, 47–48

Afaka mahatoky an’ Andriamanitra aho, tahaka ireo miaramila zatovolahy.

Ireo miaramila zatovolahy (midika hoe “tanora”) an’i Helamàna dia afaka ny ho ohatra tsara ho an’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao. Amporisiho ny ankizy hiezaka ny ho tonga toa azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy iray hanangana ambony ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mamintina ny tantaran’ireo miaramila zatovolahy an’i Helamàna ianao. Azonao ampiasaina koa ny “Toko 34: I Helamàna sy ireo miaramila zatovolahy 2000 isa,” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 93–94, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Avelao ny ankizy hizara ny zavatra fantany sy tiany mikasika ny tantaran’ireo miaramila zatovolahy 2000 isa.

  • Manasà ankizivavy iray sy ankizilahy iray haneho ireo reny sy rain’ireo miaramila zatovolahy. Rehefa mamaky ny Almà 56:27 sy 47–48 ianareo dia omeo zavatra hazonina ireo ankizy ireo mba hanehoana ny fomba nanampian’ireo ray aman-dreny an’ireo miaramila, toy ny harona mizy sakafo mba hanehoana ny “vatsy” nalefan’ireo ray ary ny soratra masina mba hanehoana ireo fampianaran’ireo reny. Angataho ny ankizy mba hilaza ireo zavatra izay omen’ny ray aman-dreniny azy ireo na ampianarin’izy ireo azy ireo.

  • Vakio Almà 53:20-21, ary ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ireo teny toy ny hoe sahy, be herim-po, matanjaka, ary marina. Fariparito ny fomba nanehoan’ireo miaramila zatovolahy an’ireo toetra tsara ireo. Manamboara takelaka kely tsotra ho an’ny ankizy izay mivaky toy izao: “Rehefa aho dia tahaka ireo miaramila zatovolahy!” Ampio ny ankizy hameno ny banga amin’ny toetra izay safidian’izy ireo avy ao amin’ny Almà 53:20–21.

  • Asao ny ankizy mba hamita ity pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity. Asao izy ireo hieritreritra ireo fomba hahafahany ho tonga tahaka ny tafik’i Helamàna. Hiaraho manao ny hira “Hitory maneran-tany,” (Bokin-kiran’ny ankizy, 92–93).

Almà 58:32–41

Rehefa miahiahy aho dia afaka matoky an’ Andriamanitra.

Rehefa niatrika fotoan-tsarotra i Helamàna sy ireo miaramilany, dia natoky ny Tompo i Helamàna. Inona no azon’ny ankizy ampianarinao ianarana avy amin’ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina endrika mikentrona eny amin’ny solaitrabe, dia resaho fa niahiahy i Helamàna satria tsy nanana sakafo ampy sy lehilahy ampy hanohizana ny ady ny tafiny (jereo ny Almà 58:32–41). Angataho ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nampiahiahy azy ireo. Vakio ny Almà 58:37 (na ampio ny ankizy iray hamaky izany), ary ampio ny ankizy hanova ilay endrika eny amin’ny solaitrabe ho lasa endrika mitsiky mba hampisehoana ny fahatsapan’i Helamàna satria natoky an’Andriamanitra izy. Inona no azontsika atao rehefa mahatsapa ho miahiahy? Iaraho manao ny hira “Tsiky” (Bokin-kiran’ny ankizy, 128).

  • Soraty eo amin’ny taratasy kely ireo zavatra vitsivitsy izay mety hampanahy ny ankizy. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy taratasy iray mba hovakianao, ary asa ny ankizy hizara ny fomba hahafahan’Andriamanitra manampy azy ireo amin’ny tsirairay amin’ireo fanahiana ireo. Zarao ny zavatra niainanao iray izay nanampian’Andriamanitra anao rehefa niahiahy ianao.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 56:45-48; 57:25-27; 58:39-40

Afaka mahatoky an’ Andriamanitra aho, tahaka ireo miaramila zatovolahy.

Inona ireo fahamarinana avy tamin’ny tantaran’ireo miaramila zatovolahy (midika hoe “tanora”) an’i Helamàna izay afaka manampy ny ankizy amin’ireo olana atrehan’izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ireo miaramila zatovolahy. Azontsika ampiasaina koa ny “Toko 34: I Helamàna sy ireo miaramila zatovolahy 2000 isaTantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 93–94, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org Avelao ireo ankizy hizara izay tian’izy ireo mikasika ireo miaramila.

  • Iaraho mamaky ny Almà 56:45–48; 57:21, 25–27; ary ny 58:39–40. Asao ny ankizy hitady ireo teny sy andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ireo miaramila zatovolahy. Inona no dikan’ireo teny sy andian-teny ireo? Ahoana no ahafahantsika ho tonga toa an’ireo miaramila zatovolahy?

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 56:46–48 dia angataho izy ireo hihaino izay nampianarin’ireo renin’ireo miaramila zatovolahy ny zanany mikasika ny finoana. Ahoana no fomba hanampian’ireo ray aman-dreny ankehitriny ny zanany mba hanana finoana? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny ankizy ny manaraka “tamin’ny antsipiriany” ireo fampianarana marina ataon’ny ray aman-dreniny na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana? (Almà 57:21).

Sary
reny mampianatra ny zanany lahy

Voan’ny finoana, nataon’i Jay Ward

Almà 53:10–17; 56:27

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataoko aho.

Ireo miaramila zatovolahy sy ny ray aman-drenin’izy ireo dia nanao fanekempihavanana izay notanterahiny tamim-pahatokiana. Azonao atao ny mampiasa io tantara io mba hampianarana ny ankizy momba ny maha-zava-dehibe ireo fanekempihavanana.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ho vondrona telo ny ankizy: ny iray maneho an’i Helamàna, ny iray hafa maneho ireo vahoakan’i Amôna, ary ny fahatelo maneho ireo zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna. Iaraho mamaky ny Almà 53:10–17, ary avelao ireo vondrona hizara ny nanaovan’ny olona isoloany tena fanekempihavanana sy nitandreman’izy ireo izany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia mitahy antsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika.

  • Manorata andian-teny avy ao amin’ny Môzià 18:8–10 na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 izay mamariparitra ireo zavatra ekentsika fa hataontsika rehefa atao batisa isika. Manorata ihany koa andian-teny hafa sasany izay tsy mifandray amin’ireo fanekempihavanana. Angataho ny ankizy mba hanisy faribolana manodidina ireo zavatra izay ekentsika fa hataontsika (avelao izy ireo hampiasa ny soratra masina raha ilaina izany). Inona ireo fitahiana azontsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika? Amporisiho ny ankizy hanoratra izay nataony fanekempihavanana tamin’Andriamanitra fa hataony ary hametraka ny lisitra nataony eo amin’ny toerana izay ahitany izany matetika.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Almà 56:27. Ahoana no fomba nanampian’ny ray ny zanany ka tsy nandikana ny fifanekena mba tsy hiady? Iza no manohana antsika amin’ny fitandremantsika ireo fanekempihavanantsika?

Almà 61:3–14

Afaka misafidy ny tsy ho tezitra aho.

Niampanga tamim-pahadisoana an’i Pahôràna i Almà, kanefa raha tokony ho tezitra i Pahôràna dia niteny izy hoe: “[Izaho dia] … mifaly kosa amin’ny fahalehibeazan’ny fonao” (Almà 61:9).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra momba ny fotoana iray izay niampangana azy ireo ho nanao zavatra izay tsy nataony. Lazao amin’izy ireo ny fomba nitrangan’izany tamin’i Pahôràna (jereo ny Almà 60–61). Azonao atao ny mampiasa ny “Toko 35: Ny Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 95–97, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Mba hahafantarana ny fomba fihetsik’i Pahôràna dia mifandimbiasa mamaky ireo andininy ao amin’ny Almà 61:3–14. Inona no nataon’i Pahôràna rehefa niampanga azy i Môrônia? Inona no azontsika ianarana momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatra nasehon’i Pahôràna? Ahoana no ahafahantsika hitovy aminy?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Inona no tokony ataoko rehefa tezitra amiko ny olona iray? Asao ireo ankizy hifandimby hanoratra valinteny sasantsasany eny amin’ny solaitrabe. Tamin’ny fomba ahoana no mety ho namalian’i Pahôràna io fanontaniana io? Angataho ny ankizy mba hanoratra taratasy ho an’ny tenan’izy ireo izay azon’izy ireo vakiana rehefa tezitra amin’izy ireo ny olona iray.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny fomba iray irian’izy ireo hitoviana amin’ireo miaramila zatovolahy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny misaotra ny ray aman-dreniny amin’ny fampianarana azy ireo tahaka ny nataon’ireo renin’ireo miaramila zatovolahy.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Ny fanovaovana ny endriky ny efitrano fianarana dia mety hanampy ny ankizy indraindray mba handray anjara bebe kokoa amin’ireo fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Azonao atao, ohatra, ny manasa ny ankizy tsindraindray mba hipetraka hanao faribolana eo amin’ny tany fa tsy eny ambonin’ny sezan’izy ireo.