Avia, hanaraka Ahy
3–9 aogôsitra. Almà 43–52: “Mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy”


“3–9 aogôsitra. Almà 43–52: -Mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“3–9 aogôsitra. Almà 43–52,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Môrônia sy ny Fanevan’ny Fahafahana

Ho an’ireo fitahiana avy amin’ny fahafahana, nataon’i Scott M. Snow

3–9 aogôsitra

Almà 43–52

“Mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy”

Rehefa manao drafitra momba ireo asa atao ianao dia mety hahita soso-kevitra ato mbahampianarana ny ankizy kely sy ny ankizy lehibe.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara izay tsaroan’izy ireo momba ny sasany amin’ireo olona sy tantara ao amin’ny Almà 43–52, toy ny Kapiteny Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana. Mba hanampiana azy ireo hahatadidy dia mampisehoa sary avy ao amin’ny Les histoires dans le Livre de Mormon, ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, na Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 43:17–21; 48:7–8; 49:1–5; 50:1–6

Afaka mahita fiarovana ara-panahy ao anatin’ny filazantsara aho.

Mba hiarovana ny Nefita tamin’ireo Lamanita dia nanomana ny vahoakany tamin’ny fitaovam-piadiana sy fananganana manda i Môrônia. Ireo ezaka nataony dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika mahita fiarovana ara-panahy.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita (jereo ny Almà 43), ka hamafiso fa nitondra fitaovam-piadiana mba hiarovana ny tenany ny Nefita. Azonao ampiasaina ny “Toko 11: Nandresy an’i Zarahemnà ny Kapiteny Môrônia” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 85–88, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org Vakio ny Almà 43:19, ary asao ny ankizy mba hanondro ampahany amin’ny vatany rehefa henony ao anatin’ilay soratra masina.

  • Hazavao fa tahaka ny Nefita izay niady ara-batana, isika koa dia ao anatin’ny ady ara-panahy amin’i Satana, izay tsy maniry ny hitandremantsika ireo didin’Andriamanitra. Manaova sarina ankizy eny amin’ny solaitrabe, ary ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay miaro antsika ara-panahy tahaka ny fitaovam-piadiana izay miaro ny vatantsika (ohatra: vavaka, famakiana soratra masina, na fitandremana ireo didy). Isaky ny misy zavatra iray voatonona dia manaova sarina fitaovam-piadiana eo amin’ilay ankizy eo amin’ny solaitrabe.

Sary
Ny Nefita niady tamin’ny Lamanita

Fiarovana ny tanàna iray an’ny Nefita, nataon’i Minerva K. Teichert

Almà 46:11-16; 48:11–13, 16–17

Afaka ny ho mahatoky tahaka ny Kapiteny Môrônia aho.

Ohatra lehibe amin’ny finoana, risi-po, ary fanompoana i Môrônia. Saintsaino ny fomba ahafahanao mitaona ireo ankizy mba hanaraka ny ohatra nasehony.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’i Môrônia ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Tantarao amin’ny mpianatra ny momba ny fanevan’ny fahafahana sy izay voasoratra teo amin’izany, ka ampiasao ireo andian-teny avy ao amin’ny Almà 46:11–16. Azonao ampiasaina ny “Toko 31: Ny Kapiteny Môrônia sy ny Fanevan’ny Fahafahana” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 89-90, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Avelao ny ankizy hanampy hitantara ilay tantara araka izay betsaka azony atao. Mariho fa i Môrônia dia nampiasa ny fanevan’ny fahafahana mba hanampiana ny Nefita hahatsiaro izay manan-danja ho azy ireo.

  • Ampio ny ankizy hamorona fanevan’ny fahafahana azy ireo na ho an’ny kilasinao. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay inoan’izy ireo na ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra hotsaroan’izy ireo. Avelao izy ireo hanao ny sarin’ireo zavatra ireo eo amin’ny taratasy lehibe iray, na azonao atao ny mitondra sary mba hapetak’izy ireo eo amin’ilay taratasy.

  • Angataho ny ankizy mba hilaza aminao momba ny olona sasany izay tian’izy ireo halain-tahaka sy ny antony hitiavan’izy ireo ny hitovy amin’izy ireny. Dia zarao amin’izy ireo avy eo ny teny sasany avy ao amin’ny Almà 48:11–13 izay mamariparitra an’i Môrônia, ary asao izy ireo mba hamantatra hoe iza no fariparitan’ireo teny ireo. Mampisehoa sarin’i Môrônia, dia miresaha momba ireo fomba ahafahantsika hitovy aminy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 43:17–21; 48:7–8; 49:1–5; 50:1–6

Afaka mahita fiarovana ara-panahy ao anatin’ny filazantsara aho.

Misy loza maro eto amin’izao tontolo izao, saingy betsaka ny zavatra azon’ny ankizy ianarana avy amin’ny Nefita momba ny fomba hiarovan’izy ireo ny tenany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hamaky mangina ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto izay mamariparitra ny fomba nanomanana ny Nefita tamin’ny ady tamin’ireo Lamanita: Almà 43:19; 48:8; 49:1–5; ary 50:2–4. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo (ampio izy ireo raha ilaina izany). Hazavao fa isika dia ao anatin’ny ady ara-panahy amin’i Satana, ary tsy maintsy miaro ara-panahy ny tenantsika isika, tahaka ny Nefita izay niaro ara-batana ny tenany mba tsy ho resin’ny Lamanita. Inona ireo karazana fitaovam-piadina na manda izay azontsika aorina mba hiarovana ny tenantsika ao anatin’ireo ady ara-panahy?

  • Ampio ny ankizy hanamboatra fiarovan-tratra vita amin’ny taratasy lehibe iray na baoritra iray, ary asaivo manoratra ireo zavatra izay miaro antsika ara-panahy eo amin’izany izy ireo. Omeo tapa-taratasy iray ny ankizy tsirairay, dia asao ny ankizy mba hanoratra zavatra ratsy iray izay mety hakan’i Satana fanahy antsika (toy ny mandainga, mangalatra, na ratsy fanahy). Asaivo mamoritra izay ho lasa toy ny baolina izy ireo ka hanipy izany eo amin’ilay fiarovan-tratra mba hanehoana fa afaka miaro antsika amin’i Satana ny filazantsara (jereo ihany koa ny Efesiana 6:16).

Almà 46:11-16; 48:11–13, 16–17

Afaka ny ho mahatoky tahaka ny Kapiteny Môrônia aho.

I Môrônia dia mpianatr’i Jesoa Kristy izay nahatoky sy natanjaka, sy nitaona ny Nefita mba hiaina ny filazantsara (jereo ny Almà 48:17). Inona no azon’ny ankizy ao amin’ny kilasinao ianarana avy amin’ny ohatra nasehony?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Almà 46:11-16. Inona no tian’i Môrônia hotsaroan’ireo Nefita? (jereo ny andininy 12). Tamin’ny fomba ahoana no nanampiana azy ireo hahatsiaro ireo zavatra ireo? Angataho ny ankizy mba hitanisa ny sasany amin’ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho tsaroantsika. Avelao ny ankizy hanamboatra ny endriky ny “fanevan’ny fahafahana” azy ireo manokana miaraka amin’ny andian-teny na sary izay hanampy azy ireo hahatsiaro ireo zavatra ireo.

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Almà 48:17. Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny antony hanasana antsika ho tonga tahaka an’i Môrônia dia asao izy ireo mba handalina ny Almà 48:11–13, 16. Angataho izy ireo hitady teny na andian-teny izay manampy antsika hahatakatra ny antony naha-mpianatra tsaran’i Jesoa Kristy an’i Môrônia. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia entano izy ireo hieritreritra zavatra manokana izay azon’izy ireo atao mba ho tonga tahaka an’i Môrônia bebe kokoa.

Almà 47:4–19

Maka fanahy sy mamitaka antsika tsikelikely i Satana.

Ilain’ny ankizy fantarina fa hiezaka haka fanahy antsika mba hanao fahotana kely i Satana mba hahafahany mitarika antsika amin’ny fahotana lehibe kokoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ireo andininy ao amin’ny Almà 47:4–19, ary hazavao ny fomba nahazoan’i Amalikià nifehy ny miaramilan’i Lehôntia, na dia “nohamafisin[‘ireo olona tao amin’ny tafika] tao an-tsainy” aza fa tsy hoterena hiady amin’ny Nefita izy ireo. Inona no ho nitranga raha toa nolazain’i Amalikià hatrany am-boalohany tamin’i Lehôntia izay nokasainy hatao? Mampianatra antsika inona momba ny fomba hiezahan’i Satana hamitahana antsika ireo andininy ireo?

  • Mampisehoa sarina trano iray izay voakarakara tsara sy trano iray izay tsy noraharahiana, na mampiseho sarina zaridaina voakarakara tsara sy zaridaina iray feno ahitra. Avelao ny ankizy hiresaka momba ny zavatra hitany ao amin’ireo sary ireo sy ny fomba nitrangan’ireo zavatra ireo rehefa nandeha ny fotoana. Inona no tokony nataon’ilay tompon-trano na tompon-jaridaina mba hisorohana izany? Hazavao fa ny olona dia mety ho tonga feno fahotana tsikelikely raha toa ka tsy mandresy ireo fakam-panahin’i Satana hanao fahotana kely izy ireo (toy ny tsy marin-toetra na mijery pôrnôgrafia) dia avy eo fahotana lehibe kokoa. Inona avy ireo zavatra ratsy sasany izay tsy tokony ataontsika eo amin’ny fiainantsika?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ny ankizy tsirairay mba hilaza zavatra iray izay henony na tsapany androany ka tiany hozaraina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hahatanteraka ny drafitr’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hanorina fahatokian-tena. Ny ankizy sasany dia mety tsy hahatsapa ho afaka hianatra samirery ny filazantsara. Fomba iray hanorenana ny fahatokian-tenany ny fiderana azy ireo rehefa mandray anjara ao amin’ny kilasy.