Avia, hanaraka Ahy
24–30 aogositra. 7–12 Helamàna: “[M]ahatsiaro ny Tompo”


“24–30 aogositra. Helamàna 7–12: -[M]ahatsiaro ny Tompo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“24–30 aogositra. Helamàna 7–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Nefia mivavaka eo amin’ny tilikambon’ny saha iray

Sarin’i Nefia eo amin’ny tilikambon’ny saha iray nataon’i Jerry Thompson

24–30 aogositra

Helamàna 7–12

“[M]ahatsiaro ny Tompo”

Nanana “fanambarana maro isan’andro” i Nefia, sy i Lehia, ary ny hafa (Helamàna 11:23). Tsy natao ho an’ireo mpaminany irery ihany ny fanambarana tsy tapaka. Misokatra ho ahy sy ho anao ihany koa izany. Ny firaketana ireo fahatsapanao dia afaka manampy anao handray fanambarana matetika kokoa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Namporisika ireo zanany lahy i Helamàna, rain’i Nefia hoe “ô tsarovy, tsarovy”: tiany izy ireo hahatsiaro ny razamben’izy ireo, ny tenin’ireo mpaminany, ary ambonin’izany rehetra izany mba hahatsiaro “ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy” (jereo ny Helamàna 5:5–14). Mazava fa nahatsiaro i Nefia satria io hafatra io ihany no nambarany “tsy sasatra” tamin’ny vahoaka taona maro taty aoriana (Helamàna 10:4). “Ô, ahoana no nahafahanareo nanadino ny Andriamanitrareo?” (Helamàna 7:20), hoy izy nanontany. Ny ezaka rehetra nataon’i Nefia, dia ny fitoriana, ny vavaka, ny fanaovana fahagagana, ary ny fangatahana mosary tamin’Andriamanitra, dia fiezahana ny hanampy ny vahoaka hitodika amin’Andriamanitra sy hahatsiaro Azy. Amin’ny lafiny maro, ny hoe manadino an’Andriamanitra dia olana lehibe kokoa noho ny hoe tsy mahafantatra Azy, ary mora ny manadino Azy rehefa voasarik’ireo “zava-poanan’ izao tontolo izao”sy saron’ny fahotana ny saintsika (Helamàna 7:21; jereo koa ny Helamàna 12:2). Saingy araka ny asehon’ny fanompoan’i Nefia dia tsy misy velively izany hoe tara loatra izany mba hahatsiaro sy “[hitodika] … amin’ny Tompo Andriamanitrareo” (Helamàna 7:17).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Helamàna 7–11.

Manambara ny sitrapon’Andriamanitra ny mpaminany.

Misy mpaminany maro voalaza manerana ny Bokin’i Môrmôna saingy ny Helamàna 7–11 dia toerana tsara manokana hianarana ny atao hoe mpaminany, sy ny zavatra ataony, ary ny fomba tokony handraisana ireo teniny. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia diniho tsara ny zavatra ataon’i Nefia, sy ny eritreriny ary ny fifandraisany amin’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanompoan’i Nefia anao hahatakatra tsaratsara kokoa ny andraikitry ny mpaminany amin’izao androntsika izao? Ireto misy ohatra vitsy. Inona koa no hitanao?

Helamàna 7:17–22:Mitory fibebahana sy mampitandrina amin’ireo vokatry ny fahotana ny mpaminany.

Helamàna 7:29; 9:21–36:Mahafantatra ny zavatra mila henon’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’Andriamanitra ny mpaminany.

Helamàna 10:7:Nomena fahefana hamehy eto an-tany sy any an-danitra ny mpaminany (jereo koa ny Matio 16:19; FF 132:46).

Helamàna 10:4–7, 11–12:

Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny zavatra tsapanao momba ny mpaminanintsika velona? Inona no zavatra nampianariny vao tsy ela? Inona no ataonao ankehitriny mba hihainoana sy hanarahana ny toromarika omeny?

Helamàna 9–10

Manampy tokoa ireo famantarana sy ireo fahagagana saingy tsy ampy hanorenana finoana maharitra.

Raha toa ka hoe ampy hanova ny fon’ny olona iray ny famantarana sy ny fahagagana dia ho efa ho nampiova fo ny Nefita rehetra ireo famantarana mampitolagaga nomen’i Nefia ao amin’ny Helamàna 9. “Fizarazarana teo anivon’ny vahoaka” aza no nitranga (Helamàna 10:1) noho izy ireo “mbola [nanamafy] ny fony” (Helamàna 10:15). Ahoana matetika no fihetsik’ireo ratsy fanahy manoloana ireo famantarana sy fahagagana? (jereo ny Helamàna 10:12–15; jereo koa ny 3 Nefia 2:1–2). Inona no loza ateraky ny fanaovana ny famantarana ho fototry ny fijoroana ho vavolombelona iray? (jereo ny “Signes,” sujet de l’Evangile , topics.ChurchofJesusChrist.org).

Helamàna 10:2–4

Manasa ny fanambarana ny fisaintsainana.

Raha efa nahatsapa ho ketraka, feno fanahiana, na sahiran-tsaina ianao dia mety hianatra lesona manan-danja iray avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia ianao ao amin’ny Helamàna 10:2–4. Inona no nataony rehefa “nitanondrika fatratra” izy? (andininy 3).

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring fa “Rehefa misaintsaina kosa isika, dia manasa ny fanambaran’ny Fanahy. Ny hoe misaintsaina dia ny fieritreretana sy ny fivavahana ataoko aorian’ny famakiana sy ny fandalinana tsara ny soratra masina” (“Manompo miaraka amin’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2010, 60). Inona no fomba ataonao mba hambolena fahazarana misaintsaina? Raha te hamaky mahakasika ny fomba iray hisaintsainana tsy tapaka ny tenin’Andriamanitra dia jereo ny hafatry ny Rahalahy Devin G. Durrant mitondra ny lohateny hoe “Ny foko misaintsaina lalandava izany” ( Liahona, nôv. 2015, 112–15).

Jereo koa ny Ohabolana 4:26; Lioka 2:19; 1 Nefia 11:1; 2 Nefia 4:15–16; 3 Nefia 17:3; Môrônia 10:3; FF 88:62.

Helamàna 12

Tian’ny Tompo ny hahatsiarovako Azy.

Ao amin’ny Helamàna 12, i Môrmôna, izay namintina ny rakitsoratra, dia mamintina ny sasany amin’ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Nefia tao amin’ireo toko teo aloha. Hevero ny hampiasa ity famintinana ity ho toy ny fahafahana iray handinihana ny fonao manokana. Azonao atao mihitsy aza ny manao lisitra ireo zavatra nolazain’i Môrmôna fa nahatonga ny olona nanadino ny Tompo. Inona no manampy anao hahatsiaro Azy? Inona no fiovana tsapanao fa tokony hoentinao raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Helamàna 7–9

Inona avy ireo fitoviana hitantsika eo amin’ireo zavatra nataon’i Nefia sy ireo zavatra ataon’ireo mpaminany ankehitriny? Inona no zavatra ampianarin’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao? Azonao atao tsara ny misafidy ny sasany amin’ny torohevitra nomen’ny mpaminany vao haingana ka hiarahanareo mianakavy mifanakalo hevitra ny amin’ny ireo fomba ahafahanareo manaraka izany tsaratsara kokoa.

Helamàna 10:4–5, 11–12

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Nefia fa nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo izy fa tsy ny azy? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony? Inona no sasantsasany amin’ireo fomba ahafahan’ny fianakaviantsika mikatsaka ny sitrapon’ny Tompo?

Helamàna 11:1–16

Inona no zavatra nirian’i Nefia ary inona no zavatra nataon’i Nefia nanoloana izany? Inona no ianarantsika mikasika ny vavaka avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia?

Helamàna 11:17–23

Inona no zavatra ianarantsika momba an’i Lehia rahalahin’i Nefia ao amin’ny Helamàna 11:17–23? Iza no fantatsika fa miaina fiianana amim-pahamarinana kanefa tsy mahazo fankasitrahana firy?

Helamàna 12:1–6

Afaka mieritreritra fomba fampianarana iray izay ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ve ianao ka afaka ampiasainao mba hanampiana ny fianakavianao hahatakata ny dikan’ny hoe tsy mitombina? Ohatra hoe mety hanasa olana iray ao amin’ny fianakaviana ianao hanandrana ny hanao kinarinarina na hametraka zavatra iray eo ambony lohany ka hanao izay tsy hilatsahan’izany. Azonao atao avy eo ny manasa ny fianakavianao hijery ao amin’ny Helamàna 12:1–6 ireo antony mety mahatonga ny olona ho tsy mitombina amin’ny fanarahana ny Tompo. Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho mitombina ara-panahy?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Famerenana. Indro misy hevitra iray mba hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hitadidy ny soratra masina ianaran’izy ireo: Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja ary arantio amin’ny toerana ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mahita azy matetika izany. Asao ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana hifandimby hisafidy soratra masina mba haranty ary hifanakalozy hevitra amin’ny fotoana ivorian’ny fianakaviana tahaka ny amin’ny fotoana isakafoana na ny fotoan’ny vavaky ny mpianakavy.

Sary
Hita fa i Seantôma no ilay mpamono olona

© The Book of Mormon for Young Readers, Seantôma—tratra ilay mpamono olona, nataon’i Briana Shawcroft; mety tsy azo atao tahadika