Avia, hanaraka Ahy
31 aogositra–6 septambra: “Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”


31 aogositra–6 septambra Helamàna 13–16: -Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“31 aogositra–6 septambra,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
Samoela ilay Lamanita mampianatra eo ambonin’ny manda

I Samoela ilay Lamanita eo ambony manda, nataon’i Arnold Friberg

31 aogositra–6 septambra

Helamàna 13–16

“Vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe”

Eo am-piraketanao ny zavatra tsapanao amin’ity herinandro ity, dia eritrereto ny fomba hanohanan’ireo fitsipika ao amin’ny Helamàna 13–16 sy hanamafisan’izany ireo zavatra efa nianaranao tao amin’ny soratra masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’y fotoana voalohany niezahan’i Samoela ilay Lamanita nizara “vaovao mahafaly” tao Zarahemlà (Helamàna 13:7), dia nolavin’ny olona izy ary noroahin’ireo Nefita mafy fo. Toy ireny hoe nanangana manda tsy hay hidirana manodidina ny fony ireny izy ireo, izay nanakana azy ireo tsy handray ny hafatr’i Samoela. Takatr’i Samoela ny lanjan’ilay hafatra nentiny ka dia naneho finoana izy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra “fa tokony hiverina indray izy sy haminany” (Helamàna 13:3). Tahaka ny nahazo an’i Samoela mihitsy, isika rehetra dia mifanehitra amin’ny manda rehefa “[manomana] ny lalan’ny Tompo” (Helamàna 14:9) ary miezaka manaraka ireo mpaminaniny. Ary tahaka an’i Samoela, isika ihany koa dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, “izay ho avy marina tokoa” ary manasa ny rehetra mba “[h]ino ny anarany” (Helamàna 13:6; 14:13). Tsy ny olona rehetra no hihaino, ary mety hanohitra antsika amim-pahavitrihana ny olona sasany. Fa ireo izay mino an’io hafatra io amim-pinoana an’i Kristy dia mahita fa tena “vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” tokoa izany (Helamàna 16:14).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Helamàna 13

Manome fampitandremana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.

Indraindray ny mpaminany ao amin’ny soratra masina dia ampitahaina amin’ny mpitily eny ambony manda na tilikambo izay mampitandrina amin’ny loza (jereo ny Isaia 62:6; Ezekiela 33:1–7).

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Nandritra ny taonjato maro, ireo mpaminany dia efa nahavita ny adidiny tamin’ny fampitandremana ny olona ny amin’ny loza izay manoloana azy ireo. Ny Apôstôlin’ny Tompo dia tsy maintsy manara-maso sy mampitandrina ary manolo-tanana mba hanampiana ireo izay mikatsaka valim-panontaniana momba ny fiainana” (“Andriamanitra no mpanamory,” Liahona, nôv. 2015, 25).

Rehefa mandalina sy misaintsaina ny Helamàna 13 ianao dia azonao asiana marika ireo fampitandremana maro izay nomen’i Samoela. Ohatra, inona no nampianariny momba ny fibebahana? momba ny fanetrentena sy ny harena? Ahoana no mety hampiharana izany fampitandremana izany aminao? Inona avy ireo fampitandremana nomen’ireo mpaminany maoderina farany indrindra, ary inona no tsapanao fa tokony hataonao momba ireo fampitandremana ireo?

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mampitodika antsika any amin’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Helamàna 13–15

Feno famindram-po amin’ireo izay mibebaka ny Tompo.

Tany am-piandohana i Samoela dia nirahina nankany amin’ny Nefita mba hizara ny vaovao mahafaly momba ny fahatongavan’ny Mpamonjy (jereo ny Helamàna 13:7). Noho izy ireo tsy nandray azy dia niverina niaraka tamin’ny fampitandremana hentitra momba ny fitsaran’ Andriamanitra izy. Saingy ireo fampitandremana ireo dia nahitana hatrany fanasana feno indrafo mba hibebaka. Tadiavo ao anatin’ny Helamàna 13–15 ireo fanasana ireo (jereo indrindra indrindra ny Helamàna 13:6, 11; 14:15–19; 15:7–8). Ahoana no iharan’ireo fanasana ireo aminao? Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fibebahana? Oviana ianao no nahatsapa ny famindram-pon’ Andriamanitra izay azo avy amin’ny fibebahana?

Helamàna 14; 16:13–23

Afaka mampatanjaka ny finoan’ireo izay tsy manamafy ny fony ny famantarana sy ny zavatra mahatalanjona.

Ao amin’ny Helamàna 14, i Samoela dia nanazava ny antony nanomezan’ny Tompo famantarana momba ny fahaterahana sy ny fahafatesan’ny Mpamonjy: “Ny fikasana dia ny hahazoanareo mino ny anarany” (Helamàna 14:12). Rehefa mandalina ny Helamàna 14 ianareo dia jereo ireo famantarana momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 1–8 sy ireo famantarana ny fahafatesany ao amin’ny andininy 20–28. Araka ny hevitrao, dia nahoana ireo famantarana ireo no ho fomba mahomby hilazana ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy?

Misy famantarana nomen’ny Tompo tonga ao an-tsainao ve, izay natao mba hanampiana anao hino Azy? Ohatra, ireo mpaminany dia nilaza mialoha fa hisy famantarana hiseho alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo ny “Famantaran’ireo fotoana,” Torolalana ho an’ny soratra masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Misy efa tanteraka amin’izao androntsika izao ve amin’ireo famantarana ireo? Ireo famantarana hafa izay mitondra ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mety ho mahakasika ny tena manokana kokoa ary tsy dia mampitolagaga be loatra. Makà fotoana kely hisaintsainana ireo fomba nahitanao ny fiasan’ny tanany teo amin’ny fiainanao.

Inona no fampitandremana omena momba ireo famantarana ao amin’ny Helamàna 16:13–23? Ahoana no hahafahanao miala amin’ny fihetsika sy fomba fisainan’ireo olona izay voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny Almà 30:43–52; Ronald A. Rasband, “Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 55–57.

Helamàna 16

Mitondra ahy hanakaiky kokoa ny Tompo ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany.

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Nahita aho fa rehefa mandalina amim-bavaka ny tenin’ny mpaminanin’ Andriamanitra aho ary mampifanaraka ara-panahy amim-pitandremana sy amim-paharetana ny sitrapoko amin’ireo fampianarany azo avy amin’ny fanentanam-panahy, dia mitombo hatrany ny finoako an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa misafidy ny tsy hiraharaha ny toroheviny isika, ary mitono-tena ho mahay kokoa, dia mijaly ny finoantsika ary ho semban-drahona ny fomba fijerintsika ny mandrakizay” (“Ilay Mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26–27). Ahoana no hanamafisan’ireo teny sy asa nataon’ny Nefita ao amin’ny Helamàna 16 ny zavatra nampianarin’ny Loholona Andersen? Inona no fanolorantena manokana tsapanao fa tokony hataonao mahakasika ireo mpaminanin’ny Tompo sy ny hafatr’izy ireo?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Helamàna 13:3–4

Inona no manentana ny fianakavianao mikasika ny fihetsika nasetrin’i Samoela ny didin’ny Tompo ao amin’ny Helamàna 13:3–4? Mandritra ny fandalinana ataon’ny fianakavianao amin’ity herinandro ity dia azonao atao tsara ny mamporisika ny olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny zavatra tsapany izany “tonga ao am-pony.”

Helamàna 13:38

Ilay hevitra hoe ny fahasambarana dia mety ho hita ao amin’ny “fanaovana heloka” dia zavatra fahita amin’izao androntsika izao. Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fiainana ny filazantsara fifaliana marina ho antsika?

Helamàna 15:3

Ahoana no anehoan’ny fanitsian’ Andriamanitra ny fitiavany antsika? Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hanontany ny Tompo amim-panetrentena ny zavatra azon’izy ireo atao mba hihatsara kokoa.

Helamàna 15:5–8

Inona no ianarantsika mikasika ny fiovam-po avy amin’ireo Lamanita izay resadresahina ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no hahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

Helamàna 16:1–3

Ho tian’ny fianakavianao ve ny hilalao an-tsehatra ilay tantaran’i Samoela ilay Lamanita? Rehefa avy mamaky ilay tantara, dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mifandimby mitsangana eo ambony seza iray ary mamaky ny sasany amin’ireo faminanian’i Samoela raha toa kosa ireo olona sasany ao amin’ny fianakaviana ka mody mitifitra amin’ny zana-tsipìka na mitoraka amin’ny vato. Izany dia afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ny zavatra mety ho tsapan’i Samoela sy ny Nefita. Mety ho tian’ny ankizy kely koa ny manao sary an’ilay tantara. Ahoana no hahafahantsika hitovy amin’i Samoela sy hizara ny filazantsara amin’ny hafa na dia eo aza ny tahotra ao anatintsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Tadiavo ireo fakan-tahaka. Ny lamina dia drafitra na maodely izay azo ampiasaina toy ny tari-dalana iray mba hanatanterahana asa iray. Ao amin’ny soratra masina isika dia mahita lamina izay maneho ny fomba hanatanterahan’ny Tompo ny asany, toy ny fanirahana ireo mpanompony hampitandrina ny olona.

Sary
I Samoela ilay Lamanita mampianatra

© The Book of Mormon for Young Readers, I Samoela ilay Lamanita, nataon’i Briana Shawcroft