Avia, hanaraka Ahy
14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”


“14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: -Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 septambra. 3 Nefia 8–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i James Fullmer

14–20 septambra

3 Nefia 8–11

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”

Nandre ny feon’Andriamanitra niteny taminy ny vahoaka ao amin’ny 3 Nefia 8–11. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia henoy tsara izay zavatra lazain’ny feony aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ ny mpaminany fa ho avy eo amin’ izao tontolo izao” (3 Nefia 11:10). Tamin’ny alalan’ireo teny ireo no nampahafantaran’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ny tenany izay manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny 600 taona mahery. “Io fisehoana io sy io fanambarana io,” araka ny nosoratan’ny Loholona Jeffrey R. Holland, “no zavatra fototra sy fotoana lehibe indrindra ao amin’ny tantara manontolo voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io no fanehoana sy lalàna izay nampahalala sy nitaona ny mpaminany Nefita rehetra. … Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany—fa tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga marina tokoa Izy. Ilay andro lehibe indrindra! Tonga ilay Andriamanitra izay manova ny alina maizina rehetra ho hazavan’ny maraina” (Christ and the New Covenant [1997], 250–51).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 8–11

I Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao.

Mety hahatsikaritra ianao fa ireo lohahevitra mifandray amin’ny haizina sy hazavana—sady ara-batana no ara-panahy —dia miverimberina manerana ny 3 Nefia 8–11. Inona no ianaranao avy amin’ireo toko ireo momba ny haizina sy hazavana ara-panahy? Inona no mitondra haizina eo amin’ny fiainanao? Inona no mitondra hazavana? Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no nisafidy ny hampahafantatra ny tenany ho toy ny “fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao”? (3 Nefia 9:18; 11:11). Tamin’ny fomba ahoana no naha-fahazavana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao?

3 Nefia 8–10

Hanangona sy hiaro ary hanasitrana ahy i Jesoa Kristy raha mibebaka aho.

Toy ny ahoana araka ny fieritreretanao azy no mety ho fahatsapana nananan’ny vahoaka taorian’ny niainany ny faharavana sy haizina izay tantaraina ao amin’ny 3 Nefia 8? Inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapan’izy ireo rehefa nandre ny feon’ny Mpamonjy niresaka momba ny fahazavana sy famindram-po ary ny fanavotana ao amin’ny toko 9 sy 10 izy ireo?

Na dia nambaran’ny Mpamonjy aza fa ilay faharavana mahatsiravina dia vokatry ny fahotan’ny vahoaka dia mbola nampanantena Izy fa hanasitrana ireo izay hanatona Azy ka hibebaka (jereo ny 3 Nefia 9:2, 13). Nanambara toy izao ny Loholona Neil L. Andersen: “Talanjona aho tamin’ny sandry misakambin’ny Mpamonjy izay feno famindram-po sy fitiavana ho an’izay nibebaka, na tahaka ny inona ny endriky ny fitiavan-tena tao anatin’ilay fahotana nafoy. Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka sy dodona ny hamela ny fahotantsika ny Mpamonjy” (“Mibebaka … mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 40).

Diniho ny 3 Nefia 9–10 ary tadiavo ao ny porofo ny amin’ny famindram-pon’i Kristy sy ny faniriany mafy hamela heloka. Ohatra hoe, inona no hitanao ao amin’ny 3 Nefia 9:13–22 sy 10:1–6 izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny famindram-pony? Saintsaino ireo zavatra niainana izay nahatsapanao fa “nanangona” sy “namahana” anao Izy (jereo ny 3 Nefia 10:4). Hevero ny hanoratra ireo zavatra niainana ireo ao amin’ny diarinao na ny hizara ireo amin’ireo olon-tianao.

3 Nefia 11:1–8

Afaka mianatra ny mandre sy mahatakatra ny feon’Andriamanitra aho.

Efa mba nahatsapa ho toy ny sahirana izany ve ianao manakatra hafatra iray nampitain’Andriamanitra taminao? Mety hanampy anao hahatakatra ireo fitsipika sasantsasany amin’ny fandrenesana sy fahatakarana ny feon’Andriamanitra ny zavatra niainan’ireo olona ao amin’ny 3 Nefia 11:1–8 . Azonao atao ny mandray an-tsoratra ny toetoetran’ny feon’Andriamanitra izay ren’ireo olona sy ny zavatra nataon’izy ireo mba hahatakarana izany tsaratsara kokoa. Amin’ny fomba ahoana no iharan’io tantara io amin’ireo ezaka ataonao mba handre sy hamantarana ny feon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

3 Nefia 11:8–17

Manasa ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana momba Azy i Jesoa Kristy.

Sahabo ho 2.500 isa teo hoe eo no olona tafangona tao Soafeno tamin’ny fotoana nisehoan’i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 17:25). Na dia marobe aza ireo olona ireo dia nasain’ny Mpamonjy izy ireo “tsirairay” hikasika ny diam-pantsika teny amin’ny tanany sy ny tongony (3 Nefia 11:14–15). Inona no ambaran’izany aminao mikasika ny maha-zava-dehibe ny fiainana zavatra ho an’ny tena manokana izay mampiorina finoana an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fomba hanasan’ny Mpamonjy anao hitsangana sy hankany Aminy? (3 Nefia 11:14). Inona avy ireo zavatra niainana izay nanampy anao hanana fijoroana ho vavolombelona fa Izy no Mpamonjy anao? Azonao atao ihany koa ny mandinika hoe ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo hampivoatra ireo ezaka ataonao mba hanompoana ny hafa.

Sary
i Jesoa Kristy mampiseho amin’ny Nefita ny diam-pansika eny amin’ny tanany

Tsirairay, nataon’i Walter Rane.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 8–9

Mba hanampiana ny fianakavianao hampihatra amin’ny tenany ireo zavatra niainana voasoritsoritra ao amin’ny 3 Nefia 8–9, dia azonao averina tantaraina na henoina ao amin’ny efitrano maizina iray ny raki-peon’ny ampahan’ireo toko ireo. Resaho hoe mety ho toy ny ahoana re izany hoe ao anatin’ny haizina mandritra ny telo andro izany e? Avy eo dia azonareo atao ny miresaka ny amin’ny maha- “fahazavan[‘]… izao tontolo izao” an’i Jesoa Kristy (3 Nefia 9:18).

3 Nefia 10:1–6

Afaka ny ho fitaovam-pampianarana mahomby hanampiana ny ankizy madinika hahatakatra ny toetoetran’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy ny sariohatry ny reniakoho manangona ny zanany. Azonao atao ny mamaky ireo andininy ireo ary ny fianakavianao kosa dia mijery ny sarin’ny reniakoho iray sy ireo zanak’akoho mandritra izany. Nahoana no mila manangona ny zanany ny reniakoho? Nahoana ny Mpamonjy no te hanangona antsika eo akaikiny? Inona no zavatra mety hitranga raha tsy manaiky hangonina ny zanak’akoho iray rehefa antsoina?

3 Nefia 11:1–7

Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireo andininy ireo amin’ny feo malefaka, “tony” (3 Nefia 11:3). Inona no zavatra voatery nataon’ny olona mba hahatakarana ilay feo avy tany an-danitra? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

3 Nefia 11:21–38

Misy olona miomana ny ho atao batisa ve ao amin’ny fianakavianareo? Mety afaka hanampy azy ireo hiomana ny famakiana ny 3 Nefia 11:21–38 . Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo ny olona efa vita batisa ao amin’ny fianakaviana?

3 Nefia 11:29–30

Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fifanjihirana? Ahoana no ahafahantsika “hampitsaha[tra]” ny fifanjihirana ao an-tokantranontsika? (3 Nefia 11:30).

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mirakitra ireo zavatra tsapa. Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny fahalalana noraketina an-tsoratra tsara dia fahalalana azo ampiasaina amin’ny fotoana ilàna izany. … Manatsara ny fahafahanao mandray fahazavana bebe kokoa ny [firaketana an-tsoratra ny fahatsapana ara-panahy] ” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 88).

Sary
i Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Iray ihany ny Mpiandry, nataon’i Howard Lyon