Avia, hanaraka Ahy
21–27 septambra. 3 Nefia 12–16: “Izaho no lalàna sy fahazavana”


“21–27 septambra. 3 Nefia 12–16: -Izaho no lalàna sy fahazavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 septambra. 3 Nefia 12–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa maneho ny Apôstôly roa ambin’ny folo

Nefia fahatelo: Ireto roa ambin’ ny folo izay efa nofinidiko ireto, nataon’i Gary L. Kapp

21–27 septambra

3 Nefia 12–16

“Izaho no lalàna sy fahazavana”

Maro ireo fitsipika azo sintonina ao amin’ny 3 Nefia 12–16. Ny sasany amin’izany dia hasongadina ato amin’ity rindran-damina ity, kanefa mety hahita hafa ianao. Avelao ny Ray any An-danitra hampianatra anao, amin’ny alalan’ny Fanahiny, ny zavatra ilainao amin’izao fotoana izao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tahaka ireo mpianatr’i Jesoa izay nivondrona teo amin’ny tendrombohitra tany Galilia, ireo olona izay nivondrona tany amin’ny tempolin’i Soafeno dia niaina ihany koa teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. Nanaraka izany izy ireo satria nampitodika ny fanahin’izy ireo tamin’i Kristy izany (jereo ny Jakôba 4:5), ary eto i Kristy dia mijoro eo anatrehan’izy ireo, manambara lalàna ambony kokoa. Kanefa na isika izay tsy mbola niaina ny lalàn’i Mosesy aza dia afaka miaiky fa lalàna ambony kokoa ny fenitra napetrak’i Jesoa ho an’ireo mpianany. “Tiako ianareo ho tanteraka,” hoy ny nambarany (3 Nefia 12:48). Raha mahatonga anao hahatsapa izany fa tsy hahavita izany ianao, dia tadidio fa i Jesoa koa dia niteny hoe “Sambatra ny ory am-panahy izay mankatỳ Amiko, fa azy ny fanjakan’ ny lanitra” (3 Nefia 12:3). Io lalàna ambony kokoa io dia fanasana, fomba iray hafa hilazana hoe “Mankanesa aty Amiko, ary aoka ho voavonjy” (3 Nefia 12:20). Tahaka ny lalàn’i Mosesy, io lalàna io dia mampitodika antsika any amin’i Kristy, ilay hany Tokana afaka manavotra sy mandavorary antsika. “Indro,” hoy Izy, “Izaho no lalàna sy fahazavana. Mijere atỳ Amiko ary mahareta hatramin’ ny farany dia ho velona ianareo” (3 Nefia 15:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 12–14

Ny fampianaran’ny Mpamonjy dia maneho amiko ny fomba hahatongavana ho mpianatra marina.

Ahitana fahamarinana, torohevitra, ary fampitandremana maro ao amin’ny 3 Nefia 12–14. Inty misy fomba iray handalinana sy hampiharana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo toko ireo: Makà andiana andinin-tsoratra masina, ary jereo raha afaka mamintina ny zavatra ampianarin’ireo andininy ao anatin’ny fehezan-teny iray ianao izay manomboka amin’ny hoe “Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy …” Ohatra hoe, mety ho famintinana ny 3 Nefia 14:1–5 ny hoe “Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia tsy tia mitsaratsara ny hafa.” Mety ho tianao ny hisafidy andininy iray avy amin’ireo toko ireo izay manan-danja indrindra aminao dia manao tsianjery izany na manao tahadikan’izany ary mametraka izany amin’ny toerana izay hahitanao azy matetika. Saintsaino ny fomba azonao hampiharana ny zavatra nianaranao amin’ny ezaka ataonao manokana mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa.

Jereo koa ny Matio 5–7; Lioka 6:20–49.

3 Nefia 12:1–2; 15:23–24; 16:1–6

Sambatra ireo izay mino nefa tsy mahita.

Raha ampitahaina amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, dia vitsy dia vitsy no nahita ny Mpamonjy si nahare ny feony, tahaka ireo vahoaka tao Soafeno. Ny ankamaroantsika dia mitovy bebe kokoa amin’ireo olona resadresahina ao amin’ny 3 Nefia 12:2; 15:23; sy 16:4–6. Inona no fampanantenana natao tamin’ny olona tahaka izany ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no nahatanteraka izany fampanantenana izany amin’ny fiainantsika?

Jereo koa ny Jaona 20:26–29; 2 Nefia 26:12–13; Almà 32:16–18.

3 Nefia 12:21–30; 13:1–8, 16–18; 14:21–23

Tsy ampy ny fanaovana asa tsara. Mila madio ihany koa ny foko.

Ventin-kevitra iray mety ho tsikaritrao ao amin’ireo toko ireo ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiaina lalàna ambonimbony kokoa, ny mba ho marina, tsy amin’ny zavatra ataontsika ety ivelany ihany fa ao am-pontsika ihany koa. Tadiavo io ventin-kevitra io rehefa miresaka momba ny fifandirana (3 Nefia 12:21–26), ny fahalotoam-pitondrantena (3 Nefia 12:27–30), ny vavaka (3 Nefia 13:5–8), ary ny fifadian-kanina (3 Nefia 13:16–18) ny Mpamonjy. Inona koa ny ohatra hafa hitanao? Inona no azonao atao mba hanadiovana ny fanirian’ny fonao fa tsy hifantoka amin’ny asa atao ety ivelany fotsiny ihany?

3 Nefia 14:7–11

Raha mikatsaka “zavatra tsara” avy amin’ny Ray any An-danitra aho dia hahazo izany.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! … Mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95–96). Rehefa mamaky ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 14:7–11 mba hangataka, hitady, ary handondona ianao dia saintsaino hoe “zavatra tsara” inona no mety ho tiany angatahanao. Ireto soratra masina fanampiny manaraka ireto dia mety hanampy anao hahatakatra ny fomba hangatahana, hitadiavana ary handondonana. Izy ireo ihany koa dia mety hanampy amin’ny fanazavana ny antony tsy hamaliana ny vavaka sasany amin’ny fomba izay andrasanao: Isaia 55:8–9; Helamàna 10:5; Môrônia 7:26–27, 33, 37; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 12:48

Ahoana no hanampian’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R.Holland hoe “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany” ( Liahona, nôv. 2017, 40–42) antsika hahatakatra ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io? Azonao atao koa ny mitady fanampiana ao amin’ny Môrônia 10:32–33.

3 Nefia 12:9, 38–42; 14:3–5, 12

Ahoana no azo hampiharana ireo andininy ireo amin’ny fifandraisana eo amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana? Azon’ny fianakavianao atao tsara ny miara-mametraka tanjona vitsivitsy mba hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipika ireo amim-pahatokiana kokoa.

3 Nefia 13:19–21

Ireo andininy ireo dia afaka mitondra fitaomam-panahy hanao fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra lalain’ny fianakavianao. Misy harena eto an-tany ve manakana anao tsy hihary harena any an-danitra? Azonao atao ny manamafy io lohahevitra io amin’ny alalan’ny fitarihana ny fianakaviana hanao lalao fitadiavan-karena mba hitady zavatra ao an-tranonareo izay mampahatsiahy an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ireo harena misy lanjany mandrakizay.

3 Nefia 14:7–11

Mety ho tian’ny ankizy madinika ny kilalao iray, nosintonina avy amin’ny 3 Nefia 14:8–9, ka ao anatin’izany izy ireo dia mangataka zavatra ary mahazo zavatra tena hafa tanteraka amin’izany. Inona no tian’ny Mpamonjy ho fantatsika momba ny Raintsika any An-danitra rehefa nizara io ohatra io Izy?

3 Nefia 14:15–20

“Voa tsara” inona no manampy antsika hahafantatra fa i Joseph Smith, na ny Filohan’ny Fiangonana am-perinasa, dia mpaminany marina?

3 Nefia 14:24–27

Mieritrereta fomba azonao hanampiana ny fianakavianao hahazo an-tsaina ilay fanoharana ao amin’ireo andininy ireo. Azon’ny fianakavianao hatao tsara ny manao sary, manao asa, na manorina zavatra eo amin’ny fototra mafy tsara sy amin’ny fototra feno fasika.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Nampianatra fahamarinana lalina tamin’ny alalan’ny firesahana zavatra mahazatra ny Mpamonjy. Afaka manao zavatra mitovy amin’izany ianao eo am-pamakian’ny fianakavianao ny 3 Nefia 12–16. Ohatra, rehefa mamaky ny Toko 12 ianao dia afaka maneho sira, labozia, ary salotra (kapaoty). Mety hitarika amin’ny fanaovana asa famerenana tsara ihany koa izany. Rehefa avy namaky ireo toko ireo ianareo, dia asehoy indray ireo zavatra, ary anontanio ny olona ao amin’ny fianakaviana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny tsirairay avy amin’izy ireo.

Sary
i Jesoa mampianatra ny Nefita

Ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany amin’ireo vahoaka tany Amerika, nataon’i Glen S. Hopkinson