Avia, hanaraka Ahy
21–27 septambra. 3 Nefia 12–16: “Izaho no lalàna sy fahazavana”


“21–27 Septambra. 3 Nefia 12–16: -Izaho no lalàna sy fahazavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“21–27 septambra. 3 Nefia 12–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Jesoa manondro ireo Apôstôly Roa ambin’ny folo

Nefia fahatelo: Ireto roa ambin’ny folo izay nofinidiko ireto, nataon’i Gary L. Kapp

21–27 septambra

3 Nefia 12–14

“Izaho no lalàna sy fahazavana”

Rehefa mandalina ny 3 Nefia 12-16 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanan-danja amin’ireo ankizy ampianarinao. Ity rindran-damina ity dia manome soso-kevitra sasantsasany, kanefa mety hitondra anao amin’ny soso-kevitra hafa ny Fanahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampitampitao mba ho jeren’ny tsirairay ny sarin’i Jesoa Kristy iray. Avelao hifandimby hitazona ilay sary ny ankizy ka hizara zavatra iray izay nampianarin’i Jesoa, toy ny zavatra izay nianarany tany an-trano tamin’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 12:14–16

Afaka ny ho ohatra tsara ho an’ny hafa aho.

Indraindray dia mety ho tsy takatry ny ankizy hoe tena afaka mitahy ny hafa ny ohatra asehon’izy ireo. Ampiasao ireo andininy ireo mba hamporisihana azy ireo mba hamela ny fahazavany hamiratra.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny ankizy fa ny 3 Nefia 12:14–16 dia mikasika azy ireo, dia vakio mafy izany avy eo. Isaky ny mamaky ny hoe “ianareo” na “anareo,” ianao dia tondroy ny ankizy, ary asaivo manondro ny tenany izy ireo.

  • Mampisehoa jiro fanao am-paosy iray amin’ny ankizy, ary asao ny iray amin’izy ireo mba handrehitra izany. Hazavao fa rehefa manaraka ny Mpamonjy isika dia mitovy amin’ny hoe mandrehitra fahazavana iray izay afaka manampy ny hafa hanaraka Azy koa izany. Dia tampeno na afeno ilay jiro avy eo, ary angataho ny ankizy mba hilaza ny sasany amin’ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa izy ireo. Avelao izy ireo hamoaka ilay jiro isaky ny manao izany (jereo ihany koa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity).

  • Iaraho manao ny hira iray izay mamporisika ny ankizy mba hamiratra tahaka ny fahazavana iray, toy ny “Kintana mamiratra re aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 84). Lazao amin’ny ankizy ny momba ilay fahazavana hitanao ao amin’izy ireo rehefa manao “asa tsara” izy ireo ary hazavao ny fomba hanampian’ny fahazavana sy ohatra asehon’izy ireo ny hafa sy hanentanan’izany anao mba hanao asa tsara ihany koa.

3 Nefia 14:7

Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy mba hahatakatra fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky ny 3 Nefia 14:7 ianao dia asao ny ankizy hanao asa izay maneho ny tsirairay amin’ireo fanasana nataon’ny Mpamonjy ao anatin’io andininy io. Azon’izy ireo atao, ohatra, ny manangana ny tanany (mangataka), manao masolavitra amin’ny tanany (mitady), na manao ny fihetsika atao rehefa mandondòna (dondòny). Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo lazaina na angatahina ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo. Hazavao fa afaka milaza ny zavatra rehetra amin’ny Ray any An-danitra isika, ary hihaino antsika Izy satria tiany isika.

  • Asao ny ankizy mba hampiseho aminao izay ataony amin’ny tanany sy ny masony ary ny lohany rehefa mivavaka izy ireo. Ampiasao ny hira toy ny “Ahondrikay ny lohanay ” enti-manampy (Bokin-kiran’ny ankizy, 18). Amin’iza isika no miresaka rehefa mivavaka? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mandre ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

3 Nefia 14:24–27

Tian’ny Mpamonjy hihaino sy hanao izay ampianariny aho.

Tsy ampy ny mihaino fotsiny ireo tenin’ny Mpamonjy. Ireo izay miaina ireo fampianarany ihany no hahatohitra ireo tafio-drivotra eo amin’ny fiainana.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho manao ny hira “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny Ankizy, 132), na vakio ny 3 Nefia 14:24–27. Ampio ny ankizy hanolo ny “ny hendry” amin’ny anaran’izy ireo rehefa mihira izany. Nahoana no tsy nianjera ny tranon’ireo hendry nandritra ny tafiotra? Avereno jerena ny andininy 24 mba hanamafisana fa sady nihaino sy nanao izay nolazain’ny Mpamonjy izy.

  • Ampisehoy vato sy fasika ny ankizy. Asaivo manondro ilay vato izy ireo rehefa mamariparitra safidy iray mba hanaraka ny Mpamonjy ianao, ary hanondro ny fasika rehefa mamariparitra safidy iray mba tsy hanaraka Azy ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manao izay lazain’ny Mpamojy isika dia mafy tsara tahaka ny trano naorina eo ambony vatolampy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nefia 12:6

Tokony ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana aho.

Ny olona rehetra dia samy efa noana sy nangetaheta avokoa. Niresaka momba ireo fahatsapana ireo ny Mpamonjy mba hampianarana antsika izay tokony ho tsapantsika rehefa mikatsaka ny fahamarinana.

Asa atao azo tanterahina

  • Mody asaivo mihinana na misotro zavatra ny ankizy iray, ka aza avela ho ren’ny ankizy hafa izany. Ary asaivo mamantatra izay ataon’io ankizy io izy ireo. Toy ny ahoana izany mihinana sakafo matsiro na misotro rano madio izany? Ahoana no fomba hamahanantsika ny fanahintsika? Asao ny ankizy mba hamaky ny 3 Nefia 12:6 ka hitady hoe maniry antsika “ho noana sy hangetaheta” inona ny Mpamonjy. Ahoana no ampisehoantsika fa maniry hahazo ny fahamarinana isika tahaka ny haniriantsika ny hahazo hanina sy zava-pisotro?

  • Mitondrà sarin-tsakafo sy zava-pisotro, ary soraty eo amin’ny tsirairay amin’izany ireo andinin-tsoratra masina toy ny Salamo 119: 103; Jaona 6:35; 2 Nefia 32:3; Enôsa 1:4; na 3 Nefia 20:8. Angataho ny ankizy mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hamariparitra ny zavatra ampianarin’izy ireo momba izay azontsika atao mba hampisehoana fa noana sy mangetaheta ny fahamarinana isika. Zarao ireo zavatra niainanao izay nahatsapanao hoe “feno ny Fanahy Masina” ianao, ary asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany.

3 Nefia 13:1–8, 16–18

Tokony hanao ireo zavatra tsara amin’ny antony tsara aho.

Ireo andininy ireo dia milaza fa tsy ampy ny asa tsara, ny asantsika dia tsy maintsy entanin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny faniriana hanompo Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky ny 3 Nefia 13:1–4, 5–8, na 16–18 ny ankizy tsirairay ary hamantatra ireo asa tsara izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo (hazavao fa ny fanaovana “fanampiana” dia midika ho fanomezana ho an’ny mahantra). Nahoana ny Mpamonjy no nilaza tamintsika mba tsy hitovy amin’ireo olona manao ireo zavatra ireo?

  • Omeo taratasy kely ny ankizy tsirairay ka ahitana asa araka ny fahamarinana voasoratra eo amin’izany (na avelao izy ireo hieritreritra ny ohatra azy ireo manokana). Angataho izy ireo hieritreritra ireo antony tsara sy antony ratsy hanaovana ireo zavatra ireo. Amporisiho izy ireo hanao hatrany ny zavatra tsara amin’ny antony marina.

3 Nefia 14:21–27; 15:1

Ny fiarovana ara-panahy dia tonga avy amin’ny fihainoana sy fanatanterahana izay ampianarin’ny Mpamonjy.

Tonga eo amin’ny fiainantsika rehetra ny “orana” sy “tondra-drano”, kanefa afaka mandresy ireo fitsapana isika raha toa ka sady mihaino no manatanteraka izay ampianarin’i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny 3 Nefia 14:21–27 sy ny 15:1, ary angataho ny ankizy mba hitsangana isaky ny mamaky ny teny hoe “mampihatra” ianao. Nahoana ny Mpamonjy no manamafy ny fanatanterahana izay nolazainy, fa tsy mihainao na mahatsiaro izany fotsiny? Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ny andininy 24–25 ka hanoratra eo amin’ilay vatolampy ny hoe “Jesoa” ary koa zavatra iray izay nampianaran’i Jesoa mba hataontsika. Iaraho manao ny hira “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny Ankizy, 132).

  • Asao ny ankizy hitsangana ary haka sary an-tsaina fa maneho ny fandrenesana ireo tenin’ny Mpamonjy ny tongony iray ary ilay anankiray hafa dia maneho ny fanatanterahana azy ireny. Asao izy ireo hampiakatra ilay tongotra “mpanatanteraka” ka hiantehitra amin’ireo tongotra “mpihaino”. Inona no mety hitranga raha toa ka misy rivo-mahery mitsoka manerana ny efitrano? Ampiasao io ohatra io mba hanehoana ny antony maha-voaro kokoa ny manatanteraka izay nolazain’ny Mpamony fa tsy mihaino fotsiny ireo teniny.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hisafidy zavatra iray izay nianarany androany momba ireo fampianaran’i Jesoa ka hanapa-kevitra ny amin’ny fomba hanaovany asa araka izany. Hanampy azy ireo ho fahazavana ho an’ny fianakaviany sy ireo namana amin’ny fomba ahoana ireo asa hataon’izy ireo?

Manatsara ny fampianarantsika

Arindrao ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa itony mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. Amin’ny toe-java-miseho sasany dia azonao atao ny manamboatra asa atao ho an’ny ankizy kely mba hampianarana ankizy lehibe, na koa ny mifamadika amin’izay.