Avia, hanaraka Ahy
7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: “Atrakao ny lohanao ary mahereza”


“7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: -Atrakao ny lohanao ary mahereza,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 septambra. 3 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
Nefita nanatri-maso ilay andro tsy nisy alina

Andro iray, alina iray, ary andro iray, nataon’i Jorge Cocco

7–13 septambra

3 Nefia 1–7

“Atrakao ny lohanao ary mahereza”

Raha mila hevitra fanampiny ianao rehefa miomana hampianatra dia jereo ny “Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy” sy ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy” any amin’ny fiandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hizara izay tsaroany ary nianarany tamin’ny herinandro lasa mikasika ireo famantarana nolazain’i Samoela ilay Lamanita fa hanampy ny olona hahafantatra fa teraka i Jesoa. Lazao ny ankizy fa anio izy ireo dia hiresaka momba ireo olona izay nahita ny fitrangan’ireo famantarana ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 1:4–15, 19–21

Nipoitra ny kintana vaovao iray tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa Kristy.

Ny tantaran’ny fahaterahan’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao dia tena malaza, na ny ankizy aza mahalala azy tsara. Ity herinandro ity dia fahafahana lehibe hampianarana ireo ankizy ao amin’ny kilasinao mikasika ireo fahagagana hitan’ny Nefita tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Mialoha ny fotoam-pianarana dia ametraho kintana eo amin’ny rindrina. Asao ny ankizy mba hijery ny zavatra eo amin’ny rindrina izay tsy tokony eo raha ny mahazatra. Lazao amin’ny ankizy fa ireo Nefita dia nahita kintana vaovao teny amin’ny lanitra tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa. Fintino ny tantara voalaza ao amin’ny 3 Nefia 1:4–15, sy19–21.

  • Asehoy ny ankizy ny sarin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30), dia mihirà hira Noely tena ankafizina toy ny “Ilay hiran’ny Fahaterahana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 32). Ampio ny ankizy hahatakatra fa tena lavitry ny toerana nahaterahan’i Jesoa no nisy ireo Nefita, saingy nahafantatra izy ireo fa teraka Izy noho ireo famantarana hitan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa na dia tsy nahita ny nahaterahan’ny Mpamonjy aza isika dia afaka manampy antsika hahafantatra ny Fanahy Masina fa ireo tantara mikasika izany ao amin’ny soratra masina dia marina.

3 Nefia 1:20

Ho tanteraka foana ny tenin’ireo mpaminany.

Nilaza tamin’i Nefia ny Tompo hoe: “Haneho amin’izao tontolo izao [Aho] fa Izaho dia hanatanteraka izay rehetra efa nampiteneniko tamin’ny vavan’ny mpaminaniko masina.” (3 Nefia 1:13).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary maneho an’ Andriamanitra miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany, toy i Noa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 78; jereo ny Genesisy 6–7) ary Samoela ilay Lamanita (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 81; jereo ny Helamàna 14:1–7). Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ireo tantara ireo.

  • Vakio amin’ny ankizy ny 3 Nefia 1:20, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny tenin’ireo mpaminany dia ho tanteraka hatrany. Asao ny ankizy hihaino ny mpaminany mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manaraka.

3 Nefia 5:13

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Nilaza i Môrmôna hoe: “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.” Ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hahita ny tenany ho mpianatra ihany koa?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 3 Nefia 5:13, ary asao ny ankizy hamerina ilay andian-teny hoe “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.” Ampianaro azy ireo fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia miezaka ny hanaraka Azy. Mizarà zavatra vitsivitsy nataon’i Môrmôna mba hitoviany amin’i Jesoa, toy ny mampianatra ny tenin’ Andriamanitra sy mankatò ny didin’ Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 5:13–18). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany ho mpianatra.

  • Ampio ny ankizy hamaritra ny tanany eo amin’ny taratasy iray dia hetezo ilay izy avy eo. Soraty hoe “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy” eo amin’ny lafiny iray, ary asao izy ireo hanao ny sarin’ny zavatra iray izay azony atao mba ho mpianatra eo amin’ny lafiny ilany (mety hila hanampy azy ireo hahita hevitra ianao). Mihirà hira momba ny fanarahana ny Mpamonjy toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nefia 1:4–21

Ireo fampanantenan’ Andriamanitra, izay omeny amin’ny alalan’ireo mpaminany, dia ho tanteraka hatrany.

Ny tantara ao amin’ny 3 Nefia 1:4–21 dia afaka manampy ny fanorenana ny finoan’ny ankizy fa manatanteraka hatrany ny fampanantenana nomeny Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hampitaha ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita ao amin’ny Helamàna 14:1–7 amin’ny fahatanterahan’izany ao amin’ny 3 Nefia 1:19–21. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo fampanantenan’ Andriamanitra izay lazainy amin’ny alalan’ireo mpaminaniny dia ho tanteraka hatrany.

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny tantara hita ao amin’ny 3 Nefia 1:4–10. Anontanio ny ankizy hoe mety nahatsapa inona izy ireo raha toa anisan’ireo mpino niaina tamin’izany fotoana izany. Asao ny ankizy hamaky ny ambin’ilay tantara ao amin’ny andininy 11–15 ary handroso fomba hamenoana ity fehezan-teny ity: “Ny leson’ity tantara ity dia …” Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika mampiseho ny fitokisantsika an’ Andriamanitra rehefa sahiran-tsaina na kivy isika?

  • Zarao ny zavatra iray izay nampanantenain’ny mpaminany velona tamintsika. Inona no azontsika atao mba hanehoana ny finoantsika fa ireo tenin’ny mpaminany dia avy amin’ Andriamanitra?

3 Nefia 2:11–12; 3:13–14, 24–26

Matanjaka kokoa isika rehefa mivondrona.

Tsy maintsy nivondrona ireo Nefita mba ho voaro ara-batana. Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hahita fa ny fivondronana amin’ny namana marina dia afaka manome tanjaka ara-panahy ho azy ireo ihany koa?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ireto andininy manaraka ireto ary asao izy ireo hikaroka antony nivondronan’ireo Nefita sy ireo fitahiana izay tonga avy amin’izany: 3 Nefia 2:11–12 sy 3:13–14, 24–26. Nahoana no zava-dehibe amintsika ankehitriny ny hoe “[tafangona]” ao amin’ny fianakaviantsika sy ao amin’ny fiangonana? Afaka mahatonga antsika hatanjaka ara-panahy kokoa amin’ny fomba ahoana ny hoe mivondrona?

  • Mampiasà lesona hampiasana zavatra azo tsapain-tanana mba hampianarana fa matanjaka kokoa isika rehefa mitambatra noho isika rehefa misaraka. Ohatra, asao ny ankizy hanandrana hanapaka tapa-kazo iray ary avy eo andiana tapa-kazo mitambatra na handrovitra taratasy iray ary avy eo andiana taratasy mitambatra. Ahoana no itoviantsika amin’ny tapa-kazo na ny taratasy? Ahoana no fomba hahafahantsika mifankahery rehefa tafangona ao amin’ny fianakaviantsika na any am-piangonana?

  • Hazavao fa ankehitriny dia manangona ny vahoakany ho ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny asa fitoriana i Jesoa (jereo ny 3 Nefia 5:24–26). Manasà misiônera amin’ny fotoana feno iray na misiôneran’ny paroasy iray mba hizara zavatra niainana izay mampiseho ny fomba nampatanjahana olona tamin’ny alalan’ny fivondronana ho ao amin’ny Fiangonana.

3 Nefia 4:30–33; 5:12–26; 6:14; 7:15–26

Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita ny tenany ho mpianatr’i Jesoa Kristy, tahaka an’i Môrmôna? (jereo ny 3 Nefia 5:13).

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Môrmôna (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 73). Asao ny ankizy tsirairay hifandimby hamerina ny voalazan’i Môrmôna ao amin’ny 3 Nefia 5:13 hoe: “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.” Midika inona izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany? (jereo ny FF 41:5).

  • Zarazarao ho vondrona kely ny iray kilasy ary omeo andraikitra ny vondrona tsirairay hamaky momba ireto ohatra amin’ny maha-mpianatra manaraka ireto: ireo Lamanita niova fo (jereo ny 3 Nefia 4:30–33; 6:14), i Môrmôna (jereo ny 3 Nefia 5:12–26), ary i Nefia (jereo ny 3 Nefia 7:15–26). Ahoana no naha-tena mpianatr’i Jesoa Kristy an’ireo olona ireo? Inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’izy ireo?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hieritreritra zavatra iray izay hataony mandritra ity herinandro ity mba ho mpianatr’i Kristy. Amporisiho izy ireo hanoratra izany ary hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampisehoa soratra masina. Misafidiana andininy iray izay hitanao fa manan-danja (na asao ny ankizy hisafidy anankiray) ary apetraho ao an-dakilasy amin’ny toerana ahafahan’ny ankizy mahita azy matetika izany. Azonao haseho mandritra ny herinandro maromaro ary tondroina matetika izany.