Avia, hanaraka Ahy
14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”


“14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: -Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 septambra: 3 Nefia 8–11” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
I Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i James Fullmer

14–20 septambra

3 Nefia 8–11

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”

Vakio ny 3 Nefia 8–11 ka ataovy an’eritreritra ireo ankizy ampianarinao. Afaka mitarika ny fiomananao ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary misy an’i Jesoa niseho tany Amerika, tahaka ilay anankiray ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ny ankizy mba hanondro ireo antsipirian-javatra ao anatin’ilay sary ka hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ilay tantara eo amin’ilay sary.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

3 Nefia 8–11

Manasa ahy hanatona Azy i Jesoa Kristy.

Mety tsy afaka hizara amin’ny ankizy ny antsipirian-javatra rehetra momba ny fihesoan’ny Mpamonjy tamin’ny vahoakan’i Nefia ianao, kanefa azonao ampiana izy ireo mba hahatsapa ny fitiavana nasehony ny vahoaka ao amin’ny 3 Nefia 8–11.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny ankizy ny momba ireo tafiotra sy haizina voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 8, mitandrema mba tsy hampatahotra na hahatezitra azy ireo. Azonao ampiasaina ny “Toko 42: Ireo famantarana ny fanombohana an’i Kristy” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna,117–19, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Anontanio ny mpianatra izay mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka tao anatin’ireo tafiotra sy haizina izy ireo. Hazavao fa ireo tafiotra sy haizina dia famantarana fa nodimandry i Jesoa, ary mampisehoa sarin’ny Fanombohana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57). Dia vakio avy eo ny 3 Nefia 9:13. Inona no nolazain’ny Tompo fa ho ataony amin’ireo izay mibebaka? Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny teny hoe “manasitrana” ao amin’ireo andininy io dia midika fa hamela azy ireo i Jesoa.

  • Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo am-pamariparitanao amin’ny teninao manokana ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita sy ny Lamanita. Mamakia andalana fohifohy avy ao amin’ny 3 Nefia 11 izay hanampy azy ireo hahatsapa ny maha-masina io zava-niseho io. Asao izy ireo hampikipy ny masony ka haka sary an-tsaina izay mety ho tsapan’izy ireo raha toa ka afaka mahita an’i Jesoa izy ireo. Lazao amin’ny ankizy ny zavatra tsapanao rehefa mamaky sy misaintsaina ireo zava-nitranga ireo ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa maniry ny hanatonantsika Azy sy hahatsapantsika ny fitiavany i Jesoa. Tontosao miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity.

3 Nefia 10:4–6

Miaro ny vahoakany i Jesoa tahaka ny reniakoho miaro ny zanany.

Ny sarin’ny reniakoho manangona ny zanany dia afaka mampianatra ny ankizy momba ny fiadanana sy fiarovana atolotry ny Mpamonjy raha toa ka manatona Azy isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina reniakoho mikarakara ny zanany. Vakio ny 3 Nefia 10:6, ary lazao amin’ny ankizy ny fomba fiantsoan’ny reniakoho ny zanany sy hiarovany azy ireo eo ambany elany rehefa misy loza. Ifanakalozy hevitra ny mampitovy an’i Jesoa amin’ny reniakoho sy ny mampitovy antsika amin’ny akoho kely. Ahoana no fomba ahafahantsika manatona Azy mba hahita fiarovana?

  • Asio sarin’i Jesoa eo amin’ny rindrina. Asao ny ankizy mba handehandeha manodidina ny efitrano fianarana eo am-pamakianao mafy ny 3 Nefia 10:4. Asaivo mifindra mankeo amin’ilay sarin’i Jesoa izy ireo rehefa maheno ireo teny hoe “nanangona” na “manangona.” Avereno io hetsika io eo am-pamakianao ny andinina 5 sy 6. Zarao amin’ny ankizy ny fomba nanatonanao ny Mpamonjy mba hahita fiarovana, ary mijoroa ho vavolombelona fa hiaro antsika amin’ny loza ara-panahy Izy rehefa mitandrina ireo didiny isika.

3 Nefia 11:21–26

Tian’i Jesoa Kristy hatao batisa aho.

Miomana ny hatao batisa ireo ankizy ampianarinao. Ireo fampianaran’i Kristy ao anatin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia afaka manampy azy ireo hahafantatra ny antony maha-manan-danja ny batisa.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 3 Nefia 11:21–26, ary asao ny ankizy mba hitsangana isaky ny mandre ny teny hoe “batisa.” Hazavao fa nampianatra antsika ny fomba marina hanaovana batisa i Jesoa. Mampisehoa sarina ankizy iray atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,lah.104). Raha toa ka efa nahita batisa ny ankizy teo aloha dia asao izy ireo mba hamariparitra ny zavatra hitany. Iza no nanatanteraka ilay batisa, ary tamin’ny fomba ahoana no nanaovany izany?

  • Asao mialoha ny rain’ny ankizy iray mba hanatrika ny kilasinao ary hizara amin’ny ankizy ny antony maha-manan-danja ny hanaovana batisa asitrika antsika ka ataon’ny olona iray izay mihazona ny fisoronana izany. Azony atao ihany koa ny manazava amin’ny ankizy izay hitranga rehefa atao batisa izy ireo sy ireo fitahiana horaisin’izy ireo. Amporisiho izy mba hampiasa ny 3 Nefia 11:23–26 ao anatin’ny fanazavany.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

3 Nefia 8–11

Rehefa ao anatin’ny haizina aho dia afaka ny ho fahazavana ho ahy i Jesoa Kristy.

Hafatra mahery vaika iray ao amin’ireo toko ireo ny hoe i Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao, ary afaka ny ho fahazavan’ny fiainantsika Izy.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny 3 Nefia 8:5–7, 11–23, sy ny 10:9–13 (raha azo atao dia ataovy maizimaizina ny efitrano eo am-pamakianao izany). Ampiatoy tsindraindray ny famakian-teny ary anontanio ny ankizy ny mety ho tsapan’izy ireo raha niaina ireo zava-nitranga ireo. Vakio amin’ny ankizy ny sasantsasany amin’ireo teny nolazain’i Jesoa Kristy tamin’ny vahoaka raha tao anatin’ny haizina izy ireo (jereo ny 3 Nefia 9:13–14, 18). Nahoana i Jesoa Kristy no niantso ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao? Inona no nasain’i Jesoa hataon’ny vahoaka, sy hataontsika, mba ho tonga fahazavana ho antsika Izy? (jereo ny 3 Nefia 9:20–22).

  • Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao amin’ireo ankizy, na ampio izy ireo hitady an’i Jerosalema sy ny Amerika. Hazavao fa ilay fandringanana voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 8 dia famantarana iray tamin’ny vahoaka tany Amerika fa nohombohona tany Jerosalema i Jesoa Kristy. Iaraho mamaky ny 3 Nefia 11:1–15, ary angataho ny ankizy mba hilaza aminao rehefa mahita zavatra ao anatin’ireo andininy ireo izy afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra. Zarao ny andininy 37, ary mijoroa ho vavolombelona fa tia ny ankizy rehetra ny Mpamonjy. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izay vakianao.

Sary
I Jesoa mampiseho ireo diam-pantsika eo amin’ny tanany tamin’ny Nefita

Tsirairay, nataon’i Walter Rane

3 Nefia 11:1–8

Afaka mianatra mamantatra ny feon’Andriamanitra eo amin’ny fiainako aho.

Tamin’ny voalohany dia tsy fantatry ny vahoaka ny feo ren’izy ireo avy tany an-danitra. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy tamin’io tantara io mikasika ny fandraisana fanambarana?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny 3 Nefia 11:1–4 ary miatoa ka mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Nahoana araka ny hevitrareo no tsy nahazo ilay feo ny vahoaka?” Dia angataho izy ireo avy eo mba hamaky ny andininy 5–7 hahitana izay nataon’ny vahoaka ka nanampy azy ireo hahatakatra ilay feo tao am-pon’izy ireo. Ahoana no hahafahantsika miezaka mihaino an’Andriamanitra rehefa miresaka ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy?

  • Mandefasa hira ao amin’ny fihirana na hiran’ny ankizy, ataovy malefaka dia malefaka izany ka ho sarotra amin’ny ankizy ny handre izany. Anontanio ireo ankizy raha afaka mahazo ny tonon-kiran’ilay hira izy ireo. Dia ampio izy ireo avy eo hizaha ao amin’ny 3 Nefia 11:3 ireo famariparitana ilay feo avy tany an-danitra. Nahoana Andriamanitra no tsy miresaka amintsika amin’ny feo “midridrodridro” na “mafy”? Inona no azontsika atao mba handrenesana Azy bebe kokoa?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hiresaka amin’ny olona iray momba ny fitsidihan’i Jesoa tany Amerika—raha azo atao dia olona tsy mbola mahafantatra momba izany no horesahany.

Manatsara ny fampianarantsika

Atreho amim-pitiavana ny fanakorontanana. “Indraindray misy ankizy manao zavatra izay manakorontana ny fianaran’ny hafa ao amin’ny kilasy. Rehefa mitranga izany dia manàna faharetana ary manehoa fitiavana ary fahatakarana an-tsaina eo anatrehan’ny olana mety atrehan’ilay ankizy. … Raha toa ka manana filàna manokana ilay ankizy manakorontana, dia miresaha amin’ny tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny paroasy na tsatòka na tsidiho ny disabilities.ChurchofJesusChrist.orgmba hahitana ny fomba ahafahanao manome ireo zavatra ilaina ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,26).