Avia, hanaraka Ahy
28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: “Indro, feno ny fifaliako”


“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19: -Indro, feno ny fifaliako,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“28 septambra–11 ôktôbra. 3 Nefia 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa miseho amin’ny Nefita

Ny fahazavan’ ny tarehiny dia namiratra taminy, nataon’i Gary L. Kapp

28 septambra–11 ôktôbra

3 Nefia 17–19

“Indro, feno ny fifaliako”

Raha toa ireo toko teo aloha ao amin’ny 3 Nefia ka nifantoka indrindra indrindra tamin’ny tenin’ny Mpamonjy, ny toko 17–19 kosa dia manoritsoritra ny fanompoany sy ny fampianarany teo anivon’ny vahoaka. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia inona no ampianarin’ny Fanahy anao momba ny Mpamonjy?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Vao avy nandany andro iray i Jesoa Kristy nanompoana tao amin’ny tanin’i Soafeno, nampianatra ny filazantsarany, nanome fahafahana ny olona hahita sy hitsapa ireo marika tamin’ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty, ary nijoro ho vavolombelona fa Izy no ilay Mpamonjy nampanantenaina. Ary tonga tamin’izay ny fotoana tokony handehanany. Nila niverina tany amin’ny Rainy Izy, ary fantany fa nila fotoana hisaintsainana ny zavatra nampianariny ny olona. Ka rehefa nampanantena ny hiverina Izy ny ampitson’izay, dia nalefany nody tany an-tranony ireo valalabemandry. Saingy tsy nisy nandeha izy ireo. Tsy nilaza ny zavatra tsapany izy ireo, kanefa afaka nahatsapa izany i Jesoa: nanantena izy ireo hoe Izy dia “hijanona maharitraritra miaraka aminy” (3 Nefia 17:5). Nisy zavatra hafa manan-danja tokony nataony, kanefa ny fahafahana maneho fangorahana dia tsy voatery hitranga amin’ny fotoana izay mety amintsika foana, ka noho izany dia nijanona maharitraritra niaraka tamin’ny olona i Jesoa. Ny zavatra nitranga taorian’izay angamba no ohatra amin’ny asa fanompoana feno hatsaram-panahy indrindra izay voarakitra ao amin’ny soratra masina. Ireo izay nanatrika teo no hany afaka nilaza fa tsy hay lazaina ilay izy (jereo ny 3 Nefia 17:16–17). I Jesoa mihitsy no namintina ilay fahatsapana ara-panahy tsy nampoizina tamin’ireto teny tsotra ireto: “Ankehitriny, indro, feno ny fifaliako” (3 Nefia 17:20).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 17

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho ahy amin’ny fanompoana.

Fantatsika fa nisy olona teo ho eo amin’ny 2.500 teo (jereo ny 3 Nefia 17:25) nanatrika ilay fitsidihan’i Kristy voalohany, araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11–18. Nahita fomba hanompoana azy ireo tsirairay anefa ny Mpamonjy. Inona no ianaranao momba ny fanompoana avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy ao amin’io toko io? Inona avy ny zavatra nilain’ny olona ka nanaovany asa fanompoana? Saintsaino hoe ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehony manampy anao hanompo ny hafa.

Sary
i Jesoa mitso-drano ireo ankizy kely Nefita

Jereo ny madinikareo, nataon’i Gary L. Kapp

3 Nefia 17:13–22; 18:15–25; 19:6–9, 15–36

Nampianatra antsika ny fomba hivavahana ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mandre ny Mpamonjy mivavaka ho anao izany. Inona no mety holazainy ho anao? Ny fampianarany sy ny vavaka nataony ao amin’ireo toko ireo dia mety hanome hevitra anao. Eo am-pandalinanao, dia inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Kristy ka afaka ny hahatonga ny vavakao manokana hisy dikany kokoa? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny vavaka izay hitanao teo amin’ny fiainanao?

3 Nefia 18:1–12

Afaka ny ho voky ara-panahy aho rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 18:1–12, dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manampy anao ho “voky” ara-panahy (3 Nefia 18:3–5, 9; jereo koa ny 3 Nefia 20:1–9). Ohatra, afaka manoratra fanontaniana maromaro ianao mba hitaomana ho amin’ny fisaintsainan’ny tena manokana rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, toy ny hoe “Inona no tsapako momba ny Mpamonjy sy ny sorona nataony ho ahy?” “Inona no fiantraikan’ny sorona nataony eo amin’ny fiainako isan’andro?” na “Inona no haiko atao tsara amin’ny maha-mpianatra ahy, ary inona no azoko hatsaraina?”

Ireto teny avy amin’ny Filoha Henry B. Eyring ireto dia mety hanampy anao hisaintsaina fomba iray ahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy anao ho voky ara-panahy: “Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mandritra ny ôrdônansin’ ny fanasan’ ny Tompo, dia manantena aho fa tsy mifantoka fotsiny amin’ ny zavatra izay tsy vitanao araka ny tokony ho izy ny eritreritrao fa mifantoka ihany koa amin’ny zavatra vitanao tsara, izay fotoana nahatsapanao fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia faly taminao. Mety haka fotoana mihitsy aza ianao mandritra ny fanasan’ ny Tompo hangatahana amin’ Andriamanitra ny hanampiany anao hahita izany zavatra izany. … Tamin’ izaho nanao toy izany, dia nanamafy tamiko ny Fanahy fa na dia mbola lavitry ny fahatanterahana aza aho, dia tsara kokoa aho anio noho ny omaly. Ary izany dia nanome ahy fatokian-tena fa, noho ny Mpamonjy, dia afaka ny mbola ho tsara kokoa aza aho rahampitso” (“Always Remember Him,” Ensign, Feb. 2018, 5).

3 Nefia 18:36–37; 19:6–22

Mikatsaka ny Fanomezana ny Fanahy Masina ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Mieritrereta momba ny vavaka iray izay nataonao vao haingana. Inona no ampianarin’ireo vavakao anao momba ny fanirianao lalina indrindra? Taorian’ny niarahan’ny valalabemandry tamin’ny Mpamonjy nandritra ny iray andro, dia “nivava[ka] ho an’ izay niriany indrindra” izy ireo, dia ny Fanomezana ny Fanahy Masina (3 Nefia 19:9). Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia saintsaino ny fanirianao mba hanana ny Fanahy Masina ho namanao. Inona no ianaranao mikasika ny fikatsahana ny fananana ny Fanahy Masina ho namana?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 17

Rehefa mamaky io toko io ianareo mianakavy dia hevero ny hiato kely tsindraindray mba hanasana ny fianakavianareo haka sary an-tsaina hoe miaina ireo zavatra mitranga ireo mivantana izy ireo. Ohatra, azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona avy ireo fanaintainana hoentinao eo amin’ny Mpamonjy mba hositranina?” “Inona no ho tianao hoentiny am-bavaka ho anao?” na “Iza no havan-tianao tianao hotsofiny rano?” Ny famakiana io toko io dia mety hitaona anao ihany koa hivavaka ho an’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianao, tahaka izay nataon’i Jesoa.

3 Nefia 18:1–12

Inona no dikan’ny hoe “voky” amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ahoana no hiainanao izany? Inona no ianarantsika avy amin’ny andininy 5–7 momba ny antony nanomezan’i Jesoa antsika ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

3 Nefia 18:17–21

Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny tanjon’ny vavaka? Ahoana no hahafahantsika manatsara ny hery ara-panahin’ny vavaka ataontsika, na ho antsika manokana na ho an’ny fianakaviantsika?

3 Nefia 18:25; 19:1–3

Inona no efa niainan’ny fianakaviantsika tamin’ny alalan’ny filazantsara ka iriantsika koa mba ho azon’ny olona rehetra manodidina antsika mba hiainana? Ahoana no hahafahantsika manaraka ny ohatr’ireo olona ao amin’ireo andininy ireo ary “[m]ilofo fatratra” (3 Nefia 19:3) mba hitondra ny hafa hankany amin’i Kristy, mba hahafahan’izy ireo koa “mitsapa sy mahita” (3 Nefia 18:25) ny zavatra hitantsika tao amin’ny filazantsara?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao. Ny Fanahy Masina dia afaka mitarika anao mankany amin’ireo zavatra izay ilainao hianarana isan’andro. Henoy tsara ny bitsiny, na dia toy ny milaza aminao aza izany fa tokony hamaky lohahevitra iray hafa ianao na handalina amin’ny fomba hafa ankoatra ny efa fanaonao mahazatra. Ohatra, eo am-pamakianao momba ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 18, dia mety hibitsika anao ny Fanahy mba handany fotoana bebe kokoa amin’izany lohahevitra izany mihoatra izay efa nomaninao.

Sary
anjely manodidina an’i Jesoa sy ireo ankizy kely Nefita

Nahita ny lanitra nisokatra izy ireo, nataon’i Walter Rane