2018
Hahatsiaro Azy Mandrakariva
February 2018


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, febroary 2018

Hahatsiaro Azy Mandrakariva

Azonao alaina sary an-tsaina miaraka amiko ve ny mpaminany Môrônia eo am-panoratana ireo teny farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ireo takela-bolamena? Nanirery izy. Nahita ny fahalavoan’ny fireneny sy ny vahoakany ary ny fianakaviany izy. Ny tany dia “[n]iverimberenan’ny” ady “tsy tapaka” (Môrmôna 8:8). Kanefa nanana fanantenana izy, satria nahita ny androntsika! Ary tamin’ireo zavatra maro azony nosoratany, dia nanasa antsika izy mba hahatsiaro (jereo ny Môrônia 10:3).

Tena tian’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ny mampianatra fa ny teny manan-danja indrindra ao amin’ny rakibolana dia mety ho ny mahatsiaro. Noho isika nanao ireo fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra, hoy izy, dia “ny tena ilaintsika indrindra dia ny mahatsiaro” azy ireny.1

Afaka mahita ombieny ombieny ny teny hoe mahatsiaro ianao ao amin’ny soratra masina. Rehefa nananatra ireo rahalahiny i Nefia, dia matetika izy no nanasa azy ireo mba hahatsiaro ny tenin’ny Tompo sy mba hahatsiaro ny fomba namonjen’ Andriamanitra ireo razany (jereo ny 1 Nefia 15:11, 25; 17:40).

Tao amin’ny teny fanaovam-beloma lehibe nataon’ny Mpanjaka Benjamina, dia impito nampiasa teny ahitana ny hoe mahatsiaro izy. Nanantena izy fa ny vahoakany dia hahatsiaro ny “halehibeazan’ Andriamanitra … ary ny hatsaram-pony sy ny fahari-pony” tamin’ izy ireo (Môsià 4:11; jereo koa ny 2:41; 4:28, 30; 5:11–12).

Rehefa nampiorina ny fanasan’ny Tompo ny Mpamonjy, dia nanasa ireo mpianany Izy mba handray ireo tandindona “ho fahatsiarovana” ny sorona nataony (Lioka 22:19). Amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo rehetra izaho sy ianao dia mandre ny teny hoe mandrakariva aorian’ny teny hoe hahatsiaro (jereo ny F&F 20:77, 79).

Ny hafatro dia fanasana, eny fangatahana mihitsy aza, mba hahatsiaro. Indreto misy sosokevitra telo momba ny zavatra azonao tsaroana isan-kerinandro rehefa mandray ireo tandindona masin’ny fanasan’ny Tompo ianao. Manantena aho fa hanampy anao izy ireo, tahaka ny nanampian’izy ireo ahy.

Tsarovy i Jesoa Kristy.

Voalohany, tsarovy ny Mpamonjy. Tsarovy hoe iza Izy fony tetỳ an-tany, ahoana no fomba niresahany tamin’ny hafa, ary ahoana no fomba nanehoany hatsaram-panahy tamin’ny zavatra nataony. Tsarovy hoe nanokana fotoana niarahana tamin’iza Izy ary inona no nampianariny. Ny Mpamonjy dia “nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Namangy ny marary Izy. Feno fanoloran-tena Izy tamin’ny fanaovany ny sitrapon’ny Rainy.

Ary ny tena lehibe indrindra amin’ny zavatra rehetra dia afaka mahatsiaro ilay sarany lehibe izay nefainy, noho ny fitiavany antsika isika, mba hanesorana ny loton’ ireo fahotantsika. Rehefa mahatsiaro Azy isika, dia hitombo ny faniriantsika hanaraka Azy. Hanam-paniriana ny ho tsara fanahy kokoa isika, hahay hamela kokoa, ary hanam-piniavana kokoa hikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra sy hanao izany.

Tsarovy hoe inona no ilaina atao tsaratsara kokoa.

Sarotra ny mieritreritra ny Mpamonjy, dia ny fahadiovany sy ny fahatanterahany, ka tsy hieritreritra ihany koa hoe manam-pahalemena sy tsy tanteraka tokoa isika raha oharina Aminy. Nanao fanekempihavanana isika hoe hankatò ireo didiny, kanefa matetika isika dia tsy mahavita manaraka izany fenitra avo lenta izany. Kanefa ny Mpamonjy dia nahafantatra fa hitranga izany, ary izany no nanomezany antsika ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo.

Ny fiandohan’ny fanasan’ny Tompo dia avy amin’ny fomba fanao amin’ny fanaovana sorona ao amin’ny Testamenta Taloha, izay ahitana ny fibabohana ny fahotana (jereo ny Levitikosy 5:5). Tsy manao sorona biby intsony isika, kanefa mbola afaka mamoy ireo fahotantsika ihany. Ny soratra masina dia miantso izany hoe fanaovana soron’ny “fo torotoro sy ny fanahy manenina” (3 Nefia 9:20). Tongava amin’ny fanasan’ny Tompo amin’ ny fo mibebaka (jereo ny F&F 59:12; Môrônia 6:2). Rehefa manao izany ianao, dia hahazo ny famelana ny fahotanao ary tsy hivily hiala amin’ilay lalana miverina mankany amin’ Andriamanitra ianao.

Tsarovy ny fivoaranao

Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia manantena aho fa tsy mifantoka fotsiny amin’ny zavatra tsy tomombana ny eritreritrao fa mifantoka ihany koa amin’ny zavatra vitanao tsara, izay fotoana nahatsapanao fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia faly taminao. Mety haka fotoana mihitsy aza ianao mandritra ny fanasan’ny Tompo hangatahana amin’ Andriamanitra ny hanampiany anao hahita izany zavatra izany. Raha manao izany ianao, dia mampanantena aho fa hahatsapa zavatra ianao. Hahatsapa fanantenana ianao.

Tamin’izaho nanao toy izany, dia nanamafy tamiko ny Fanahy fa na dia mbola lavitry ny fahatanterahana aza aho, dia tsara kokoa aho anio noho ny omaly. Ary izany dia nanome ahy fahatokian-tena fa, noho ny Mpamonjy, dia afaka ny mbola ho tsara kokoa aza aho rahampitso.

Ny hoe mandrakariva dia fotoana maharitra, noho izany izy io dia midika hoe mila ezaka feno fifantohana. Fantatrao avy amin’ny zavatra niainanao fa sarotra ny minia mieritreritra tsy tapaka zavatra iray. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fahavitanao manatanteraka ny fampanantenanao hahatsiaro Azy mandrakariva, dia mahatsiaro anao mandrakariva Izy.

Mahafantatra ireo olanao ny Mpamonjy. Fantany hoe manao ahoana izany itambesaran’ny zava-manahirana amin’ny fiainana izany. Fantany fa ilainao maika ny fitahiana izay azo avy amin’ny fahatsiarovana Azy mandrakariva sy amin’ny fankatoavana Azy, dia ny hoe “mba hanana[nao] mandrakariva ny Fanahiny miaraka ami[nao]” (F&F 20:77; nampiana fanamafisana).

Noho izany dia mandray anao tafaverina soa aman-tsara indray eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo Izy isan-kerinandro, ka manolotra anao indray ny fahafahana mijoro ho vavolombelona Aminy fa hahatsiaro Azy mandrakariva ianao.

Fanamarihana

  1. Spencer W. Kimball, “Circles of Exaltation” (lahateny natao ho an’ireo mpampianatra ao amin’ ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 28 jona 1968), 5.