Avia, hanaraka Ahy
19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy”


“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia: -Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“19–25 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2020

Sary
i Jesoa Kristy miara-mivavaka amin’ny Nefita

Ny vavak’i Kristy, nataon’i Derek Hegsted

19–25 ôktôbra

3 Nefia 274 Nefia

“Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy”

Nandidy ireo mpianany ny Tompo mba hanoratra ny zavatra niainan’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 27:23–24). Eo am-pandalinanao dia soraty ireo zavatra niainanao ara-panahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy haifotokevitra kanto hosaintsainina fotsiny ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Mihoatra lavitra noho izany izy ireny. Natao mba hanova ny fiainantsika izy ireny. Ny bokin’ny 4 Nefia dia manome ohatra mahatalanjona amin’izany, izay maneho ny fomba hahafahan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy manova tanteraka ny olona iray. Taorian’ny fanompoana fohy nataon’i Jesoa, dia nifarana ny fifandirana an-jato taonany maro izay nisy teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Firenena roa fantatra tamin’ny fifanoherana sy ny avonavona no lasa “iray, zanak’i Kristy” (4 Nefia 1:17), ary lasa niarahany nanana “avokoa ny zavatra teo anivony” (4 Nefia 1:3). Ny “fitiavan’ Andriamanitra, [dia] nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka,” ary “tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tanan’Andriamanitra” (4 Nefia 1:15–16). Toy izany no nanovan’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny Nefita sy ny Lamanita. Ahoana no hanovan’izany anao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

3 Nefia 27:1–12

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa nanomboka nametraka ny Fiangonany manerana ny tany ireo mpianatry ny Mpamonjy, dia nisy fanontaniana nipetraka, izay ho an’ny sasany dia mety ho toy ny tsy dia manan-danja firy, hoe inona no tokony ho anaran’ny Fiangonana? (jereo ny 3 Nefia 27:1–3). Inona no ianaranao mikasika ny maha-zava-dehibe an’io anarana avy amin’ny valin-tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 27:4–12 io? Tamin’ny 1838 ny Tompo no nanambara ny anaran’ny Fiangonany amin’izao fotoana izao (jereo ny FF 115:4). Saintsaino ny teny tsirairay ao amin’io anarana io. Ahoana no hanampian’ireo teny ireo antsika hahafantatra hoe iza isika, inona no inoantsika, ary ahoana no tokony hitondrantsika ny tenantsika?

Jereo koa ny Russell. M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–80; M. Russell Ballard, “Ny maha-zava-dehibe ny anarana,” Liahona, nôv. 2011, 79–82.

3 Nefia 28:1–11

Rehefa manadio ny faniriako aho dia lasa mpianatra mahatoky kokoa.

Inona no holazainao raha manontany anao ny Mpamonjy, tahaka ny nanontaniany an’ireo mpianany hoe: “Inona no irinao Amiko?” (3 Nefia 28:1). Eritrereto izany eo am-pamakianao ny zavatra niainan’ireo mpianatry ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 28:1–11. Inona no ianaranao mikasika ny fanirian’ny fon’ireo mpianatra avy amin’ny zavatra navalin’izy ireo an’io fanontaniana io? Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay dia haniry sy hiasa mba hananana ireo toetra takiana mba ho lasa olona maharitra mandrakizay isika. … Haniry ny ho tonga tahaka an’i [Jesoa Kristy] isika” (“Faniriana,” Liahona, mey 2011, 44–45). Inona no azonao atao mba hahatonga ny fanirian’ny fonao ho marina kokoa? (Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny “fiovana natao tamin’ny vata[n’]” ireo mpianatra anankitelo, dia jereo ny 3 Nefia 28:37 sy ny “Olona novana,” Torolalana ho an’ny soratra masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

4 Nefia 1:1–18

Mitondra ho amin’ny firaisan-kina sy ny fifaliana ny fiovam-po ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Mety ho azonao an-tsaina ve ny hoe mety ho toy ny ahoana izany niaina tao anatin’ireo taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy izany? Ahoana no nihazonan’ny olona izany fiadanana masina izany nandritra ny fotoana maharitra tokoa, tokotokony ho 200 taona teo? Eo am-pandalinanao ny 4 Nefia 1:1–18, dia hevero ny hanisy marika na hanoratra ireo safidy izay nataon’ny olona mba hiainana izany fiainana voatahy izany.

Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao, ny paroasinao, na ny fiarahamonina misy anao hiaina ao anatin’ny firaisan-kina sy fifaliana lehibe kokoa, tahaka ny nataon’ ireo vahoaka ao amin’ny 4 Nefia . Inona ny fampianaran’i Jesoa Kristy azonao hiainana bebe kokoa mba hanatanterahana io tanjona io? Inona no azonao atao mba hanampiana ny hafa hahatakatra sy hiaina ireo fampianarana ireo?

4 Nefia 1:19–49

Mitarika ho amin’ny fizarazarana sy ny alahelo ny faharatsiana.

Indrisy fa ilay fiarahamonin’i Ziona izay resadresahina ao amin’ny 4 Nefia (jereo koa ny Mosesy 7:18) dia nisaratsaraka nony farany. Eo am-pamakianao ny 4 Nefia 1:19–49, dia tadiavo ireo fomba fihetsika sy fitondrantena nahatonga io fiarahamonina io ho rava. Mahita famantarana milaza ny fisian’ireo fomba fihetsika sy fitondran-tena ireo ao aminao ve ianao?

Jereo koa ny “Chapitre 18: Prenez garde à l’orgueil,” Enseignements des présidents de l’église: Ezra Taft Benson (2014), 229–40.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

3 Nefia 27:13–21

Ireo andininy ireo dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra bebe kokoa ny tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niresaka ny hoe “ny filazantsarako” Izy. Rehefa avy mamaky sy mifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo, dia afaka mangataka ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana ianao mba hamintina ao anatin’ny fehezan-teny tokana ny atao hoe filazantsara.

3 Nefia 27:23–26

Mba manahoana isika izao amin’ny firaketana ireo zavatra izay “hita[ntsika] sy re[ntsika]”, na isika tsirairay avy na ny fianakaviantsika? Nahoana no manan-danja ny mitana rakitsoratra momba ireo zavatra ara-panahy?

3 Nefia 27:30–31

Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ilay fifaliana nofariparitan’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo, dia afaka manao kilalao iray ianareo, ka ao anatin’izany dia miafina ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary miezaka mitady azy ireo ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana. Izany dia afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny antony maha-manan-danja ny mitady ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana mba “tsy [h]isy very aminy.” Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona ao amin’ny fianakaviantsika hijanona ho matanjaka ao amin’ny filazantsara na hiverina raha niala tamin’izany izy ireo?

3 Nefia 28:17–18, 36–40

Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrmôna rehefa tsy nahatakatra ny zavatra rehetra momba ilay fiovana izay nitranga tamin’ireo mpianatra Nefita anankitelo izy? Inona no azontsika atao rehefa tsy mahatakatra ny zavatra rehetra momba ny fitsipiky ny filazantsara iray isika? Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Tena miraharaha anao Andriamanitra. Hihaino sy hamaly ireo fanontanianao manokana Izy. Ny valin’ireo vavaka ataonao dia ho tonga amin’ny fotoany sy araka ny fombany, ary noho izany dia mila mianatra mihaino ny Feony ianao” (“Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 21).

4 Nefia 1:15

Mba hampihenana ny fifandirana ao an-tokantranonareo, dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny mametraka tanjona mba hifaneho fitiavana bebe kokoa amin’ity herinandro ity. Rehefa tapitra ny herinandro dia hiaraho mijery ny fivoaranareo ary mifanakaloza hevitra momba ny fiantraikan’ny fanehoana fitiavana bebe kokoa teo amin’ny fianakavianao.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha fanambarana isan’andro. Matetika ny fanambarana no tonga “andalana hanampy andalana” (2 Nefia 28:30). Rehefa misaintsaina ireo andinin-tsoratra masina halalininao ianao, dia mety hisy hevitra sy fitaomam-panahy ho tonga aminao mandritra ny andro. Aza eritreretina ho toy ny zavatra “anokananao fotoana” ny fandalinana ny filazantsara fa ho toy ny zavatra ataonao foana (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12).

Sary
I Jesoa Kristy miresaka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo

Kristy miaraka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo, nataon’i Gary L. Kapp