Avia, hanaraka Ahy
20–26 jolay. Almà 36–38: “Hijery an’Andriamanitra ka ho velona”


“20–26 jolay. “Almà 36–38: -Hijery an’Andriamanitra ka ho velona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 jolay. Almà 36–38,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
lehilahy mivavaka

Sary nataon’i Joshua Dennis

20–26 jolay

Almà 36–38

“Hijery an’Andriamanitra ka ho velona”

Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Almà 36–38 ianao dia ho tonga aminao ireo fahatsapana momba ireo ankizy ampianarinao. Raketo ireo fahatsapana ireo. Mety hampitsiry hevitra ho an’ny asa atao enti-mianatra izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara zavatra izay nampianarin’ny ray aman-dreniny azy ireo. Anontanio izy ireo raha fantatr’izy ireo ny zavatra nampianarin’i Almà an’ireo zanany lahy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 36:6, 20, 24

Mitondra fifaliana ho ahy ny fibebahana.

Ny fampianarana ny ankizy momba ny fifaliana avy amin’ny fibebahana raha mbola zaza izy ireo dia afaka mitaona azy ireo hibebaka rehefa miha-lehibe izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Almà 36:20 ary anontanio azy ireo ny fahatsapan’i Almà. Asao izy ireo mba hitanisa ireo zavatra sasantsasany izay mitondra fifaliana ho azy ireo. Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy, dia hazavao fa nahatsapa fifaliana i Almà satria namela ny helony i Jesoa Kristy.

  • Omeo taratasy iray misy sarina endrika faly eo amin’ny lafiny iray ary sarina endrika malahelo eo amin’ilay lafiny iray hafa ny ankizy tsirairay. Angataho izy ireo mba hihaino rehefa mamaky ny Almà 36:6 ianao ary hisafidy izay endrika tokony hatsangan’izy ireo. Hazavao fa i Almà dia nibebaka sy nahatsapa fifaliana satria namela azy i Jesoa Kristy tamin’ireo safidy ratsy nataony. Angataho ny ankizy mba hihaino momba ireo safidy tsara nataony taty aoriana ka hanangana izay endrika mifanaraka amin’izany rehefa mamaky ny Almà 36:24 ianao.

  • Miaraha mihira hira iray momba an’i Jesoa Kristy toy ny hoe “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy hitondra fifaliana ho antsika.

Almà 37:6–7

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy mba hamantatra fa ny Tompo dia mampiasa zava-madinika na tsotra mba hanatanterahana ny asany?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio Almà 37:6–7, ary asao ny ankizy mba hiondrika isaky ny mamaky ny teny hoe “madinika” ianao. Ampisehoy azy ireo ireo zavatra madinika sasantsasany izay mety hahatonga ny zavatra lehibe hitranga na hanetsika zavatra lehibe, toy ny vatoaratra iray na fanalahidin’ny fiara iray. Inona no zavatra lehibe mitranga na mihetsika noho ireo zavatra kely ireo? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra kely na tsotra izay tian’Andriamanitra ataontsika. Inona no zava-dehibe mety mitranga noho ireo didy kely sy madinika ireo?

  • Mampisehoa sary iray na roa misy zavatra kely izay mitambatambatra ka lasa zavatra lehibe, toy ny tahona ahitra iray sy tanimboly iray, na ranon’orona indray mitete sy farihy iray. Mijoroa ho vavolombelona fa na ny fihetsika kely sy tsotra aza dia afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ny hafa. Ankaherezo ny ankizy mba hiresaka momba ireo zavatra tsotra sy tsara ataon’izy ireo isan’andro, na mizarà ohatra avy aminao manokana. Asao ireo ankizy hisafidy zavatra tsotra sy tsara iray izay azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity ary hanao ny sarin’izy ireo manatanteraka izany. Asao izy ireo mba hitondra ireo sary nataony any an-trano ary hizara izany amin’ny fianakavian’izy ireo.

Almà 37:38–47

Afaka manampy antsika isan’andro ny soratra masina.

Na dia tsy afaka mamaky teny aza ny ankizy kely dia afaka manampy azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny soratra masina ianao mba hitarika azy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina Liahona (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 68), na asao ny ankizy mba hanao ny sarin’izany sady mizara izay tsaroan’izy ireo momba izany (jereo ny 1 Nefia 16:10, 28–29). Hazony ambony ny soratra masina, dia angataho ny ankizy mba hizara ny mampitovy ny soratra masina amin’ny Liahona. Ampiasao ny Almà 37:38–47 sy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity mba hanampiana ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fandalinana ny soratra masina toy ny “Hitady ny Tompo dieny izao” na “Pour sonder tes Écritures,”” (Bokin-kiran’ny ankizy, 67; Cantiques, lah. 163). Inona ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina voalaza ao amin’io hira io?

    Sary
    vehivavy mamaky soratra masina

    Ny soratra masina dia mampianatra antsika ny fomba hanarahana an’Andriamanitra.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 36

Afaka ny ho “aterak’Andriamanitra” aho rehefa manaraka an’i Jesoa sy mibebaka amin’ireo fahotako.

“Ny fiovam-po dia … fiovan’ny toetrantsika mihitsy. Fiovana lehibe tokoa izany hany ka nantsoin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny hoe fahaterahana indray izany” (“Conversion,” Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena miaraka amin’ny ankizy ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà Zanany ao amin’ny Almà 36:6–21. Soraty amin’ny taratasy kely ireo teny na andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ny fahatsapan’i Almà, ary apetaho eny amin’ny solaitrabe izany. Angataho ny mpianatra mba hifantina ireo taratasy kely ho ao anaty vondrona roa: ireo zavatra tsapan’i Almà mialoha ny nahatsiarovany izay nampianarin’ny rainy momba ny Mpamonjy ary ireo zavatra tsapany taorian’ny nahatsiarovany izany. Iaraho mamaky ny Almà 36:17–20, ary mijoroa ho vavolombelona amin’ny ankizy fa mamela antsika i Jesoa Kristy rehefa mibebaka isika.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Aterak’Andriamanitra sy ireo andalan-tsoratra masina manaraka ireto: 1 Jaona 4:7; Môzià 5:7; 27:25–26; Almà 5:14; 22:15. Ampio ny ankizy hamaky ireo andininy ireo sy hijery ireo andian-teny izay mamariparitra izay dikan’ny hoe aterak’Andriamanitra. Ahoana no fomba fihetsiky ny olona iray rehefa avy aterak’Andriamanitra? Ahoana no hahafahantsika maneho fa naterak’Andriamanitra isika?

Almà 37:6–9, 38–47

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

Ampio ny ankizy ampianarinao mba hahita fa afaka mitondra fitahiana lehibe ny famakiana ny soratra masina na dia mandritra ny fotoana fohy isan’andro aza.

Asa atao azo tanterahina

  • Ataovy sary na mampisehoa fitoeran-drano iray. Teten-drano firy no ilaina hamenoana ilay fitoeran-drano? Ampio ireo ankizy hahafantatra fa mila teten-drano kely be dia be mba hamenoana ilay fitoeran-drano. Inona no ifandraisan’izany amin’ny Almà 37:6–7? Ahoana no ampitovy ny famakiana soratra masina amin’ny fanampiana teten-drano kely ao anaty fitoeran-drano iray?

  • Asao ny ankizy hijery ao amin’ny Almà 37:6-9 mba hahitana ireo fitahiana azo avy amin’ireo “rakitsoratra,” na ny soratra masina. Iaraho manao ny lisitr’izay hitan’izy ireo. Nitahy anao tamin’ny fomba ahoana ny famakiana ny soratra masina? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny soratra masina, ary amporisiho ny ankizy mba hanao toy izany koa.

  • Mampisehoa sarina Liahona (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.68), na ataovy ny sarin’izany, dia angataho ny ankizy mba hanao famerenana izay tsaroan’izy ireo momba ny Liahona tao amin’ny 1 Nefia 16:10, 28. Ampio ny ankizy hamaky ny Almà 37:38–42. Ahoana no fiasan’ilay Liahona? Inona no itovian’izany amin’ny fiasan’ny soratra masina? Iaraho mamaky ny andininy 43–47 mba hamaliana io fanontaniana io. Asao ny mpianatra mba hameno ilay pejin’ny asa atao ho ampahany amin’ity asa atao ity.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hizara antony iray mahatonga azy ireo hankasitraka noho ny soratra masina ary hanasa ireo olona ao amin’ny fianakiavany mba hanao toy izany koa.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa. Ny tanjonao amin’ny fampianarana ankizy dia tsy ny hizara fahamarinana amin’izy ireo fotsiny. Tokony hanampy azy ireo ho lasa mpikatsaka fahamarinana mizaka tena ihany koa ianao. Ohatra, eo amin’ny toeran’ny fitantarana tsotra amin’ny ankizy ireo fahamarinana hita ao amin’ny tantaran’ny fiovampon’i Almà, dia azonao atao ny manao drafitra hanao asa atao ka afaka hahita fahamarinana ao anatin’ilay tantara avy amin’ny tenany manokana izy ireo mandritra izany.