Avia, hanaraka Ahy
13–19 jolay. Almà 32–35: “[Hamboly] izany teny izany ao am-ponareo”


“13–19 jolay. Almà 32–35: -[Hamboly] izany teny izany ao am-ponareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“13–19 jolay. Almà 32–35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2020

Sary
voa ao an-tanan’ankizy

13–19 jolay

Almà 32–35

“[Hamboly] izany teny izany ao am-ponareo”

Ataovy ao an-tsaina hatrany ireo ankizy ampianarinao rehefa mandalina ombam-bavaka ny Almà 32–35 ianao. Rehefa manao izany ianao dia ho tonga ao aminao ny hevitra sy fahatsapana momba ny fomba hampianarana azy ireo. Raketo dia hampiharo ireo fahatsapana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ataovy anaty fitoeran-javatra iray ny anaran’ny ankizy tsirairay. Asaivo maka anarana iray ny olona iray, dia asao izany ankizy izany hizara ny zavatra iray nianarany tato ato avy amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tohizo hatrany izany mandrapandraisan’ny tsirairay anjara, saingy aza terena anefa ny tsirairay hizara.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Almà 32:28–43

Afaka manampy ny finoako an’i Jesoa Kristy mba hitombo aho.

Ny voa sy hazo ary voankazo dia zavatra mahazatra izay afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipika tsy hita maso toy ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny fanoharan’i Almà mba hampianarana ny ankizy.

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino ny Almà 32:28–43. Mampisehoa sarina zava-maniry ao anatin’ireo dingana isan-karazan’ny fitomboany, dia asao ny ankizy hanampy anao hametraka ireo sary amin’ny filaharany araka ny tokony ho izy (jereo ireo sary ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Hazavao fa rehefa miaina ny filazantsara isika dia mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, izany hoe manomboka kely tahaka ny voa izany saingy afaka ny ho lasa lehibe tahaka ny hazo.

  • Ampisehoy voa iray ny ankizy, ary vakio amin’izy ireo ny andalana vitsivitsy voalohany ao amin’ny Almà 32:28. Lazao amin’ny ankizy fa toy ny voa iray ny tenin’ Andriamanitra. Anontanio ny hoe amin’ny fomba ahoana no hanampiantsika ny voa iray mba hitombo. Asaivo mody mamboly voa, manondraka izany, ary manampy izany haniry ny ankizy.” Mariho fa tsy hitantsika intsony ilay voa aorian’ny hambolentsika azy, saingy fantatsika anefa fa ao ilay izy ary maniry; tsy hitantsika ihany koa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, saingy fantatsika fa tena misy Izy Ireo ary tia antsika Izy Ireo. Ampio ireo ankizy hieritreritra ny zavatra azony atao mba hanampiana ny finoany an’i Jesoa Kristy hitombo.

  • Manaova sarina hazo eo amin’ny solaitrabe ary avelao ny ankizy hanampy raviny iray na voankazo iray isaky ny mahita zavatra azony atao mba hanampiana ny finoany an’i Jesoa Kristy hitombo izy ireo. Asao izy ireo hanao zavatra tsotra mba hanehoana ireo zavatra noeritreretiny.

Almà 33:2–11; 34:17–27

Mihaino ahy ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka aho.

Indray mandeha isan-kerinandro ihany ireo Zôramita no mivavaka, ary mitovy hatrany ny teny ampiasain’izy ireo (jereo ny Almà 31:22–23). Nampianatra i Almà sy Amioleka fa afaka mivavaka amin’ny fotoana rehetra momba izay zavatra rehetra ilaintsika na ara-nofo izany na ara-panahy isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mamakia andian-teny nalainao avy tamin’ny Almà 33:4–11 izay mamariparitra toerana azontsika hanaovana vavaka, ary ampio ny mpianatra hieritreritra toerana azony hanaovana vavaka. Dia asao izy ireo hanao ny sarin’izy ireo mivavaka ao amin’ireo toerana ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka amin’ny toerana rehetra izy ireo, na dia mivavaka amim-pahanginana aza.

  • Misafidiana andian-teny avy amin’ny Almà 34:17–27 izay mamariparitra ireo zavatra azontsika lazaina ao anaty vavaka, ary vakio amin’ny ankizy izany. Ampio izy ireo hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo lazaina amin’ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka, ary asao izy ireo hanao ny sarin’ireo zavatra ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra momba izay zavatra rehetra eritreretiny na tsapany izy ireo. Mizarà zavatra niainana iray izay nihainoan’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao.

  • Mihirà hira iray izay mampianatra ny ankizy momba ny vavaka, toy ny “Vavaky ny ankizy” na “Aondrikay ny lohanay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7, 18). Ampio izy ireo hanamarika ny zavatra ampianarin’ilay hira mikasika ny vavaka.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Almà 32:1–16, 27–28

Raha manetry tena aho dia afaka mampianatra ahy ny Tompo.

Nahita fahombiazana i Almà sy Amioleka tamin’ny fampianarana ireo Zôramita izay nanetry tena sy vonona ny hihaino ny tenin’ Andriamanitra. Diniho ny fomba ahafahanao mamporisika ny ankizy hisafidy ny hanetry tena.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra tsaroany momba ny Zôramita izay nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa (jereo ny Almà 31:8–24). Ampahatsiahivo azy ireo fa ny antony iray nampanahiran-tsaina an’i Almà ny amin’ireo Zôramita dia ny avonavon’izy ireo (jereo Almà 31:24–28). Vakio miaraka ny Almà 32:1–5, dia angataho ny ankizy hamintina ny zava-nitranga tamin’ny Zôramita izay nahantra. Dia asao ny ankizy avy eo hamaky ny andininy 12–13 mba hahitana ny antony nahatsapan’i Almà fa ny hoe noroasina niala tamin’ny synagôgany (na fiangonany) dia zavatra tsara ho an’ireo Zôramita ireo. Inona no fitahiana sasany avy amin’ny hoe manetry tena?

  • Ampio ny ankizy hahita ny famaritana ny manetry tena na fanetrentena ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na ao amin’ny rakibolana. Inona ihany koa no fampahalalana hafa manambara ny dikan’ireo teny ireo izay hita ao amin’ny Almà 32:13–16? Asao izy ireo hieritreritra fomba isan-karazany hamitana ny fehezan-teny iray toy ny hoe “Manetry tena aho rehefa .”

Almà 32:26–43

Mitombo ny fijoroako ho vavolombelona momba an’ i Jesoa Kristy rehefa mikolokolo izany aho.

Ampio ny ankizy ampianarinao hianatra ny zavatra azony atao mba “hamboly” ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa zavatra mafy, azo tsapain-tanana, (toy ny vato ohatra) mba hanehoana ny fo mafy na miavonavona ary zavatra malemy (toy ny tany ohatra) mba hanehoana fo malemy na manetry tena. Asaivo mitsapa ireo zavatra roa ireo ny ankizy. Dia asehoy amin’ny ankizy avy eo ny voa iray izay hanehoana ny tenin’ Andriamanitra. Asao izy ireo hanandrana hanindry ilay voa amin’ilay zavatra mafy ary ilay zavatra malemy. Vakio miaraka ny Almà 32:27–28, ary resaho ny momba ny mety ho dikan’ny hoe “manisa toerana” (andininy 27) ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika.

  • Rehefa miaraka mamaky ny Almà 32:26–43 ianareo dia miatò matetika ary asao ny ankizy hanao ny sarin’ilay voa na zava-maniry soritsoritana—ohatra, voa sy tsimoka kely (andininy 28), zava-maniry mitombo (andininy 30), ary zava-maniry efa mamokatra (andininy 37). Amporisiho izy ireo hanome lohateny ny sariny miaraka amin’ny soratra masina avy amin’ny Almà 32. Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fikolokoloina voa iray amin’ny fikolokoloina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy? Ahoana no hikolokoloantsika ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Asao ny ankizy hieritreritra am-pahanginana ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary ny zavatra hataony mba hikolokoloina azy.

Almà 33:2–11; 34:17–27

Mihaino ahy ny Ray any An-danitra rehefa mivavaka aho.

Diso fihevitra momba ny vavaka ireo Zôramita, ary ny zavatra sasany amin’izany dia mbola hitantsika amin’izao vanin’andro izao. Nampianatra fahamarinana feno hery mba hanitsiana izany fiheverana diso izany i Almà sy Amioleka.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hikaroka ny Almà 33:2–11 ka hitady teny na andian-teny manan-danja mifandraika amin’ny vavaka izay miverimberina ao. Inona no ampianarin’ireo teny na andian-teny ireo antsika momba ny vavaka?

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra toe-javatra izay hahafahany mivavaka, ka tafiditra amin’izany ireo izay voatanisa ao amin’ny Almà 33:4–10 sy 34:17–27 ary koa ireo toe-javatra eo amin’ny fiainany. Asao ny ankizy hieritreritra na hizara zavatra niainana izay nivavahany ka nahatsapany fa namaly ilay vavaka nataony Andriamanitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha azo atao dia omeo voa hoentina mody sy hoambolena ny mpianatra tsirairay mba hampahatsiahivana azy ireo ny fampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hilaza amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany momba ny fampiharana ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ny ankizy hiaina fitsipiky ny filazantsara iray ianao dia lazao azy ireo ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’ireo izay miaina izany fitsipika izany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).