Avia, hanaraka Ahy
17–23 aogôsitra. Helamàna 1–6: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”


“17–23 aogôsitra Helamàna 1–6: -Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“17–23 aogôsitra Helamàna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
onjan-dranomasina midona amin’ny vato

17–23 aogôsitra

Helamàna 1–6

“Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Tena fantatrao marina ve ny kilasinao? Miezaha mamantatra bebe kokoa mpianatra iray isan-kerinandro. Rehefa manao izany ianao dia afaka mahatadidy tsara kokoa ny zavatra ilain’izy ireo rehefa miomana hampianatra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara zavatra iray izay mety ampiasain’izy ireo mba hampianarana momba ny fitsipika iray nianaran’izy ireo tao amin’ireo toko ireo. Inona avy ireo fomba hafa azontsika entina ampianarana ireo fitsipika ireo amin’ny hafa?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Helamàna 1–6

Manasaraka antsika amin’ny Fanahy sy ny herin’ny Tompo ny avonavona.

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoritsoritra “fitamberimberenan’avonavona” izay niely patrana teo anivon’ny Nefita. Mety misy mpianatra angamba afaka manao ny kisarin’izany fitamberimberenana izany eny amin’ny solaitrabe. Avy eo ireo mpianatra dia afaka mijery andininy avy ao amin’ny Helamàna 1–6 izay tsapany fa maneho ireo ampahany samihafa amin’ilay fitamberimberenana ary hanoratra izany eo amin’ny ampahany mifandray amin’ilay kisary. (Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia afaka omenao torohevitra izy ireo mba hijery ao amin’ny Helamàna 3:24–36; 4:11–26.) Amin’ny fomba ahoana isika indraindray no tahaka ireo Nefita? Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fironan’izy ireo hiavonavona? Afaka mizara ampahany avy amin’ny “Chapitre 18: Prenez garde à l’orgueil” (Enseignement des Président de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014]) ihany koa ianao.

    Sary
    ny fitamberimberenan’avonavona

    Ny “fitamberimberenan’avonavona.”

  • Azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky ny Helamàna 4:13 sy 24–26 ary hitady hira iray izay mampianatra momba ny maha-mpiakina amin’ Andriamanitra antsika, toy ny hoe “Mila anao aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 23). Nahoana ny avonavona no manasaraka antsika amin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika manaiky ny fiankinantsika amin’ Andriamanitra? Afaka mizara ny fomba nampatajahan’ny Fanahy sy ny herin’ny Tompo azy ireo ny mpianatra satria nanetry tena izy ireo.

  • Ireo mpikamban’ny Fiangonana voafaritra ao amin’ny Helamàna 3:33–34 dia nanenjika ireo mpiara-mivavaka aminy. Noho ny avonavony dia nampahory ny mahantra sy nanao izay karazana fahotana hafa rehetra izy ireo (jereo ny Helamàna 4:11–13). Vakio miaraka ny Helamàna 3:33–34 sy 4:11–13 dia anontanio ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahantsika maneho hatsaram-panahy sy fanajana bebe kokoa ny hafa, ka ao anatin’izany ireo mpiara-miangona amintsika izay mety tsy mitovy amintsika. Azonao asaina ihany koa ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay fantatr’izy ireo fa mety mijaly noho ny zavatra ataon’ny sasany izay feno haratsiam-panahy ary hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo manampy mba hampatanjaka sy hankahery izany olona izany.

Helamàna 3:33–35

Ny fahamasinana dia avy amin’ny fanolorana ny fontsika amin’ Andriamanitra.

  • Ny Helamàna 3:33–35 dia mety tena mankahery an’ireo mpianatrao izay mety miaina “fanenjehana … [na] fahoriana be” (andininy 34). Angamba afaka manasa mpianatra hikaroka ao amin’ireo andininy ireo ianao mba hahita torohevitra azony omena ny olona iray izay enjehina. Na angamba afaka mizara ny fomba nahitany “fifaliana sy … fiononana” nandritra ny fotoana nahory azy ireo ny mpianatra amin’ny fanaovana ireo zavatra voalazalaza ao amin’ny andininy 35.

  • Asao ny iray kilasy mba handalina ny Helamàna 3:33–35 sy ireo teny nambara sy andinin-tsoratra momba ny fahatongavana ho masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Inona no ampianarin’ireo andininy sy filazana ireo momba ny fahamasinana? Amin’ny fomba ahoana ny fifadian-kanina sy ny vavaka no mitondra ireo fitahiana voafariparitra ao amin’ny Helamàna 3:35? Ahoana no hanolorantsika ny fontsika ho an’ Andriamanitra? (jereo ny Helamàna 3:35). Ahoana no hanampian’izany antsika ho lasa masina? Afaka manomana sy mizara taratasy kely misy ny iray amin’ireo teny nambara na andinin-tsoratra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao ka hanasa ireo mpianatra mba haka an-tsapaka ny iray amin’izany. Dia afaka mifampizara ny zavatra nianarany momba ny fahamasinana izy ireo.

Helamàna 5:12

Rehefa ataontsika fototra iorenantsika i Jesoa Kristy dia tsy ho lavo isika.

  • I Satana dia “handefa ny rivo maheriny” ho eo amin’ny fiainantsika rehetra. Maro amin’ireo mpianatrao no efa niaina izany, ary maro ny andro mahory mbola ho avy. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ireo tafiotra ireo amin’ny fanorenana ny fiainan’izay ireo eo amin’i Jesoa Kristy?

    Azonao atao ny manomboka amin’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fanehoana sarina tempoly na trano lehibe ka hampitaha ny fiainantsika amina trano lehibe iray. Inona no safidy tsy maintsy ataon’ny mpanorina iray? Inona no safidy ataontsika izay miantraika amin’ny fomba fiorenan’ny fiainantsika? Avy eo dia afaka miaraka mamaky ny Helamàna 5:12 ianareo ary hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe manorina ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy. Inona no fiantraikan’ny fananana Azy ho fototry ny fiainantsika eo amin’ireo safidy ataontsika rehefa manorina ny fiainantsika isika?

    Azon’ny mpianatra zaraina ny fomba nanampian’ny fananana ny Mpamonjy ho fototra iorenany mba hahatohitra ireo tafiotry ny fiainana. Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsaina ny karazana fiainana izay aorin’izy ireo sy ny fomba ahazoan’izy ireo antoka fa miorina mafy eo amin’i Kristy izy ireo. Ny tantaran’ny Tempolin’i Salt Lake ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

Helamàna 5:14–50

Ny finoantsika dia ankaherezin’ny “ny halehiben’ny porofo izay efa [azontsika].”

  • Anisan’ny fitahiana azo amin’ny fivoriana ao amin’ny Sekoly Alahady ny fahafahana mifankahery finoana, tahaka ny nataon’ireo Lamanita ao amin’ny Helamàna 5:50. Angamba azonareo atao ny mamaky miaraka ny Helamàna 5:50 dia angataho ny mpianatra mba hamantatra “ny zavatra rehetra izay efa [ren’ireo Lamanita] sy hitany” ao amin’ny andininy 20–49. Dia afaka mifampizara ireo zavatra niainana sasany izay nandresy lahatra azy ireo ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara avy ireo ny mpianatra, na dia tsy nahita anjely na andry afo aza izy ireo. Inona no porofo mandresy lahatra efa hitan’izy ireo momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ny Helamàna 7–12 dia manoritsoritra ny nahazoan’ny Tompo natoky an’i Nefia ary ny nahazoan’i Nefia hery lehibe. Azonao atoro ireo mpianatra fa rehefa mamaky ireo toko ireo izy ireo dia afaka mianatra ny fomba handraisana ny fitokisan’ Andriamanitra bebe kokoa azy ireo eo amin’ny fiainany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hamasinina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Ny hoe hamasinina dia “ny fahafahana amin’ny fahotana, ho madio, ho tsisy pentina ary ho masina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamasinana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • “Rehefa avy nibebaka marina isika, dia hanala ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika i Kristy. Ny tenantsika ihany dia afaka mahalala fa voavela heloka sy voadio isika. Hanamarina izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy no Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona momba ny famelan-keloka lehibe mihoatra noho izany” (Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Ensign or Liahona, May 2007, 101).

  • “Ny hoe hamasinina amin’ny ran’i Kristy dia midika hoe lasa madio sy masina. Raha manaisotra ny famaizana avy amin’ny fahotana natao taloha ny fanamarinana dia ny fanamasinana no manala ny pentina na ny vokatry ny ota” (D. Todd Christofferson, “Justification and Sanctification,” Ensign, June 2001, 22).

  • “Rehefa manaiky tanteraka ny fahefan’ Andriamanitra sy ny fitakiany ny sitrapo sy ny filana ary ny fahatsapan’ny olona iray, dia nohamasinina izany olona izany” (Brigham Young, “Discourse,” Deseret News, Sept. 7, 1854, 1).

  • Hamasinin’ny herin’ny Fanahy Masina isika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 13:12; Almà 13:10–12; 3 Nefia 27:19–20; Môrônia 10:32–33; FF 76:40–42).

  • Na dia efa nohamasinina aza isika dia mbola afaka ny ho lavo avy amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra (jereo ny FF 20:30–34).

Fototra azo antoka.

Nandritra ny fanorenana ny tempolin’i Salt Lake dia nahitana triatra be teo amin’ny vato fototr’izany. Na dia efa ho nandritra ny sivy taona aza no nirosoan’ny asa fanorenana tamin’izay dia nasain’ny Filoha Brigham Young nesorina ireo vato fototra triatra ka nosoloina vato tsara kalitao kokoa. Nandany dimy taona hafa indray ny nanala ireo vato ratsy tamin’ny fototra sy ny nanorina ny ambany. “Tiako ny hahita io tempoly io,” hoy ny Filoha Young, “hatsangana amin’ny fomba izay haharetany hatramin’ny arivotaona” (“Remarks,” Deseret News, 14 ôkt., 1863, 97).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mety ho tsy nahatsapa ho ilay olona tena mendrika hampianatra ny Lamanita hibebaka sy hanam-pinoana an’i Kristy i Aminadaba (jereo ny Helamàna 5:35–41). Saingy nizara ny zavatra fantany izy, ary nisy fiantraikany lalina ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Inona no ianaranao avy amin’io ohatra io?