Avia, hanaraka Ahy
14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”


“14–20 septambra. 3 Nefia 8–11: -Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“14–20 septambra. 3 Nefia 8–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i James Fullmer

14–20 septambra

3 Nefia 8–11

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”

Ny fanaovana jery todika ireo zavatra tsapa noraketinao nandritra ny fandalinanao manokana ny 3 Nefia 8–11 dia mety hampitsiry hevitra enti-mampianatra. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia mety hanome hevitra bebe kokoa anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Indraindray ny olona dia mazoto hizara kokoa rehefa angatahinao zavatra mazava tsara. Ohatra, azonao asaina ireo mpianatra mba hizara zavatra avy ao amin’ny 3 Nefia 8–11 izay nampianatra azy ireo momba ny toetran’i Jesoa Kristy. Azonao omena mialoha io fanasana io mba hahafahan’izy ireo ho vonona rehefa tonga.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 8–10

Rehefa mibebaka isika dia hangonin’ny Tompo sy harovany ary hositraniny isika.

  • Ireo toko ireo dia ahitana tantaran’ny fahasimbana sy faharavana saingy mampianatra lesona ara-panahy ihany koa izy ireo izay manampy antsika hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy. Angamba azonao zaraina ho vondrona telo ireo mpianatra ka homenao andraikitra ny vondrona tsirairay mba hikaroka ao amin’ny toko iray avy ao amin’ny 3 Nefia 8–10 ka hitady teny na andian-teny izay manoritsoritra ny zavatra nianaran’ny vahoaka na niainany. Dia afaka mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra hitan’ny vondrona nisy azy avy eo ny olona iray avy ao amin’ilay vondrona. Amporisiho ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’ireo lesona ara-panahy ireo manampy antsika hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy.

  • Hafatra iray manan-danja ao amin’ireo toko ireo ny hoe manolo-tanana am-pitiavana sy am-pangorahana antsika ny Mpamonjy eny fa na dia mandritra ny fitsapana mahery indrindra amintsika aza. Azonao asaina ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay fantany fa mandalo fotoana sarotra ary hikaroka ao amin’ny tenin’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 9:13–22 sy 10:1–10 mba hitady andian-teny izay mety hanampy izany olona izany. Mety ho afaka mizara zavatra niainana manokana momba ny nanoloran’ny Mpamonjy tanana azy ireo koa angamba ireo mpianatra

3 Nefia 9:19–22

Ny Tompo dia mitaky “fo torotoro sy fanahy manenina.”

  • Mialoha ny fiavian’ny Mpamonjy dia nankatò ny lalàn’i Mosesy ny mahatoky tao amin’ny tany nampanantenaina, ka tafiditra amin’izany ny fanaovana sorona biby. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara io lalàna io dia azonao averina jerena fohy ny Mosesy 5:5–8. Nahoana ny vahoakan’ Andriamanitra no nodidiana hanao sorona biby? Inona no didy vaovao nomen’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 9:20 ary amin’ny fomba no hanondroan’izany antsika manoloana Azy sy ny Sorompanavotany? Afaka manampy ireo teny notsongaina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina? Angamba azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe torotoro sy manenina ary sorona. Avy eo dia azonao angatahina ireo mpianatra mba hanao sary ny dikan’ireo teny ireo aminy na hanoratra teny na andian-teny izay ampifandraisiny amin’ireo teny ireo. Eo am-pizaran’ny mpianatra ny sariny na ny teniny na ny andian-teniny dia ifanakalozy hevitra ny ifandraisan’ireo amin’ny zavatra angatahin’ny Mpamonjy amintsika ao amin’ny 3 Nefia 9:19–22. Afaka manampy ihany koa ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

3 Nefia 11:1–17

I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao.

  • Ireo tranga voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 11:1–17 no anisan’ireo masina indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Omeo fotoana vitsy ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ireo andininy ireo. Angamba afaka manoratra fanontaniana vitsivitsy eny amin’ny solaitrabe ianao mba hosaintsainin’izy ireo, toy ny hoe: Inona no mety fahatsapana nanananao raha isan’ireo vahoaka ireo ianao? na Inona no manaitra anao momba ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo? na Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa? na Inona no zavatra niainanao ka nanome anao fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ho ilay Mpamonjy anao? Azonao omena lalana ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny na ny fahatsapany.

    Sary
    i Jesoa maneho ireo marika amin’ny tanany amin’ireo Nefita

    Tsirairay, nataon’i Walter Rane

3 Nefia 11:10–41

Nanangana ny fotopampianarany sy ny Fiangonany i Jesoa Kristy.

  • Mety hitondra fampianarana ny mahatsikaritra ireo zavatra voalohany nosafidin’ny Tompo holazaina sy hatao rehefa niseho tao amin’ny tanin’ny Soafeno Izy. Angamba azon’ny mpianatra marihina na soratana ireo fahamarinana izay hitany avy amin’ireo tenin’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ao amin’ny 3 Nefia 11:10–41. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany. Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo? Inona no ianarantsika momba ny Fiangonany?

  • Mba hanatsaharana ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny vahoaka mahakasika ny batisa dia nanambara fahamarinana manan-danja momba io ôrdônansy io Izy ao amin’ny 3 Nefia 11. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fahamarinana ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto laharan’andininy manaraka ireto: 21–25, 26–27, 33–34. Asao ny mpianatra tsirairay haka andininy iray na roa ary hizara ny zavatra ampianarin’izany momba ny batisa.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety hahaliana ny mpianatrao ny mahafantatra fa ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny Nefita sy ny Lamanita dia nisy fiantraikany lalina tamin’izy ireo ka dia niaina tao anatin’ny fiadanana ireo vahoaka mpifanditra ireo nandritra ny 200 taona nanaraka (jereo ny 4 Nefia 1). Mety hitaona ny mpianatra handalina ny 3 Nefia 12–16 izany mba hianatra ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny vahoaka ka mety nitarika io fiovana goavana io.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny lalàn’ny fahafoizana na fanaovan-tsorona.

Ny Filoha M. Russell Ballard dia nanazava fomba iray hiainantsika ny lalàn’ny fahafoizan-tena amin’izao ankehitriny izao.

“Taorian’ny sorona farany nataon’ny Mpamonjy dia nisy fanovana anankiroa natao tamin’ny fampiharana ny [lalàn’ny fahafoizan-tena]. Voalohany, ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo no nisolo ny ôrdônansin’ny fanaovan-tsorona ary io fanovana io dia nanova ny zavatra ifantohana amin’ilay sorona izay tamin’ny bibin’ny olona iray ary lasa amin’ilay olona mihitsy. Izany hoe, ilay sorona dia niova tsy ho ilay fanatitra intsony fa lasa ilay mpanatitra. …

“… Mba tsy hitakian’ny Tompo biby na voamaina, dia tiany isika hanary ireo rehetra tsy an’ Andriamanitra. …

“… Rehefa resintsika ny faniriantsika feno fitiavan-tena ka mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ary manao fanekempihavanana ny hanompo Azy na manao ahoana na manao ahoana ny saran’izany isika, dia miaina ny lalàn’ny fahafoizan-tena isika” (“The Law of Sacrifice,” Ensign, Oct. 1998, 10).

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Ny tena fanatitra avy amin’ny tena dia tsy ny fametrahana biby eo ambony alitara mihitsy. Izany kosa dia ny finiavantsika hametraka izay biby sy faharatsiana ao anatintsika eo ambony alitara ka hamela izany ho may!” (“Deny Yourselves of All Ungodliness,” Ensign, May 1995, 68).

Fo torotoro sy fanahy manenina

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nanazava ny dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina:

“Afaka manolotra ho fanomezana ny fonao torotoro na mibebaka, sy ny fanahinao manenina na mankatò, ho an’ny Tompo ianao. Raha ny marina dia fanomezanao ny tenanao izany—ny maha-ianao anao sy izay hahatongavanao.

“Moa ve misy zavatra tsy madio na tsy mendrika ao aminao na eo amin’ny fiainanao? Rehefa ialanao izany dia tena fanomezana ho an’ny Mpamonjy. Moa ve misy fahazarana tsara na toetra tsara izay tsy ampy loatra eo amin’ny fiainanao? Rehefa manaiky ny hanao izany ianao ary manao izany ho ampahany amin’ny fiainanao, dia manome fanomezana ho an’ny Tompo ianao amin’izany” (“When Thou Art Converted,” Ensign or Liahona, May 2004, 12).

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha miasa amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. “Ny olona izay manana hery tena mahery vaika itarihana olona iray—ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy—dia matetika ireo izay ao an-tokantranony. Noho ny maha-ivon’ny fiainana sy fianarana ny filazantsara ny tokantrano, dia tena hahomby ny ezaka ataonao hanatanjahana ilay mpianatra iray rehefa miara-miasa amin’ny … olona ao anatin’ny fianakaviana akaiky ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9).